Toko faha 24

1 Sady la nampiarahin'i Josoa tao Sekema reo fokon'Israely iaby sady nikaiky reo loholo tao Israely, reo mpitariky gnan-drozy, reo mpitsara, voho gny manam-pahefan-drozy, sady nampiseho gny vatan-drozy teo agnatrehan-dranagnahary. 2 Hoy Josoa tamin'ny olo iaby hoe:'Zao ro lazain'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely; Taloha mare tagny reo razambenareo la nipetraky tagny an-dafin'ny reniranon'i Eofrata__Tera, gny rain'i Abrahama voho gny rain'i Nahora__sady nanompo reo ndranagnahary hafa rozy. 3 Fa nalako tagny an-dafin'i Efraita gny rainareo ka nandesiko tagny amin'ny tany Kanana sady nameako avorohota maro tamin'ny alalan'i Isaka ie. Sady nameako gnan'i Jakoba voho Esao i Isaka. 4 sady nameako ho fanagnan'i esao gny tany havoa gnan'i Seira, fa i Jakoba voho reo anany la nizotso tagny Egypta. 5 Nanefa gnan'i Mosesy voho Arona aho, sady namely reo Egyptiana tamin'ny areti-mandringa. Tafaran'io la nandesiko niboaky nareo. 6 Nandesiko niboaky gnan'i Egypta reo razambenareo, sady avy tegny an-driaky nareo. Nagnenjiky gnanareo tamin'ireo Kalesy voho mpanday soavaly hatragny amin'ny riaky mena mena reo Egyptiana. 7 Lafa nikaiky mare gnan'i yvaeh reo razambenareo , la nasiany fahiky teo agnelagnelanareo voho reo egyptiana. Nandesiny teo amin-drozy gny riaky sady nandrakotsy gnan-drozy. Nareo nahita gny nataoko tagny Egypta. bakeo nareo la nipetraky tagny agn'efitsy gny fotoa naharitsy. 8 Nandesiko tagny amin'ny tanin'i Amorita nareo , ze nipetraky tegny ampitan'i Jordana . Nialy taminareo rozy, sady natolony teo am-pelan-tagnanareo. Nalanareo ho fanagnanareo gny tanin-drozy, sady nopotehiko teo agnatrehanareo rozy. 9 Sady nitsanga i Balaka anak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, sady nanafiky gnan'Israely. Nandefa sady nikaiky gnan'i balama anak'i Beora, mba hagnozogna gnanareo. 10 Fa tsy nijanjy gnan'i Balama aho. Nitahy gnanareo tokoa ie. Ka la namonjy gnanareo tegny an-tagnany aho. 11 Niampita gnan'i Jordana nareo sady la avy tao Jeriko. Reo mpitariky gnan'i Jeriko la nialy taminareo, niaraky tamin'ireto amorita , reo Kananita, reo Hetita, Girgasita, reo Hevita , voho reo Jebosita. Nameako fandresea nareo sady nametraky an-drozy ambanin'ny fifehezanareo Aho. 12 Nandefasako fangaraka nareo, ze nampikaiko gnan-drozy voho reo mpanjakan'i amorita roe teo agnatrehanareo. Io la tsy nitranga tamin'ny alalan'ny sabatsareo na gny tsipikareo. 13 Nameako tany ze mbo tsy namboary voh tana zay mbo tsy nagnoregna nareo, sady amizao nareo la mipetraky egny amin'ireo. Mihinana gny voakazon'ny tanim-boaloboky voho gny sahan'oliva ze tsy nambolenareo nareo. 14 Amizao matahora gnan'i Yaveh sady mandrengea Gnazy amim-pahitia voho amim-pahamarigana; rava reo ndranagnahary ze notompoin'ireo razambenareo tagny an-dafin'ny Eofrata voho tao Egypta, sady manompoa gnan'i Yaveh, la filio henanio ze ho tompoinao, nareo ndranagnahary zay notompoin'ireo razambenareo tagny an-dafin'i eofrata, na reo ndranagnaharin'ireo amorita, zay tompon'ny tany hipetrahanareo. Fa laha zaho voho gny avorohotako koa , la hanompo gnan'i Yaveh rahay." 