Toko faha 20

1 Sady Yaveh nivola tamin'i Josoa hoe:' 2 " Miresaha amin'ny fokonolon'Israely, manao hoe:' Tendreo reo tana fialofa zay noresahako gnanao tamin'ny tanan'i Mosesy. 3 Ataovo io mba hahafahan'i namono olo tsinahy magnagny. Reo tana reo la ho toera fialofa amin'ny olo zay mila hamaly faty gny ran'ny olo zay voavono. 4 Hitsoaky agny amin'ny raiky amin'ireo tana reo ie ka hijano eo amin'ny filiran'ny vavahadin'ny tana, sady hagnazava gnyu tranga nahazo gnazy amin'ireo loholon'io tana io. Bakeo la ho raisin-drozy ao amin'ny tana ie sady hagnome toera amin'ny tana ie sady hagnome toera hipetraha miaraky amin-drozy ho gnazy. 5 Laha misy raiky amin-drozy miezakay mamaly faty gny ran'ilay olo novonoa, la tsy ho atolots'ireo fokonolo eo an-tana amin'ireo manam-pahefa lay raiky zay nahafaty gnazy. Tsy tokony hanao io rozy fotony nahafaty tsy nahiny lay mpiara-belo taminy ie, sady tsy nana fagnalegna taminy ie taloha. 6 Tsy maintsy mijano ao amin'io tana io ie mandra-pijorony eo agnatrehan'ny fiangona ho tsara, mandra-pahafatin'ilay raiky ze nanompo manahaky gny mpisoronabe tamin'io andro io. Sady lay raiky ze namono tsy nahiny lay olo la afaky himpoly agny an-tanany voho gny tragnony, agny amin'ilay tanan-dehibe ze nandosirany." 7 Ka la nifily gnan'i Kadesa ao Galilia tao amin'ny tany havoan'i Naftaly, Se kema ao amin'ny tany havoan'i Efraima, sady i Kiriat-arba( mitovy amin'i Hebrona) ao amin'ny tany havoan'i Jodia reo Israelita. 8 Tagny an-dafin'ny Joradana antignanan'i Jeriko, la nifily gnan'i Bezera tagny agn'efitsy teo amin'ny tany lemaka bakamin'ny fokon'i Robena; Ramota Gileada, bakamin'ny fokon'i gada, sady Golana ao basana, amin'ny fokon'i Manase rozy. 9 Reo tana reo ro nifily ho gnan'ny fokonolon'Israely manontolo voho ho gnan'ireo vahiny mipetraky miaraky amin-drozy, mba hahafahan'izay nahavono olo tsy nahiny mitsiaky agny amin -drozy am-pilamina. Io olo io la tsy ho fatin'ny tanan'ilay raiky raiky ze nagniry hamaly faty gny ra zay nalatsaky, mandra-pijoroan'ilay olo voampanga eo agnatrehan'ny fiangona.