Toko faha 2

1 Tamy vola fahafito tamy andro faha roapolo raikamby vola,la avy tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany gny safan'i Yaveh ,nanao hoe:" 2 Milaza amin'ny governoran'i Joda,la i Zerobabela anaky lahin'i Sealtiela,voho amy gny mpisoro be la i Josoa anak'i Jehozadaka,voho amy gny sisan'ny olo.Lazao hoe: 3 "Ia aminareo ro tavela nahita toy tragno toy tamin'ny voninahiny taloha? Manao akory gny fahitanareo io amizao? Tsy intoy va raha tsy misy lanjany aminareo io? 4 Amizao,matanjaha,ry Zerobabela!_io ro fagnambaran'i Yaveh_voho ,matanjaha,ry mpisoro be la i Josoa anaky lahin'i Jehozadaka;sady matanjaha nareo olo iaby amin'ny tany!_io ro fagnambaran'i Yaveh_sady miasa,fa hitahy anareo Zaho!_io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 5 Io fagnenkea zay naoriko taminareo laha niboaky tagny Egypta nareo,sady mipetraky ao agnatinareo gny fagnahiko.Fa ka matahotsy! 6 Fa zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro :Ao agnatin'ny anmdro kelikely la hagnozongozo gny lagnitsy voho gny tany,gny riaky voho gny tany maiky ndraiky Zaho! 7 Hagnozongozo gny firenena manontolo,sady handay reo raha sarobidy eto Amiko gny firenena manontolo, sady ho fenoako voninahitsy toy tragno toy, hoy Yaveh Tompon'ny maro. 8 Gnahy gny volafoty voho gny volamena!_io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 9 Gny voninahitsy toy tragno toy la ho bevata amy gny hoavy noho gny tagny amboalohany,hoy i Yaveh Tompon'ny maro:" sady eto amy toy toera toy ro hagnoimezako fiadagna!_io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro," 10 Tamy andro faha roapolo efatsamby vola faha sivy,tamin'ny tao faha roe nanjakan'i Dariosa,la avy tamin'i Hagay mpaminany gny safan'i Yaveh, nanao hoe 11 "Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Magnontania reo mpisoro mahakasiky gny lalagna,ka lazao hoe: 12 "Laha misy olo manday hena zay voatoka ho gnan'i Yaveh ao amin'ny volan'akanjony,sady mikasiky mofo na hany,divay na dil;oilo lay valonany,na zay karazanm-tsakafo,la tsy lasa masy va ie?" Namaly reo mpisoro ka nanao hoe:"Tsia." 13 La hoy i Hagay:" Laha misy olo zay maloto amin'ny faty mikasiky reo raha reo,tsy manjary maloto va reo?" Namaly reo mpisoro ka nanao hoe:" Eka alsa maloto reo." 14 La namaly Hagay ka nanao hoe:" La manahaky an'io koa olo reto voho firenena toy eo agnatrehako!_io gny fagnambaran'i Yaveh_sady manahaky an'io koa gny raha iaby vitan'ny tagnan-drozy, ze atolotsin-drozy Gnahy la maloto. 15 Ka amizao,hevero ao an-tsainareo gny lasa ka hatramizao andro zao. Talohany gny nametraha gny vato agnabon'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh, 16 la nanao akory io? Laha ave teo amin'ny antontam-bary roapolo fatra nareo,la folo avao ro nisy,sady laha avy teo amin'ny vatan-divay mba handraoky dimampolo fatra nareo ,la roapolo avao ro nisy. 17 Namely anareo voho gny asany gny tagnanareo manontolo tamy vary voho gny maty foty Zaho,nefa mbo tsy nimpoly tamiko avao nareo_io ro fagnambaran' Yaveh. 18 Hevero manomboky mizao andro zao,ka hataramin'ny nandro faha roapolo efatsambin'ny vola fahasivy,hatramin'ny andro zay nametraha gny fototry gny tempolin'i Yaveh. Hevero io! 19 Mbo misy voa va ao amin'ny tragno fagnajaria? Tsy namokatsy gny divay,gny hazon'aviavy , gny ampongaben-dagnitsy ,sady gny hazon'oliva! Fa manomboky amizao la hitahy gnanareo Zaho!" 20 La avy fagnindroe tamin'i Hagay tamin'ny andro faha roapolo efatsambin'ny vola gny safan'i Yaveh nanao hoe:" 21 Milaza amin'i governora n'i Joda,la i Zerobabela,ka lazao hoe: "Hagnozongozo gny lagnitsy voho gny tany Zaho. 22 Fotony haravako gny seza fiandrianan'ireo fanjaka voho hopotehiko gny herin'ireo fanjakan'ny firenena! Haravako reo kalesa voho reo mpanday an'io; ho lavo reo soavaly voho gny mpanday an'io, gny kirakiraiky lavo noho gny sabatsy gny rahalahiny. 23 Amin'io andro io__io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro__ la halako iha, ry Zerobabela anak'i Sealtiela,ho mpanompoko__io gny fagnambaran'i Yaveh. Hataoko manahaky gny peratsy fanombohan-kase iha,fa fa nifily gnanao Zaho! io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro!"