16 Namaly reo fokonolo sady nivola hoe:' Tsy hamoy gnan'i Yaveh mihitsy rahay mba hanompo ndranagnahary hafa, 17 fotony Yaveh Ndranagnaharinay ro nanday gnanay voho reo razambenay hiboaky gny tany egypta, hiboaky gny tragno fagnandevoza, voho ze nanao reo famantara bevata teo amasonay, sady zay niaro gnanay tagny amin'ny lala iaby nandehananay, sady tamin'ireo firenena iaby zay nandalovanay. 18 Sady i Yaveh la naday reo olo nialoha lala gnanay, ao agnatin'io reo Amorita zay nipetraky tao amin'ny tany. Nohon'io koa la hanompo gnan'i Yaveh , fotony Ie ro Ndranagnaharinay." 19 Fa hoy i Josoa tamin'ireo fokonolo hoe:' tsy mahazo manompo gnan'i Yaveh nareo, fotony Ie la Ndranagnahary masy; Ie la Ndranagnahary saropiaro; Ie la tsy hamela reo fandika voho reo fahotanareo. 20 Laha mahafoy gnan'i Yaveh nareo sady manompo reo ndranagnahy mpialy, la himpoly Ie sady hampahory gnanareo. hanafongona gnanareo Ie, lafa baka nanao soa taminareo." 21 Fa hoy reo olo tamin'i Josoa hoe:' Tsia, hanompo gnan'i Yaveh rahay." 22 sady hoy i Josoa tamin'ireo fokonolo hoe:' Nareo la vavolombelon'ny vatanareo fa fa nifily gnan'i Yaveh , mba ho tompoa. Hoy rozy hoe:' Vavolombelo rahay." 23 Amizao la al reo ndranagnahary hafa ze miaraky aminareo, sady hatolio amin'i Yaveh Ndranagnaharin'Israely gny fonareo" 24 Hoy reo fokonolo tamin'i Josoa:' Hanompo gnan'i Yaveh Ndranagnaharinay rahay. Hijanjy gny safany rahay." 25 Nanao fifagnenkea tamin'ny fokonolo i Josoa tamin'io andro io. Nametraky lily aman-dalagna tao Sekema ie. 26 Nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalan-Dranagnahary reo safa reo. Nangalaky vato bevata ie sady napetrany teo ambanin'ny hazo terebintana zay teo agnilan'ny toera masin'i Yaveh. 27 Hoy i Josoa tamin'ny fokonolo iaby hoe:' Ingo, toy vato toy ro vavolombelo manohitsy gnantsika. Nahare reo safa nolazain'i Yaveh tamintsika ie. ka ho vavolombelo aminareo io, laha toa ka manda gny Ndranagnaharinareo nareo." 28 Sady la nalefan'i Josoa kirakiraiky bakagny amin'ny lovany reo fokonolo. 29 Tafaran'ireo raha reo i Josoa anak'i Nona, mpanompon'i Yaveh, la maty tamin'ny faha 110 taony. 30 Nalevin-drozy tagny amin'ny faritany ze nolovan-drozy, tagny Timnata-sera, zay tagny amin'ny tany havonan'i Efraima, avatsy gny tendrombohits'i Gasa. 31 Nanompo gnan'i Yaveh nandritsa gny androm-piaignan'i Josoa , voho tamin'ny andron'ireo loholo ze niay nandilatsy gnan'i Josoa, reo zay niay gny raha iaby ze nataon'i Yaveh ho gnan'Israely. 32 Nandesin'ny fokonolon'Israely niboaky gnan'i Egypta gny taolam-balon'i Josefa sady nalevn-drozy tagny Sekema reo, ao amin'ilay ampahan-tany zay novilin'i Jakoba tamin'ireo anaky lahin'i Hamora, rain'i sekema. Nivily gnan'io tamin'ny volafoty zato singa ie,sady nanjary lova ho gnan'ireo avorohotan'i Josefa. 33 Maty avao koa i Eleazara anaky lahin'i Arona. nalevin-drozy reo tany Gibeha, renivohits'i Finehasa anaky lahiny, ze fa namea gnazy. Io la teny amin'ny tany havoan'i Efraima.