Toko faha 28

1 Sady tamin'ireo andro reo gny Filistina la nampivondro reo tafiny hialy amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida:' Haiko soa fa hiboaky hiaraky amiko ho agny an-toby, iha voho reo joharinao." ' 2 Hoy i Davida tamin'i Akisy;" Ho hainao zay afaky hataon'ny mpanomponao." Hoy Akisy tamin'i Davida hoe:" Ka hataoko mpiamby gnahy raikitsy iha." 3 Sady maty i Samoela, sady gny Israely iaby nisaona gnazy ka nandevy gnazy tao Rama, tao amin'ny tanany. Nofongoran'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany avao koa reo zay niresaky tamin'ny maty na tamin'ireo fagnahy. 4 Sady nivory niaraky reo Filistina sady avy voho nitoby tao Sonema; sady Saoly nampivoro reo Israely iaby ka nitoby tao Giboa rozy. 5 Lafa nahita gny tafik'ireo Filistna i Saoly, la natahotsy ie, sady nihorohoro mare gny fony. 6 Nitalaho fagnampia tamin'i Yaveh i saoly, kanefa tsy namaly gnazy i yaveh__ ndra tamin'ny nofy, ndra tamin'i Orima, ndra tamin'ireo mpaminanay. 7 Sady hoy i saolly tamin'ireo mpanompony:' Hilao ampela miresaky amin'ny mat aho, mba hahafahako magnagny aminy sady mila hevitsy aminy." Hoy reo mpanompony taminy:' Ingo, misy ampela agny Andora zay milaza fa miresaky amin'ny maty." 8 Nagnova endriky i saoly, nanao akanjo hafa,sady nandeha , ie voho reo johary roe niaraky taminy; nagnagny amin'ilay ampela rozy gny haly. Hoy ie:' Mitalaho aminao aho, manaova fikahia gny maty ho gnahy, miaraky amin'ny fagnahy , sady andeso miakatsy zay agnara volagniko gnanao." 9 Hoy lay ampela taminy:' Ingo, hainao zay nataon'i saoly , zay namongorany zay miresaky amin'ny maty na amin'ireo fagnahy tsy eo amin'ny tany. Ka nagnino iha ro mametraky fandriako ho gnan'ny aiko, mba hahafaty gnahy?" 10 Nifanta taminy tamin'ny alalan'i Yaveh i saoly ka nanao hoe:' Laha mbo velo koa Yaveh, la tsy hisy fagnasazia hiatsa aminao noho zao raha zao." 11 sady hoy lay ampela:' Ia ro tokony handesiko miakatsy eto aminao?" Hoy i Saoly;'Andeso miakatsy ho gnahy i samoela." 12 Laha nahita gnan'i Samoela lay ampela, la nikoraky mare ie sady niresaky tamin'i saoly nanao hoe:' Nagnino iha ro namitaky ahy?' Fa Saoly iha." 13 Hoy gny mpanjaka taminy:' Ka matahotsy. Ino ro hitanao?" Hoy lay ampela tamin'i saoly:' mahita ndranagnahary miakatsy bakao amin'ny tany aho." 14 Hoy ie taminy:' Manao akory gny endriny?" Hoy ie:" Johary antitsy ro avy miakatsy; manao akanjo lava ie." Hain'i Saoly fa i Samoela io, ka nampiankohoky gny vatany tamin'ny tany ie sady naneho fagnaja. 15 Hoy samoela tamin'i Saoly:' Nagnino iha ro nagnankoronta gnahy ka nanday gnahy niakatsy?' Saoly namaly hoe:' Ory loatsy aho, fotony reo Filistina la miantsy aly hanohitsy gnahy,sady Ndranagnahary nagnenga gnahy sady tsy namaly gnahy sasy, na tamin'ireo mpaminany, na tamin'ireo nofy. Nohon'io la nikaiky gnaao aho, mba hahafahanao mampahafantatsy gnahy zay tokony ataoko." 16 Hoy i samoela:' Ino ro agnontanianao ahy, fotony nagnenga gnanao Yaveh, sady avy fahavalonao Ie? 17 Nataon'i Yaveh taminao zay fa nolazainy hataony. fa nagnatsoaky gny fanjaka tsy ho eo an-tagnanao ie sady nagnome gnan'io ho gnan'olon-kafa__ ho gnan'i Davida. 18 Fotony iha tsy nankato gny feon'i Yaveh sady tsy nanday gny firehetan'ny fahatezerany tami'ny Amalekita, la nataony taminao io androany. 19 Ankoatsin'io, i Yaveh la hanolotsy gnaao voho gny Israely ho eo an-tagnanan'ireo Filistina. Hamaray iha voho reo anakao lahy la hiaraky amiko. Hatolots'i Yaveh ho eo an-tagnan'ireo Filistina avao koa gny tafik'Israely." 20 Avy hatragny la lavo niampita tamin'ny tany i saoly sady tena natahotsy ie noho reo safan'i samoela. Tsy nisy hery tao agnatiny, fotony tsy nihinan-kany ie nandritsa gny andro tontolo, na tamin'ny haly tontolo. 21 Nandeha teo amin'i saoly lay ampela sady nahita fa tena nikorontan-tsay ie, hoy i taminy:' Ingo, gny mpanompovavinao fa nijanjy gny feonao; fa napetraky teo am-pelatagnako gny aiko sady fa nijanjy reo safanao zay nambaranao tamiko. 22 Ka amizao , mitalaho aminao aho, janjigno koa gny feon'ny mpanomponao, sady engao aho hametraky sakafo kely eo agnatrehanao. Mihinana mba hahazoanao hery iaby handeha amin'ny lalanao iha." 23 Fa i saoly nanda sady nivola hoe:' Tsy hihina aho." Fa reo mpanompony, niaraky tamin'ilay ampela, nanery gnazy, ka la nijanjy gny feon-drozy ie. Ka nitsanga bako amin'ny tany ie sady nipetraky teo am-pandria. 24 Nana anak'aomby nifahy tao an-tragnony lay ampela; nandeha malaky ie sady namono gnan'io; nangalaky koba ie, nafangaro io, sady nanendry gny mofo tsy misy lalivay niaraky tamin'io. 25 Nandesiny teo agnatrhan'i saoly voho reo mpanompoy io, sady nihina rozy.sady nitsanga rozy ka lasa gny haly igny.