Toko faha 16
1
Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe;' Mandra-pahovia iha ro hisaona gnan'i Saoly, fotony nolaviko tsy ho mpanjaka manera gny Israely ie? Fenoy diloilo gny gny tandrokao sady mandehana. Hirahiko agny amin'i Jese bakagny Betlehema iha, fa fa nifily mpanjaka ho gnahy amin'ireo ananay lahy aho."
2
Hoy i Samoela hoe:' Manao akory ro fomba andehanako? Laha mahare gnan'io Saoly, la ho vonoany aho." Hoy Yaveh hoe:" Magnandesa aomby vavy kely miaraky aminao sady lazao hoe:' Avy hanao soro gnan'i Yaveh aho."
3
Kaiho ho amin'ilay soro i Jese, la haseoko gnanao zay hataonao. Hagnosotsy lay raiky zay ho lazaiko gnanao ho Gnahy iha."
4
Nanao araky zay nolazain'i Yaveh i Samoela sady nandeha tagny Betlehema. Nihorohoro reo loholona teo amin'ilay tana lafa avy hihaona aminy rozy sady nivola :' Avy mb ahilongo va iha ?
5
Hoy ie hoe;' Hilongo;avy hanao soro ho gnan'i Yaveh aho. Miomana nareo hanoka gny vatanareo sady miaraha amiko ho agny amin'ny fanaova soro." La nanoka gnan'i Jese voho reo anany lahy ie sady nanasa gnan-drozy ho agny amin'ilay fanaova soro.
6
Lafa avy rozy, la nijery gnan'i Eliaba zay nivola tamin'ny vatany hoe niijoro nagnatriky gnazy tokoa lay voahosits'i Yaveh. Fa ingo hoy i Yaveh tamin'i Samoela hoe:' Ka mijery gny endriny ivelany, na gny ahabon'ny tsangany; fotony fa nanda gnazy Aho.
7
Fa Yaveh la tsy mijery manahaky gny fijerin'ny olombelo; gny olombelo mijery gny endriky ivelany, fa i Yaveh koa mijery gny ao am-po."
8
Bakeo la nikaiky gnan'i abinadaba i Jese sady nampandalo gnazy teo agnatrehan'i Samoela. La hoy i Samoela hoe:' Tsy nifily gnan'io avao koa Yaveh."
9
Bakeo la nampandalo gnan'i Sama i Jese, fa ingo hoy i Samoela hoe;' Tsy nifily avao koa Yaveh."
10
Nampandolovin'i Jese teo agnatrehan'i Samoela gny fito tamin'ireo anany lahy. La hoy i Samoela tamin'i Jese hoe:" Tsy nifily gnan'ia ia tamin'ireo Yaveh."
11
Sady hoy i Samoela tamin'i Jese hoe:' Eto iaby va reo ananakao lahy manontolo?" Namaly ie hoe:' Mbo misy lay anako faralahy tavela, fa miaraky aondry ie." Hoy i Samoela tamin'i Jese hoe:' Mandehana sady alao ie, fotony tsy hipetraky tsika mandra-piaviany eto."
12
Nandeha i Jese sady nanday gnazy nilitsy . Sady io tovolahy io la mena volo voho baribary maso sady soa endriky ivelany. Hoy Yaveh hoe;' Mitsangana, hosory ie; fa io ro ie."
13
Sady la norambesin'i Samoela gny tandroky misy gny diloilo sady nosorany teo agnivon'ireo rahalahiny ie. Nirotsaky tamin'i Davida gny Fagnahin'i Yaveh tamin'io andro io. Bakeo la nitsanga i Samoela sady nandeha tagny Rama.
14
sady nagnenga gnan'i Saoly gny Fagnahin'i Yaveh, ka nisy fagnahy raty bakamin'i Yaveh nampihorohoro gnazy.
15
Hoy reo mpanompon'i Saoly taminy hoe:' Ingo misy fagnahy raty bakamin-Dranagnahary mampikoronta gnanao.
16
ao sady tomponay handidy reo mpanomponao zay eo agnatrehanao mba hila johary raiky zay feno traikefa amin'ny fitendrea olkanga. Sady lafa eo aminao gny fagnahy raty bakamin-Dranagnahary, la hitendry gnan'io ie sady ho soa iha."
17
Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony hoe:' Hilao johary zay afaky mitendry soa aho sady andeso atoy amiko ie."
18
La namaly gny raiky tamin'ireo tovolahy, sady nanao hoe;' Fa nahita gny anaky lahin'i Jese lay Betlehemita aho, zay tena mahay mitendry , matanjaky, johary beherim-po, joharin'aly, mahay mandahateny, johary soa tarehy; sady momba gnazy Yaveh."
19
Ka la nandefa mpanday hafatsy tagny amin'i Jese i Saoly, sady nivola hoe:' Alefaso amiko i Davida anakao lahy , zay miaraky amin'ny aondry."
20
Nangalaky boriky raiky nitao mofo, divay siy raiky, voho anak'aosy, sady nandefa gnan-drozy niaraky tamin'i Davida anany lahy ho agny amin'i Saoly.
21
Bakeo la avy teo amin'i Saoly i Davida sady nanomboky gny fanompoany. Tian'i Saoly loatsy ie, ka lasa mpanday gny fialiany.
22
Nagniraky gnan'i Jese i Saoly nanao hoe:' Ao i Davida hijoro eto agnatrehako, fotony nahita fitia teo imasoko ie
23
Isaky gny teo amin'i Saoly lay fagnahy raty bakamin-Dranagnahary, la nangalaky gny lokanga i Davida sady nitendry gna'io. Ka velombelo voho tony i Saoly, sady niala teo aminy lay fagnahy raty.