Toko faha 35

1 Nitandry gny Paska ho gnan'i Yaveh ta Jerosalema ao i Josia, voho nivinonon-drozy tami-gn'andro faha folo efatsy amby vola voalohany gny reo aondriny gny Paska. 2 Napetrany tami-gny fitoerany tegny gny reo mpisoro ka nampahereziny tami-gn'asa fanompoa gny tragnon'i Yaveh rozy. 3 Hoy ie tami-gny reo Levita nampianatsy gny Israely iaby ndraiky voatoka ho gnan'i Yaveh hoe: " Apetrako ami-gny tragno namboarin'i Solomona gnanak'i Davida ao, mpanjakan'Israely gny fiara masy. Ka lanjay ami-gny sorokareo egny sasy zay. Voho rengeo Yaveh Ndranagnagnaharinareo, voho Tompo Israely vahoakany. 4 Mifandamina nareo araky gny agnarany gny fizaranareo ndraiky gny firazagnanareo, araky gny reo toromariky nisinoratsin'i Davida, mpanjakan'Israwely, ndraiky gny reo gnan'i Solomona, gnanany lahy. 5 Mijoroa ami-gny fitoera masy egny, rambeso gny polasinareo ndraiky gny fizaranareo ami-gny avorohota reo rahalahinareo ao, gny reo avorohota gny vahoaky, voho alao gny toeranareo ndraiky gny fizaranareo ami-gny avorohotany gny razambeny reo Levita ao. 6 Vono gny aondriny gny Paska, hamasigno gny vatanareo, hentsegno ho gnany reo rahalahinareo gny aondry, mba hatao gny safan'i Yaveh namea tami-gny alalany gny tagnan'i Mosesy." 7 Nagnomea aondry, telo aly ho gnany gny vahoaky iaby Josia voho gnanak'aosy tami-gny reo aondry voho aosy ho ami-gny fagnatitsy gny Paska, ho gnany reo iaby nagnatriky. Nagnomea aomby telo arivoavao koa ie; gny reo la baka ami-gny fanagnany gny mpanjaka. 8 Reo mpitariky la nagnomea fagnatitsy sitrapo ho gnany gny vahoaky, gny reo mpisoro, voho gny reo Levita. Hilkia, Zakaria, voho Jehiela, manan-boninahitsy niandraikitsy gny tragnon-Dranagnahary, la nagnomea gnanaky biby fihary 2.600 ndraiky aomby telonjato ho fagnatitsy gny Paska ho gnany reo mpisoro. 9 Kanania, ndraiky Semahia voho Natanaela, rahalahiny, ndraiky Hasabia, Jehiela, voho Jozaboda, gny reo beny reo Levita avao koa, la nagnomea biby fihary maliniky dimy arivo ndraiky aomby diman-jato ho fagnatitsy gny Paska ho gnany reo Levita. 10 Ka la vonona gny fanompoa, voho nipetraky ami-gny fipetraha egny gny reo mpisoro, niaraky tami-gny reo Levita araky gny fizaran-drozy, ho solony gny liliny gny mpanjaka. 11 Nivinonon-drozy gny aondriny gny Paska, voho gny reo Levita nangalaky gny holitsy reo gnanak'aondry. 12 Nalan-drozy gny fagnatitsy oroa, mba hizara gnany reo ho gnany reo ho gnany reo fizarany gny taranaky vahoaky, mba hanolora gnany reo ho gnan'i Yaveh, araky gny voasoratsy tami-gny bokin'i Mosesy ao. Nataon-drozy manahaky gnany zay koa gny reo aomby. 13 Nataon-drozy tami-gny bolo araky gny toromariky gny gnanak'aondriny gny Paska. Laha gny ami-gny reo fagnatitsy nihamasigny, la nampandevezin-drozy tagnainy valagny tao, valagnibe, ndraiky fagnendasa gny reo, voho nilinanjan-drozy malaky tami-gny vahoaky tagny zay. 14 Tafarany zay la nagnoma fagnatitsy ho gnan'ny vatan-drozy ndraiky ho gnany reo mpisoro rozy, fotony gny reo mpisoro, taranak'i Arona, la sahira tami-gny fanolora gny fagnatitsy oroa gny ndraiky gny sabora zisiky ahalign'andro, ka la nagnomea gnany reo fagnatitsy ho gnazy gny reo ndraiky gny mpisoro, taranak'i Arona, reo Levita. 