Toko faha 20

1 Namory gny tafiny hitambatsy i Beni-hadada mpanjakan'i Syria.Nisy mpanjaka telo polo roamby nisondry taminy,sady soavaly voho kalesa.Niakatsy ie ,nanao fahirano gnan'i Samaria voho niala nanohotsy io. 2 Nandefa iraky nagnagny amin'ny tanà ho gnan'i Ahaba mpanjakan'Israely ie,ka nivola taminy hoe: "zao ro nolazain'i Beri-hadada hoe: 3 'gny volafotsy voho gny volamena la gnahy.Ireo valinao voho gny anakao avao koa, reo soa maré la gnahy amizao."' 4 Namaly gny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Ho tanteraky araky gny teninao io,ry mpanjaka,tompoko.Zaho voho zay iaby hanagnako la gnanao." 5 Avy ndraiky reo iraky ka nanao hoe: "Zao ro lazain'i Beni-hadada hoe: "Nandefa safa taminao aho fa iha la tsy maintsy hanolotsy gny volafotinao,gny volamenanao,reo valinao,voho reo anakao ho gnahy. 6 Nefa hagniraky reo mpanompoko agny aminao aho hamaray amin'ny lera manahaky anizao,sady hila gny tragnonao voho gny tragnon'ireo mpanomponao rozy.Hamboatsy amin'ny tagnany rozy ka hangalaky zay iaby manaitaitsy gny mason-drozy." 7 Sady nikaiky reo loholon'ny tany iaby niaraky gny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Mba rambeso an-tsoratsy ka henteo gny fomba hilagnatoy lehilahy toy olana.Fa nandefa safa tamiko ie mba hangala reo valiko,reo anako,voho gny volafotiko voho gny volamenako,sady mbo tsy nanda aza aho." 8 Reo loholona iaby voho gny fokon'olona iaby nivola tamin'i Ahaba hoe: "Ka mijanjy azy na magnenky zay fangatahany." 9 La hoy i Ahaba tamin'ireo irak'i Beni-hadada hoe: " Lazao gny mpanjaka tompoko hoe: 'Mangneky gny raha iaby zay nagnirahanao gny mpanomponao hatao tamin'ny voalohany aho,kanefa tsy afaky hagnenky toy fangataha faharoa toy aho. 10 Ka lasa reo iraky sady nanday io valin-teny io teo amin'i Beni-hadada.La nandefa gny valin-teny ho gnan'i Beni-hadada,ka nanao hoe: " Enga anie reo Ndranagnahary hanao io amiko sady mihoatsy az,laha ho ampy hana eran'ny tanà bakamin'ny lavenok'i Samaria reo fokonolo iaby zay magnaraky ahy. 11 Namaly gny mpanjakan' Israely ka nanao hoe: " Lazao i Beni-hadada hoe: " Tsy misy olo mametraky gny fialiany ka tokony hirehareha ho amin'ny nangalany io." 12 La nahare io hafatsy io i Beni-hadada laha nino io,la ie voho reo mpanjka ambaniny zay tao agnatin'ny kain-drozy.Beni-hadada nandidy reo johariny hoe: " Milahara ho amin'ny aly nareo " la nagnoma gny vatan-drozy ho amin'ny aly rozy mba hamely gny tanà. 13 Sady ingo,nisy mpaminany avy teo amin'i Ahaba mpanjakan' Israely ka nanao hoe: " Hoy i Iaveh: 'ha hitanao va toy tafiky bevata toy? Ingo,hametraky io eo an-tagnanao aho henanio,sady ho hainao vatany fa zaho ro Iaveh. 14 I Ahaba namaly hoe: "Amin'ny alalan'io?" La namaly Iaveh ka nanao hoe: " Amin'ny alalan'ireo tanora manam-pahefa zay manompo reo governoran'ny distrika". La Ahaba nanao hoe: " Ia ro hanomboky gny aly? "Iaveh namaly hoe: " Iha " 15 La nanambatsy reo tanora manam-pahefa zay nanompo gny komandin'ny isan'antokony i Ahaba.Niisa 232 rozy.Tafaran-drozy la nagnambara reo miaramila iaby ie,gny tafik' Israely iaby,niisa fito arivo. 