Toko kaha 6

1 Loza ho gnanareo zay mahazo ay a Ziona ao, voho ho gnanareo zay milamy amin'ny gny tany havoan'i Samaria, Reo olo-malaza bakamin'ireo firenena soa mare, zay iavian'ny gny vavean'Israely mba ho vonje! 2 Hoy mpitariky reo: "Mandena a Kalne agny ka manentea; bakeo mandehana Hamata agny, zay tana bevata; bakeo la mijotsoa a Gatan'i Filistina reo agny. Soa nohon'ny gny fanjankanao roa reo va reo? Bevata nohon'ny gny faritaninao va gny faritanindrozy?" 3 Loza ho an'ny gny mampihemotsy gnandron'ny gny loza voho mamparikitsy gny sezy fanjakan'ny gny herisetra. 4 Mandry am-pandrea ivory eo rozy voho miampatsampatsy an-kitrelindrozy eo. Mihina anak'aondry bakaminireo aondry amagn'osy rozy voho anak'aondry bakamin'ny gny fihinanagn'akata. 5 Nihira hiran'adaladala reo tamin'ny gny feon'ny gny harpa rozy; namoromporo raha magnano manahaky gny nataon'i Davida. 6 Nino divay tamin'ny gny finga jobo rozy voho soliky soa mare, fe tsy nalahelo gnamin'ny gny faharavan'i Josefa. 7 Ka handeha an-tsesitany miaraky amin'ireo sesitany voalohany rozy henanizao, voho gny firavoaravoan'ireo zay nitsotsotsy la ho rava. 8 "Zaho, Tompo Yaveh, la fa nifanenky tamin'ny gny vatako ___ zay ro fagnabaran'ny gny Tompo Yaveh, Nragnahary Tompon'ny gny maro, halako gny fieboaboan'i Jakoka; halako gny fiarova maheriny. ka hanolotsy gny tana mbamin'ny gny zay iaby aminy ao Aho." 9 Laha misy folo lahy tavela an-tragno raiky ao, la ho maty iaby rozy. 10 Laha misy longon-dralehilahy avy mba hangalaky gny fatin-drozy ___ gny raiky zay hagnoro gny fatin-drozy afaran'ny gny hagnandesany faty reo miboaky gny tragno ___ laha mivola amin'ny gnolo an-tragno ao ie hoe: "Misy olo miaraky aminao va ao?" Laha mamaly zay olo zay hoe: "Aha". La hivola ie hoe: "Miegnena, fa ao tsika tsy hanogno gnagnaran'i Yaveh." 11 Fa, ingo, hagnina Yaveh, ka ho torotoro gny trano bevata voho ho potipotiky gny tragno kalikely. 12 Gny soavaly va lomay amin'ny gny harambato? Misy olo manitsy aomby va gnao? Fe namaliky gny to ho poizy nareo voho gny vokatsy gny to ho mafaitsy. 13 Nareo zay mazoto amin'ny gny Lodebara, zay manao hoe: "Va tsy nangalaky an'i Karnaima tamin'ny gny herinay avao rahay?" 14 "Fe ingo, hananga firenena hanohitsy anareo Aho, ry vavean'Israely ___ zay ro fagnambaran'ny gny Tompo Yaveh, Ndragnahary Tompon'ny gny maro. Hampahory anareo manomboky a Lebo-hamata ao hatragny amin'ny gny lohasahan-driak'Araba rozy."