Toko faha 13

1 Sady tao amin'ny fiangona tao Antioka, la nisy mpaminany voho mpampianatsy maro tao. Rozy la Barnabasy, Simona (zay kinaiky hoe Nigera), Lisiosa bakamin'i Sirena, Manaena ( gny rahalahy zay niolonono tamin'i Heroda mpanampaky), voho Saoly. 2 Laha mbo nandrengy gny Tompo voho nifaly hany rozy, gny Fagnahy Masy nivola hoe: " Atokano ho gnahy Barnabasy voho i Saoly, mba hanao gny asa ze niakoako gnan-drozy." 3 Tafaran'ny nifalian-drozy hany, voho nivavahany, sady nametrahan-drozy tagna tamin'ireo johary reo, rozy la nalefan-drozy. 4 Ka nankato gny Fagnahy Masy i Barnabasy voho i Saoly ka nandeha nizotso nagnagny Selosia; agny amin'ny nosin'ny Sipra. 5 Lafa tao amin'ny tanan'ny Salamina rozy, la nitory gny safan-Dranagnahary tao amin'ny Synagogan'ireo Jiosy rozy. Sady nana gnan'i Jaona Marka koa rozy mba ho mpanampy gnan-drozy. 6 Sady lafa namakivaky gny nosy raiky iaby magnagny Pafosy rozy, la nahajery mpanao aoly, zay mpaminany Jiosy sandoky, sady gny agnarany la Bara Jesosy. 7 Mpanao aoly zay niara-niasa tamin'ireo governora, Serjio Paolosy, zay johary tena mahay. Nosamborin'io johary io Barnabasy voho i Saoly, fotony te hahaja gny safan-Dranagnahary ie. 8 Fa Elimasy "mpanao aoly" (izay ro nandika gny agnarany) nanohitsy gnan-drozy; sady niezaky gny hagnody gny governora hiala amin'ny finoa ie. 9 Fa i Saoly, zay kinaiky avao koa hoe Paoly, la feno gny Fagny Masy, sady nandiniky gnazy soa. 10 Sady nivola hoe: " Iha ry anaky gny Devoly, iha la feno gny karazam-pitaky voho faharatia iaby. Fahavalon'izay iaby to iha. Tsy hijano gny hamily gny lala-mahitin'ny Tompo mihitsy iha, sa tsy izay? 11 Fa ingo henanio, gny tagnan'ny Tompo eo agnaminao, ka ho avy jiky iha. Sady tsy hahajery gny masoandro aloha iha." Teo noho eo la nilatsaky tao amin'i Elimasy gny fahanjavognavogna voho fahikia; nanomboky nivezivezy sady nangataky tamin'ny olo ie mba hitandriky gnazy amin'ny tagna. 12 Lafa avy nahajery zay raha-niseho gny governora, la nino ie, fotony treriky tamin'ny fampianara mikasiky gny Tompo ie. 13 Sady Paoly voho gny namany la roso nisambotsy avy Pafosy nagnagny amin'ny Perga agny Pafilia. Fa Jaona kosa nagnenga gnan-drozy sady nimpoly tagny Jerosalema. 14 Paoly voho reo namany la nandeha avy tagny Perga sady nandeha nagnagny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata rozy sady nipetraky. 15 Tafaran'ny famakia gny lalagna voho gny mpaminany, la nandefa hafatsy tagny amin-drozy gny mpitariky gny Synagoga nivola hoe: " Ry rahalahy, laha mana hafatsy fampahereza ho gnan'ny olo eto nareo, la volagno izay." 16 Ka nitsanga Paoly sady nanao fihetsiky tamin'ny tagnany, nivola hoe: " Ry olon'Israely sady nareo ze magnomea voninahitsy gnan-Dranagnahary, minjanjigna. 