16 Niboaky tamin'ny antoandro rozy.Beni-hadada la fa baka nino sady nahamamo gny vatany tao an-dainy,ie voho reo mpanjaka kely telopolo roamby zay namoha azy. 17 Ireo tanora manam-pahefa zay nanompo gny komandin'ny isa-antokony ro nandroso mialoha.La nampalalahin'ireo tily zay nirahiny i Beni-hadada hoe: " Misy johary miboaky bakao Samaria." 18 Hoy i Beni-hadad hoe: " Na tamin'ny filamina no tamin'ny aly ro niboahan-drozy,la samboro velo rozy," 19 La niboaky gny tanà reo tanora manam-pahefa zay nanompo reo goverinoran'ny isan'antokony sady nagnaraky an-drozy gny tafiky. 20 Namono gny fahavalony iaby rozy ka nandositsy reo Syriana.Nagnenjiky an-drozy gny Israely.Beni-hadada mpanjakan'i Syria koa nandositsy tamin'ny soavaly niaraky tamin'ireo mpitaingin-tsoavaly sasany. 21 Sady niboaky gny mpanjakan' Israely ka nanafiky reo soavaly voho reo kalesy,sady namono reo Syriana tamin'ny famonoana bevata. 22 La nisiziky gny mpanjakan'Israely gny mpaminany ka nivola taminy hoe: "Mandehana,atanjaho gny vatanao,ka takaro voho omano zay ataonao,fotony amin'ny herintao la hiakatsy hanohitsy anao ndraiky gny mpanjakan'i Syria." 23 Reo mpanompon'ny Syria nivola taminy hoe: "Gny ndranagnaharin-drozy la ndranagnahary gny havoana.Io ro antony nampatanjaky azy reo noho ntsika.Fa zao koa andeha ntsika hialy amin-drozy egny amin'ny lemaky,sady ho azo antoky fa ho henja noho rozy ntsika. 24 Noho io la zao ro tsy maintsy ataonao: alao eo amin'ny toeran'ny fahefany reo mpanjaka iaby ka solo mpifehy miaramila rozy. 25 Manangana tafiky manahaky gny tafiky maty teo-soavaly solon'ny soavaly sady kalesy solon'ny kalesy-mba hahafahantsika mialy amin-drozy egny amin'ny lemaky.La ho azo antoky fa hahery noho rozy tsika."La nijanjy gny torohevitsin-drozy i Beri-hadada sady nanao zay natoron-drozy. 26 Tafaran'ny fanombohan'ny taom-baovao,la nanambatsy reo Syriana i Beri-hadada ka niakatsy ho agny Afeka mbo hialy amin'Israely. 27 Navory reo fokonolon'Israely sady novatsia mba hialy amin-drozy.Nivory teo agnatrehan-drozy manahaky gny andian'aosy kely roe toko gny fokonolon'Israely,nefa reo Syriana naneniky gny tany. 28 La nisiziky mariniky gny lehilahin-Ndranagnahary raiky ka nivola tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: "Hoy Iaveh hoe: 'Fotony reo Syriana fa nivola fa Iaveh la ndranagnahary gny havoa,fa tsy mba ndranagnaharin'ireo lohasaha,la hapetrako eo an-tagnanao toy tafiky bevata toy,sady ho hainao fa Zaho ro Iaveh."' 29 La nivory nifanandrify reo tafiky nandritra gny fito andro.Sady nanomboky gny aly tamin'ny andro fahafito.Namono Syriana mpandeha an-tany 100.000 gny fokonolon'Israely tagnatin'ny andro raiky. 30 Gny sisa nandositsy tagny Afeka,tao amin'ny tanà,sady nilavo tamin'ireo Johary roaly sy fitoarivo zay sisa gny manda.Nandositsy i Beri-hadada nagnagny amin'ny tanà,tagnaty efitsy raiky. 