Toko faha 17

1 Sady lafa nandalo reo tanan'ny Anfipolia voho Apolonia rozy, la avy tao amin'ny tanan'i Tesalonika rozy, zay nisy Synagogan'ny Jiosy. 2 Paoly, araky gny fomba fataony la nagneo, amin-drozy, sady nialy hevitsy niaraky tamin-drozy bakao amin'ny Soratsy Masy tagnaty gny andro Sabata telo. 3 Nosokafany gny Soratsy Masy sady nazavainy fa nilin'i Kristy gny nijaly voho hitsanga ndraiky amin'ny maty. Hoy ie hoe: " Io Jesosy zay ambarako agnaminareo io ro Kristy." 4 Resy lahatsy gny sasany tamin'ireo Jiosy sady nagnaraky gnan'i Paoly voho Silasy, agnisan'izay reo mpivavaky Grika maro an'isa, sady tsy vitsy gny ampela mpitariky. 5 Fa reo Jiosy tsy mpino nenti-pialogna la nangalaky reo olo raty fagnahy bakagny an-tsena, namory niaraky gny vahoaky, sady nampitabataba gny tana. Nanafiky gny tragnon'i Jasona, te handay gnan'i Paoly voho Silasy hiala gny vahoaky rozy. 6 Fa lafa tsy jeriny rozy, la notarihin-drozy i Jasona voho gny rahalahy hafa sasany ho eo agnatrehan'ny manam-pahefan'ny tana, nitomany, " Reto johary Zay nampitsimbaliky zao tontolo zao reto la avy eto avao koa. 7 Reto johary zay nampandrosoan'i Jaona reto la manohitsy gny lilin'i Kaisara rozy fa misy mpanjaka hafa la i Jesosy." 8 Voaelingely gny vahoaky voho gny manam-pahefa teo amin'ny tana lafa nahajanjy izay raha izay. 9 Fa lafa bakeo gny manam-lahefa nampanao voho nampandoa jala gnan'i Jasona voho gny ambiny mba ho antoka, bakeo rozy nagnenga gnazy rozy handeha rozy. 10 Nalefan'ireo rahalahy tagny Baria gny alikin'igny Paoly voho Silasy. Laha avy tagny rozy, la nilitsy tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy. 11 Sady reo olo reo la mihaja mare noho reo agny Tesalonika, fa nandramby gny safa tamim-pahavononan'ny say iaby rozy, nandiniky gny Soratsy Masy isan'andro mba hahajery laha tena izay vatany regny raha regny. 12 Noho izay la maro tamin-drozy ro nino, tao agnatin'izay gny ampela Grika manan-kaja sasany voho johary maro. 13 Fa reo Jiosin'ny Tesalonika lafa nahajanjy fa i Paoly la nagnambara gny safan-Dranagnahary tao Beria avao koa, la nandeha safa rozy sady nampitabataba voho nampikorontana reo vahoaky. 14 Avy hatragny, reo rahalahy nandefa gnan'i Paoly ho agny an-dranomasy, fa i Silasy voho Timoty nijano teo. 15 Reo zay nitariky gnan'i Paoly nanday gnazy hatrany amin'ny tanan'i Atena. Laha nagnenga gnan'i Paoly teo rozy, la nandramby torolala avy aminy ho an'ny Silasy voho Tinoty mba hagnagny aminy malaky araky zay azo atao. 16 Sady laha niamby an-drozy tagny Atena i Paoly, la avy meloky tao agnatiny gny fagnahiny laha vo nahajery gny tana feno sampy. 