Toko faha 28

1 Lafa avy soa aman-tsara rahay, la hainay fa gny tany la kinaiky hoe Malta. 2 Gny tompo-ntany la tsy nagnome hasoam-pagnahy tsotra tagnaminay avao, fa nandrehitsy bolo rozy sady nampandroso gnanay iaby, nohon'ny ora mizeky voho gny nintsy. 3 Fa lafa namory kata hazo voho nametraky gnan'izay teo amin'ny bolo Paoly, la nisy menarana niboaky nohon'ny hafana, sady nifehy tamin'ny tagnany. 4 Lafa nahajery gny biby nihanto teo amin'ny tagnany reo tompon-tany, la nifampiresaky rozy hoe: " Tena mpamono olo ze nandositsy bakagny an-dranomasy io johary io, laha gny rariny la tsy tokony ho velo ie." 5 Fa bakeo nanozongozo gny biby ho agnaty bolo ie nefa tsy naratsy ndra raiky. 6 Niamby gnazy mba ho voan'ny tazo na ho maty tampoky rozy. Fa lafa baka nagnenty gnazy rozy sady nahajery fa tsy nisy raha tsy mahazatsy nanjo gnazy, la niova hevitsy rozy sady nivola fa ie la ndranagnahary. 7 Sady tamin'ny toera agnilany teo nisy reo tany ze gnan'ny johary lehiben'ny nosy, johary kinaiky hoe Poplio. Nandramby gnanay ie sady nagnome hany gnanay tamin'ny hasoa fagnahy tagnatiny gny telo andro. 8 Gny baban'i Poplio la nararin'ny tazo voho fivalanan-dra. Lafa nagnagny aminy Paoly, la nivavaky ie, nametraky gny tagnany teo aminy, sady nagnasitra gnazy. 9 Tafaran'ny nitrangan'izay, la namonjy gnazy iaby gny ambin'ny vahoaky iaby ze narary teo amin'ny nosy ka la ninjanga. Voninahitsy gnanay tamin'ny voninahitsy maro. Sady lafa nioma andeha hiantsambo rahay, la nagnome gnanay ze nilanay rozy. 11 Afaky telo vola rahay la nandeha niondra tamin'ny sambo ze nijano tao amin'ny nosy tagnaty gny asotry, sambon'i Aleksandra, misy "' sarikamban-dranagnahary" eo agnatrehan'ny sambo 12 Sady lafa avy tamin'ny tanan'i Sirakosa rahay, la niftaky tao tagnatiny gny telo andro. 13 Niala bakeo rahay la nandeha antsambo ka avy tagny amin'ny tanan'i Regioma. Sady lafa afaky ndraiky andro la nisy tsioky nitsioky bakatimo, ka roe andro rahay la avy tao amin'ny tanan'i Potioly. 14 Tao ro nahitanay reo rahalahy sasany sady nanasa gnanay mba hijano hiaraky amin-drozy agnatiny gny fito andro. Tamin'ny alalan'izay ro nahavianay tagny Roma. 15 Bankegny reo rahalahy, tafaran'ny naharezan-drozy gny mikasiky gnanay, la avy nitsena gnanay hatrany amin'ny tsenan'i Apio voho reo tranom-bahiny telo. Lafa nahajery reo rahalahy Paoly, la nisaotsy an-Dranagnahary ie sady nahazo hery. 16 Lafa nilitsy tao Roma rahay, la nahazo alala hiara-hiay amin'ireo miaramila niamby gnazy Paoly. 17 Sady lafa afaky hateloa tafaran'izay la nampikaiky niaraky reo johary ze mpitariky teo amin'ireo Jiosy reo i Paoly. Lafa niaraky niavy rozy, la nivola tamin-drozy ie hoe: " Ry rahalahy, ndra la tsy nanao raha raty tamin'olo na gny fomban'ireo razantsika aza aho, la natolotsy ho voagadra tagny Jerosalema teo an-tagnan'ny Romana. 18 Lafa avy nanadihady gnazy rozy, la nagniry gny hanafaky gnahy, fotony tsy nisy antony tokony hanameloha gnahy ho maty. 19 Fa lafa nanohitsy gny fagnirian-drozy gny Jiosy, la voatery aho nampikaiky gnan'i Kaisara, ndra la tsy manahaky gny hoe nanday fiampanga hanohitsy gny fireneko aza. 20 Nohon'ny kaiky, la nangataky gny hahajery gnanareo voho hiresaky agnaminareo aho. Izay la nohon'ny fahatokian'Israely mikasiky gny hameheza gnahy amy toy rojo toy." 21 Bakeo la nivola tagnaminy rozy hoe: " Tsy mbo naharamby reo taratasy mikasiky gnanao bakagny Jodia rahay, na rahalahy niavy voho nitatitsy na nivola raha raty mikasiky gnanao. 22 Fa teanay ho re agnaminao gny eritreritrinao mikasiky sekta zay, fotony hainay fa raty laza egny iaby egny zay. 23 Lafa nifily andro ho gnazy rozy, la maro mare reo olo namonjy gnazy tagny amin'ny tragno nivahinianany. Nampahay gny raharaha tamin-drozy, sady nijoro vavolombelo mikasikan'ny fanjakan-Dranagnahary. Niezaky nandresy lahatsy gnan-drozy gny mikasiky gnan'i Jesosy ie, na tamin'ny alalan'i Mosesy izay na tamin'ny alalan'ny mpaminany, nanomboky maraindray ka hatramin'ny hariva. 24 Gny sasany la resy lahatsy tamin'ireo raha zay ambarany, laha tsy nino koa reo hafa. 25 Lafa tsy nifagnaraky rozy, la roso tafaran'ny nagnambaran'i Paoly toy safa raiky toy hoe: " Gny Fagnahy Masy la nivola soa reo razanareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminany. 26 Hoy ie hoe: ' Mandeha agny amin'ireo vahoaky reo sady ambarao hoe: " Amin'ny finjanjigna ro haharezanareo, fa tsy hahatakatsy; sady amin'ny fahita ro hahitanareo, fa tsy hahajery. 27 Fa nihadonto gny fon'ireo olo reo, sady sarotsy amin'ny safin-drozy gny hahare, sady nanoraky gny masony rozy. Fa laha tsy izay la mety afaky hahajery amin'ny fijeriny rozy, sady hahare amin'ny sofiny, voho hahatakatsy amin'ny fony ka himpoly ndraiky, la hanasitra gnan-drozy aho."' 28 Noho izay, tokony ho hainareo fa izay famonjean-Dranagnahary izay la nalefa tamin'ireo Jentilisy, sady hinjanjy rozy." 29 ( Fanamariha egny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa 28: 29- Gny antontan-taratasy sasany la mana gny andininy. 29 hoe: " Lafa nivola reo raha reo ie, la roso gny Jiosy. Nisy fifamalia bevata teo amin-drozy.") 30 Paoly la niay tagnaty gny roe tao maninjitsy tao amin'ny tragnony nohofay manoka, sady nandramby zay iaby avy tao aminy ie. 31 Nagnambara gny fanjakan-Dranagnahary ie sady nampianatsy reo raha mikasik'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fahasakia iaby. Sady tsy nisy nanaka ie.