Toko faha 22

1 Tamin'io fotoa io Josoa la nikaiky reo robenita, Gadit, voho gny antsasa-pokon'i manase. 2 hoy ie tamin-drozy hoe:' Fa tanterakareo iaby ze nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh gnanareo. nankato gny feoko nareo tamin'izay iaby nandidiako gnanareo . 3 Tsy nagnenga gny rahalahinareo nareo nandritsa zay andro maro zay, mandrak'androany, sady tanterakareo reo andraikitsy tamin'ny alalan'ny lilin'i yaveh ndranagnaharinareo. 4 Amizao namean'i yaveh Ndranagnaharinareo fijanogna reo rahalahinao, araky ze nampanatenany an-drozy. nohon'io mimpolia sady mandehana agny amin'ny lainareo agny amin'ny tany anagnareo, ze namean'i Mosesy lay mpanompon'i yaveh nareo agny ampitan'i Jordana. 5 fa tandremo soa mba ho voatandry reo lily voho lalagna zay nandidian'i Mosesy mpanompon'i yaveh, la gny hitiava gnan'i Yaveh ndranagnaharinareo, gny handehana amin'ny lalany iaby, gny hitandrema gny liliny, voho gny hifikira aminy voho hanompoa gnazy amin'ny fonareo manontolo voho gny fagnahinareo manontolo. 6 La nitso-drano voho nampoly an-drozy i josoa, sady nimpoly tagny amin'ny lainy rozy. 7 Sady antsasa-pokon'i Manase la fa namean'i Mosesy lova tagny basana ' fa gny antsasany hafa koa namean'i Josoa lova tagny agnilan'ireo rahalahiny tagny amin'ny tany andrfan'ny Jordana. Josoa nampoly an-drozy amin'ny lainy; nitso-drano an-drozy ie. 8 sady nivola tamin-drozy hoe:' Mimpolia agny amin'ny lainareo miaraky amin'ny drala be, voho biby fiompy maro la maro, voho volafoty voho volamena, gny saba gny vy, voho gny fisikigna maro la maro. zarao amin'ireo rahalahinao gny babo tamin 'ireo fahavalonareo." 9 sady gny avorohotan'i Robena, gny avorohotan'i gada, voho gny antsasa-pokon'i Manase nimpoly noly, nagnenga gny fokonolon'Israely tao Silo, zay tany amin'ny kanana. Niainga ho agny amin'ny taniny rozy, zay fanagnany, tamin'ny fagnarahany gny lilin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny tagna'i mosesy rozy. 10 Lafa avy tao Jordana ze tao amin'ny tany kanana rozy, gny Robenita voho gny gadita voho antsasa-pokon'i manase la nagnory alitara bevata voho nagnariniky gnan'ny Jordana, alitara tena bevata voho nalaza. 11 Gny fokonolon'Israely nahare gnan'io ka nanao hoe;' Ingo! gny fokonolon-Drobena, gada, voho antsasa-pokon'i manase nagnory alitara tea agnatrehany kanana, agny Gelilota, agny amin'ny faritsy agnilan'i Jordana amin'ny ilany ze gnan'ny fokonolon'Israely." 12 Lafa nahare gnan'io gny fokonolon'Israely , la niara-nivory tao Silo gny fivorian'ny fokonolon'Israely manontolo mba hiakatsy hamoro aly hanoera gnan-drozy. 13 sady gny fokonolon'Israely nandefa mpanday hafatsy ho agny amin'ny Robenita, gadita, voho gny antsasa-pokon'i manase,agny amin'ny tany Gileada. Nandefa gnan'i Fineasy anaky lahin'i Eleazara avao koa rozy , lay mpisoro, 14 sady mpitariky folo niaraky taminy, raiky isaky gny razambem-pianakavian'Israely, sady rozy kirakiraiky iaby la fa lohan'ny avorohota tao amin'ny fokonolon'Israely. 15 Avy tagny amin'ny fokonolon'i robena , Gada, voho gny antsasa-pokon'i manase, tagny amin'ny taninin'ny gileada rozy, sady hoy rozy taminy:' 16 zao ro lazain'ny fiangonan'i yaveh manontolo: Ino zao fivadihan-patokisa nataonareo tamin'i Ndranagnaharin'Israely zao, niala tamin'ny fagnaraha gnan'i Yaveh nareo amizao amin'ny alalan'ny fagnoregna alitara tamim-pikomia tamin'i yaveh tamin'ny toy aondry toy? 17 Tsy ampy antsika va gny fahotantsika tao Peora? Zy mbo tsy nahaliovantsika gny vatantsika tamin'io aza. Sday io fahota io ro nampisy areti-mandringa tao amin'ny fiangonan'i yaveh. 