Toko faha 20

1 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 2 " Volagno amin'ny anak'Israely hoe: Zay iaby eo amin'ny anak'Israely, na vahiny zay mipetraky agny Israely ka manolotsy gny anany amin'i Moloka, la ao ho faty. Ao hitora-bato gnazy gny olon'ny tany. 3 Hampifandrina gny tarehiko amin'izay olo izay avao koa Zaho sady ho fongoriko eo amin'ireo olony ie fotony fa natolony gnan'i Moloka gny anany, mba handotoa gny toerako masy voho haniratsira gny Agnarako masy. 4 Laha manakipy gny masony amin'izay olo izay gny olon'ny tany lafa manolotsy gny anany amin'i Moloka, laha tsy mamono gnazy, 5 la Zaho militsy ro hampifanandry gny vatako amin'izay olo izay voho gny fokony, la hofongoriko ie voho reo hafa iaby zay mivarotsy amin'ny vatany mba hijanganjanga miaraky amin'i Moloka. 6 Gny olo zay mitoliky amin'ireo zay miresaky amin'ny maty, na reo zay mivola amin'ny fagnahy mba hivarotsy gny vatany amin-drozy, la hanandrina gny vatany amin'izay olo izay Zaho; ho fongoriko eo amin'ny olony ie. 7 Noho izay hamafiso gny vatanareo sady ao ho masy, fotony Zaho gny Yaveh Ndranagnaharinare. 8 Ao hitandrina gny liliko nareo sady hanaraky reo. Fa Zaho ro Yaveh zay nanoka anareo ho masy. 9 Ao ho faty tokoa zay iaby manozo gny babany na gny reniny. Fa nanozo gny babany na renini ie, ka meloky sady mendriky ho faty. 10 Gny johary zay magnitsakitsaky valy amin'ny valin'olon-kafa, zany hoe, zay minjanganjanga amin'ny namany valiny__ao gny mpijangajanga voho gny nijanganjanga samby ho maty vatany. 11 Gny johary zay miara-miroro amin'ny valin-drainy mba handry aminy la fa nangalaky baraka gny babany. Ao ho maty vatany gny anaky lahy voho gny valin'ny babany. Meloky rozy sady mendriky gny ho maty. 12 Laha misy johary miaraky miroro amin'ny vinanto vaviny, la ao samby ho faty vatany ie roe. Fa nanao fahavetaveta rozy. Meloky rozy sady mendriky gny ho faty. 13 Laha misy johary miaraky miroro amin'ny johary hafa, manahaky gny miaraky amin'ny ampela, la samy fa nanao raha marikoriko rozy. Ao ho faty vatany rozy. Meloky rozy sady mendriky gny ho maty. 14 Laha misy johary manambaly ampela sady manambaly gny renini avao koa, la faharatia izay. Ao ho oroa rozy, ie voho gny ampela, mba tsy hisy faharatia eo aminareo. 15 Laha misy olo miaraky miroro amin'ny biby, la ao ho maty vatany ie, sady ao nareo hamono gny biby. 16 Laha misy ampela manantona biby mba hiaraky miroro amin'izay, la ao hamono gny ampela voho gny biby nareo. ao ho maty vatany rozy. Meloky voho mendriky ho maty rozy. 17 Laha misy johary miaraky miroro amin'ny anabaviny, na koa amin'ny anak'ampelan'ny rainy na gny anak'ampelan'ny reniny__laha miaraky miroro aminy rozy sady rozy miaraky aminy, la raha mahamegnatsy izay. Ao hofongorana eo amin'ny fagnatrehan'ny olony rozy, fotony niaraky niroro tamin'ny anabaviny. La hibaby gny helony ie. 18 Laha misy johary miaraky miroro amin'ny ampela agnatiny gny fandimbolany sady fa niaraky miroro taminy, la fa nampiseho gny lio nikorina taminy, gny niboahan'ny lio ie. La ao samby hofongora tsy ho eo amin'ny olony rozy roe. 19 Ao tsy hiaraky miroro amin'ny rahavavin-dreninao iha, na amin'ny anabavin-drainao, fotony hangalaky baraka gny longonao marikitsy gnanao iha. Tsy maintsy hibaby gny helokao iha. 20 Laha misy johary miaraky-miroro amin'ny nenitoany, la nangalaky baraka gny dadatoany ie. Laha maty rozy, la samby ho saziako, sady lafa maty rozy, la hohaniko gny lovan'ny anakin-drozy zay mety ho azony bakamin'ireo ray aman-dreniny. 21 Laha misy johary manambaly gny valin-drahalahiny laha mbo velo gny rahalahiny, la fahafaham-baraka izay. Fa nangalaky baraka gny rahalahiny ie, sady hohalako amin'ny anany gny fanagnany iaby mety fa nolovan-drozy bakamin'ireo ray aman-dreniny. 22 Koa ao nareo hitandry gny lily aman-dalako iaby; ao hankato izay nareo mba tsy handoa nareo gny tany zay hitondrako nareo mba hipetrahanareo. 23 Ao tsy handeha amin'ny fomban'ireo firenena zay horoahiko tsy eo alohanareo nareo, fotony fa nanao izay raha iaby izay rozy, sady halako reo. 24 Hoy Zaho agnaminareo hoe: " Handova gny tanin-drozy nareo; hagnome izay ho fanagna ho anareo Zaho, tany tondra-dronono voho gny tantely. Zaho gny Yaveh Ndranagnaharinareo, zay fa nanavaky anareo tamin'ireo olon-kafa. 25 Noho izay ao nareo hanavaky gny biby malio voho gny maloto, gny voro-mitily maloto voho malio. Ao nareo tsy handoto gny vatanareo amin'ireo biby maloto na reo voro-mitily na amin'ny raha-managn'ay iaby zay milaly amin'ny tany, zay fa navahako ho maloto taminareo. 26 Ao ho masy nareo, fa Zaho, Yaveh, la masy, sady fa nanavaky anareo tamin'ireo olon-kafa Zaho, fotony Gnahy nareo. 27 Ao ho maty vatany gny johary na gny ampela zay miresaky amin'ny maty na miresaky amin'ireo fagnahy. Ao hitora-bato gnazy reo gny olo. Meloky rozy sady mendriky gny ho maty."'