Toko faha 14

1 Sady tamin'izay tao Ikonioma Paoly voho Barnabasy niara-lilitsy tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy ka nivola tam-pahavitsiha sady gny vahoaky maro Jiosy voho Grika la nino. 2 Fa gny Jiosy zay tsy nankato koa la nagnakoronta gny fisaignan'ny Jentilisa ka nahavy gnan-drozy hanohitsy reo rahalahy. 3 Ka nipetraky ela teo rozy, nivola am-pahasakia niaraky tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nanomezany porofo mahakasiky gny hafatsy gny amin'ny alalan'ny famantara voho fahagaga zay natao tamin'ny alalan'ny tagnan'i Paoly voho Barnabasy. 4 Nefa gny ankamaroan'ny tana la nizarazara: gny olo sasany niandany niaraky tamin'ireo Jiosy, sady gny sasany niaraky tamin'ireo apostoly. 5 Lafa nanandra nandresy lahatsy gny mpitariky gnan-drozy gny Jentilisa voho gny Jiosy mba hamono voho hitora-bato gnan'i Paoly voho Barnabasy, 6 la nanjary nietaky rozy sady nilay malaky tao an-tanan'ny Lykaonia, Lystra voho Derbe, sady reo tana magnodidy gny faritsy, 7 Ka tagny rozy ro nagnambara gny filazantsara. voho 8 Nisy johary raiky nipetraky tao Lystra, mamely gny tombony, hatrany an-kibon-dreniny, zay fa tsy nandeha hatramin'izay. 9 Io johary io nahaja gnan'i Paoly nivola. Paoly nagnatriky gnazy soa teo amin'ny fijeriny ka nahajery fa mana finoa gny ho sitrana ie. 10 Koa nilaza tagnaminy ie tamin'ny feo mahery hoe: " Mitsangana amin'ny tombonao." Noho gny bakeo gny johary la nitsamboko sady nandeha teo amin'ny magnodidy. 11 Lafa nahajery zay nataon'i Paoly reo vahoaky maro la nanadratsy gny feony rozy, nivola tamin'ny fivolagnanin'ny Lykonia hoe: " Nizotso bakagny an-dagnitsy ho amintsika amin'ny endrik'olo reo ndranagnahary'. 12 Nikaiky gnan'i Barnabasy rozy hoe " Jopitera", sady paoly" Merkory", fotony ie ro mpandaha-teny. 13 Gny mpisoron'i Jopitera, zay gny tempoly la teo amonton'ny tana, la nanday aomby voho fehiloha vy teo am-bavahady; ie voho gny vahoaky maro nikasa hagnomea soro. 14 Fa gny apostoly, Barnabasy voho Paoly, lafa nahaja izay la nandriatsy gny salony rozy ka nandeha malaky ho ao agnaty vahoaky, nitaray voho nivola hoe: 15 " Ry johary, nagnino nareo ro manao zao raha zao? Rahay avao koa la olombelo mitovy fahatsapa agnaminareo avao. Rahay manday gny filazantsara ho gnanareo, mba hitolihanareo hiala amin'izao raha tsy misy zao ho agny amin-Dranagnahary velo, zay nanao gny lagnitsy, gny tany, voho gny ranomasy voho gny raha iaby zay ao aminy. 16 Tamin'ny andro taloha, Ie la namela gny firenena iaby nandeha tamin'ny lalany manoka avy. 17 Nefa, Ie la tsy nagnenga gny vatany tsy hisy vavolombelo, tao amin'izay la nanao gny soa Ie sady nagnomea gnanareo ranon'ora bakagny an-dagnitsy voho vanim-potoa mahavokatsy, ka hameno gny fonareo amin'ny sakafo voho firavoravoa." 18 Fa na la tamin'izay safa izay aza, Paoly voho Barnabasy la tsy nitsahatsy nitandraky gny vahoaky maro tsy hanao soro ho gnan-drozy. 19 Fa gny Jiosy sasany bakao Antiokia voho Ikonioma la avy sady nandresy lahatsy gny vahoaky. Rozy nitora-bato gnan'i Paoly voho nitariky gnazy hiboaky gny tana, sady nieritreritsy fa maty ie. 20 Sady laha mbo nijiro nagnodidy gnazy teo reo mpianatsy, la nitsanga ie sady nilitsy gny tana. Gny hamarainy igny, la nandeha nagnagny Derbe niaraky tamin'i Barnabasy ie. 21 Bakeo rozy nagnambara gny filazantsara tao amin'izay tana izay ka nahazo mpianatsy maro, nimpoly tao Lystra rozy, tagny Ikonioma voho tagny Antiokia. 22 Rozy la nanohy nampahery gny fagnahin'ireo mpianatsy sady namporisiky gnazy mba hanohy ao amin'ny finoa, ro sady nivola fa: " Tsy maintsy amin'ny fahoria maro ro hilirantsika ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary." 23 Lafa nanendry loholona ho gnan-drozy teo amin'ny isam-piangona rozy, voho nivavaky tamin'ny fifalian-kany, la natolotrin-drozy ho gnan'ny Tompo izay, ze ninoan-drozy. 24 La nandalo tamin'ny Pisidia rozy ka avy tao Panfilia. 25 Lafa nagnambara gny safa tao Perga rozy, la nandeha nizotso tagny Atalia. 26 Avy tagny rozy ro niantsambo nizotso ho agny Antiokia, zay nahazoan-drozy gny fahasoavan-Dranagnahary ho gnan'ny asa izay vitan-drozy henanio. 27 Lafa avy tao Antioka rozy sady namory niaraky gny fiangona, la nitatitsy gny raha iaby zay vitan-Dranagnahary tamin-drozy, voho hoe manao akory ro namoahany varavaran'ny finoa ho gnan'ireo Jentilisa. 28 La nijano fotoa ela niaraky tamin'ireo mpianatsy rozy