Toko faha 22

1 Nandritsa gny telo tao lasa la tsy nisy aly teo amin'i Arama voho i Israely. 2 Sady tamin'ny tao faha telo, la nandeha tagny amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda. 3 Sady gny mpanjakan'i Israely la fa nisafa tamin'ny mpanompony hoe:' Mba hainareo va fa Ramota-gileada la gnantsika, fa zao tsy manao na ino ino tsika hangalaky gnan'io eo an-tagnan'i mpanjakan'i Arama?" 4 La hoy ie tamin'i Josafata:" Hiaraky amiko hialy agny Ramota-gileada va iha? Josafata namaly gny mpanjaka hoe :" Zaho la manahaky gnanao, gny oloko la manahaky gny olonao, sady reo soavaliko la manahaky reo soavalinao." 5 Hoy i Josafata tamin'ny mpanjaka hoe:" Mila lahy tari-dala bakamin'ny safan'i Yaveh gny amin 'izay tokony hataonao voalohany." 6 La nampivory reo mpaminany niaraky gny mpanjakan'Israely, Johary efajato, sady volagno rozy hoe:" Tokony ho agny Ramota-gileada va aho mba hialy, sa tsy tokony ?" La hoy rozy hoe:" Manafia, fa gny Tompo hagnome gnan'io ho eo an-tagnan'ny mpanjaka." 7 Fa hoy i Josafata hoe:" Tsy misy mpaminanin-Dranagnaharyhafa zay mety hahazoantsika hevitsy sasy va eto?" 8 La hoy gny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe:' Mbo misy johary raiky zay mety hahzoantsika hevitsy bakamin'i Yaveh mba ho fagnampiny, Mikaia anaky lahin'i Jimia, fa zao halako ie fotony tsy mba naminany raha soa mahakasiky ahy , fa loza avao." Fa hoy i Josafata hoe:' Tsy Hivola gnan'io gny mpanjaka." 9 La nikaiky manam-pahefa raiky gny mpanjakan'i Israely sady nagnome baiko hoe:" andeso atoy i Mikaia anaky lahin'i Jimia, zaho la zao ." 10 Sady i Ahaba mpanjakan'Israely voho i Josafata mpanjakan'i Joda la samy nipetraky tamin'ny seza fiandriana aby, niakanjo gny akanjon-drozy, teo amin'ny toera malalaky teo amin'ny filiran'ny vavahadin'i Samaria, sady reo mpaminany iaby la naminany teo alohan-drozy. 11 Zedekia anaky lahin'i Kenana tenany la nanao tandroky vy sady nisafa hoe:' Zao voalazan'i Yaveh :' Amin'ireto ro hanotoanao gny Syriana mandra-paharingany." 12 Sady gny mpaminany iaby naminany nitovy, nanao hoe:' Tafiho Ramota-gileada ka mahazoa fandresea, fa i Yaveh nanolotsy azy ho eo an-tagnan'ny mpanjaka." 13 Gny mpanday hafatsy zay nandeha nikaiky gnan'i Mikaia nisafa taminy, nanao hoe:' Ingo amizao, gny safan'ireo mpaminany la magnambara raha soa ho gnan'ny mpanjaka tamin'ny vava raiky. Ao lahy gny vatanao mba hanahaky gny raiky amin'ireo sady milaza raha soa.' 14 La namaly Mikaia hoe:" Laha mbo velo koa i Yaveh, la zay lazain'i Yaveh amiko ro ho lazaiko." 15 Lafa avy teo amin 'ny mpanjaka ie, la hoy gny mpanjaka taminy hoe:" Ry Mikaia, tokony handeha hialy agny Ramota-gileada va zahay, sa tsia? Mikaia namaly azy hoe:" Manafiha ka mandresea. Hanolotsy azy ho eo an-tagnan'ny mpanjaka i Yaveh." 16 Sady hoy mpanjaka taminy hoe:' Impiry aho ro nila gnanao hianiainan mba tsy hisafa na ino ino amiko amin'ny agnaran'i Yaveh afa-tsy gny marina avao?" 17 La hoy i Mikaia hoe:" Hitako niely tegny an-tendrombohitsy gny Israely manontolo, manahaky gny aondry tsy misy mpiandry, sady Yaveh nanao hoe:' Tsy mana miaraky reo.Ao gny johary kirakiraikyholy soa aman-tsara agny an-tragnony." 