Toko faha 11

1 Nisafa tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: ' Reto aby reo raha-magn'ay zay azonareo hany eo amin'ireo biby iaby zay eto agnabon'ny tany. 3 Afaky mihina gny biby iaby zay mivaky kitro voho mamerik'ota nareo. 4 Na izay aza, na mamerin'ota na mivaky kitro aza, reo biby sasany, la reo biby manahaky gny rameva, fotony mampimpoly ota ie fa tsy mivaky kitro. Noho izay la maloto ho gnanareo gny rameva. 5 Gny hyraka avao koa, fotony mampimpoly ota ie fa tsy mivaky kitro, maloto ho gnanareo avao koa izay. 6 Gny bitro, la maloto ho gnanareo, fotony mampimpoly ota ie, fa tsy mivaky kitro. 7 Gny kisoa, na la mivaky kitro aza, la tsy mampimpoly ota ie, ka maloto ho gnanareo. 8 Ao nareo tsy hihina amin'ny henan'ireo, na hikasiky gny fatin-drozy. Maloto ho gnanareo reo. 9 Reo biby iaby miay agnaty rano zay azonareo hany la reo zay mana vombony voho kirany, na ao amin'ny ranomasy na agny amin'ny renirano. 10 Fa reo raha-managn'ay iaby zay tsy misy vombony voho kiraidraiky voho kirany ao agnaty ranomasy na renirano la tsy azonareo hany, ao agnatin'izay reo iaby zay mihetsiky ao agnaty rano voho reo raha-managn'ay iaby zay ao agnaty rano__ao ho halanareo regny. 11 Fa ao ho hankahala regny, ao nareo tsy hihina gny henan-iregny; sady gny fatin-drozy regny avao koa la ao ho hankahala. 12 Zay iaby tsy misy vombony voho kirany ao agnaty rano la ao ho halanareo. 13 Reto aby reo voro zay tsy maintsy hankahalanareo voho tsy tokony ho haninareo: la gny voromahery, gny voltora, 14 gny papango, gny karaza ankoay iaby, 15 gny karaza goaky iaby 16 gny vorondolo voho gny vorondolo magneno, gny voron-drano, sady gny karaza ankoay iaby. 17 Ao nareo halay gny vorondolo kelikely voho gny vorondolo bevata, gny manara avao koa, 18 gny vorondolo foty voho gny vorondolo sompitra, gny ibisa, 19 gny vano, gny karaza vanobe iaby, gny takidara, sady gny ramanavy avao koa. 20 Reo biby managn'elatsy iaby zay mandeha amin'ny tombony efatsy la fahavetaveta ho gnanareo. 21 Afaky mihina reo bibikely matily iaby zay mandeha amin'ny tombony efatsy nareo laha manan-tomboky agnabon'ny faladiany hitsambokoeo amin'ny tany rozy. 22 Afaky mihina reo karaza valalamaro,solama,gny valala kelikely,nagnyampanga iaby avao koa nareo. 23 Fa reo bibikely mitili iaby zay mana tomboky efatsy latsy maintsy hohalanareo. 24 Laha mikasiky gny fatin'ny raiky amin'ireo nareo lahaloton'ireo biby reo zisiky iavian' ny andro. 25 Na ia na ia mitimpo gny raiky amin'ny fatin'ireo la tsy maintsy manasa gny fisikinan-drozy sady mijagno maloto siziky iaviavian'ny andro. 26 Gny biby iaby mivaky kitro zay tsy mizara tanteraky na tsy mampimpoly hota la maloto ho gnanareo. Zay iaby mikasiky gnazy regny la haloto. 27 Zay iaby mandeha amin'ny tombony amin'ireo biby iaby zay mandeha amin'ny tombony efatsy, la maloto ho gnanareo. Na ia na ia mikasiky gny fagnatitsy la haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 28 Na ia na ia mitimpo gny fatiny la tsy maaintsy manasa gny fitafian-drozy reo sady maloto zisiky iavian'ny gn'andro. Reo biby reo la haloto ho gnanareo. 