Toko faha 3

1 Gny fahendrea lafa voatondro amin'ny gny fotoany, voho gny vanim-potoa ho amin'ny gny fanirian'ny gny kiraikiraiky ambanin'ny gny lagnitsy. 2 Misy gny fotoa ahateraha voho gny fotoa ifateza, fotoa hambolea voho fotoa hamokara, 3 fotoa hamonoa voho fotoa hitaha, fotoa handrava voho fotoa hanangana. 4 Misy fotoa hitagnia voho fotoa ieheza, fotoa hiojea voho fotoa hisinjaha, 5 fotoa hagnariam-bato voho fotoa hamoriam-bato, fotoa handrakofa olo hafa, voho fotoa handrara gny fandrakofa. 6 Misy fotoa ilan-draha voho misy fotoa iegnena amin'ny gny fila, fotoa hifikira amin-draha voho fotoa hagnariagn'azy, 7 fotoa hanataha voho fotoa hitrebeha, fotoa tsy hivolagna voho fotoa hivolagna. 8 Misy fotoa hitiava voho fotoa hagnaboka, fotoa hialia voho fotoa hilongoa. 9 Ino gny tombony azon'ny gny mpiasa amin'ny gn'asany? 10 La fa jeriko gn'asa zay namean'i Ndragnahary ho tamterahin'ny gn'olombelo. 11 La fa nanao gny raha iaby hifagnaraky amin'ny gny fotoany Ndragnahary. La fa nampitoetsy gny mandrakizay tam-pondrozy avao koa Ie. Fe la tsy afaky hahatakatsy gn'asa bevata zay naon'i Ngragnahary avao koa gn'olombelo, manomboky amin'ny fiatombohany ka hatramin'ny gny fiafarany. 12 Haiko fa la tsy misy raha soa ho an'ny gn'olo nohon'ny gny mifaly voho manao gny raha soa avao laha mbo velo koa ie ___ 13 ka gn'olo iaby la tokony hijabo voho hino, voho tokony hahay hifaly amin'ny gny soa baka amin'ny gn'asany iaby. Fagnomeza baka amin'i Ndragnahary io. 14 La haiko fa zay aby nataon'i Ndragnahary la maharitsy mandrakizay. Tsy angala io ro tsy agnampea, fotony Ndragnahary ro fa nanao an'io mba hamonjean'ny gn'olo Azy amin'ny gny voninahiny. 15 Gny iaby misy la fa nisy avao, gny iaby hisy la fa nisy. Ndragnahary la fa nanao gn'olombelo hila gny raha mietaky. 16 La fa nahita gny haratia zay etoy ambanin'ny gny masoandro aho, zay tokony hisy gny to, ka eo amin'ny gny toeran'ny gny fahamarina, ka la haratia ro tao. 17 Hoe aho anakam-po hoe: "Ho tsaraen'i Ndragnahary amin'ny gny fotoany gn'olo-marina iaby voho gny raty fagnahy amin'ny gny raharaha voho gn'asany iaby." 18 Hoy aho anakam-po hoe: "Mizaha gny toetsin'ny gn'olombelo Ndragnahary mba hanehoa fa la manahaky gny biby rozy." 19 Fa amindrozy la mindry gny manjo gny zanak'olombelo voho gny manjo gny biby. Gny fahafatesan'ny gn'iraiky la manahaky gny fahafatesan'ny gn'iraiky hafa koa. Mindry gny fofon'aindrozy iaby. Tsy misy tombony ho an'ny gn'olombelo eo amin'ny gny biby. Va tsy fofon'ny gn'ay avao gny raha iaby? 20 Gny raha iaby la samby mizotsy amin'ny gny toera raiky avao. Gny raha iaby la baka amin'ny gny vovoky, voho gny raha iaby la holy vovoky. 21 Ia gny mahay na miakatsy agnabo agny gny fagnahin'ny gn'olombelo voho mizotso antany agny gny fagnahin'ny gny biby? 22 Ka la hitako ndraiky fa gny raha soa ho an'ny gn'olo la gny mifaly amin'ny gn'asany, fa zay gn'asa nanendrea azy. Ia gn'afaky handay azy himpoly mba hanenty gny mitranga afarany agny?