18 La hoy gny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe:" Tsy fa nivola taminao va aho fa tsy mety maminany raha soa mahakasiky ahy ie, fa loza avao?" 19 La hoy Mikaia hoe:' Nohon'io janjigno gny safan'i Yaveh:' nahita gnan'i Yaveh nipetraky teo amin'ny seza fiandriana aho, sady reo miaramilan'ny lagnitsy manontolo la nijoro teo agnilany teo an-kavanany voho teo an-kaviany. 20 Hoy i Yaveh hoe:' Ia ro hitao gnan'i Ahaba, mba hiakatsy ie ka ho lavo agny Ramota-gileada?" Gny raiky tamin-drozy nivola zao sady gny raiky hafa nivla zao. 21 Bakeo la nisy fagnahy raiky hafa nandoso , ka nanao hoe:' Zaho ro hitao azy . La hoy Yaveh taminy hoe:' Amin'ny fomba manao akory gny ?" 22 La namaly lay fagnahy hoe:" Hiboaky aho sady ho fagnahy mavandy eo am-bavan'ireo mpaminany manontolo."Yaveh namaly hoe:" Hahatao azy iha, sady hahomby koa. Koa mandehana sady ataovo io. 23 La ingo, Yaveh nametraky fagnahy mavandy teo am-bavan'ireo mpaminaninao manontolo reo, sady Yaveh fa nilaza ho gnanao." 24 Sady Zedekia anaky lahin'i Kenana, niakatsy, namelaky gny takolak'i Mikaia, sady nanao hoe:" Taia ro lalan'ny fagnahin'i Yaveh niala tamiko mba hivola aminao?" 25 La hoy i Mikaia hoe:' Ingo, ho hainao io amin'io andro io lafa militsy gny efitsy agnatiny mba hietaha iha." 26 Hoy gny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony hoe:' Samboro Mikaia sady andeso agny amin'i Amona, lay governoran'ny tana, sady agny amin'i Joasy, anako lahy. 27 Lazao ie hoe:' Ampiliro am-pondra toy johary toy hoy gny mpanjaka, sady fahano mofo kelikely voho rano kelikely avao ie, mandra-piaviako soa aman-tsara. 28 Sady hoy i Mikaia hoe:' Laha tahiany ka tafampoly soa aman-tsara iha, la tsy nampitenenin'i Yaveh aho tsy akory." Sady nampiany hoe;' Janjigno io , ry olo manontolo." 29 La nandeha ho agny Ramota-gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, voho Josafata, mpanjakan'i Joda. 30 Gny mpanjakan'i Israely nivola tamin'i Josafata hoe:" Holy olon-kafa aho sady hirotsaky ao agnaty aly, fa iha koa hanao gny akanjon'ny mpanajaka." La nody olo hafa gny mpanjakan'Israely ka nirotsaky tagny agnaty aly. 31 La nandidy gny kapitenin'ny kalesiny telopolo roa amby gny mpanjakan'i Syria, nanao hoe:" Ka manafiky gny miaramila kely na bevata. Fa gny mpanjakan'i Israely avao ro tafiho." 32 Sady lafa nahita gnan'i Josafata reo kapitenin'ny Kalesy la nanao hoe:' Igni tokoa ro mpanjakan'Israely .' Nimpoly rozy mba hamely azy' Ka nikaiky mare i Josafata . 33 Sady lafa hitan'ireo mpifehy gny nkalesy fa tsy igny ro mpanjakan'i Israely, la nimpoly tamin'ny fagnenjeha gnazy rozy. 34 Fa nisy johary raiky nandefa gny ana-tsipikany kitoatoa sady nahavoa gny mpanjakan'i Israely teo agnelanelan'ireo fiarovan-tratrany.Sady i Ahaba nisafa tamin'ny mpanday gny kalesiny hoe:" " Mimpolia ka andeso miboaky gny aly aho, fa naratsy mare aho." 35 Nihamafy gny aly tamin'io andro io sady gny mpanjaka la notohagna hitsanga tao amin'ny kalesiny nagnatriky gny Syriana. Maty ie nony hariva. Nikininiky bakeo amin'ny ratrany ka hatragny amin'ny voli-kalesy gny ra. 36 Sady nony fa hilentiky gny masoandro, la nisy kaikaiky mare manera gny tafiky, nanao hoe:' Samia moly agny amin'ny tanany aby gny johary manontolo; sady samia moly agny amin'ny faritaniny aby gny johary manontolo!" 