Toko faha 13

1 Tami-gny tao fahavalo nanjakan'i Jeroboama Mpanjaka, la nanomboky nanjaka tamin'i Joda i Abia. 2 Nanapaky tagnainy telo tao tao Jerosalema tao ie; Maka ro agnaran-dreniny, gnanak'ampelan'i Oriela baka Gibea agny. Nisy aly amin'i Abia ndraiky Jeroboama. 3 Abia nandeha nialy tami-gny tafiky matanjaka raiky, la miaramila nahery fo, johary voafily 400 000. Voho Jeroboama nandahatsy johary voafily, natanjaky, miaramila mahery fo 800 000 hialy hanohitsy gnazy. 4 Nijoro tam-bohitsy Zomaraima, ami-gny tany havoan'i Efraima tao i Abia, voho nanao hoe: " Njanjigno zaho, ry Jeroboama ndraiky ry Israely iaby! 5 Tsy hay nareo va fa Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, ro nagnomea gnan'i Davida gny fanampaha amin'Israely ao zisiky amparany, la ho gnazy ndraiky gnany reo gnanany lahy tami-gny fagnekea araky gny lalagna? 6 Fe Jeroboama gnanaky lahin'i Nebata, mpanompon'i Solomona gnanaky lahin'i Davida, la fa nitsanga voho nikomy nanohitsy gny tompony, ro nikamba tagnaminy. Avy hanohitsy gnan'i Rehoboama gnanaky lahin'i Solomona rozy, fe mbo tanora ndraiky tsy nana traikefa voho tsy nahavita nanohitsy gnan-drozy i Rehoboama. 8 Androany nareo nisafa fa mahatohitsy gny fandesa maherin'i Yaveh an-tagnany reo taranak'i Davida eo. Tafika bevata nareo, voho miaraky aminareo gny reo gnan'aomby volamena nataon'i Jeroboama hoNdranagnahary ho gnanareo? Tsy fa nandroaky gny mpisoron'i Yaveh, la gny reo taranak'i Arona, ndraiky gny reo Levita va nareo? Tsy fa nanao mpisoro ho gnany gny vatanao tami-gny fombany reo mponiny gny tany hafa va nareo? Ndra ia ndra ia avy magnamasim-bata miaraky ami-gny gnanak'aomby ndraiky aondrilahy fito ho lasa mpisorony reo tsy Ndranagnahary anie ie. 10 Fa laha gny agnaminay, Yaveh ro Ndranagnaharinay, voho tsy mbo nahafoy GNazy rahay. Mana mpisoro rahay, taranak'i Arona, manompo gnan'i Yaveh, ndraiky gny reo Levita, ami-gny asan-drozy. 11 Isaky maraindray ndraiky isak'ariva la magnoro fagnatitsy oroa ndraiky ditin-kazo magnim-polo ho gnan'i Yaveh rozy. Mandamy gny mofony gny fagnatreha ami-gny latabo malio eo avao koa rozy; mikarakara gny fipetrahan-kiro volamena mbami-gny reo jirony avao koa rozy, mba ampirehety isak'ariva. Mitandry gny reo lilin'i Yaveh, Ndranagnaharinay rahay, fa nareo mahafoy Gnazy. 12 Ingo, Ndranagnahary la miaraky agnaminay agnatrehanay eo, voho gny reo mpisorony la miaraky eto ami-gny antsiva mba hampagnenao fanaira ho gnanareo. Ry vahoakan'Israely, ka mialy amin'i Yaveh, Ndranagnahariny gny razambenareo, fa tsy handaitsy nareo." V 13 Fe Jeroboama nagnoma famangoa tampoky tafaran-drozy; tagnatrehan'i Joda gny tafiny, voho tafaran-drozy gny atrika. 14 Lafa nitoliky i Joda, la ingo, sady tagnatrehan-drozy ro tafarany tao gny aly. Nitaray tamin'i Yaveh rozy, voho nitsoky gny antsiva gny reo mpisoro. 15 La nitifitsy gnany reo joharin'i Joda laha nitifitsy igny rozy nahavoa gnan'i Jeroboama ndraiky gny Israely iaby tagnatrehan'i Abia ndraiky Joda i Ndranagnahary. 16 Nilay tagnatrehan'i Joda gny vahoakan'Israely, voho namean-Dranagnahary tan-tagnin'i Joda rozy. 17 Nivinonon'i Abia ndraiky gny tafiny tami-gny famonoa bevata rozy; ka johary voafily 500 000 tamin'Israely ro lavo ka nimaty. 18 Taminy zay fomba zay, ro nandreseany gny vahoakan'Israely taminy zay fotoa zay; naharosy gny vahoakan'i Joda fotony nianky tamin'i Yaveh, Ndranagnahariny gny reo razamben-drozy rozy. 19 Nenjehin'i Abia i Jeroboama; nalany tagnaminy gny reo tana: la i Betela niaraky tami-gny reo zana-biny, Jesana niaraky tami-gny reo zanabohiny , voho Efrona niaraky tami-gny reo zana-bokiny. 20 Tsy nihanahery sasy Jeroboama tagnainy gny andron'i Abia; nagnisy gnazy i Yaveh, ka nimaty ie. 21 Fa Abia nihamatanjaky; magnakatsy valy folo efatsy amby ie voho niteraky roapolo roa amby lahy ndraiky folo efatsy amby ampela. 22 Gn'ambiny reo asa bevata vitan'i Abia, gny fandesam-batany ndraiky gny reo safany la voasoratsy ami-gny fanehoan-kevits'i Ido mpagnambara hafatsy ao.