Toko faha 9

1 Nisy johary bakagny Benjamina, johary agnabo raiky . Gny agnarany la i Kisy anaky lahin'i Abiela anaky lahin'i Zerora anaky lahin'i Bekorata anaky lahin'i Afia lay anaky lahiny Benjamita raiky. 2 Nana gnanaky lahy nikaihy hoe Saoly ie, tovolahy soa tarehy raiky. Tsy mbo nisy olo soa tarehy noho ie teo amin'ny olon'Israely. Manomboky eo amin'ireo sorony ro hiakatsy la lava noho gny olo iaby ie. 3 Sady reo ampondran'i Kisy, rain'i Saoly, la trobo. Ka nivola tamin'i Saoly anany i Kisy nanao hoe;" Mangala raiky amin'ireo mpanompo hiaraky aminao, mitsangana sady mandehana mila reo ampondra." 4 Ka la namakivaky gny tany havoan'i Efraima i Saoly sady nandeha tamin'ny tanin'ny Salisa, fa tsy hitan-drozy io. Sady namakivaky gny tanin'i Salima rozy, nefa tsy tagny rozy. Bakeo la namakivaky gny tanin'ireo Benjamita rozy, fa tsy nahita gnan' ireo. 5 Lafa avy teo amin'ny tanin'ny Zofa rozy, la nivola tamin'ny mpanompony zay niaraky taminy i Saoly hoe;' andao, andeha tsika himpoly, fa mety tsy hanahy gny amin'ireo ampondra sasy gny raiko fa hanomboky hanahy gny momba gnantsika.' 6 Fa hoy lay mpanompo taminy hoe;' janjigno , misy joharin-Dranagnahary amy toy tana toy. Ie la johary nomem-boninahitsy; zay iaby lazainy la tanteraky iaby. Andao tsika ho agny; mety ho afaky hilaza amintsika zay lala tokony hadehantsika amin'ny liantsika ie.' 7 La hoy i Saoly tamin'ny mpanompony hoe;' Fa laha mandeha tsika, ino ro afaky andesintsika ho gnan'ilay johary? Gny mofo agnaty kitapontsika fa lany, sady tsy misy fagnomeza mba handesintsika ho gnan'ilay joharin-Dranagnahary. Ino ro hanagnantsika?' 8 Lay mpanompo namaly gnan'i Saoly ka nanao hoe:' Ingo, zaho mana ampahaefany gny Sekely volafoty zay hameako gnan'ilay joharin-dranagnahary, mba hivolagna amintsika zay lala tokony handehanantsika." 9 ( Taloha tagny Israely lafa misy johary mandeha mila gny fahalala gny sitrapon-Dranagnahary, la mivola ie hoe:' andao, andeha tsika ho agny amin'ny mpahita." Fa mpahita ro fikaha taloha zay kahikahintsika hoe mpaminany amizao0 10 Bakeo la nivola tamin'ny mpanompony i saoly hoe;" Soa gny voalazanao . Andao , andeha tsika handeha." La lasa rozy nagnagny amin'ny tana zay nisy gny joharin-Dranagnahary. 11 Sady lafa niakatsy gny havoa tao an-tana rozy, la nahita reo tovovavy niboaky hitao rano:' La hoy i Saoly voho gny mpanompony tamin-drozy hoe: Eto va lay mpahita? 12 V 12 Namaly rozy , ka nanao hoe:" Andeso ie, ingo, ao alohann-kelinareo ao avao ie. Malaky, fa ho avy an-tana ao ie androny fotony hanao soro eo amin'ny toera abo gny fokonolo androany. 13 Laha vantany vao militsy gny tana nareo la hahita gnazy, alohan'ny hiakarany amin'ny toera abo hihinanany. Tsy hihina gny fokonolo mandram-piaviny fotony ie ro hitso-drano gny soro; afaran'izay la hihian reo zay nasa. Koa miarakara amizao , fa hahita gnazy avy hatrany nareo." 