31 Nivola tamin'ireo mpanompon'i Beni-hadada hoe: "Ingo henanio,renay fa reo mpanjakan'ny anak' Israely la mpanjaka mpamindra fo.Mba angao lahy zahay hisiky akanjo fisaogna eo amin'ny valahanay voho taly eo amin'ny lohanay,sady hiboaky ho agny amin'ny mpamjakan' Israely.Mety hamindra fo aminao vasa ie. 32 Ka nisiky akanjo fisaogna tegny am-balahany rozy voho taly tegny an-dohan-drozy sady bakeo nagnagny amin'ny mpanjakan' Israely ka nanao hoe: " Beni-hadada mpanomponao nivola hoe: "Mba engao lahy aho ho velo".Hoy i Ahaba hoe: " Mbo velo va ie? Rahalahiko ie". 33 Sady nijanjyzay ho famantara bakamin'i Ahaba reo johary,ka namaly azy malaky rozy hoe: "Eka,Beni-hadada rahalahinao la velo." Sady hoy i Ahaba hoe: "Mandehana sady tafakatry tagny amin'i Ahaba tamin'ny kalesiny ie. 34 Beni-hadada nivola tamin'i Ahaba hoe: "Ampoliko aminao reo tanà zay nalan'ny raiko tamin'ny rainao,sady afaky manao fivarota ho anao agny Damaskory iha,manaky gny nataon'ny raiko tagny Samaria."Namaly i Ahaba hoe: " Engako handeha miaraky amin'ny toy fifagnenkeam-pilongoa toy iha." ka nanao fifagnenkeam-pilongoa tamin'ny i Ahaba sady bakeo namela azy handeha. 35 Nisy johary raiky amin'ireo anaky lahinareo mpaminany,nivola tamin'ny raiky amin'ireo anaky lahinareo mpaminany,nivola tamin'ny raiky tamin'ireo mpaminany namany tamin'ny tenin'i Iaveh hoe: " Mba velezo aho"saingy nandà gny hamely azy lay johary. 36 La nivola tamin'ilay mpaminany namany lay mpaminany hoe: "Fotony iha tsy nankato gny feon'i Iaveh,ka laha vao nagnenga ahy iha,la hisy liona hamono anao" Laha vao nandao azy lay johary,la nisy liona niantsampy taminy ka namoro azy. 37 Ba keo la nahita johary hafa raiky ndraiky lay mpaminany sady nisafa hoe:" Mba veleso aho." Ka la namely azy lay johary sady nandratsy gnazy. 38 La niala lay mpaminany sady nandigny gny mpanjaka teo amon-dala; nagnova gny endriny tamin'ny fehy teo amin'ny masony ie. 39 Laha nandalo igny gny mpanjaka, la nikaiky mare gny mpanjaka lay mpaminany sady nisafa hoe:" Nioboaky ho agny agnaty aly mandrotraky gny mpanomponao, sady miaramila raiky ro nanaka voho nanday fahavalo ho gnahy ka nisafa hoe:' Henteo toy joharu toy. Laha tsy hita amin'ny fomba iaby ie, la gny ainao ro hamea ho solon'ny gnainy, ndra raha tsy io la handoa talenta volafoty iha; 40 Nefa Fotony gny mpanomponao la mbo raikitsy tamin'ny fandehana tety sy teroa, la nitsoaky lay miaramila fahavalo."Bakeo la nisafa taminy gny mpanjakan'Israely hoe:' Zaho ro ho Sazinao__gny vatanao zao mihitsy ro fa nanapa-kevitsy." 41 La nangalaky malaky gny fehy tegny amin'ny masony lay mpaminany, sady hainy gny mpanjakan'Israely fa raiky tamin'ireo mpaminany ie. 42 Hoy lay mpaminany tamin'ny mpanjaka hoe:" Yaveh milaza hoe:" Fotony fa nenganao handeha bakeo an-tagnanao lay johary zay nodidiako ho faty, la gny ainao ro hisolo toera gny ainy, sady gny olonao ho solon'ny olony." 43 Ka tseriky voho nasiaky mare gny mpanjakan'Israely nagnagny an-tragnony, sady tagny Samaria.