17 Gny Ndranagnahary gny olon'Israely la nisafily gny babantsika sady nampitombo isa gny olo lafa nipetraky tao amin'ny tanin'ny Egypta, sady tamin'ny fanandrata gny zainy ro nitarihany gnan-drozy hiboaky tao. 18 Sady tagnatiny gny efapolo tao teo ho eo ro nandeferany gnan-drozy tany agn'efitsy. ( Fanamariha: Gny dikan-teny taloha la mivaky manahakyu zao: " Tagnatiny gny efapolo tao eo ho eo la niaro gnan-drozy tagny agn'efitsy ie.") 19 Sady lafa avy nandrava firenena fito tagny amin'ny tany Kanana ie, la nomeny gny vahoakantsika gny tanin-drozy mba ho lova. 20 Izay raha iaby niseho izay la fa tamin'ny faha dimampolo voho efa-jato tao. Tafaran'izay raha iaby izay, Ndranagnahary nagnomea mpitsara gnan-drozy mandra-piavin'i Samoela mpaminany. 21 La nangataky mpanjaka gny olo, bakeo sady Ndranagnahary nagnomea gnan-drozy gnan'i Saoly anaky lahin'i Kisa, johary zay avy amin'ny fokon'i Benjamina, mba ho mpanjaka tagnatiny gny efapolo tao. 22 Sady bakeo Ndranagnahary nangalaky gnazy teo amin'ny fanjakany, ka nanodrotsy gnan'i Davida mba ho mpanjakan-drozy. Fa izay ro nambaran-Dranagnahary mikasiky gnan'i Davida hoe: " Fa nahajery gnan'i Davida anak'i Jesea zaho mba ho olon'ny foko, izay hanao ze teako iaby hataony. 23 Fa bakamin'ny avorohota io johary io ro handaisan-Dranagnahary mpagnavotsy ho gnan'Israely, la i Jesosy, araky ze fa nampanantenainy hatao. 24 Nanomboky niseho izay, talohan'ny nahavian'i Jesosy, Jaona nagnambara voalohany tamin'ny vahoakan'Israely iaby mikasiky gny batisan'ny fibebaha. 25 Fotony Jaona fa nahavita gny asany, la hoy ie: " Ia ro hieretreretanareo gnahy? Tsy zaho gny ie. Fa njanjigno, hisy raiky ho avy afarako, sady gny kiraron'ny la tsy hahamendriky gnahy gny hamaha gnazy. 26 Ry rahalahy, anaky bakamin'ny avorohotan'i Abrahahama, sady zay mandrengy gnan-Dranagnahary iaby eo agnaminareo, ho gnantsika ro nandefasa izay hafatsy mikasikin'ny famonjea izay. 27 Fa reo zay mipetraky agny Jerosalema, voho gny mpitondran-drozy, la tsy nahay gnazy, ka tanterakin-drozy gny voalazan'ny mpaminany zay vakia isan-tsabata gny amin'ny fanameloha gnazy. 28 Na la tsy mahajery antony soa hamonoa gnazy rozy, la nangataky tamin'i Pilaty avao mba hamono gnazy. 29 Lafa tanterakin-drozy gny raha iaby ze voasoratsy mikasiky gnazy, la nampilin-drozy safa amin'ny hazo Ie sady nampandriany tao am-pasana. 30 Fa Ndranagnahary koa nampitsanga gnazy tamin'ny maty. 31 Sady hitan-drozy zay niara-niakatsy tagnaminy bakagny Galilia magnagny Jerosalema ie tagnatiny andro maromaro. Sady henanio la reo olo reo ro vavolombelo ho gnan'ny olo. 32 Noho izay rahay mivola agnaminareo gny filazantsara ze nampanantenain-Dranagnahary tamin'ny babantsika ze fa tanterany ho gnantsika, 33 Anakin-drozy, tamin'ny nananganany gnan'i Jesosy. Arak'izay fa voasoratsy ao amin'ny salamo faharoe hoe: " Anako iha, henanio la ho avy Babana ho.' 34 Gny antony nanangana gnazy tamin'ny maty la gny mba tsy hahasimba mandrakizay gny vatany, Ndranagnahary nivola manahaky zao: ' Hameako gnanareo gny fitahia masy voho azo antoky nampanantena gnan'i Davida'. 