Toko faha 8

1 Zao gny naboaky Tompo Yaveh tamiko. Ingo, gny voankazon'ny gny litsaky sobiky raiky! 2 Hoy ie hoe: "Ino gny hitanao, ry Amosa?" La hoy aho hoe: "Gny sobikin'ny gny voankazo litsaky." La hoy Yaveh tamiko hoe: "Fa avy amin'ny gny Israely oloko gmy farany; tsy hamindra fo amindrozy koa aho. 3 Hanjary fidradradradra gny hiran'ny gny tempoly. Tamin'izay andro zay ___ zay gny fagnambaran'ny gny Tompo Yaveh. Ho maro gny faty, la hatoradrozy mangingina egny magnodidy egny rey!" 4 Janjigno zay, nareo zay magnitsaky gn'ory voho magniliky gny mahantran'ny gny tany. 5 Hivola rozy hoe: "Ombia vo hotampitsy gny vola vaovao, mba hahafahantsika mamarotsy vary ndraiky? Ombia vo hotampitsy gn'andro sabata, mba hahafahantsika mamarotsy vary? Hataontsika kelikely gny famara voho hampiakarintsika gny vilim-bary, ka hangalatsy amin'ny gny mizana diso tsika. 6 Zay gny mba hahafahantsika mamarotsy vary raty, vilio amin'ny gny vola voty gn'ory, voho gny mahantra amin'ny gny kapa." 7 Nifagnenky tamin'ny gny fireharehan'i Jakoba i Yaveh hoe: "La vatany tsy hohalinoko mandrakizay gny gnatao-ndrozy." 8 Tsy hangorohoro nohon'izay va gny tany, voho gnolo iaby zay mipetraky ao la hiojy? Gnakamaroan'izay la hitsanga manahaky gn'Onin'ny Neily, ka hivoiboitsy voho hilentiky ndraiky zay, manahaky gny Onin'ny Egypta. 9 "La ho avy zay amin'io andro io ___ zay gny fagnambaran'i Tompo Yaveh ___ fa hampiposaky gny masoandro amin'ny gny midi mena Aho, voho hampaiky gny tany amin'ny gn'atandro. 10 Hamaliky gny firavoaravoanareo ho fiojea Aho voho hiranareo iaby reo hofitagnia. Hampanaviko akanjo fiojea iaby nareo voho sola gny lohan'ny gny kiraikiraiky. Hanahaky gny fiojea ho an'ny gny anaky raiky zay, ka andro mafaitsy amparany agny zay. 11 Ingo, avy gn'andro ___ zay gny fagnamabarani'i Tompo Yaveh ___ Lafa handefa mosary an-tany egny Aho, tsy mosary mofo, na hetaheta rano, fa ho amin'ny gny fijanjigna gny volan'i Yaveh. 12 Hivembe magnegniky gny riaky rozy; la hilay baka avaratsy agny la hatra antignana mba hila gny volan'i Yaveh, fe tsy hahita an'izay nareo. 13 Amin'izay andro zay virijiny soa tarehy reo voho johary reo la ho ketraky gny hetaheta. 14 Reo zay nifanenky tamin'ny gny fahotan'i Samaria la ho lavo rozy ka tsy hitsanga koa."