Toko faha 11

1 Lafa avy tagny Jerosalema agny i Rehoboama, la navoriny gny taranak'i Joda ndraiky Benjamina, johary miaramila voafily 180.000, mba hialy amin'Israely, mba hagnampoly ami-gny laoniny gny fanjaka ho gnan'i Rehoboama. 2 Kanefa avy tamin'i Semaia gny joharin-Dranagnahary gny safan'i Yaveh, nanao hoe: " 3 Volagno i Rehoboama gnanaky lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, ndraiky gny Israely iaby gnany Joda ndraiky Benjamina hoe: 4 ' Zao ro volagnin'i Yaveh: " Ka manafiky na mitariky ami-gny reo rahalahinareo nareo. Gn'olo iaby la tsy maintsy mimpoly ami-gny ipetrahany iaby agny, fa zaho reo fa nampitranga gnany zay."' Ka la nankato gny safan'i Yaveh rozy ka nimpoly tsy ho ami-gny fanafiha gnan'i Jeroboama. 5 Nipetraky tao Jerosalema i Rehoboama nananga tana tao Joda ho fiarova. 6 Nananga gnan'i Betlehema, Etama, Tekoa, 7 Beti-zoro, Soko, Adolama, 8 Gata, Maresaha, Zifa, 9 Adoraima, Lakisy, Azeka, 10 Zora, Aialona, sady Hebrona ie. Reo ro tana mimanda tany Joda vo Benjamina. 11 Nagnamafy gny reo vala ie ka nametraky mpifehy taminy reo tao, niaraky tami-gny fitoeram-tsakafo, diloilo, voho divay. 12 Nagnapaky apinga ndraiky lefo ami-gny tana iaby tagny ie ka magnamafy gnany reo vatany. Ka la rosony i Joda ndraiky Benjamina. 13 Reo mpisoro ndraiky reo Lavita tamin'Israely iaby tao la nagnanjano gnazy iaby tami-gny reo fari-taniny. 14 Fa reo Levita niala tami-gny reo tany fihinanam-bilony ndraiky gny tragno ndraiky tamin-drozy mba handehana agny Joda ndraiky Jerosalema, fotony fa niroahin'i Jeroboama ndraiky gny reo gnanaky lahiny rozy, mba tsy hahafahan-drozy manao gnany reo adidy ami-gny maha-pisoro ho gnan'i Yaveh sasy. 15 Jeroboama la nanendry mpisoro ho gnazy ho ami-gny reo fipetraha agnabo ndraiky aosy voho sarin-gnanak'aomby fa namboariny. 16 Gny vahoaky baka ami-gny reo fokon'Israely iaby la niavy tafaran-drozy, reo ze nanefy gny fony hila gnan'i Yaveh, Ndranagnahary gny Israely; avy tagny Jerosalema tao rozy mba hanao soro ho gnan'i Yaveh, Ndranagnahary gny razamben-drozy. 17 Ka la namafisin-drozy gny fanjakan'i Joda voho nagnamafy gnan'i Rehoboama gnanaky lahin'i Solomona tagnatiny telo tao, ka nandeha tami-gny lalan'i Davida ndraiky Solomona tagnainy telo tao rozy. 18 Nangalaky valy ho gnazy Rehoboama: la i Mahalota, gnanak'ampelan'i Jeromita, gnanaky lahin'i Davida, ndraiky Abihaila, gnanak'ampelan'i Eliaba, gnanaky lahin'i Jese. 19 Niteraky gnanaky lahy tagnaminy ie; la i Jese, Semara, voho Zahama. 20 Tafaran'i Mahalota, la nangalaky gnan'i Maka, gnanak'ampelan'i Absaloma, i Rehoboama; niteraky gnan'i Abia, Atahy, Ziza, voho Selomita tagnaminy ie. 21 Rehoboama nitia gnan'i Maka, gnanak'ampelan'i Absaloma, nandilatsy gnany reo valiny hafa ndraiky reo valin-tsindranony iaby ( nangalaky valy ampela folo valo amby ndraiky valin- tsindrano enim-polo ie, ka lasa rainy gn'anaky lahy roapolo valo amby ndraiky gnanak'ampela enim-polo). 22 Rehoboama nanendry gnan'i Abia gnanaky lahin'i Maka ho bebe, mpitariky ami-gny reo rahalahiny; fa manan-kevitsy gny hanao ho mpanjaka ie. 23 Nanapaky tam-pahendrea i Rehoboama; nagnely gnany reo gnanany lahy iaby nanare gny tanin'i Joda ndraiky Benjamina iaby ho agny ami-gny tana mivala iaby ie. Nagnomea hany be ho gnan-drozy avao koa ie voho mila valy ho gnan-drozy.