Toko faha 19

1 Sady laha mbo tagny Korinty i Apolosy, la nandalo tamin'ny firenena agnabo i Paoly sady avy tao amin'ny tanan'ny Efesosy, sady nahajery mpianatsy sasany tao. 2 Hoy Paoly tamin-drozy hoe: " Nahazo gny Fagnahy Masy va nareo lafa nino?" Hoy rozy taminy hoe: " Tsia, mbo tsy nahaja mikasiky gny Fagnahy Masy zao rahay." 3 Paoly nivola hoe: " Tao amin'ny ino sady izay ro nanaova batisa nareo ?" Namaly rozy hoe: " Tao amin'ny batisan'i Jaona." 4 Ka namaly Paoly hoe: " Jaona manao batisa amin'ny batin'ny fibebaha. Nivola tamin'ny vahoaky ie fa tokony hino gny raiky ho avy afarany ie rozy, izay la, ao amin'i Jesosy." 5 Lafa nahanja izay gny olo, la natao batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy rozy. 6 Bakeo lafa nametraky gny tagnany tamin-drozy i Paoly, la nilatsaky tamin-drozy gny Fagnahy Masy sady nivola tamin'ny fivolagna hafa voho naminany rozy. 7 Teo amin'ny roe ambin'ny folo teo ho eo rozy iaby. 8 Nilitsy tao amin'ny synagoga i Paoly sady nivola am-pahasakia tagnatiny gny telo vola,nandresy lahatsy voho nampanaiky gnan-drozy gny mikasiky gny fanjakan-Dranagnahary. 9 Fa lafa mafy fo voho tsy nankato reo Jiosy sasany, la nanomboky nivola raty gny Lalagna teo agnatrehan'ny vahoaky rozy. Ka nengan'i Paoly rozy sady nandesiny reo mpianatsy, nandresy lahatsy gnan-drozy isan'andro tao amin'ny efitragno fampianaran'ny Tiraniana. 10 Nitohy tagnatiny gny roe tao izay, ka zay iaby nipetraky tao Asia la nahanjanjy gny safan'ny Tompo, sady reo Jiosy voho reo Grika. 11 Ndranagnahary nanao asa mahatreriky tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly, 12 Ka na la reo mosoara voho aron'akanjo zay nikasiky gnazy la natao tamin'ny marary ka sitrana gny aretin-drozy sady niboaky bakao amin-drozy reo fagnahy raty. 13 Fa nisy Jiosy mpangalaky fagnahy raty nandeha tegny an-toera. Nikaiky gny agnaran'ny Tompo Jesosy rozy mba hanagnan-drozy hery hanohera gny fagnahy raty lafa nivola rozy hoe: " Amin'ny alalan'i Jesosy zay nambaran'i Paoly, mandidy gnanao zaho mba hiboaky." 14 Gny mpisoronabe Jiosy manday gny agnarany hoe Skeva sady nanan'anaky fito lahy ro nanao izay. 15 Nisy fagnahy raty namaly gnan-drozy hoe: " Haiko Jesosy, sady haiko Paoly; fa ia nareo?" 16 Gny fagnahy raty tao amin'ny johary la niantsampy tamin'ireo mpangalaky devoly sady nitsoaky tao amin'ny tragno nitanjaky voho naratsy. 17 Nanjary hainy gny iaby izay, voho reo Jiosy voho reo Jentilisa, zay nipetraky tagny Efesosy. Nanjary natahotsy mare rozy, ka gny agnaran'ny Tompo Jesosy la nomem-boninahitsy. 18 Sady koa, maro tamin'ireo mpino ro namonjy voho nibebaky sady niaky reo raha raty zay vitan-drozy. 19 Maro reo nihisa aoly niaraky nanday gny bokin-drozy voho nagnoro izay teo imason'ny kiraidraiky. Lafa nagnisa gny tombam-biliny regny rozy, la farantsa volafoty limy aly izay. 20 Ka niparitaky fatratsy tamin'ny fomba matanjaka gny safan'ny Tompo. 21 Sady lafa nahavita gny asa fanompoany tagny Efesosy i Paoly, la nanapa-kevitsy tamin'ny fagnahy ie mba handalo gnan'i Makedonia voho Akaia tegny an-dalany magnagny Jerosalema, hoy ie: " Lafa bakagny aho, la tsy maintsy magnagny Roma avao koa." 22 Paoly nandefa roe tamin'ireo mpanampy gnazy ho agny Makedonia, i Timoty voho Erasto, zay nagnampy gnazy. Fa ie vatany nijano fotoa kelikely tagny Asia. 23 Tamin'izay fotoa izay tagny Efesosy la nisy fanelingelegna bevata mikasiky gny lalagna. 