29 Laha gny amin'ireo biby zay milaly amin'ny tany la reto aby reo biby zay haloto ho gnanareo: gny kionkiona, gny voalavo, gny karaza androngo bevata iaby, 30 gny katsatsaky, gny anaka, gny androngo, gny androngom-pasika, sady gny androngo, gny androngom-pasika, sady gny sangorikita. 31 Amin'ireo biby milaly iaby, la reo ro biby zay haloto ho gnanareo. Na ia na ia mikasiky gnazy reo lafa maty reo la haloto zisiky maharivagn'andro. 32 Laha maty gny sasany amin'ireo ka milatsaky amin'ny raha, la haloto izay raha izay, na vita tamin'ny hazo na lamba na angozy nalamba fiojia izay. Na ino na ino izay sady na ino na ino ampiasa gnazy, la tsy maintsy haroboky agnaty rano; haloto izay zisiky iavian'ny gn'andro. Sady halio bakeo. 33 Gny valany tanimanga iaby zay hilatsahan'ny biby maloto ao agnaty na eo aminy, na ino na ino ao agnatin'ilay valagny la haloto, sady tsy maintsy potehinareo izay valagny izay. 34 Gny sakafo iaby zay malio voho azo hany,nefe nilatsahan'ny rano bakamin'ny valagny maloto raiky, la haloto. Izay iaby mety ho ninomy tamin'ny valagny manahaky izay la haloto. 35 Zay iaby nilatsahan'ny ampahany tamin'ny fatin'ny biby maloto la haloto, na lafaoro izay na valagny fandrahoa. Tsy maintsy potehy izay. Maloto izay ka tsy tokony haloto ho gnanareo. 36 Gny loharano na famorian-drano zay hanangona gny rano finomy la halio avao raha misy biby manahaky izay milatsaky ao agnatiny. Fa laha misy olo mikasiky gny fatin'ny biby maloto raiky ao amin'ny rano, la haloto ie. 37 Laha misy ampahany amin'ny fatin'ny biby maloto milatsaky eo agnabon'ny voa fambole, la halio avao reo voa reo. 38 Fa laha tondraha rano reo voa, sady laha misy ampahany amin'ireo faty maloto milatsaky eo amin'ireo, la haloto ho gnanareo reo. Laha misy biby zay azonareo ho hany maty, la haloto zisiky iavian'ny gn'andro lay nikasiky gny fatiny. 40 Na ia na ia mihina amin'io faty io la tsy maintsy manasa reo fitafitny sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro. Zay iaby mitimpo gny faty manahaky izay la hanasa reo fitafiany sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 41 Gny biby iaby zay milaly amin'ny tany la hohala; ao tsy hohany izay. 42 Zay iaby milaly amin'ny kibony, sady zay iaby mandeha amin'ny tombony efatsy, na zay iaby mana tomboky maro__ reo biby iaby zay mikasiky amin'ny tany, reo ro tsy azonareo hohany, fotony hohala reo. 43 Ao nareo tsy handoto gny vatanareo amin'ireo raha-manan'ay milaly iaby; ao tsy handoto gny vatanareo amin'ny regny nareo, fa haloto amin'iregny nareo. 44 Fa Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. Tokony ho tanjahinareo ho masy gny vatanareo, noho izay, masy, fotony masy Zaho. Ao tsy handoto gny vatanareo amin'ny karazam-biby iaby zay milaly amin'ny tany nareo. 45 Fa Zaho ro Yaveh, zay nanday gnanareo niala bakamin'ny tany Egypta, mba ho Ndranagnaharinareo. Noho izay ao nareo ho masy, fotony Zaho la masy. Izay ro lalagna momba reo biby, reo voro, reo raha-managn'ay iaby zay mihetsiky ao agnaty rano, sady biby iaby zay mikasiky amin'ny tany, 47 fotony tokony hisy fagnavaha eo amin'ny maloto voho gny malio,sady eo amin'ireo raha-managn'ay zay azo hohany voho reo raha-managn'ay zay tsy azo hohany."