Chapter 16

1 Avy tamin'i Jeho anak'i Hanany gny tenin'i Iaveh hanohitsy gnan'i Basa,nanao hoe: 2 "Ndra la fa nanaisotra anao hiala amin'ny tany aza aho voho nanao anao ho mpitariky eo amin' Israely vahoakako,la fa nagnaraky gny fomban'i Jeroboama iha sady nampanota gnan'i Israely vahoakako,mba hampasiaky ahy amin'ny fahotan-drozy. 3 Ingo,haringako tanteraky i Basa voho gny avorohotany sady hanao gny avorohotanao ho manahaky gny avorohotan'i Jeroboama anak'i Nebeta aho. 4 Hohanin'ireo alika gny olon'i Basa zay maty ao an-tanà,sady reo voron'ny lagnitsy la hihina gny maty agny ambahibo". 5 Gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'i Basa,zay nataony,voho gny heriny,moa va regny tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan' Israely reo? 6 Nimaty niaraky tamin'ireo razambeny i Basa sady nalevy tagny Tirza,sady Elaha anany ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 7 La avy nanohitsy gnan'i Basa voho gny avorohotany gny safan'i Iaveh tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany anak'i Hanany,amy gny raty iaby zay nataony teo amason'ilay Iaveh,mba hampasiaky azy amin'ny asan'ny tagnany,manahaky gny avorohotan'i Jeroboama,sady fotony fa namono gny avorohotan'i Jeroboama iaby avao koa ie. 8 Tamin'ny faha roapolo eninamby tao nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,la nanomboky nanjaka teo amin'ny Israely tagny Tirza i Ela ank'i Basa;nanjaka nandritra gny roe tao ie. 9 Zimry mpanompony,kapitenin'ny antsasaky gny kalesiny,la nitetiky hanohitsy azy.Sady tagny Tizra i Ela,nampimamo gny vatany ao an-tragnon'i Arza, zay teo amin'ny avorohrtan'i Tirza. 10 La nilitsy i Zimry,nanafiky voho namono azy,tamin'ny faha roapolo fitoamby tao nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,ka lasa mpanjaka nisolo gny toerany. 11 Lafa nanomboky nanjaka voho napetraky teo amin'ny seza fiandrinany i Zimry,la namono gny avorohotan'i Basa iaby ie.Tsy nagnenga lehilahy raiky tamin'ny longo voho naman'i Basa ho velo ie. 12 Ka naravan'i Zimry gny avorohotan'i Basa manontolo,araky gny safan'i Iaveh nolazainy hanohitsy gnan'i Basa tami'ny alalan'ny Jeho mpaminany, 13 nohon'ny fahotan'i Basa iaby voho gny fahotan'i Ela anany zay nataon-drozy,voho gny nitarihan-drozy gny Israely hanonta,mba ho nahafahan-drozy nihantsy gnan'i Iaveh, lay Ndranagnaharin' Israely,mba hasiaky amin'ny sampin-drozy. 14 Gny amin'ireo raha mahakasiky gnan'i Ela,zay iaby nataony,moa va regny tsy fa voasoratsy tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan' Israely? 15 Tamin'ny faha roapolo fitoamby nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,la nanjaka tagny Tirza nandritra gny fito andro i Zimry.Sady nitoky tao Gibetona,zay gnan'ireo Filistiana gny tafiky. 16 Ireo tafiky nitoby tagny la nandre lay teny hoe: "Nikonokonona i zimry sady fa namono gny mpanjaka." Ka tamin'io andro io tagny an-toby gny Israely iaby la nagnambara gnan'i Omry,ho mpifehy gny tafiky,ho mpanjaka eo amin' Israely. 