Toko faha 17

1 Toy ro zara-tanin'ny fokon'i Manase( zay lahimatoan'i Josefa)__izany hoe, ho gnani Makira, zay lahimatoan'i Manase voho gny vatany zay rain'i Gileada. Gny tanin'i Gileada voho basana la notendre ho gnan'ireo avorohotan'o Makira, fotony Makira la joharin'aly. 2 Gny tany la notendre ho gnan'ny fokon'i Manase, namea reo fokon-drozy_la i Abi-ezera, Heleka, Asriela, Sekema, Hefera, voho Semida. Reo ro avorohota lahin'i Manase anakay lahin'i Josefa, natolotr'ireo fokon-drozy. 3 Sady Tselofehada anaky lahin'i Hefera anak'i Gileada anak'i Makira anak'i Manase la tsy nana gnanaky lahy, fa anaky ampela avao.Reo iaby gny agnaran'ireo anaka ampelany: Mahala, Noha, Hogla, Milka, voho i Triza. 4 Namonjy gnan'i Eleazara lay mpisoro , Josoa anaky lahin'i Nona, voho reo loholon-drozy, sady hoy rozy hoe:' Yaveh ro nandidy gnan'i Mosesy hagnome antsika lova miaraky amin'ireo raharahantsika." Nohon'io gny fagnarahan'ireo lilin'i Yaveh, ro nagnomezany lova ho gnan'ireo ampela reo teo amin'ireo rahalain-drain-drozy. 5 Gny tsinjaran-tany folo tao Gileada voho Basana la nontendre ho gnan'i Manase, ze egny am-pitan'i Jordana, 6 fotony reo anaky ampelan'i Manase la nandramby lova niaraky tamin'ireo anany lahy. Gny tanin'i Gileada la notendre ho gnan'ny ambin'ny fokon'i Manase. 7 Gny faritanin'i Manase la avy hatragny Asera ka hatragny Mikmetata, ze agny antignanan'i Sekema. Sady gny sisin-tany la nandeha nagnantigna nagnagny amin'ireo ze mipetraky agnilan'ny faritanin'i Topoa. 8 ( Gny tanin'i Topoa la gnan'i Manase fa ingo gny tana-dehiben'i Topoa eo amin'ny sisin-tanin'i Manase koa la gnan'ny fokon'i Efraim.) 9 Gny faritany la mizotso magnagny amin'ny lohasahan-driakin'i Kana. Reo tana antimon'ny lohasahan-driaky eo amin'ny tana-dehiben'i Manase la gnan'i Efraima. Gny faritanin'i Manase la agny avaratsy gny lohasahan-driaky, sady miafara agny amin'ny ranomasina. 10 Gny tany antimo la gnan'i Efraima, sady gny tagny agny avaratsy la gnan'i Manase; gny ranomasina ro faritany. agny amin'ny sisiny avarats'i Asera, ka hatragny amin'ny antignana, la i Isakara. 11 Agny Isakara voho agny Asera avao koa, Manase la nana gnan'i Beti-sana voho reo tanany, Ibleama voho reo tanany, reo olon'i Dora voho gny tanany, reo olon'i En-dora voho gny tanany, reo olon'i Tanaka voho gny tanany, sady reo olon'i Megido voho gny tanany (sady gny tana fahatelo la i Naftea). 12 Mbo tsy afaky mangalaky ho fanagna gnan'ireo tana reo gny fokon'i Manase, fotony reo Kananita la mbo mipetraky ao amin'io tany io. 13 Lafa niha-natanjakay gny fokonolon'Israely, la noteren-drozy hiasa reo Kananita, fa tsy norambesiny tanteraky. 14 Bakeo reo avorohotan'i Josefa nivola tamin'i Josoa , nanao hoe:' Nagnino ro asan'ny tany raiky avao ro natolotrao ho gnanay sady tsinjara raiky amin'ny lova, kanefa maro agn'isa rahay, sady fa notahin'i Yaveh rahay manontolo? 15 Hoy Josoa tamin-drozy :' Laha fokonolo maro agn'isa nareo , la miaraky agny anaty ala gny vatanareo voho tapaho reo hazo ao amin'ny tanin'i Periza voho Refaita agny . ataovo io, fotony gny havoan'ny firenenan'i Efraima la kely ho gnanareo." 16 Hoy reo avorohotan'i Josefa:' Tsy ampy gnanay gny havoana. fa reo Kananita ze mipetraky agny amin'ny lohasaha la mana kalesy vy, rozy agny Beti-sana voho gny tanany, sady rozy ze agny amin'ny lohasahan'i Jezirela. 17 Sady hoy i Josoa tamin'ny avorohotan'i Josefa tamin'i Efraima voho Manase;' Fokonolo maro agn'isa nareo, sady mana hery bevata. Tsy tokony ho zaran-tany raiky avo ro notendre ho gnanareo. 18 Gny havoana avao koa la ho gnanareo. Na gny alan'io, la ho tapanareo ka ataovo fanagna hatragny amin'ny sisiny lavitsy mare io. Hamoaky reo Kananita nareo , ndra la mana kalesa vy aza rozy, ndra la matanjaky aza rozy."