Toko faha 12

1 Sady tamin'izay andro izay Heroda mpanjaka nisambotsy reo sasany zay gnan'ny fiangona mba hahafahany mampijaly gnan-drozy. 2 Nivonoiny tamin'ny meso Jakoba rahalahin'i Jaona. 3 Sady lafa jeriny fa nahafaly reo Jiosyizay, la nanao zay hanamborany gnan'i Petera koa ie. Izay la tagnatiny gny andron'ny mofo tsy misy masirasira. 4 Lafa avy nisamboriny ie, la nataony tagny agadra ie sady nanondro miaramila efatsy toko hiamby gnazy, nikasa gny handay gnazy eo amin'ny olo afaran'ny Paka ie. 5 Noho izay la nitandrahany tao an-gadra Petera, fa gny vavaky la nataon'ireo zay tao am-piangona mare koa tamin-Dranagnahary ho gnazy. 6 Gny haliky alohan'ny handaisan'i Heroda gnazy hotsara, Petera la natory teo agnelagnelan'ny miaramila roe, voafehy tamin'ny rojo roe, laha mbo nijano niamby gny gadra gny mpiamby teo alohan'ny varavara. 7 Ingo, nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoky teo agnilny, sady nisy hazava namiratsy tao agnatin'ny efitsy gny gadra. Namango gnan'i Petera teo amin'ny ilany ie sady namoha gnazy ka nanao hoe: " Mitsangana malaky", sady reo rojony niala tamin'ny tagnany. 8 Gny anjely nivola tagnaminy hoe: " Ampisaloro gny vatanao sady anovo gny kiraronao." La nataon'i Petera araky izay. Gny anjely nivola tagnaminy hoe: " Anovo gny akanjonao amonto sady magnaraha gnahy." 9 La nagnaraky gny anjely Petera sady niboaky. Tsy hainy fa reo ze nataon'ny anjely la tena ie. Nihevitsy ie fa nahajery fahita. 10 Lafa avy nandalo teo amin'ny mpiamby voalohany voho faharoe rozy, la avy teo amin'ny vavahady vy zay manday magnagny amin'ny tana; nisokatsy ho gnazy tamin-drozy izay. Niboaky rozy sady nizotso tamin'ny lala raiky, sady gny anjely nandalo gnazy avy hatrany. 11 Lafa nimpoly tamin'ny vatany Petera, nivola ie hoe: " Henanizao la haiko marina fa gny Tompo ro nandefa gny anjeliny sady nagnafaky gnahy tamin'ny tanan'i Heroda, voho tamin'ny raha iaby zay nandrasan'ny Jiosy hiseho. 12 Lafa tonga say tamin'izay ie, la nagnagny amin'ny tragnon'i Maria renin'i Jaona, kinaiky koa hoe Marka, zay nisy olo maro nivory voho nivavaky. 13 Lafa nandodo teo am-bavahady ie, nisy mpanompo sevaky raiky kinaiky hoe Roda avy namaly. 14 Lafa hainy gny feon'i Petera, tamin-kafalia la tsy nahavita namoha gny varavara ie; fa koa, nandeha nilay nagnagny an-tragno ie, notateriny fa Petera nitranga teo am-baravara. 15 La nivola tagnaminy rozy hoe: " Adala iha." Fa nanizingizy ie fa izay ro ie. Nivola rozy hoe: " Gny anjeliny izay." 16 Fa Petera nanohy nandodo, sady lafa nivohandrozy gny varavarava, la nahajery gnan-drozy sady treriky. 17 Petera nanetsiky gny tagnany tamin-drozy mba hitsy, sady nivolagniny tamin-drozy gny fomba nanandesan'ny Tompo gnazy niboaky gny figadra. Hoy ie hoe: " Tatero agny amin'i Jakoba voho reo rahalahiny izay raha izay." La niala ie sady nandeha tany tamin'ny fipetraha hafa. 18 Sady lafa nazava gny andro, la tsy nisy fientanam-po kelikely teo amin'ireo miaramila gny amin'izay nitranga tamin'i Petera. 19 Lafa avy nila gnazy Heroda sady tsy nahajery gnazy, la nanadihady gny mpiamby ie sady nandidy gnan-drozy mba hovinono. La nizotro bakagny Jodia nagnagny Kaisaria ie sady nipetraky tagny. 20 Sady Heroda la meloky mare tamin'ny vahoakan'i Tyra voho Sidona. Niaraky nagnagny agnaminy rozy. Nandresy lahatsy gnan'i Blasto rozy, gny mpanampin'ny mpanjaka, mba hagnampy gnan-drozy. La nangataky fihavagna rozy, fotony gny tagnan-drozy la nandramby gny haniny bak'amin'ny mpanjakan'ny tana. 21 Tamin'ny andro voatondro Heroda la nampiakanjo gny vatany salony mpanjaka sady nipetraky teo amin'ny seza fiandriagna; nikabary tamin-drozy ie. 22 Nihiaky gny vahoaky: " Izay la feon-Dranagnahary, fa tsy gnan'olo!" 23 Teo noho eo; fotony nisy anjelin'ny Tompo namango gnazy; fotony tsy nagnome voninahitsy gnan-Dranagnahary ie; nohanin'ny kanka ie la maty. 24 Fa gny safan-Dranagnahary nitombo voho nihamaro. 25 Ka lafa vitan'i Barnabasy voho Saoly gny iraky nampanaony gnan-drozy, la nimpoly bakagny [ Gny sasany amin'ireo dika soratry tranainy mivola hoe: " Rozy nimpoly tagny Jerosalema] Jerosalema rozy, nanday gnan'i Jaona niaraky tamin-drozy, zay kinaiky avao koa hoe Marka.