17 Nandeha niakatsy bakagny Gibetona i Omry voho reo Israely manontolo niaraky taminy,sady nanao fahirano gnan'i Tirza rozy. 18 Lafa hitan'i Zimry fa fa azo gny tanà,la nilitsy tao amin'ny fiarova mare zay nikamba tamin'ny lapan'ny mpanjaka ie sady nagnoro gny tragno teo aminy;tamin'io fomba io ro nahafatesany tao agnaty bolo. 19 Io la nohon'ny fahota vitany tamin'ny fanova zay teo amason'i Iaveh,tamin'ny fagnaraha gny fomban'i Jeroboama voho tamin'ny fahota zay fa nataony,mba hitariky gny Israely hanonta. 20 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Zimry voho reo fivadiha zay nataony,moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan' Israely? 21 Bakeo la nizara ho antoko roe reo fokonolon' Israely.Nagnaraky gnan'i Tibny anak'i Ginata gny antsasaky gny fokonolo,mba hanao azy ho mpanjaka,sady gny antsasany nagnaraky gnan'i Omry. 22 Fa nahery noho reo olo magnaradia gnan'i Tibny anak'i Ginata reo olo nagnaradia gnan'i Omri.Ka maty i Tibnia; sady lasa mpanjaka i Omri. 23 Nanomboky nanjaka teo amin'ny Israely tamin'ny hafa telopolo tao nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda i Omry,sady nanjaka nandritra gny folo roamby tao.Nanjaka tagny Tirza nandritra gny enin-tao ie. 24 Niviliny tamin'i Samera tamin'ny talenta volafoty roe gny havoan'i Samaria.Nagnory tanà teo amin'ilay havoana ie sady nanao gny agnaran'ny tanà hoe Samaria,araky gny agnaran'i Samera,lay tompon'ny havoa taloha. 25 Nanao zay raty teo amason'i Iaveh i Omry sady raty fagnahy mihoatsy zay iaby teo alohany. 26 Fa nandeha tamin'ny lalagna iaby gnan'i Jeroboama anak'i Nebata voho gny fahotany zay nitarihany gny Israely hanonta,mba hiantsy gnan'i Yaveh,lay Ndranagnaharin' Israely,mba hasiky amin'ny sampin-drozy zay tsy misy dikany ie. 27 Laha gny amin'ny raharaha hafa manakasiky zay nataon'i Omry,voho gny hery zay nasehony,moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan' Israely va reo? 28 Ka la nimaty niaraky tamin'ireo razany i Omry sady nalevy tagny Samaria sady Ahaba anany lahy ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 29 Tamin'ny telopolo valoamby tao nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,la nanomboky nanjaka teo amin'ny Israely Ahaba anak'i Omry. Nanjaka teo amin'ny Israely tao Samaria nandritra gny roapolo roamby tao i Ahaba anak'i Omry. 30 Nanao zay raty amason'i Iaveh i Ahaba anak'i Omry,mihoatsy noho reo iaby zay teo alohany. 31 Raha tsy nisy dikany tamin'i Ahaba gny nandeha tamin'ny fahotan'i Jeroboama anak'i Nebata,ka la nalany ho valiny i Jezebela anak'ampelan'i Etibala,mpanjakan'ireo Sidoniana;nandeha sady nanompo gnan'i Bala ie ka niankohoka taminy. 32 Nagnory alitara ho gnan'i Bala tao an-tragnon'i Bala ie,zay naoriny tagny Samaria. 33 La nagnamboatsy baon' Aseraha i Ahaba.Mbo nanao mandilatsy noho zay io aza i Ahaba mba hampasiaky gnan'i Yaveh,lay Ndranagnaharin' Israely,mihoatsy gnan'ireo mpanjakan' Israely iaby talohany. 34 Nandritsa gny fitondran'i Ahaba, la nampipoly nagnory gnan'i Jeriko i Hiela bakagny Betela. Hiela la nametraky gny fototsy gny tana tamin'ny ain'i Abirama, anany lahimatoany; sady Segoba, faralahiny; la namoy gny ainy laha nagnoregnany reo vavahadin'ny tana, araky gny safan'i Yaveh zay nolazainy tamin'i Josoa anak'i Nona.