15 Reo mpihira, taranak'i Asafa, la tami-gny toeran-drozy ao, araky gny torolalan'i Davida, Asafa, Hemana, voho Jedotona mpagnambara hafatsiny gny mpanjaka, voho gny reo mpiamby la tami-gny vavahady iaby tegny. Tsy nahazo nagnenga gny toerany rozy, fotony gny reo Levita rahalahin-drozy la nana fagnomana ho gnan-drozy. 16 Nohony zay, tami-zay fotoa zay gn'asa fanompoa gnan'i Yaveh iaby la nitanterahy ho ami-gny fagnalaza gny Paska ndraiky hanolora fagnatitsy oroa ami-gny alitaran'i Yaveh eo, araky gny mbaikoan'i Josia mpanjaka. 17 Gny vahoakan'Israely nagnatriky la nitandry gny Paska tami-zay fotoa zay, voho bakeo gny Firavoravoa ami-gny Mofo tsy misy Masirasira tagnatiny fito andro. 18 Mbo tsy nisy fagnalaza gny Paska manahaky gnany zay ta Israely tao nanomboky tami-gn'andron'i Samoela mpangnambara hafatsy, voho tsy nisy mintsy tami-gny reo mpanjakan'Israely hafa nagnalaza gny Paska manahaky gny nataon'i Josia, niaraky tami-gny reo mpisoro, Levita, ndraiky gny vahoakan'i Joda ndraiky Israely iaby nagnatriky gny reo olo ta Jerosalema tao. 19 Nitandrova zay Paska zay tami-gny faha folo valo amby tao nanjakan'i Josia. 20 Tafarany zay iaby zay, tafarany gny nametrahan'i Josia gny tempoly tami-gny polasiny, la miakatsy mba hialy ami-gny reo Karkemisy tami-gny ony Eofrata tao i Neko, mpanjakan'i Egypta, voho Josia nandeha nialay tagnaminy. 21 Fe nandefa masoivoho tagnaminy tagny i Neko, nivola hoe: " Ino ro tokony hataoko gnanao, ry mpanjakan'i Joda? Tsy avy hanohitsy gnanao zaho androany, fa hanohitsy gny tragno hialako. Nivolagnin-Dranagnahary nandeha malaky zaho, ka manindria fo ami-gny fanohera gnan-Dranagnahary, miaro gnahy, laha tsy zay handrava gnanao Ie." 22 Ndra zay aza, la nanda gny hagnenga gnazy Josia. Nanao sary nagnova tarehy ie mba ahafahany mialy agnaminy. Tsy nijanjy gnany reo safan'i Neko baka ami-gny vavan-Dranagnahary ie; ka la nandeha nialy tami-gny Lohasahan'i Megido tegny ie. 23 Nitinifitsiny gny mpandefa gnana-tsipiky i Josia mpanjaka, voho hoy gny mpanjaka tami-gny reo mpanompony hoe: " Andeso zaho fa lavatany mafery mare." 24 Ka la naboakiny reo mpanompony baka ami-gny kalesy tao ie, voho napetrany tami-gny fagnampikalesy tao. Nandesin-drozy ta Jerosalema tagny, tami-gny nahafaty gnazy. Nalevy tami-gny lolony reo razambeny tao ie. Nisaona gnan'i Josia gny Joda ndraiky Jerosalema iaby. 25 Nanao hira fisaora ho gnan'i Josia i Jeremia; gny mpihira johary ndraiky ampela iaby la misaora gnan'i Josia zisik'androany. Gny reo hira la lasa fomba ta Israely tao; ingo, voasoratsy ami-gny hira fisaora ao reo. Laha gny ami-gny reo raha hafa mikasiky gnan'i Josia, ndraiky gny reo asa soa nataony tami-gny fankatoava voasoratsy tami-gny lalagnan'i Yaveh tao__ 27 Voho gny reo asany, nanomboky tam-boalohany tagny ka la zisiky ami-gny fiafara, la voasoratsy ami-gny bokiny reo mpanjakan'i Joda ndraiky Israely.