17 Ka nialy hevitsy tao amin'ny synagoga niaraky tamin'ireo Jiosy voho reo hafa zay nanompo an-Dranagnahary ie, manahaky izay koa gny tao amin'ny toeran'ny raharaham-barotsy niaraky tamin'ireo zay teo. 18 Fa gny sasany tamin'ireo filozofa Epikoreana voho Stoika avao koa nifanegna taminy. Gny sasany nivola hoe: " Ino ro tean'io resaky io ho hambara?" Gny hafa nivola hoe: " Toa ohatran'gny raiky zay mikaiky gny olo hagnaraky reo ndranagnahary hafahafa ie," fotony nitory gnan'i Jesosy voho gny fitsangana amin'ny maty ie. 19 Nangalaky gnan'i Paoly rozy reo sady nanday gnazy tao amin'ny Areopago, nivola hoe: " Afaky manantatsy izay fampianara vaovao zay nivolagninao izay va rahay? 20 Fa manday raha hafahafa tsy fahenon'ny sofinay iha. Noho izay, te hahay gny dikan'izay raha izay rahay." 21 9 Sady gny Atenina iaby voho gny vahiny nipetraky la nandany gny fotoany tamin'ny tsy nisy fa koa tamin'ny filaza na finjanjigna mikasikin'ny raha vaovao.) 22 Ka nijoha teo agnivon'ny Areopago i Paoly sady nivola hoe: " Nareo joharin'i Ateniana, jeriko fa tena relijiozy amin'ny fomba iaby nareo. 23 Fa laha nandalo aho sady nandiniky gny tanjon'ny fomba fanompoam-pivavahanareo, la nahajery alitara aho misy toy soratsy toy hoe: " Ho an-Dranagnahary Tsy Hainy." Ino noho izay ro hivavahanareo ao amin'ny tsy fahaiza, izay ro ambarako aminareo. 24 Gny Ndranagnahary zay nanao zao tontolo zao voho gny raha iaby eo aminy, fotony Tompon'ny lagnitsy voho gny tany Ie, tsy mipetraky ao agnaty tempoly voaory tamin'ny tana. 25 Na ie tsy notompoy tamin'ny tagnan'olo, manahaky gny nila raha ie, fotony ie vatany ro magnome fiaigna gny olo voho gny fofon'ay gny raha hafa iaby. 26 Bakamin'ny olo raiky ro nanaovany gny firenena iaby ho gnan'ny olo mba hiay eo agnabon'ny tany, namaritsy gny vanim-potoan-drozy voho nanendry gny toera fipetrahany sady gny andro iainan'ireo, 27 Ka mba tokony hila an-Dranagnahary rozy, laha toa ka mety hahatratsy voho hahajery Gnazy rozy. Nefa mbo tsy lavitsy antsika kiraidraiky aby Ie. 28 Fotony tsika la mivelo voho mihetsiky sady mana gny maha-izy gnantsika, manahaky gny nivolagnin'ny raiky amin'ny mpanao tonokalonareo manoka hoe: " Fa avorohotany avao koa tsika." 29 Noho izay, fotony anakin-Dranagnahary tsika, tsika la tsy tokony hieretreritsy fa gny hasoan'ny fombany la mitovy amin'ny volamena, na volafoty, na sary-vonga zay noforoniny bakamin'ny asa tagna voho aingam-panahin'olombelo. 30 Noho izay la nihalignonin-Dranagnahary gny foton'ny tsy fahaia, fa henanizao mandidy gny olo iaby egny iaby mba hibebaky ie. 31 Izay ro ie fotony nametraky andro ie hoe mbia ro hitsara gnan'izao tontolo zao amin'ny fahamarigna amin'ny alalan'ny olo zay nofiliny. Nagnome porofon'io johary io tamin'ny olo kiraidraiky tamin'ny alalan'ny fanangana gnazy tamin'ny maty Ndranagnahary. 32 Sady lafa nahajanjy gny fitsangana amin'ny maty gny olon'i Atena, la nandatsa gnan'i Paoly gny sasany; fa gny sasany nivola hoe: " Hinjanjy gnanao ndraiky mikasiky izay raha izay rahay." 33 Tafaran'izay, nienga gnan-drozy i Paoly. 34 Fa gny sasany tamin'ny olo nagnaraky gnazy sady nino, tao agnatin'izay i Dionysio Aeropagita, ampela kinaiky hoe Damary, sady gny sasany niaraky tamin-drozy.