18 tsy maintsy hiala amin'ny fagnaraha gnan'i yaveh androany koa va nareo amy toy andro androany toy? Laha mivadiky amin'i yaveh avao koa nareo androany, la hasiaky amin'ny fivoriaan'Israely manontolo Ie hamaray. 19 laha voaloto gny tany ze anagnanareo la tokony hiampita amin'ny tany zay misy gny tabernakelin'i Yaveh sady mangala fanagna ho gnanareo ao aminay. ka mivadiky amin'i yaveh avao, na mivadiky aminay amin'ny fagnoregna alitara hafa ho gnanareo ankoatsy gny alitaran'i Yaveh Ndranagnaharintsika. 20 Moa va akana anaky lahin'i zera tsy fa nandrava finoa tamin-draha ze fa voatoka ho gnan-dranagnahary? Moa va tsy niaraky tamin'ny fokonolon'Israely iaby gny heloky? sady tsy io johary io raiky ro maty noho gny helony." 21 Sady fokon'i Robena, gada, voho reo antsasa-pokon'i manase namaly reo loham-pianakavian'Israely hoe;' lay Tsitoha, ndranagnahary, yaveh! Lay Tsitoha, Ndranagnahary, yaveh__Ie mahay, sady gny Israely ao hahay!Laha tamim-pivadiha na tamin'ny fivadiham-patokisa tamin'i yaveh io, la ka hamindra fo rahay amy toy andro toy 23 gny amin'ny nagnoregnanay alitara mba hialanay amin'ny fagnaraha gnan'i Yaveh. laha nagnory gny alitara mba hahafaha manolotsy fagnatitsy oroa, fagnatitsy ho hany, na fagnati-pihavagna rahay, la ao Yaveh hampagnefa gnanay gny amin'io. 24 Tsia! Tahotsy ro nanaovanay gnan'izao fotony laha tsy zay la mety hagnontany gny ananay gny anakareo hoe: Moa mifagnino amin'i yaveh nareo, lay ndranagnarin'Israely? 25 Fa Yaveh fa nanao gnan'i Jordana ho faritsy magnelagnela gnantsika voho iha. nareo ry fokonolon'i robena voho fokonolon'i gada, tsy hanao na ino ino amin'i yaveh nareo . Nohon'io gny anakareo la mety hampijano gny anakay amin'ny fanompoa gnan'i Yaveh. 26 Ka hoy rahay hoe:' Mamela gnanay hananga alitara amizao, tsy ho gnan'ny fagnatitsy oroa na sor, 27 fa mba ho vavolombelo eo aminay voho nareo, sady reo eo amin'ny avorohota fara-mandimbintsika, fa hagnatanteraky gny fanompoa gnan'i Yaveh alohany tsika, amin'ny alalan'ny fagnatitsy oroa, voho soro sady fagnati-pilongoa ataontsika, ka mba tsy hivolagnan'ny anakareo amin'ny anakay avao hoe:' Tsy mana anjara ao amin'i Yaveh nareo.' 28 Sady hoy rahay hoe:" laha tahiany ka resafy aminay na amin'ireo avorohotanay avao io, la hataonay hoe:" Ingo! toy ro dika mitovy amin'ny alitaran'i yaveh, ze namboarin'ny razambenay, tsy ho gnan'ny fagnatitsy oroa, na soro, fa ho vavolombelo teo aminay voho gnanareo." 29 Sagnatria aminay lahy gny hivadiky amin'i yaveh, voho hiala amin'ny fagnaraha Gnazy androany amin'ny alalan'ny fagnoregna alitara ho gnan'ny fagnatitsy oroa, gny fagnatitsy hohany, na soro, hafa ankoatsy gny alitaran'i Yaveh Ndranagnaharintsika ze eo agnatrehan'ny tabernakely." 30 Lafa ren'i Fineasa lay mpisoro voho reo mpitariky gny fokonolo, ze loham-pianakavian'ny israely niaraky taminy, la nahare reo safa nolazain'ny fokonolon'y robena, Gada, voho Manase, la soa tamin-drozy io. 31 La hoy fineasy anaky lahin'i eleaza lay mpisoro tamin'ny fokonolon'ny robena, Gada, voho Manase hoe:' hainay amizao fa eto amintsika i Yaveh, fotony iha tsy nanao gnan'io fivadiham-pagnekea io taminy. amizao iha nagnavotsy gny fokonolon'Israely tamin'ny tagnan'i yaveh iha." 32 Sady Fineasa anak'i Eleazara mpisoro, voho reo mpitariky nimpoly bakagny amin'ireo robenita voho gadita, tao amin'ny tanin'i Gileada ho agny amin'ny tany Kanana, ho agny amin'ny fokonolon'Israely, sady nanday valim-teny tamin-drozy. 33 Nety tamin'ny fokonolon'Israely gny tatitsin-drozy. Nisaotra gnan-dranagnahary gny fokonolon'Israely sady niresaky gny hialy amin'ny hamoteha gny tany ze nipetrahan-drozy. 34 " vavolombelo" ro nataon'ny Robenita voho Gadita agnaran'ilay alitara, fotony hoy roazy hoe:' Io ro vavolombelo eo aminay fa Yaveh ro Ndranagnahary."