Toko faha 26

1 "Ao nareo tsy hana reo sampy, na hananga sarin-jaha voasokitsy na tsangam-bato masy, sady ao nareo tsy hametraky saryvato voasokitsy ao amin'ny taninareo zay hiankohofanareo, fa Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 2 Ao hitandry reo Sabatako voho hagnome voninahitsy gny fipetrahako masy nareo. Zaho ro Yaveh. 3 Laha magnaraky reo lalako voho mitandry reo liliko sady mankato izay nareo,n 4 la hagnome ora anareo amin'ny vanim-potoa Zaho; hagnome gny vokany gny tany, sady reo hazon'ny baibo hamokatsy reo voany. 5 Sady gny fivelesam-bary la hitohy amin'ny fotoan'ny fiotazam-boaloboky, sady hihitatsy hatramin'ny fotoam-pambolena gny voka-boaloboky. Hihina gny mofonareo zisiky hahavoky anareo sady hiana am-pilaminana agny amin'izay nataonareo fipetraha ao amin'ny tany. 6 Hagnome fiadana ao amin'ny tany Zaho; handry miaraky amin'ny raha tsy hampahotsy anareo nareo.Hamongotsy reo biby mandoza amin'ny tany Zaho, sady tsy handalo amin'ny taninareo gny sabatsy. 7 Hagnenjiky reo fahavalonareo nareo, ka ho lavo eo agnatrehanareo amin'ny alalan'ny sabatsy rozy. 8 Dimy agnaminareo hagnenjiky zato, sady zato aminareo hagnenjiky raiky haliky;ho lavo eo agnatrehanareo amin'ny alalan'ny sabatsy reo fahavalonareo. 9 Hijery anareo amim-pankasitraha Zaho sady hampamokatsy voho hampitombo isa anareo; hametraky gny fagnekeko aminareo Zaho. 10 Hihina reo hany voatahiry amin'ny fotoa maharitsy nareo. Tsy maintsy hamoaky reo sakafo voatahiry nareo fotony hilanareo ho an'ny vokatsy vaovao gny efatsy. 11 Hametraky gny tabernakeliko eo aminareo Zaho, sady tsy halay anareo Zaho. 12 Handeha eo aminareo Zaho sady ho Ndranagnaharinareo, sady nareo ho oloko. 13 Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo zay nanday anareo niboaky gny tany Egypta, mba tsy ho andevon-drozy nareo, nanapaky gny hilin'ny zioganareo Zaho sady nampandeha anareo mahity. 14 Fa laha tsy hijanjy Gnahy nareo, sady tsy hankato reo liliko iaby, 15 sady laha manda reo liliko voho malay reo lalako, sady tsy mankato reo liliko iaby nareo, fa hivalihanareo gny fagnenkeko__ 16 __ laha manao reo raha reo nareo, la hanao zao agnaminareo Zaho: Hampisy horohoro agnaminareo Zaho, arety voho tazo zay hanimba gny maso voho hanimba gny ainareo. Hamboly reo voa ho raha fahatany nareo, fotony reo fahavalonareo ro hihina gny vokany. 17 Hanandrina gny vatako hanohitsy anareo Zaho, sady hanjakan'ireo fahavalonareo tanteraky nareo. Hanapaky gnanao reo johary zay malay gnanao, la handositsy iha, na la tsy misy na raiky ka magnenjiky gnanao. 18 Laha tsy mijanjy reo liliko nareo, la hanafay am-pahasiaha nareo im-pito nohon'ny fahotanareo Zaho. 19 Handrava gny avonavonareo agnatin'ny herinareo Zaho. Hanao gny lagnitsy eo am-boninareo ho manahaky gny vy Zaho sady gny taninareo manahaky gny varahina. 20 Hampiasa amin'ny raha tsisy dikany gny tanjakareo, fotony tsy hamokatsy gny vokany gny taninareo, sady reo hazo ao amin'ny tany la tsy hamokatsy reo voany. 21 Laha mandeha manohitsy Gnahy nareo sady tsy hijanjy Gnahy, handay fameleza im-pito abo heny eo aminareo Zaho, araky gny fahotanareo. 22 Handefa reo biby mandoza hanohitsy anareo Zaho, zay hangalatsy reo anakareo, handrava gny biby fihare, sady hahavitsy isa nareo. Ka ho avy ngazana gny lalanareo. 23 Na la eo aza izay raha izay ka mbo tsy manaiky gnyfanitsiakoavao nareo sady mandeha manohitsy Gnahy hatrany, 24 la handeha hanohitsy anareo avao koa Zaho, la Zaho mihitsy ro hanafay anareo im-pito noho reo fahotanareo. 25 Handay sabatsy eo aminireo Zaho zay hagnatanteraky gny famalia nohon'ny fivaliha tamin'ny fagnekeko. Havory miaraky ao an-tagnanareo nareo, la handefa arety eo agnaminareo agny Zaho, la hatolotsy ho eo an-tagnan'ireo fahavalonareo nareo. 