35 Izay koa ro nahavy gnazy nivola tao amin'ny salamo hafa hoe: " Tsy hagnenga gny Masy hahajery gny lo iha." 36 Fotony lafa nagnatanteraky reo fagnirian-Dranagnahary ho an'ny avorohotany i Davida la resin-tory ie, ka nampandria niaraky tamin'ireo babany ie sady gny vatany niharan'ny fahalova. 37 Fa ie zay natsangan-Dranagnahary la tsy niharan'ny faharava. 38 Ka ao ho hainareo izay, ry rahalahy, fa tamin'ny alalan'io johary io ro nagnambara taminareo gny famela gny fahota. 39 Amin'ny alalany gny olo kiraidraiky ze mino la voamarina amin'ny raha iaby ze mety tsy ho voamarin'io lalan'i Mosesy io. 40 Ka mitandrema mba tsy hiseho agnaminareo zay raha nambaran'ny mpaminany hoe: 41 " Ingo, nareo ry mpanao tsinotsino, la ho treriky sady ho rava. Fa Zaho manao asa amin'ny andronareo, Asa ze tsy ninoanareo mihitsy, na la misy olo magnambara izay agnaminareo aza." 42 Lafa nandeha i Barnabasy voho i Paoly, la niangavy gnan-drozy gny olo mba hitorian-drozy reo safa avao amin'ny Sabata magnaraky. 43 Lafa tapitsy gny fivoria tao amin'ny Synagoga, la maro tamin'ireo Jiosy voho reo proselita mahafatra-po ro nagnaraky gnan'i Paoly voho Barnabasy, ze nivola tamin-drozy voho nampirisiky gnazy mba hanohy ao amin'ny fahasoavan-Dranagnahary. 44 Tamin'ny Sabata magnaraky, la saiky gny tana iaby ro niaraky nivory mba hahaja gny safan'ny Tompo. 45 Lafa nahajery reo vahoaky gny Jiosy, la feno fialogna rozy sady nivola nanohitsy reo raha ze nambaran'i Paoly voho nandatsa gnazy. 46 Fa Paoly voho Barnabasy nivola am-pahasakia sady nivola hoe: " Ila ho voalaza agnaminareo mialoha gny safan-Dranagnahary. Fa lafa manosiky izay nareo sady mihevitsy gny vatanareo ho tsy mendriky gny fiaigna mandrakizay, la ingo, himpoly agny amin'ny Jentilisa izay. 47 Araky zay fa nandidian'ny Tompo gnanay, manao hoe: " Napetrako mba ho fahazavan'ny Jentilisa nareo, izay ro tokony handaisanareo famonjea ho gnan'ireo ze agny amin'ny fara-vazan-tany." 48 Lafa nahaja izay gny Jentilisa, la faly voho nandrengy gny safan'ny Tompo. Sady maro reo zay voatendry ho amin'ny finoa gny fiaigna mandrakizay ro nino. 49 Sady gny safan'ny Tompo la niely eraky gny faritsy iaby. 50 Fa gny Jiosy koa nla namporisiky reo sevaky mahafatra-po voho manan-danja, voho reo johary mpitariky tao an-tana. Niteraky fagnenjeha ho gnan'i Paoly voho Barnabasy izay sady nanoraky gnan-drozy ho agny amonton'ny sisin-tanin'ny tana. 51 Fa Paoly voho Barnabasy nanintsa gny lemboky tamin'ny tombokin-drozy mba hanohera gnan-drozy. Sady bakeo rozy la nagnagny amin'ny tanan'i Ikoniama. 52 Sady gny mpianatsy la feno hafalia voho gny Fagnahy Masy.