Toko faha 12

1 Sady ndreto reo mpanjakan'ny tany , zay resin'ireo joharin'Israely. Nalan-drozy Israelita gny hanagnan'ny tany tagny amin'ny ilany antignanan'i Jordana ze hiposahan'ny masoandro, nanomboky teo amin'ny lohasahan-driaky Arnona hatramin'ny tendrombohitsy Hermona, sady gny Araba manontolo hatragny antignana. 2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, la nipetraky tagny Hesbona. Nanjaka hatragny Aroena, ze eo amin'ny sisin'ny Hrambaton'iArnona bakeo agnivon'ny lohasaha ie, sady gny atsasak'i Gileada mitsotsoriky hatragny amin'ny reniranon'i Jaboka agny amin'ny sisin-tanin'ny Amonita. 3 Nanjaka tamin'i Araba hatragny amin'ny ranomasin'i Kinerota ka i Sihona, hatragny antigna,hatragny amin'ny ronomasin'i Araba( Ranomasintsira) antigna, gny lala manontolo hatragny Beti-Jesimota voho antima, am-pototsy gny Tendrombohitsy Pisga. 4 Oga, mpanjakan'i Basana, raiky amin'ny Refaima sisa, la nipetraky tao Astarta voho Edrehy. 5 Nanjaka tamin'ny tendrombohitr'i Hermona, Saleka, voho Basana manontolo, hatramin'ny faritanin'ny olon'i Gesorita voho gny Makatita ie, sady gny antsasak'i Gileada, hatramin'ny faritanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona. 6 Nandresy an-drozy i Mosesy mpanompon'i Yaveh, voho fokonolon'Israely, sady Mosesy mpanompon'i Yaveh, ro nanolotsy gny tany mba ho fanagnan'ireo Robenita, voho Gadita, sady gny antsasa-pokon'i Manase. 7 Ndreto reo mpanjakan'ny tany zay resin'i Josoa voho gny fokonolon'Israely tagny andrefan'i Jordana, nanomboky tao Bala-gada ao amin'ny lohasaha agnilan'i Libanona hatragny an-tendrombohitsy Halaka agnilan'i Edoma. Nagnome tany ho gnan'ireo fokon'Israely i Josoa ho fanagnan-drozy . 8 Namea gnan-drozy gny tany havoa, reo tany lemaky, lay Araba, reo sisin'ireo tendrombohitsy, gny tany efitsy, sady gny Negeva__ la gny tanin'ireo Hetita, Amorita, Kananita, Perzita, Hivita, sady reo Jebosita. 9 Reo mpanjaak la ahita gny mpanjakan'i Jeriko, gny mpanjakan'i Ay ze eo agnilan'i Betela, 10 Gny mpanjakan'i Jerosalema, gny mpanjakan'i Enaima, 11 Gny mpanjakan'i Jarmota, gny mpanjakan'i Lakisy, 12 gny mpanajakn'i Eglona, gny mpanjakan'i Gazera, 13 Gny mpanjakan'i Debira, gny mpanjakan'i Gadera, 14 gny mpanjakan'i Horma, gny mpanjakan'i Arada, 15 gny mpanjakan'i Libna, gny mpanjakan'i Adolama, 16 gny mpanjakan'i Makeda, gny mpanjakan'i Betela, 17 Gny mpanjakan'i Tapoa, gny mpanjakan'i Hefera, 18 gny mpanjakan'i Afeka, gny mpanjaak'i Lasarona, 19 Gny mpanjakan'i Madona, gny mpanjakan'i Hazora, 20 gny mpanjakan'i Simrona-merona, gny mpanjakan'i Aksafa, 21 Gny mpanjakan'i Tanaka, gny mpanjakan'i Megido, 22 gny mpanjaakn'i Kadesy, gny mpanjakan'i Jokneama, 23 gny mpanjaakn'i Dora, gny mpanjakan'i Goyema agny Gilgala, 24 Sady gny mpanjakan'i Tirza. Telopolo ro isan'ireo mpanjaka manontolo.