Toko faha 13

1 Nisafa tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 " Lafa misy mamotsiky na manako-pery na mifaritsy mangirana amin'ny hoditsy gny vatany,ka lasa mamindra izay sady misy areti-koditry gny vatany, la tsy maintsy andesiny agny amin'ny Arona mpisorombe ie, na amin'ny raiky amin'ireo anaky lahiny mpisoro. 3 Bakeo lay mpisoro la hagnenty gny arety eo amin'ny hoditrin'ny vatany. laha nivaliky foty gny volo eo amin'ny faritr'ilay arety, sady laha hita fa laliky kokoa noho gny eo amin'ny hoditry fotsiny lay arety, la lasa areti-mifindra izay. Sady afaran'ny fagnentean'ny mpisoro gnazy, la tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto ie. 4 Laha fotifoty gny mifaritsy mangirana amin'ny hidiny,sady gny endrin'izay la tsy laliky mare noho gny amin'ny hoditra, sady laha tsy mivadiky foty gny volo amin'ny faritry gny arety, la tsy maintsy atokan'ilay mpisoro monina agnatiny gny hafitoa lay raiky misy arety. 5 Amin'ny andro fahafito, la tsy maintsy magnenty gnazy lay mpisoro mba hagnenty laha tsy miha-raty lay arety laha gny dininy, sady laha tsy miparitaky amin'ny hoditry izay. Laha tsy misy izay, la tsy maintsy mampitoka-monina gnazy mandritra gny hafitoa na mihoatsy lay mpisoro. 6 Hagnenty gnazy ndraiky lay mpisoro aminn'ny gn'andro fahafito mba hagnenty laha miha-soa lay arety.Laha tsy misy izay, la hivola gnazy ho malio lay mpisoro. Manako-pery izay. Tsy maintsy manasa gny fitafiany ie, sady la halio ie. 7 Laha miparitaky amin'ny hoditry ndraiky izay fery izay tafaran'ny nampisehoany gny vatany tamin'ny mpisoro gny amin'ny fahandiovany. 8 la tsy maintsy haneo gnyvatany eo amin'ilay mpisoro ndraiky ie bakeo. Hagnenty gnazy gny mpisoro mba hijery laha niperiktaky manera gny hoditra gny fery. Laha niperitaky izay la tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro.Areti-mifindra izay. 9 Laha misy areti-koditry mifindra amin'ny olo, la tsy maintsy andesy agny amin'ny mpisoro ie. 10 Hagnenty gnazy gny mpisoro mba hagnentignenty laha misy mamontsiky foty amin'ilay hoditry, laha mivaliky foty gny volo, na laha misy nofotsy mangana amin'ny mamotsiky. 11 Laha misy, la areti-koditry mitaiza izay, sady tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro. Tsy hanoka moninagnazy ie, fotony fa maloto ie. 12 Laha niparitaky maro amin'ny vatany lay aretiny sady mandrakotsy gny sandrin'ilay olo iaby lay aretiny hatragny amin'ny tampon-dohany ka hatragny amin'ny tombony, laha vao hitan'ny mpisoro izay, 13 la tsy maintsy hagnenty gnazy lay mpisoro mba hijery laha mandrakotsy gnyvatany iaby lay arety. Laha misy izay, la tsy maintsy magnambara an'ilay olo misy arety ho malio gny mpisoro. Laha nivaliky foty iaby izay, la malio ie. 14 Fa laha misy nofotsy manga miseho eo aminy, la haloto ie. 15 Tsy maintsy magnenty an'ilay nofotsy manga lay mpisoro sady magnambara gnazy ho maloto fotony lay nofotsy manga.Areti-mifindraizay. 16 Fa laha mivaliky foty ndraiky gny nofotsy manga, la tsy maintsy mandeha agny amin'ny mpisoro lay olo. 17 Hagnenty gnazy lay mpisoro mba hijereny laha nivaliky foty lay nofotsy.Laha nivaliky izay la hagnambara lay olo ho malio lay mpisoro. 18 Laha misy vay eo amin'ny hoditry gny olo raiky ka sitrana izay, 19 sady laha misy mamotsiky foty na holatry gny fery,mena foty eo amin'ny toeran'ilay vay, la tsy maintsy aseho an'ilay mpisoro izay. 20 Hagnenty izay gny mpisoro mba hijery laha miha-milentiky ambanin'ny hoditry izay,sady laha nivaliky foty gny volo eo.Laha izay,la tsy maintsy magnambara gnazy izay, la tsy miantsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro. Areti-mifindra izay, laha mitombo eo amin'ilay toera izay nisy gny vay izay. 21 Fa laha mizaha izay lay mpisoro ka mahita fa tsy misy volofoty eo amin'izay, sady tsy ao ambanin'ny hoditry izay fa niala, la tsy maintsy hatokan'ny mpisoro monina agnatin'ny hafitoaie. 