24 Fa nisy mpanefy volafoty raiky kinaiky hoe Demetrio, zay nanao gny sary sikotsy volafotin'i Diana, nampilitsy jala maro ho gnan'ireo mpanao asa-tagna. 25 Ka navoriny niaraky reo johary miandraikitsy gnan'io asa io sady nivola hoe: " Tompoko, hainao fa amy toy raharaha toy la mahazo jala maro rahay. 26 Jerinao voho njanjinao izay, tsy Efesisosy avao, fa hanjary manera gnan'i Asia raiky iaby, io Paoly io la nandresy lahatsy voho nahatao olo maro. Mivola ie fa tsy misy ndranagnahary vita tamin'ny tana. 27 Fa gny loza la tsy hoe gny varotsintsika avao ro tsy ho ila sasy, fa gny tragno be Ndranagnaharin'ampela lehibe Diana avao koa la azo dinihy ho tsy misy dikany. La mety ho very voninahitsy ie bakeo, ie zay tompoin'ny Asia iaby voho izao tontolo zao." 28 Lafa nahaja izay reo, la feno heloky rozy ka nikoraky mare, nanao hoe: " Bevata i Diana an'i Efesiosy." 29 Feno fifanjevogna tao amin'ny tana raiky iaby, sady niaraky nifanaretsaky ho ao amin'ny tragno fanaova fampisehoa an-tsehatsy gny vahoaky. Voasambotrin-drozy reo mpiara-dia tamin'i Paoly, Gaio voho Aristarko, zay bakagny Makedonia. 30 Te hilitsy tao amin'ireo vahoaky maro i Paoly, fa nisakanan'ireo mpianatsy ie. 31 Sady avao koa, gny sasany tamin'ireo manam-pahefa tao amin'ny faritr'i Asia zay namany la nandefa hafatsy nangataky gnazy mare tsy hilitsy ao amin'ny tragno fanaova fampisehoa an-tsehatsy. 32 Olo sasan-tsasany ro nikoraky raha raiky, sady gny an'ny sasany hafa, fotony tao agnaty fifanjevogna gny vahoaky. Gny ankamaroan-drozy aza tsy mahay akory hoe nagnino rozy ro niaraky niavy. 33 Gny sasany tamin'ireo vahoaky ro nampahay gnan'i Aleksandra, zay natosik'ireo vahoaky ho egny aloha, ka nanao fihetsiky tamin'ny tagnany i Aleksandra, te hagnomea fagnazava ho gnan'ireo zay nivory. 34 Fa lafa nahay rozy fa Jiosy ie, la nikoraky mare tamin'ny feo raiky rozy iaby teo ho eo amin'ny ora roe, nanao hoe: " Bevata gny Artemisin'ny Efesiana." 35 Lafa nampitsy gny vahoaky gny lehiben'ny tana, la nivola ie hoe: " Iha olon'ny Efesosy, olo ia ro teo ka tsy nahay fa gny tanan'ny Efesiana la mpiamby gny tempolin'ny Diana bevata voho gny sary zay nilatsaky bakagny an-dagnitsy? 36 Sady hita bakeo fa tsy azo liery reo raha reo, la tokony hitsy nareo ka tsy hanao na ino na ino tsy am-pihevera. 37 Fa nandesinareo etoy amin'ny fitsara reo johary reo zay sady tsy mpadrava tempoly ro tsy mpivola raty gny ndranagnaharim-bavintsika. 38 Noho izay, laha mana fiampanga manohitsy gny kiraidraiky i Demetrio voho reo mpanao asa tagna ze miaraky aminy, la misokatsy reo fitsara sady misy solontena ao. Engao rozy hifampiampanga. 39 Fa laha mila raha mila raha mikasiky gny ola hafa nareo, la tokony ho hatsanga amin'ny fivoria ara-dalagna izay. 40 Fa indrindra tsika la tandindomin-doza ho voampanga mikasiky gnan'io andron'ny tabataba io. Tsy misy antony izay fikorontagna izay, sady tsy ho afaky hagnazava izay tsika." 41 Lafa nivola izay ie, la nirinavany gny fivoria.