Toko faha 4

1 Janjigno izao rehaky zao, nareo ry agnobivavin'i Basana, nareo zay agny antendrom-bohits'i Samaria, nareo zay mampijaly gny mahantra, nareo zay manorotoro gny mijaly, nareo zay mivola amin'ny gny valinareo hoe: "Agnandeso raha hinomy rahay." 2 Fa nifagnenky tamin'ny gny fahamasinany gny Tompo Yaveh hoe: "Ingo, ho avy amionareo gn'andro zay hangalan-drozy anareo amin'ny gny farango, ka gny tavela aminareo amin'ny gny fintana. 3 Hiboky amin'ny gny vaky amin'ny gny valan'ny tagna eo nareo, samby hagnity amin'ny gny zay aby, ka hatoraky ambohony magnagny Harmona nareo ___ zay ro fagnambaran'i Yaveh." 4 Mandena a Betela agny la magnotà, a Gilgala agny ka ampitombo gny fahota, andeso saky maray gny sosonareo, gny lohavogno nareo isaky gny telo andro. 5 Magnomeza soro fagnati-pisaora miaraky amin'ny gny mofo; magnabarà fagnati-tsitrapo; torio reo, fa mahasoa anareo zay, ry gnolon'Israely ___ zay gny fagnambaran'i Tompo Yaveh. 6 Nameako fandiova hy nareo tagny amin'ny gny tanànareo iaby voho gny tsy fahampian'ny gny mofo tao amin'ny gny toeranareo iaby. Fe la mbo tsy nimpoly tamiko avao nareo ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7 Nagnanka gn'ora tsy ho aminareo eo avao koa Aho laha mbo tsy nisy telo vola hanampaha. Nataoko nagnora gny teo amin'ny gny tanà raiky, voho nataoko tsy nagnora teo amin'ny gny tanà raiky hafa. Gn'ampahan-tany nisy ora, fa gnampahany hafa zay tsy mba nisy ora la nimaiky. 8 Tana roe na telo ro nivembe nagnagny amin'ny gny tana raiky hafa mba hinon-drano, fe tsy afa-po. Fe la mbo tsy nimpoly tamiko avao nareo ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 9 Nampijaly anareo tami'ny gny hamaiky gny voly voho gny bobongolo aho. Gny hamaroan'ny gny baibonareo, gny tanim-boalobokareo, gny hazon'aviavinareo, voho gny hazon'olivanareo ___ fa naripaky gny valala iaby koa reo. fe la mbo tsy nimpoly tamiko avao nareo __ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 10 Nandefa areti-mandringa taminareo eo manahaky gny teo amin'Egypta Aho. Vinonoko tamin'ny gny sabatsy gny tovolahinareo, nalaeko gny soavalinareo, voho nataoko teo amin'ny gny vavaoronareo gny hantsin'ny gny tobinareo. Fe la mbo tsy nimpoly amiko avao nareo ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 11 Nandringa tana taminareo eo Aho, manahaky gny nandringagnan'i Ndragnahary an'i Sodoma voho Gomoro. Fa manahaky gny tapa-kazo mirehitsy sininto baka am-bolo ao nareo. Fe la mbo tsy nimpoly amiko avao nareo ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 12 Nohon'izay la nahazo raha raty aminareo aho, ry Israely; ka fotony hanao raha raty aminareo Aho, la miomana hihao amin'ny gny Ndagnaharinareo, ry Israely! 13 Fa ingo, gny nanao gny tendrom-bohitsy avao koa ro nahary gny tsioky, magnaboaky gny heviny amin'ny gny gnanak'olombelo, mahavy gny maraindray haiky, voho magnosiosy gny toera agnabon'ny gny tany. Yaveh, Ndragnahary Tompon'ny gny maro, gnagnarany."