Toko faha 10

Nagnaminy Sekema i Rehoboama, fotony niavy tagny Sekema mba hanao gnazy ho mpanjaka gny Israely iaby. 2 Voho ren'i Jeroboama gnanaky lahihin'i Nebata zay ( fotony tagny Egypta ie, tagny ami-gny ze fa nilaisany hiala tami-gny fagnatrehan'i Solomona Mpanjaka eo, fe fa nimpoly baka Egypta agny Jeroboama). 3 Ka nandefa ndraiky nampikaiky gnazy rozy, voho niavy Jeroboama ndraiky gny Israely iaby; nisafa tamin'i Rehoboama rozy ka nanao hoe: 4 " Nagnasarotsy gny zioganay gny rainao. Ka androany, hamory gn'asa mafiny gny rainao, voho hamaivagno gny zioga mavefatsy napetrakiny tagnaminy teto, la hanompo gnanao rahay. 5 Hoy Rehoboama tamin-drozy hoe: " Mimpoliana ndraiky agnamiko eto afaky telo andro." Ka la roso gny reo vahoaky. 6 Nangalaky hevitsy tami-gny reo Zokiolo reo tagny nitsanga tagnatrehan'i Solomona rainy fony fahavelo i Rehoboama mpanjaka; hoy ie hoe: " Manao ahoa gny aanoroanareo hevitsy gnahy mba hagnandesako valin-tsafa ami-gny reo vahoaky reo? 7 Nisafa tagnaminyrozy ka nisafa hoe: " Laha soa ami-gny reo vahoaky reo iha voho mahafinaritsy gnan-drozy, voho mivolagna safa soa agnamin-drozy, la ho mpanomponao zisiky amparany rozy." 8 Kanefa tsy nidinarin'i Rehoboama gny torohevitsy nameany reo zokiolo gnazy, voho nangalaky hevitsy tami-gny reo kidabolahy niaraky be tagnaminy tagny ie, nitsanga tagnatrehany. 9 Hoy ie tami-drozy hoe: " Ino ro torohevitsy hameanareo gnahy, mba ahafaky gn'antsika mamaly gny vahoaky nisafa tagnamiko ka nisafa hoe: ' Hamaivagno gny zioga napetraky gny rainao tagnaminay'?" 10 Reo kidabolahy niaraky be tamin'i Rehoboama nisafa tagnaminy, nanao hoe: " Manao gnany zao ro tokony havalinao gny reo vahoaky nivola tagnaminao fa i Solomona rainao la nampazefatsy gny ziogan-drozy, ka la tokony hamaivagnanao zay. Zao ro tokony ho volagninao gnan-drozy: ' Gny ankikeliko la matevy nohony gny andilan-draiko, 11 ka androany, na la nivesariny gny raiko tami-gny zioga mazefatsy aza nareo, la mbo hagnampy gny zioganareo zaho. Gny raiko nagnasazy gnanareo tami-gny reo karavasy, fa zaho hagnasazy gn'anareo ami-gny reo nivio."' 12 Ka la nandeha nagnamin'i Rehaboama i Jeroboama ndraiky gny vahoaky iaby tami-gn'andro fahatelo, araky gny nivolagniny mpanjaka hoe: " Mimpoliana agnamiko atoy ami-gn'andro fahatelo." 13 Nisafa mare gnan-drozy i Rehoboama, tsy midary gny torohevitsy reo zokiolo. 14 Nivola tamin-drozy araky gny toro-hevitsy reo kidabolahy ie, nanao hoe:" Nazefatsy gny zioganareo gny raiko, fa zaho hagnampy zay. Gny raiko nagnasazy gnanareo tami-gny karavasy, fa zaho hagnasazy gnanareo ami-gny mivio." 15 Nohony zay la tsy nijanjigniny gny mpanjaka gny vahoaky fa zay la fagnova tami-gny reo tranga nandesin-Dranagnahary, mba ahafahan'i Yaveh magnatanteraky gny safany nivolagnin'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama gnanaky lahin'i Nebata. 16 Lafa hitan'Israely iaby fa tsy nijanjy gnan-drozy gny mpanjaka, la namaly gn'azy gny vahoaky ka nisafa hoe: " Ino ro anjaranay amin'i Davida tsy mana lova ao gn'anaky lahin'i Jese rahay! Gny kiraidraiky agnaminareo la tokony himpoly an-dainy agny iaby, ry Israely. Voho jereo gny tragnonao, ry Davida." Ka la nimpoly ho an-dainy agny iaby gny, ry Israely. Voho jereo gny tragnonao, ry Davida." Ka la nimpoly ho an-dainy agny iaby gny Israely iaby. 17 Fa laha gny ami-gny reo olo nipetraky ami-gny reo tanan'i Joda agny, la i Rehoboama ro nanjaka amin-drozy eo. 18 Voho Rehoboama Mpanjaka nandefa gnan'i Adorama, nanapaky ami-gny reo mpanao asa an-terivozo, fa gny vahoakoan'Israely nitora-bato gnazy ho maty.Voho nilay malaky tami-gny kalesiny ho agny Jerosalema agny i Rehoboama mpanjaka. 19 Nohony zay la tagnainy gny fialia nanohitsy gny taranak'i Davida gny Israely zisiky androany.