Toko faha 31

1 Sady reo Filistina nialy nanohitsy gnan'Israely. Sady gny joharin'Israely nandositsy teo alohan'ny Filistina sady lavo mat teo amin'ny Tendrombohits'i Gilboa. 2 Reo Filistina nagnia gnan'i saoly voho reo anaky lahiny. Novonoan'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, voho i Malkisoa, anaky lahiny. 3 Niha-henja teo agnatrehan'i Saoly gny aly, sady reo mpandefa ana-tsipika nahavoa gnazy. Tao agnatin'ny fanaintaigna mare ie noho gny amin-drozy. 4 Sady hoy i Saoly tamin'ny mpanday gny fialiany:'Aboaho gny sabatrao sady trobahy amin'io aho. Laha tsy io, reo tsy voafora reo ro ho avy ka hagnararaotsy ahy.Fa tsy nanao gnan'io lay mpanday gny fialiany fotony natahotsy mare ie. ka nalan'i Saoly gny sabany sady nalavony tagnabon'io ie. 5 Lafa hitan'ny mpanday gny fialiany fa maty i Saoly, la nilavo tagnabon'ny sabany manahaky gnan'io koa ie ka maty niaraky taminy. 6 Ka la maty i Saoly, reo anaky lahiny telo , voho gny mpanday gny fialiany__reo johary reo la niara-maty tamin'ny andro igny avao. 7 Lafa hitan'ny joharin'Israely zay tegny ampitan'ny lohasaha, voho reo zay tegny an-dafin'i Jordana, fa nandositsy gny joharin'Israely, sady maty i saoly voho reo anaky lahiny, la nagnenga gny tanany sady nandositsy rozy, sady avy reo Filistina ka nipetraky teo amin'ire. 8 Sady gny hamarain'igny, lafa avy hangalaky reo faty reo Filistina, la nahita gnan'i saoly voho reo anany telo lahy lavo teo amin'ny tendrombohitsy Gilboa. 9 Notapahan-drozy gny lohany sady nendahiny gny fialiany, sady nandefa reo mpanday hafatsy nanera reo tanin'ireo Filistina mba handay gny vaovao agny amin'ny tempolin-tsampin-drozy voho agny amin'ny vahoaky rozy. 10 Napetrakin-drozy tao amin'ny tempolon'i Astarta gny fialiany, sady gny vatany nofehezeny teo amin'ny mandan'ny tanan'i Beti-sana. 11 Lafa nahare zay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly gny olon'i Gileada, 12 la nitsanga reo johary mpialy iaby sady nandeha gny haly manontolo ka nangalaky gny fatin'i Saoly gny fatin'ireo anaky lahiny teo amin'ny mandan'i Beta-sana. nagnagny Jabesa rozy sady noroany teo reo. 13 Sady nalan-drozy gny taolan-drozy bakeo ka nalevy tambanin'ny hazo tamariska tao Jabesy, sady nifaly hany nandritsa gny fito andro rozy.