Toko faha 9

1 Lafa vitan'i Solomona gny fanangana gny tragnon'i Iaveh voho gny lapan'ny mpanjaka sady lafa nahatanteraky zay rehetra niriny ho vita ie. 2 La niseho fagnindroeny tamin'i Solomona i Iaveh ,manahaky gny nisehoany taminy tao Gibeona . 3 Sady hoy Iaveh tamin'ny hoe: " Fa reko gny vavakao voho gny fangatahanao zay fa nataonao teo agnatrehako.Fa nataoko ho ahy ,toy tragno zay natsanganao toy ,hametrahako gny agnarako ho ao mandrakizay. Gny masoko voho gny foko la ho eo avao amin'ny fotoa rehetra. 4 Sady iha ,laha handeha eo agnatrehako manahaky nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsim-po voho tamin'ny fahamarigna ,hankato zay nandidiako anao iaby sady hiamby reo lalako voho reo liliko , 5 La hametraky gny sezan'ny fiandrianan'ny fanjakanao eo amin'ny Israely mandrakizay aho ,manahaky gny nampanantenako tamin'i Davida rainao,hoe:"Gny avorohonaola tsy hiala eo amin'ny seza fiandrianan' Israely vatany. 6 Fa laha mivily iha ,iha na reo anakao ,ka tsy miamby gny liliko voho reo lalàko zay napetrako eo agnatrehanao ,sady laha mandeha ka manompo Ndranagnahary hafa sady miankohoky eo amin-drozy iha , 7 La ho alako amin'ny tany zay nomeko an-drozy Israely ;sady toy tragno za fa natokako ho gnan'ny agnanarako toy ,la halako tsy ho hitan'ny masoko ,sady Israely la ho avy manahaky gny raha faneso voho hihomeza eo amin'ireo fokonolo . 8 Ho rava ho antontam-bato toy tempoly toy , sady zay iaby mandalo eo amin'izay la ho tseriky hitsiotsioky.Hagnontany rozy hoe:"Nagnino i Iaveh ro nanao zao taminy toy tany voho tragno toy? 9 Gny hafa hamaly hoe :" Fotony nahafoy gnan' i Iaveh Ndranagnahariny rozy , zay nanday gny razam-ben-drozy niboaky gny tany Egypta, sady nififikitsy tamin'ireo Ndranagnahari-kafa ka niankohoky sady nanompo azy. Io no antony nagnandesan'i Iaveh io loza iaby zay tamin-ndrozy." 10 lafa tapitsy gny roapolo tao zay nahavitan' i solomona gny fanangana reo tragno bevata roa, gny tempolin' Iaveh voho gny lapan'ny mpanjaka. 11 Sady Hirama mpanjakan' i Tyra la namatsy hazo sedera voho kypreso, sady volamena gnan' i solomona- zay iaby nirin'i solomona-ka la nomen'i solomona Mpanjaka tanà roapolo tao amin'ny tanàn' i Galilia i Hirama. 12 Niboaky bakao Tyro i Harama mba hanenty reo tanà zay nomen' i solomona azy, kanefa tsy nampazoto azy io. 13 sady hoy i Hirama:" fa tanà ino reto omenao ahy reto, ry rahalahiko?" Nikehin' i Hirama hoe tany kobola reo, zay mbo hikaiha azy reo, hatragny mandrak' androany. 14 Nampangnatitsy talenta volamena 120 ho gnan' ny mpanjaka i Hirama. 15 Zao magnaraky zao ro anton'ny fitakia amin'ny asa zay napetrak'i Solomona mpanjaka :mba hananga gny tempolin' Iaveh voho gny lapany ,mba hanangana gnan'i Milo voho gny rindrin'i Jerosalema ,sady gny hanangana gny manda fivorian'i Hazora ,Megido,sady Gazera . 16 Niakatsy sady nangalaky gnan'i Gazera i Farao mpanjakan'i Egypta.Noroany io sady novonoiny reo kananita tao an-tanà .Sady la nomen'i Farao gnan'ny anakampelany ,valin'i Solomona,ho fagnomeza ho gnan'ny fampiakaram-bady gny tanà 17 Ka la nampolin'i Solomona natsanga i Gazera voho Beti-horona Ambany , 18 Baleta voho Tadmora agny agn'efitsy agny amin'ny tany Joda. 19 Voho reo tanà fagn ajaria iaby zay nanagnany ,voho reo tanan'ireo kalesiny sady reo tanàn'ny mpanday soavaliny ,sady zay iaby niriny ho atsanga ho fafinaretany tao Jerosalema,tao Libanona,sady tamin'ny tany iaby eo ambani'ny fifehezany . 20 Sady reo fokonolo iaby sisa tavela tamin'ireo aAmorita,Hitita,Perizita ,Hivita,sady Jebosita,zay tsy fokonolon' Israely 21 Reo avorohotan-drozy zay tavela niaraky tamin-drozy tao amin'ny tany ,zay tsy vitan'ny olon'Israely gny nandrava azy tanteraraka_nataon'i Solomona mpiasa an-terovozo rozy ,mandraka androany. 22 Ndra la zay azo ,la tsy nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo reo vahoakan'iny Israely .Fa koa ,lasa miaramilany voho mpanompony,manam-pahefany,voho manam-boninahiny sady mpifehy reo kalesiny sady mpanday soavaliny rozy. 23 Reto avao reo lehiben'ny manam-pahefany misaha reo mpagnaramaso zay teo amin'ny asan'i Solomona,550 tamin-drozy ,zay nagnara-maso gny fokonolo zay miasa . 24 Nifindra bakao amin'i tanàn'i Davida mba ho agny amin'ny tragno zay natsangan'i Solomona ho azy gny anakapelan'i Farao .Tafarataty ,la nananga gnan'i Milo i Solomona . 25 Manolotsy fagnatitsy dora voho fagnati-pilongoa in-telo isan-tao eo agnabon'ny alitara zay naoriny ho gnan'i Iaveh i Solomona ,mandoro ditin-kazo magnitsy miaraky amin'ireo eo agnabony alitara zay eo agnatrehan'i Iaveh.ka vitany gny tempoly sady ampiasany io henanizao. 26 Nagnamboatsy andian-tsambo tao Ezion-gebera iSolomona mpanjaka ,zay agnilan'ny Elota ,teo amoron'ny Riaka mena ,tao amin'ny tany Edoma. 27 Nandefa mpanompo ho gnan'ny andian-tsambon'i Solomona i Hirama ,tantsambo zay nahay gny riaky ,niaraky tamin'ireo mpanompon'i Solomona. 28 Nandeha tagny Ofira niaraky tamin'ireo mpanompon'i Solomona rozy ,bakagny ro nandesan-drozy talenta volamena 420 ho gnan'i Solomona mpanjaka .