Toko faha 19

1 Tamin'ny vola fahatelo tafaran'ny nialan'ny vahoakan'Israely gny tany Egypta, tamin'io andro io avao, ro nahavian-drozy tao an'efits'i Synay. 2 Ka lafa niala tao Refidima rozy ka nagnagny an'efits'i Sinay, la nivory tao an'efitsy teo alohan'ny tendrombohitsy. 3 La niakatsy tao amin-Dranagnahary Mosesy. La nikaiky gnazy bakeo amin'ny tendrombohitsy Yaveh ka nanao hoe: " Tsy maintsy hivolagnanao gny longon'i Jakoba, la gny vahoakan' Israely hoe: 4 Fa hitanareo zay nataoko tamin'ny Egyptiana, gny fomba nandaisako gnanareo tamin'ny elatsy gny voromahery vo gny nitaomako gnanareo ho eto agnamiko. 5 Ka henanizao sady, laha mijanjy am-pankatoava gny feoko nareo ka mitandry gny fegnekeko, la ho harena manoka ho Gnahy nareo mihoatsy amin'ny olo iaby, fotony Gnahy gny tany iaby. 6 La ho fanjaka-mpisoro vo ho firenena masy ho Gnahy nareo. Reo teny reo ro tsy maintsy ho volagninao amin'ny vahoakan'Israely." 7 La avy Mosesy ka nikaiky reo loholon'ny vahoaky. La nalahany nanoloana gnazy reo gny teny iaby zay nandidian'i Yaveh gnazy. 8 Ka niara-namaly reo vahoaky nanao hoe: " Hataonay zay iaby nivolagnin'i Yaveh gny tenin'ny olo. 9 La hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Ho avy eo agnilanao agnaty rahona matevy Zaho mba hahafahan'ny vahoaky mahare gnanao laha misafa misondry agnamiko Zaho sady mba hahafahany hino gnanao mandrakariva koa." La nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh reo tenin'ny vahoaky. 10 La hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Mandehana agny amin'ny vahoaky. Androany vo hamaray ro tsy maintsy hagnamasinanao ho Gnazy reo, sady ataovo liovin-drozy gny salotsiny. 11 Miomana amin'ny andro fahatelo, fa amin'ny andro fahatelo la hizotso ho eo amin'ny tendrombohits'i Sinay Yaveh. 12 Asio vala gny magnodidy gny tendrombohitsy ho an'ny vahoaky. Volagno amin-drozy hoe: 'Tandremo mba tsy hiakaranareo gny tendrombohitsy na hikasihanareo gny sisin'izay. Na ia na ia mikasiky gny tendrombohitsy la hovonoe ho maty vatany ie' 13 Tsy hisy tana hikasiky olo manahaky zay. Fa laha, hotoraham-bato vatany ie na hotifiry. Na olo zay na biby, la tsy maintsy vonoe ie. Lafa lava mare gny feon'ny trompetra, vao afaky magnegny ho eo am-potony gny tendrombohitsy rozy." 14 La nizotso gny tendrombohitsy Mosesy mba ho eo amin'ny vahoaky. Nohamasigniny ho gnan'i Yaveh gny olo sady reo koa nagnalio gny salony. 15 La hoy ie tamin'ny vahoaky hoe: " Mivognona amin'ny andro fahatelo; ka magnariny gny valinareo." 16 Tamin'ny andro fahatelo, lafa maraindray, la nisy kotrokorana vo helatsy sady raho matevy teo an-tendrombohitsy, sady feon-trompetra, mare fagneno. Nangitikitiky gny olo iaby teo amin'ny toby. 17 La nandesin'i Mosesy niboaky gny toby gny olo mba hifanojy amin-Dranagnahary, sady nitsanga teo am-pototsy gny tendrombohitsy rozy. 18 Misalotsy setroky tanteraky gny tendrombohitsy Sinay fotony nizotso teo aminy tamin'ny afo vo gny setroky Yaveh. La niakatsy toy setroky gny laforo bevata gny setroky, sady nihozongozo mare gny tendrombohitsy raiky iaby. 19 Lafa nihamafy la mare gny feon'ny trompetra, la nisafa Mosesy, sady namaly feo gnazy Ndranagnahary. 20 La nizotso teo an-tendrombohitsy Sinay Yaveh, teo ambonin-tendrombohitsy, sady nikaiky gnan'i Mosesy ho ao an-tampony Ie. La niakatsy Mosesy noho zay. 21 La hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Mizotsoa ka hampitandremo gny olo tsy hisisiky ho atoy agnamiko mba hagnentea, laha tsy zay la ho maro amin-drozy ro ho maty. 22 Ao avao koa reo mpisoro zay magnariny Gnahy mba hanoka gny tegnany__hampioma rozy gny amin'ny fahaviako__mba tsy hamango gnazy reo Zaho." 23 La hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: " Tsy afaky hiakatsy gny tendrombohitsy gny olo, fa nagnadidy gnanay Iha hoe: ' Asio vala magnodidy gny tendrombohitsy ka atokano ho Gnan'i Yaveh izay."' 24 La hoy Yaveh tagnaminy hoe: " Mandehana, mizotsoa gny tendrombohitsy, ka andeso miakatsy misondry agnaminao i Arona, nafa ka enga handrava gny vala magnatoy agnamiko reo mpisoro vo reo vahoaky, fa handrary hamango gnan-drozy Zaho." 25 La nizotso teo amin'ny vahoaky Mosesy ka nisafa tamin-drozy.