37 La maty i Ahaba mpanjaka sady nandesy tagny Samaria, ka nalevin-drozy tao samaria ie. 38 Nisasan-drozy teo amin'ny farihin'i Samaria gny kalesy, sady nolelafin'ny alika gny rany ( teo ro fandroan'ireo ampela janga), araky zay fa nambaran'ny tenin'i Yaveh. 39 Sady laha hafa mahakasiky gnan'i Ahaba, voho zay iaby nataony, sady tragno iaby zay naoriny, moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tanataran'ny mpanajakan'Israely reo? 40 Sady nimaty tagny amin'ireo razambeny i Ahaba, ka i Ahzia anany lahy ro lasa mpanajaka nandimby gny toerany. 41 Sady i Josafata anaky lahin'i Asa nanomboky nanjaka nanera gnan'i Joda tamin'ny tao faha efatsy efatsy nanjakan'i Ahaba mpanjakan'Israely. 42 Telopolo limy amby tao i Josafata no nanomboky nanjaka, sady nanjaka tao Jerosalema nandritsa gny roa polo limy amby tao ie. Azoba ro agnaran-dreniny, lay anaka pelan'i Sily. 43 Nagnaraky gny fomban'i Asa rainy ie; tsy niala tamin'ireo ie; nanao zay marina teo amason'i Yaveh ie. Kanefa gny toera abo la tsy mba narava. Fa gny olo mbo nanao soro voho nagnoro ditin-kazo magnitsy teo amin'ireo toera abo avao. 44 Sady i Josafata nilongo tamin'ny mpanjakan'Israely. 45 Sady gny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Josafata, voho gny hery zay nasehony, sady gny fomba nialiany, moa va reo tsy fa voasoratsyao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda? 46 Nalany teo amin'ny tany reo sisa tavela tamin'ny olo nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy zay mbo tamin'ny andron'i Asa rainy. 47 Tsy nisy mpanjaka tao Edoma, fa olo voatendry ro nitondra tao. 48 Josafata nanao sambo fitatera an-dranomasina, nandeha nagnagny Ofira rozy hangalaky volamena, kanefa tsy lasa fotony nikatso tao Ezion-gebera reo sambo. 49 La hoy Ahazia anaky lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe:" Ao mba hiara- hiantsambo amin'ny mpanomponao gny mpanompoko." Fa i Josafata tsy nagnenky gnan'io. 50 Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Josafata sady nalevy niaraky tamin-drozy tao an-tanan'i Davida, razambeny; sady Jerohama anaky lahiny ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 51 Ahazia anaky lahin'i Ahaba la nanomboky nanjaka nanera gnan'Israely tagny Samaria tamin'ny tao faha folo fitoamby nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, sady nanjaka roe tao teo amin'Israely ie. 52 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie sady nagnaraky gny fomban'ny rainy, tamin'ny fombab'ny reniny, sady tamin'ny fomban'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata, zay nitarihany gny Israely hanota. 53 Nanompo gnan'i Bala voho nivavaky tamin'io ie sady nanao zay hampasiaky gnan'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'i Israely, manahaky gny fa nataon-drainy avao.