Toko faha 23

1 Ka magnome tatitsy diso na momban'ia na momban'ia. Ka mikamba amin'ny olo raty fagnahy mba ho vavolombelo tsy to. 2 Ka magnaraky gny maro hanao raty, na ia mety hijoro vavolombelo laha manaraky gny maro mba hamadiky gny babany. 3 Ka miangatsy amin'ny mahantra agny amin'ny fitsara gnazy. 4 Laha hitanao mania gny ombin'ny fahavalonao na gny borikiny, hampolinao agny aminy zay. 5 Laha hitanao lavo voatindrin'ny enta amin'ny tany gny borikin'ny olo zay malay gnanao, ka mandrio zay olo zay. Ao hagnampy gnazy amin'izay borikiny izay tokoa iha. 6 Ka mamaliky gny rariny laha tokony ho an'ny olo malahelo agny amin'ny alin'ny malahelo zay. 7 Ka mikamba amin'ny fanaova fiampanga vandy, sady ka mamono gny tsy manan-tsiny na gny olo-to, fa tsy hanamary gny raty fagnahy Zaho. 8 Ka mandray koilikoly, fa gny kolikoly mahajamba reo zay mahiratsy, sady mamily gny safan'ny olo-to. 9 Ka mampajaly gny hafa firenena, fotony hainao gny fiaignan'ny vahiny, fa nareo tagny amin'ny tany Egypta. 10 Hamafy voa amin'ny tany sady hamory gny vokatsy bakagny iha agnatiny gny enin-tao. 11 Fa amin'ny tao fahafito la henganao tsy hamboly vo hajanonao eo zay, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakinao hihina. Gny sisan-drozy, la hohan'ireo bibidia. Hanao manahaky zay amin'ireo tanim-boalobokao zay amin'ireo tanim-boalobokao vo reo tanin'olivanao iha. 12 Agnatiny gny enign'andro la hanao gny asanao iha, fa amin'ny andro fahafito la tsy maintsy mitsahatsy iha. Atavo zay mba hahafahan'ny ombinao vo gny borikinao mitsahatsy, sady mba hahafahan'ny anaky lahin'ny andevo vavimao vo gny vahiny mitsahatsy vo mangalky ay. 13 Tandremo reo raha iaby zay voalazako gnanao. Ka manono agnaran-Dranagnahary hafa, na hagnenga gny agnaran-drozy ho ja bakagny amin'ny vavanao. 14 Tsy maintsy mandeha intelo isan-tao iha hanao andro fisinisinia ho gnahy. 15 Tandremo gny andro fisinisinia ho amin'ny mofo tsy misy masirasira. Araky gny nandidiako gnanao, hihina mofo tsy misy masirasira iha agnatiny fito andro. Amin'izay fotoa zay, hiseho eo agnatrehako iha amin'ny vola Abiba, zay voatendry ho agn'izay tanjona izay. Tamin'izay vola zay ro nivoahanao avy tagny Egypta. Nefa ka miseho eo agnatrehako tanam-polo iha. 16 Tandremo gny andro fisinisinin'ny finjijana, tamin'ny namafazanao voa voalohany tamin'ny tany. Tandremonao avao koa gny andro fisinisinian'ny fampiakaram-bokatsy amin'ny faran'ny tao, lafa mamory gny vokatrao avy amin'ny tany iha. 17 Reo lahinao iaby la tsy maintsy miseho eo agnatrehan'ny Tompo Yaveh intelo isan-tao. 18 Ka manolotsy gny lio bakamin'ireo soro natao ho Gnahy misondry amin'ny mofo misy lalivay iha. Ka enga hijano zisiky gny haly zisiky maraindry gny jabora bakamin'ireo soro tamin'ny andro fisinisiniako. 19 Gny voaloham-bokatsy voafantina indrindra bakamin'ny taninao la tsy maintsy aterinao ao an-tragnoko, la tragnon'i Yaveh Ndranagnaharinao. Ao tsy haketriky gny anak'aosy amin'ny ronon-dreniny iha. 20 Zaho handeha hagniraky banjely eo alohanao mba hiaro gnanao egny an-dala, sady mba handay gnanao agny amin'ny toera zay nomaniko. 21 Mijanjigna gnazy sady ankatoavy ie. Ka mihantsy gnazy, fa tsy hagnenga reo fahotanao ie. Gny agnarako ro ao aminy. 22 Laha mankato gny feony tokoa iha sady manao, la ho fahavalon'ireo fahavalonao Zaho sady ho mpifanandry amin'ireo mpifanandrym agnaminao. 23 Handeha eo alohanao gny anjeko sady handay gnanao agny amin'ireo Amorita, Hetita, Parisita, Kananita, Hivita, sady reo Jebosita. Handrava gnazy reo Zaho. 24 Ka miankohoky amin'ny Ndranagnaharin-drozy, manompo gnazy reo na, manao zay hataon-drozy iha. Fa kao, tsy maintsy ravanao tanteraky reo sady torotoroy reo tsangam-baton-drozy. 25 Manompoa gnan'i Yaveh Ndranagnaharinao, la hitahy gny mofonao vo gny ranonao Ie. Halako agnaminao gny arety 26 Tsy misy ampela tsy ho teraky na ho afak'anaky amin'ny taninao agny. Hameako andro lava iha hiaignanao. 27 Handefa gny tahotsy gny tenako amin'reo zay tany ombanao. Ho vonoako ze olo kojy anao. Ampatahoriko iaby ndra gn'olo mikinia anao. 28 Andefasako raha gn'agnilanao eo soa handroaky Hivita,Kananita noho Hetita reo tsy ho alohanao eo. 29 Tsy ho roasiko alohanao eo agnatin'ny tao raiky rozy fa manjary tsy misy olo tany io sady ho maro aminao eo gny bibidia 30 Fa ho roasiko tsikelikely tsy ho eo imasonao rozy zisiky maha tonga gnanao hamokatsy ka ho lovanao amizay tany io. 31 Hataoko bakamin'ny riaky Mena ka la traky amin'ny riakin'ny Filistina gny moron-taninao,voho baka amin'ny lio-motoka ka la traky amin'ny ony Eofrata.Zaho hagnome fandresea gnanao ami-gny tompo-tany.Horoasinao angnatrehanao rozy. 32 Ka manao fifagnaraha amin-drozy ndra amin'andrianagnahariny iha. 33 Tsy mahazo mifitaky amin'ny gny taninao rozy,laha tsy zay rozy la hampanota gnanao Agnamiko.Laha manompo gnanireo andrianagnahariny iha , la hivaliky ho fitaky gnanao vatany zay."