26 Lafa hotapahiko gny sakafo vatsinareo, la ampela folo la hahavita hanendy gny mofonareo agnaty lafaoro raiky, la hizara gny mofonareo ara-danja rozy. Hihinana nareo fa tsy ho afa-po. 27 Laha tsy mijanjy Gnahy nareo na la eo aza regny raha regny, fa mbo mandeha manohitsy Gnahy hatrany, 28 la handeha hanohitsy nareo amim-pahatezera hatrany Zaho, sady hagnafay anareo im-pito avo heny mihoatsy nohon'ny fahotanareo. 29 Hihina gny nofon'ireo anakaareolahy nareo; hihina gny nofon'ireo anakareo ampela nareo. 30 Handrava reo alitaran'ny ditin-kazomagnitsy, sady hagnary gny fatinareo eoambonin'ny fatin'ireo sampinareo, la Zaho mihitsy ro halaignany anareo. 31 Hamaliky reo tanananareo ho faharava Zaho sady handrava reo fitoeranareo masy. Tsy ho faly amin'ny hanitrin'ireo fagnatitrareo Zaho. 32 Handrava gny taninareo Zaho. Reo fahavalonareo zay hipetraky agny la hotalanjona amin'ny faharava. 33 Hampiely anareo manera reo firenena Zaho, sady hanatsoaky gny sabora voho hagnaraky anareo Zaho. Hiala gny taninareo, sady ho rava reo tananareo. 34 La hitia gny Sabatany gny tany mandritra gny handriany ho lao sady ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo nareo. Mandritr'izay fotoa izay, hitsahatsy gny tany ka hitia reo Sabatany. 35 Laha mbo handry ho laoizay, la hana fitsahara, zay ho fitsahara tsy azony tamin'ny Sabatanareo, lafa nipetraky tao nareo. 36 Sady gny amin'ny sasany aminareo zay nenga agny amin'ny ta nin'ireo fahavalonareo, la handefa tahotsy amin'ny fonareo Zaho ka na la ravina voatsokan'ny rivotsy aza la hanitra anareo, la hindositsy manahaky gny hoe nitsoaky amin'ny sabatra nareo. Hiatonta iha, na la tsy misy na ia na ia magnenjiky aza. 37 Ho tafitohina eo amin'ny kiraidraiky manahaky gny hoe mandosi-tsabatsy nareo, na la tsy misy na ia na ia aza magnenjiky anareo. Tsy hana hery hitsanga magnatriky reo fahavalonareo nareo. 38 Ho maty agny amin'ireo firenena nareo, sady handrapaky anareo reo tanin'ny fahavalonareo. 39 Reo zay sisa tavela aminareo la ho tsobo ao agnatin'ny fahotan-drozy, ao amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, sady noho reo heloky gny razamben-drozy la hihaosa rozy. 40 Fa laha miaiky reo fahotany voho gny fahotan'ireo razambeny rozy, voho reo famadiha zay tsy nahatokisa tagnamiko, sady koa gnyfandehana manohitsy Gnahy__ 41 zay nahavy Gnhy hivaliky amin-drozy sady nitondrako gnan-drozy tany amin'ny tanin'ireo fahavalony__laha mietry gny fo tsy voaforan-drozy, sady laha manaiky gny famaizako ho an'ireo fahotany rozy, 42 la hotsaroiko gny fagnekeko niaraky tamin'i Jakoba, gny fagnekeko niaraky tamin'i Isaka, sady gny fanekeko niaraky tamin'i Abrahama; hotsaroaiko avao koa gny tany. 43 Hengan-drozy gny tany, ka ho faly miaraky amin'ny Sabatany izay mandritra gny handriany ho lao tsy misy an-drozy. Ka tsy maintsy hanohitsy ho gnan'ireo otany rozy fotony rozy mihitsy ro nanda reo fitsipiko voho nalay reo liliko. 44 Fa na la eo aza izay iaby izay, lafa agny an-tanin'ireo fahavalony rozy, la tsy hagnary gnan-drozy Zaho, na halay gnazy ka handrava tanteraky an-drozy voho hanafoa ngny fagnekeko niaraky tamin-drozy, fa Zaho ro Yaveh Ndranagnaharin-drozy. 45 Fa hotsaroiko hoan-drozy gny fagnenke niaraky tamin'ireo razambeny, zay nentiko niboaky gny tany Egypta teo imason'ireo firenena, mba ho Ndranagnaharin-drozy Zaho. Zaho ro Yaveh." 46 Reo ro Lily, fitsipiky, sady lalagna zay nataon'i Yaveh teo Aminy voho gny vahoakan'Israely tany an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy.