Toko faha 2

1 Lafa mariniky gny andro nahafatesan'i Davida, la nandidy gnan'i Solomona anany ie,nanao hoe: 2 "Handeha amy gny lalan'ny tany manontolo aho. Matanjaha, noho io,sady atoro fa johary gny vatanao. 3 Tano reo lilin'i Yaveh Ndranagnaharinaozay mandeha amy gny lalany,araho reo lalàny,reo fanapaha-keviny,sady rei lilim-pagnenkeny, mitadrema amin'izay voasoratry ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hambininy amin'izay iaby ataonao iha ,na aia aia andehananao, 4 mba ahafahan'i Yaveh magnatanteraky gny safany zay nolazainy mahakasiky ahy, manao hoe:"Laha mijery soa gny fiton-drantenanyreo anakilahinao,sady handeha eoi aloako am-patokisa miaraky amin'ny fo voho fagnahin-drozy manontolo,la tsy hijano gny hana johary eo amy gny seza fiandrianan'Israely iha." 5 Iha avao koa mahay zay nataon'i Joaba anak'i Zeroia tamiko,sady zay nataony tamin'ny mpifehy roe gny tafik'Israely ,la tamin'i Abnera anaky lahin'i Nera, voho tamin'i Amasa anaky lahin' i Jetera,zay novonoany. Nizarainy tamim-piadana gny lion'aly sady napetany teo amy gny fehin-kibo nagnodidy gny valahany voho tamy gny kapa teo an tombony gny lion'aly. 6 Mifagnaraha amin'i Joaba amy gny alan'ny fahendrea fa nianaranao, fa ka enga hizotso agny amin'ny fasana am-piadagnalay volo fotiny. 7 Ndra la io aza , manehoa hasoam-pagnahy amin'ireo anaky lahin'i Barzilay Giledita,voho engao ho isan'ireo zay hihina eo andatabonao rozy, fa avy tatoy amiko rozy lafa nandositsy bakagny amin'i Absaloma rahalahinao aho. 8 Ingo , fa miaraky aminaoi Simey anaky lahin'i Gera, lay Benjamita bakagny Bahorima,zay nagnozo ahy tamin'ny ozo mahery vaika tamy gny andro nandehanako tagny Mahanaima.La nijotso hihaona tamiko tagny Jordana i Simey, sady nianiana taminy t6amy gny alalan'i Yaveh aho, nanao hoe:"Tsy hamono anao amy gny sabatsy aho." 9 Ka amizao ka enga ho afaky amy gny sazy ie.Johary hendry iha,sady ho hainao zay tokony hataonao aminy. Handesinao mizotso agny amy gny fasanamiaraky amy gny lio gny volo fotiny." 10 Bakeo i Davida la maty niarakyt tamin'ireo razambeny sady nalevy tao amin'ny tanan'i Davida. /v 11 Efapolo tao teo reo fotoa nanjakan'i Davida teo amin'ireo Israely. 12 Nanjaka nandritra gny fito tao tagny Hebrona ie sady tagny Jerosalema nandritra gny telopolo tao.Sady nipetraky teo an-tseza fiandrianan'i Davida rainy i Solomona, sady tafapetraky soa gny fitondrany. 13 La bakagny tagny amin'i Batseba renin'i Solomona i Adonia anakilahin'i Hagito. Hoy ie hoe: "Avy mba hilongoa va iha?" namaly ie hoe: "Hilongo" 14 La hoy ie hoe: "Misy raha ho volagniko anao." Ka namaly ie hoe: "Volagno". 15 Hoy Adonia hoe: "Hainao fa gnahy gny fanjaka, sady gny Israely iaby la fa nanantena gnahy ho mpanjaka. Farany niova gny raha iaby, sady nalotsy gny rahalahiko gny fanjaka, fa gnazy bakamin'i Yaveh io. 16 Henanizao la mana fangataha raiky aminao aho, sady ka tohery aho."Hoy Batseba taminy hoe: "Volagno". 17 La hoy ie: "Resaho lahy Solomona mpanjaka, fa tsy hagnenga gnanao ie, mba hahafahany magnome ahy gnan'i Abisaga lay Sonemita mba ho valiko". 18 Hoy i Batseba: Eka lahy, hiresaky amin'ny mpanjaka aho." 19 Noho zay la nandeha tagny amin'i Solomona mpanjaka i Batseba mba hiresaky aminy ho gnan'i Adonia. La nitsanga gny mpanjaka hihaona taminy sady niondriky taminy teo. Bakeo la nipetraky teo amin'ny seza fiandrianany ie sady nana seza fiandriana nandesy ho gnan'ny renin'ny mpanjaka. La nipetraky ankavanany eo ie. 20 Sady hoy ie hoe: " Mba te-hanao fangataha nkely aminao aho, fotony tsy handà gnahy iha." La namaly azy gny mpanjakahoe: "Angataho, ry reniko, fa tsy handàgnanao aho" 21 La hoy ie: "Aleo i Abisaga lay Sonemita mba hatolotsy gnan'i Adonia rahalahinao ho valiny". 22 Namaly i Solomona mpanjaka sady nilaza tamin'ny reniny hoe: " Nagnino iha ro mangataky gnan'i Abisaga Sonemita ho gnan'i Adonia? Nagnino iha ro tsy nangataky gny fanjaka ho gnazy koa, fotony ie ro talagnolo_ho gnazy, ho gnan'i Abiatara mpisoro,sady ho gnan'i Joaba anakilahin'i Zeroia va? 23 Bakeo la nianiana tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka, nanao hoe: "Enga anie Ndranagnahary hanao zay amiko, sady nandilatsy anio, laha tsy nanohitsy gny ainy tamin'io safa io i Adonia. 24 Ka noho izay laha mbo velo koa i Yaveh, zay nametraky ahy voho nanao ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, sady fa nagnamboatsy tragno ho ahy araky gny nampanantenainy tamiko, la azo antoky fa hovonoa i Adonia henanio" 25 Ka la nagniraky gnan'i Benaia anak'i Joiada i Solomona mpanjaka, sady nahita gnan'i Adonia i Benaia ka namono azy. 26 Bakeo la hoy Abiatara mpisoro tamin'ny mpanjaka hoe: " Mandehana agny Anatota, agny amin'ireo sahanao. Fa mendriky gny ho faty iha, fa ingo tsy hagneky anao ho maty amin'izao fotoa zao aho, fotony nanday gny fiaran'i Yaveh tompo teo agnatrehan'i Davida raiko iha sady nijaly tamin'ny fomba iaby nijalian'ny raiko" 27 Ka niroasin'i Solomona tsy ho mpisoron'i Yaveh i Abiatara,ka mety hagnantateraky reo safan'i Yaveh ie, araky zay fa noresahiny momba gny longon'i Ely tao Silo. 28 Avy tagny amin'i Joaba reo vaovao, fa Joaba niaro gnan'i Adonia, fa tsy niaro gnan'i Absaloma. Ka nilay tagny amin'ny tragno lain'i Yaveh i Joaba sady nitanjaky gny tandroky gny alitara. 29 Nosafagniny tamin'i Solomona mpanjaka fa i Joaba la nilay agny amin'ny tragno lain'i Yaveh sady eo agnilan'ny alitara henanio. Bakeo la nagnaraky gnan'i Benaia anak'i Jehodia i Solomona, nanao hoe: " Mandehana , vono ie." 30 Sady avy agny amin'ny tragno lain'i Yaveh i Benaia sady nisafa taminy hoe: " Hoy gny mpanjaka hoe: Miboaha" Namaly i Joaba hoe: " Tsia, ho maty eto aho". Ka la nimpoly tagny amin'ny mpanjaka i Benaia, nanao hoe: " Nisafa i Joaba fa ta-ho maty ao amin'ny alitara hoy ie " 31 La hoy gny mpanjaka tamin'ny: Ataovo zay volagniny. Vono ie sady alevegno mba hahatonga anao miala amiko voho amin'ny avorohotan'ny raiko gny rà zay nalatsak'i Joaba tamin'ny tsy misy antony. 32 Enga anie i Yaveh hampipoly gny rany ho eo an-dohany, fotony nanafiky johary roe feno fahamarina voho soa noho gny vatany ie sady namono an-drozy tamin'ny sabatsy, la i Abnera anaky lahin'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, voho Amasa anaky lahin'i Jetera, filohan'ny tafik'i Joda, sady tsy nahay gnan'io i davida raiko. 33 Ka enga anie gny lion-drozy himpoly egny an-dohan'i Joaba voho egny an-dohan'ireo avorohotany mandrakizay. Fa amin'i Davida voho reo avorohotany, amin'ny longony, sady amin'ny seza fiandrianany ,la enga anie hisy fiadagna mandrakiza bakamin'i Yaveh." 34 Bakeo i Benaia anak'i Jehodia niakatsy sady nanafiky gnan'i Joada ka namono azy. La nalevy tagny amin'ny tragnony tagny agn'efitry avao ie. 35 Gny mpanjaka la nametraky gnan'i Benaia anak'i Joiada teo amin'ny tafiky hisolo gny toerany, sady nametraky gnan'i Zadoka mpisoro tagny amin'ny toeran'i Abiatara. 36 Bakeo gny mpanjaka la nagniraky sady nampikaiky gnan'i Simey, sady nisafa taminy hoe: " Magnoregna tragno raiky agny Jerosalema iha sady mipetraha agny, fa ka miboaky ao amin'izay magnagny amin'ny toera hafa. 37 Fa amin'ny andro zay hiboahanao, voho handalovanao egny amin'ny lohasahan-driaka kidrona,la fantaro vatany fa ho vonoa vatany iha. Ho eo amin'ny lohanao gny rànao." 38 Ka hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: " Soa zao resanao zao. Araky zay nosafagnin'ny mpanjaka tompoko, la hataonao mpanomponao." La nitoetsy tagny Jerosalema nandritra gny andro maromaro i Simey . 39 Fa lafa tapitsy gny telo tao, la nilay tagny amin'i Akisa anak'i Maka mpanjakan'i Gata mpanompo roe gnan'i Simey. K niresaky tamin'i Simey rozy, nanao hoe: " Ingo, reo mpanomponao la agny Gata." 40 La nitsanga i Simey, sady nagnisy lasely gny boriky ka nandeha tagny amin'i Akisa tagny Gata mba hila reo mpanompony. La nandeha ie sady nandesiny nimpoly bakagny Gata reo mpanompony . 41 Lafa nilaza i Solomona fa i Simey nandeha niala tagny Jerosalema ho agny Gata sady fa nimpoly. 42 La nagniraky voho nampikaiky gnan'i Simey gny mpanjaka, sady nanao taminy hoe: Tsy fa nampitandrina anao tamin'i Yaveh va aho sady nijoro vavolombelo taminao, nanao hoe: " Fantaro tanteraky zay andro hiboahanao voho handehananao agny amin'ny tanà hafa, fa ho maty vatany iha? Bakeo la hoy iha tamiko hoe: " Soa zao resanao zao". 43 Nagnino ary iha ro tsy mità gny fiaignanao tamin'i Yaveh voho baiko zay nameako anao? 44 Hoy koa gny mpanjaka tamin'i Simey: Hainao ao am-ponao reo hasoam-pagnahy iaby zay nataonao tamin'i Davida raiko noho zay la ampolin'i Yaveh eo agnabony lohanao gny hasoam-pagnahinao. 45 Fa ho tahy i Solomona mpanjaka sady gny seza fiandrian'i Davida la hapetraky eo agnatrehan'i Yaveh mandrakizay". 46 Bakeo gny mpanjaka nagnome baiko tamin'i Benaia anakilahin'i Joiada. La niboaky ie sady nagnome gnan'i Simey. Ka la napetraky soa teo an-tagnan'i Solomona gny fitondra.