22 Laha miparitaky maro amin'ny hoditry izay,la tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro. Areti-mifaloizay. 23 Fa laha minjanoamin'ny toeragny holatsy gny fery fa tsy niparitaky, la holatr'ilay vay izay,ka tsy maintsy hagnambara gnazy ho malio gny mpisoro. 24 Lafa misy may gny hoditry sady lasa somary mena-foty na faritry foty gny nofotsy manga may, 25 la hagnenty izay gny mpisoro mba hijery laha nivaliky foty gny voloamin'izay faritry izay,sady lahahita fa laliky mare noho gny teo amin'ny hoditry izay.Laha misy izay, la areti-mifalo. Lasa haboka teo amin'ny may izay, sady tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro. Areti-mifalo izay. 26 Fa laha magnenty izay gny mpisoro ka mahita fa tsy misy volo foty amin'ny faritsy, sady tsy ao ambanin'ny hoditry izay fa matroky,la tsy maintsy hatokan'ny mpisoro monina agnatin'ny gny hafitoa ie. 27 Bakeo la tsy maintsy magnenty gnazy gny mpisoro amin'ny andro fahafito.Laha niparitaky maro tamin'nyhoditry izay,la tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro,Areti-mifalo izay. 28 Laha mijano eo amin'ny toerany gny faritry sady tsy miperitaky amin'ny hoditry fa matorky, la famotseha bakamin'nymay izay, sady gny mpisoro la tsy maintsy hagnambara gnazy ho malio,fa raha tsy misy dikany izay mihoatry noho gny holatry gny may. 29 Laha misy johary na ampela misy areti-mifinrda eo amin'ny kabeso na saoka, 30 la tsy maintsy magnenty gny olo amin'ny areti-mifalo gny mpisoro mba hagnenty laha miseho laliky mare noho gny eo amin'ny hoditry izay, sady laha misy mavomavo, volo manify ao amin'izay. Laha misy, la tsy maintsy magnambara gnazy ho maloto gny mpisoro. Hilihilyizay, areti-mifalo eo amin'ny kabeso na amin'ny saoka izay. 31 Laha magnenty gny aretin'ny hilihily gny mpisoro ka mahita fa tsy eoambanin'ny hoditry izay, sady laha tsy misy volomainty amin'izay,la hampitoka-monina an'ny olo misy aretin'ny hilihily gny mpisoro agnatiny gny hafito. 32 Amin'ny andro fahafito lahagnenty gny arety gny mpisoro mba hijery laha niperitaky izay. Laha tsy misy volo mavomavo, sady laha manahaky gny hatevin'ny hoditry fotygny fahita gny arety, 33 la tsy maintsy ho solay ie, fa gny faritry misy gny arety la tsy tokony ho solay, sady gnympisoro la tsy maintsy hampitoka-monina an'ny olo amin'ny aretin'ny hilihily agnatiny gny hafitoa. 34 Amin'ny andro fahafito la hagnenty gny arety gny mpisoro mba hijery laha nitsahatry niperitaky tamin'ny hoditry izay. Laha hita ho tsy matevy noho gny hoditry izay, la tsy maintsy hagnambara gnazy ho malio gny mpisoro. Tsy maintsy manasa gny akanjony gny olo, la halio ie bakeo. 35 Fa laha miha-miparitaky amin'ny hoditry gny aretin'ny hilihily tafaran'ny nivolagnan'ny mpisoro fa malio ie, 36 la tsy maintsy magnenty gnazy ndraiky gny mpisoro. Laha miparitaky amin'ny hoditry gny arety, la tsy mila mitady volo mavomavo sasy gny mpisoro. Maloto gny olo. 37 Fa laha amin'ny fagnentean'ny mpisoro la fa nijanoniparitaky gny aretin'ny hilihily sady nisy volomainty nagniry teo amin'ny faritry, bakeo la sitra gny arety.Malio ie,sady tsy maintsy magnambara gnazy ho malio gny mpisoro. 38 Laha misy johary na ampela misy faritsy foty amin'ny hoditry, 39 la tsy maintsy magnenty gny olo gny mpisoro mba hijery laha matroky gny faritry, zay fery vaky teo amin'ny hoditry avao . La malio ie. 40 Laha mihintsa amin'ny kabesony gny volon'ny olo raiky, lasola ie, fa malio. 