14 La niakatsy ho agny amin'ny tana rozy. Sady laha vo nilitsyy gny tana rozy, la nahita gnan'i Samoela niseho taminy, mba handeha hiakatsy agny amin'ny toera abo. 15 Sady andro talohan'ny niavian'i Saoly, la nagnambara tamin'i Samoela i Yaveh hoe;" 16 Hamaray amin'izao ora zao la handefa johary raiky bakamin'ny tanin'ny Benjamina aminao Aho, sady hagnosotsy gnazy ho andriana eo amin'ny Israely fokonoloko iha. Hamonjy gny fokonoloko amin'ny tagnan'ireo Filistina ie. Fa fa nijery gny fokonoloko tamin'ny fangora aho fotony nikaiky vonjy rozy la avy Tagnamiko tatoy." 17 Lafa hitan'i Samoela i Saoly, la nivola taminy i Yaveh hoe;" Intoy lay johary nambarako gnanao! Ie lay olo zay hanapaky gny fokonoloko." 18 Bakeo i Saoly la namonjy gnan'i Samoela teo amin'ny vavahady sady nanao hoe;' Mba lazao ahy hoe aia ro misy gny tragnon'ilay mpahita?' 19 Namaly gnan'i Saoly i Samoela ka nanao hoe:' Zaho lay mpahita.Miakara ho amin'ny toera abo alohako, fa androany la hiara-mihina amiko iha. Engako handeha iha amin'ny maray , sady holazaiko gnanao zay iaby ao an-tsainao. 20 Laha gny amin'ireo ampondranao zay trobo telo andro lasa zay, la ka manahy gny amin'io, fa hita io. Sady napetraky taminao gny fagnirian'Israely manontolo? Tsy ho aminao voho amin'ny amin'ny avorohotan-drainao iaby va? 21 Namaly i Saoly ka nivola hoe;' Fa tsy Benjamita va aho bakamin'ny foko kely maren'Israely? Tsy gny fianakaviam-beko va ro farany mare amin'ireo fianakaviambe manontolo ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Ka nagnino ro io fomba io ro niresahanao tamiko?" 22 Sady nirambesin'i Samoela i Saoly voho gny ampondrany, ka nandesiny tagny agn'efi-tragno, sady napetrany teo amin'ny fipetraha voalohany ho gnan'izay voaaasa rozy zay tokony ho olo telopolo eo ho eo. 23 Hoy i Samoela tamin'ny mpiketsiky hoe:' Andeso lay anjara zay nameako gnanao, zay nilazako taminao hoe," Atokagno toy." 24 Ka nalan'ny mpiketsiky gny fe voho zay teo aminy sady napetrany teo agnatrehan'i Saoly.Sady hoy i Samoela hoe:' Ingo zay voatoka la fa napetraky teo agnatrehanao. Hano io, fotony voatoka ho gnanao mandra-pahatonga n'ny fotoa voatendry, tamin'ny olo aho." La niara-nihina tamin'ny Samoela i Saoly tamin'io andro io. 25 Lafa tafilitsy bakegny amin'ny toera abo ho amin'ny tana rozy, la niresaky tamin'i Soaly teo an-tampon-tragno i Samoela. 26 Sady vao mangiran-draty , la nikaiky gnan'i Saoly teo an-tampon-tragno i Samoela ka nivola hoe:' Miarena mba hahafahako mandefa gnanao agny min'ny lalanao." La nifoha i Saoly, sady samby nandeha niboaky ho egny an-dala ie voho i Samoela. 27 Sady lafa nandeha magnodidy gny tana rozy, la hoy i Samoela tamin'i Saoly:' Lazao gny mpanompo mba handeha hialoha gnantsika"_la nandeha taloha ie__fa tsy maintsy mijano eto fotoa vitsy iha mba hilazako aminao gny hafatrin-Dranagnahary."