Toko faha 8

1 Ia gn'olo hendry? Ia gny mahay gny dikan'ireo raha miseho eo amin'ny gny fiaigna? Gny fahendrea eo amin'ny gn'olo la mahavy gny tarehiny ho miramira, voho miova gny hamafin'ny gny tarehiny. 2 Toroako hevitsy iha mba hankato gny lilin'ny gny mpanjaka nohon'ny gny fiaignan'i Ndragnahary hiaro anao. 3 Ka malay amin'ny gny fagnatreha azy, ka mifikitsy amin'ny gny fanaovan-draty, fotony gny mpanjaka ro manao an'izay iaby zay. 4 Manjaka gny rehakiny gny mpanjaka, ka ia ro hivola aminy hoe: "Ino raha ataonao toy?" 5 Ndra la ia ndra la ia magnaraky reo lilin'ny gny mpanjaka la misoroky heloky. Gny fon'ny gn'olo hendry la magnenky gny lalagna iombona voho gny fotoan'ny gny fihetseha. 6 Misy valiny to voho fotoa hamalea gny raha iaby, fotony bevata gn'olan'ny gn'olo. 7 Tsy misy gny mahay an'izay ho avy magnaraky. Ia ro afaky hagnambara aminy zay ho avy? 8 Tsy misy mpanampaky gny fofon'ny gn'ainy ka hampiegny gny fofon'ny gn'ainay,voho tsy misy manan-kery amin'ny gn'andro ifatezany. Tsy misy afaky amin'ny gny tafiky agnatin'ny gn'aly, voho gny haratia la tsy hamonjy gny nandevozin'izay. 9 Nahay an'io iaby io aho; nampihatra gny foko tamin'ny gn'asa soa iaby zay natao tambany masoandro etoy aho. Misy gny fotoa zay ampijalean'ny gn'olo hafa amin'ny gny ferin'izay olo zay. 10 Ka la nihitako gny raty fagnahy navely am-pahabemaso. Nalae tamin'ny gny toera masy rozy ka nalevy voho nirengen'ny gn'olo tao amin'ny gny tana zay nanaovandrozy gn'asa ratiny. Io la tsy msy dikany. 11 Laha tsy tanteraky malaky gny lilim-pitsara hanohitsy gny heloky bevava raty, la mitao gny fon'olombelo hanao raty zay. 12 Ndra la manao raty in-jato aza gny mpanonta ka la mbo velo agnatin'ny gny fotoa maharitsy, ka la haiko fa soa ho an'ny gny zay magnaja an'i Ndragnahary, zay amgnomea voninahitsy gny fagnatrehany miaraky amindrozy zay. 13 Fa tsy ho soa ho an'ny gn'olo raty fagnahy io; tsy haharitsy gny fiaignany. Gn'androny la manahaky gn'aloky mandalo fotony tsy magnomea voninahitsy an'i Ndragnahary ie. 14 La mbo misy gny zava-poa hafa ___ raha hafa vita tetoy agnabon'ny gny tany. Gny raha mitranga amin'ny gn'olo marina la mbo manahaky gny fitrangan'ireo amin'ny gn'olo raty fagnahy, voho manahaky gny itrangan'ireo raha amin'ny gny raty fagnahy ro itrangan'izay amin'ny gn'olo marina. Hoy aho hoe zava-poa avao koa zay. 15 Ka la mitaky gny hafalea avao koa aho, fotony tsy misy raha soa azon'ny gn'olo egny ambanin'ny gny masoandro nohon'ny gny mijabo voho mino voho gny mifaly. Ka la hafalea ro hagnaraky azy agny amin'ny gn'asany amin'ny gn'androm-piaignany iaby zay namean'i Ndagnahary azy ambanin'ny gny masoandro. 16 Lafa nanefy gny foko hahay gny fahendrea aho voho nahay gn'asa zay atao etoy agnabon'ny gny tany, ka la vita tsy amin'ny gny torimaso amin'ny gny matognaly na amin'ny gn'atandro matetiky gn'asa, 17 ka la nandiniky gn'asan'i Ndagnahary iaby aho, ka gn'olo la tsy afaky gny hahatakatsy gn'asa zay vita teto ambanin'ny gny masoandro. Na manao ahoa na manao ahoa gny hamaroan'ny gn'asan'ny gn'olo mba hahitany gny valiny, la tsy hahita an'izay rozy. Ndra izay aza gn'olo hendry la mety hino fa mahay ie, fe tsy tena mahay avao koa.