41 Laha milatsaky bakeo amin'ny tampon-dohany gny volony, sady sola gny tampon-kandriny, la malio ie. 42 Fa laha misy ratry mena-foty eo amin'ny kabesony sola na tampon-kandriny, la areti-mifindra zay vaky atoy ivelany izay. 43 Bakeo la tsy maintsy magnenty gnazy gny mpisoro mba hijery raha mena-foty gny faritry mivonton'ny arety eo amin'ny kabesony sola na gny tampon-kandriny, manahaky gny endriky gny areti-mifalo amin'ny holitsy. 44 Laha izay,la misy areti-mifindra voho maloto ie. Tsy maintsy magnambara nohon'ny aretiny eo amin'ny kabesony. 45 Gny olo zay misy areti-mifalo la tsy maintsy manao akanjo tataky, tsy maintsy asarakorako gny volony,sady tsy maintsy manaro gny vatany hatreo amin'ny orony ie sady miakaikaiky hoe: ' Maloto,maloto.' 46 Agnatiny gny andro iaby zay hisian'ilay areti-mifindra amin'ny la haloto ie. Fotony maloton'ny arety izay mety mifilo ie,la tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraky agny ivelan'ny toby ie. 47 Gny akanjo zay nifindran'ny maty foty,na volon'aondry izay na siki-hasim-bazaha foty maliniky, 48 na raha vita tamin'ny tenona nanozarainy tamin'ny volon'aondry na hasim-bazahafoty maliniky na holitsy na raha vita tamin'ny holitsy__ 49 Laha misy fifaloza manopy maintso na manopy mena amin'ny akanjo, gny holitry, gny tenona, na fitaova fanjaira,na raha vita tamin'ny holitsy, la maty foty miparitaky izay; tsy maintsy aseho amin'ny mpisoro izay. 50 Tsy maintsy magnenty gny mahakasiky gny maty foty gny mpisoro; tsy maintsy hatokany agnatiny gny hafitoa gny rahaiaby zay misy maty foty. 51 Tsy maintsy magnentyn gny maty foty ndraoky ie amin'ny andro fahafito. Laha niperitaky tamin'ny akanjo na raha vita tamin'ny tenona, nozairiny tamin'ny volon'aondry na fitaova hasim-bazaha foty maliniky,na holitry na raha zay nampiasa holitry, la maty foty mampidi-dozaizay, sady maloto izay raha izay. 52 Tsy maintsy magnoro gny akanjo, na raha vita tamin'ny tenona,nozairiny tamin'ny volon'aondry na fitaova hasim-bazaha foty, na holitsy na raha iaby vita tamin'ny hasim-bazahafoty. Raha iaby zay hita tamin'ny maty foty mampidi-doza ie, fa mety handay aretyizay. Tsy maintsy oroa tanteraky izay raha izay. 53 Laha magnenty gny singa gny mpisoro sady mahita fa tsy niperitaky tamin'ny akanjona gnyraha notenonina na nozairiny tamin'ny volon'aondry na hasim-bazaha, fitaova angozy gny maty foty, la hibaiko gnazy reo ie mba hanasa gny raha zay nahitany gny maty foty, 54 sady tsy maintsy hatoka-monina agnatiny gny hafitoa izay. 55 Bakeo laha hagnenty gny singa gny mpisoro lafa voasasa gny raha misy maty foty. Na la tsy niovagny lokon'ny maty foty, sady tsy niperitaky aza izay, lamaloto foana izay. Tsy maintsy oroanareo gny singa,na taia na taia ro nifindran'ny maty foty. 56 Laha magnenty gny singa gny mpisoro, sady laha matromatro gny maty foty lafavoasasa, la tsy maintsy manataky gny faritry maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny hasim-bazaha foty, na eo amin'ny tenonana fitaova fanjairany ie. 57 Laha mbo miseho amin'ny akanjo hatragny gny maty foty, na amin'ny tenona na amin'nyfitaova fanjairany,na amin'ny raha iaby natao tamin'ny hasim-bazaha foty, la miperitaky izay. Tsy maintsy magnoro gny raha iaby zay nisy gny maty foty nareo. 58 Gny lamba naraha vita tamin'ny tenona na nozairiny tamin'ny volon'aondry na fizavatra vitatamin'ny hasim-bazaha foty vita tamin'ny holitry__ laha manasa gny raha nareo ka miala gny maty foty ,la tsy maintsy sasa fanindroany lay raha, la halio izay. 59 Izay ro lalagna momba gny maty foty amin'ny akanjovolon'aondry foty maliniky, na raha notenony na nozairiny tamin'ny volon'aondry na hasim-bazaha foty maliniky na holitsy na raha vita amin'ny holitsy, mba hahafahanareo magnambara na malioizay na maloto."