Toko faha 12

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: ' Laha misy ampela managn'anaky ka miteraky anakilahy, la haloto agnatiny gny fito andro ie, manahaky gny fahalotoany agnatiny reo andro fahadimbolany. 3 Amin'ny andro faha-valo la ao hoforaina gny lohatsitsin'ny aja johary. 4 Bakeo gny fandiova lay reny bakamin'ny lio la hitohy agnatiny gny telo amby telopolo andro. Tsy tokony hikasiky raha masy ie na hilitsy ao amin'ny faritsy gny tabernakely zisiky mahatampitsy gny andro fandiova gnazy. Fa laha teraky aja ampela ie, la haloto agntiny gny roa herignandro,manahaky gny agnatiny gny fadimbolany.La hitohy agnaty gny enina amby enimpolo andro gny fandiova lay reny. 6 Lafa tapitsy gny andro fandiova gnazy, na ho an'ny anaky lahy na anak'ampela, la tsy maintsy manday aondry herintao raiky ho fagnatitsy oroa ie, sady ana-boromailala roa na domoina mba ho fagnatitsy nohon'ny ota, ho eo amin'ny filira ao amin'ny lay fihaogna, ho eo amin'ny mpisoro. 7 Bakeo la hanolotsy izay eo agnatrehan'i Yaveh sady hanao fagnonera ho gnazy, la ho voalio amin'ny fikorinan'ny liony ie. Izay ro lalagna amin'ny ampela zay miteraky na aja johary na aja ampela. 8 Laha tsy afaky manolotsy aondry ie, la tsy maintsy mangalaky voromailala roa na ana-boromailala roa, gny raiky ho fagnatitsy oroa sady gny raiky hafa ho fagnatitsy nohon'ny ota, sady hanao fanonera ho gnazy gny mpisoro; la halio ie bakeo."