Toko faha 3

1 Laha misy olo manolotsy soro, zay fanati-pilongoa amin'ny raiky amin'ireo biby bakamin'ny andian'omby, na lahy na vavy, la ao ie hagnome biby tsy misy kilema eo agnoloan'i Yaveh. 2 Hametraky gny tagnany eo an-dohan'ny fagnatitsy ie sady hamono izay eo ambaravaran'ny lay fihaogna. Sady reo anaky lahin'i Arona mpisoro hamafy gny lion'izay amin'ireo lafin'ny alitara. 3 Hanolotsy soron'ny fanati-pilongoa amin'ny bolo ho gnan'i Yaveh lay johary. Gny sabora zay mandrakotsy na mifandray amin'ny taovany, 4 vo reo voa roa vo gny sabora zay eo amin-drozy amin'ny alalan'ny valahiny, sady gny ilan'ny atiny, miaraky amin'ny voany__la ho alany izay iaby izay. 5 Reo anaky lahin'i Arona la hagnoro izay eo agnobon'ny alitara miaraky amin'ny fagnatitsy oroa, zay agnabon'ny kata fa mirehitsy. Hamoaky hagnitsy malemy ho gnan'i Yaveh izay; ho fagnatitsy oroa natao ho Gnazy amin'ny alalan'ny bolo izay. 6 Laha toa ka amin'ny aondry aman'osy ro soron'ny fanati-pilongoan'ilay johary ho gnan'i Yaveh; na lahy na vavy, la tsy maintsy manolotsy soro tsy misy kilema ie. 7 Laha manolotsy anak'aondry ho ataony soro ie, la tsy maintsy atolony eo agnoloan'i Yaveh izay. 8 Hametraky gny tagnany eo an-dohan'ny soro vo hamono izay eo agnoloan'ny lay fihaogna ie. Sady hamafy gny liony amin'ny sisin'ny alitara reo anaky lahin'i Arona. 9 Hanolotsy gny soron'ny fanati-pilongoa ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh lay johary. Gny sabora, gny rambo vondraky manontolo la hotapahy marikitsy gny taolan-dambosy, sady gny sabora zay mandrakotsy reo taovany vo reo sabora iaby zay marikitsy reo taova, 10 sady reo voa roa vo gny sabora zay ao agnatin'ireo, zay ao agnatin'ny valahany, sady gny ila-atiny, miaraky amin'ireo voa__la ho alany izay iaby izay. 11 La hagnoro izay iaby izay eo amin'ny alitara ho fagnatitsy oroa hohany ho gnan'i Yaveh mpisoro. 12 Laha toa ka osilahy ro fagnatitr'ilay johary, la hanolotsy izay eo agnoloan'i Yaveh ie. 13 Ao ie hametraky gny tagnany eo an-dohan'ny osilahy sady hamono izay manoloa gny lay fihaogna. La hamafy gny lion'izay amin'ny lafin'ny alitara reo anaky lahin'i Arona. 14 Hanolotsy gny sorony natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh lay johary. Hangalaky gny sabora zay mandrakotsy reo fagnatitsy agnaty ie, sady gny sabora iaby mariniky reo faritsy agnaty. 15 Hangalaky gny voa roa vo reo sabora zay miaraky amin'ireo ie, zay agnilan'ny valahany, sady gny ila-atiny miaraky amin'ny voa. 16 Hagnoro izay iaby izay eo agnabo alitara ho fagnatitsy hohany natao tamin'ny bolo gny mpisoro, mba hamoaky hagnitsy malemy. An'i Yaveh gny sabora iaby. 17 Ho lalagna mandrakizay eo amin'ny avorohotanareo fara mandimby amin'izay toera iaby honenanareo izay, la ao tsy hihina sabora na lio nareo".