Chapter 14

1 Tamin'io fotoa io la narary mare Abia anakilahin'i Jeroboama. 2 Hoy i Jeroboama tamin'ny valiny hoe: "Mitsangana lahy sady magnovà endriky mba tsy ho hay gny olo fa valiko iha,sady mandehana agny Silo,fa agny ro misy gnan'i Ahia mpaminany,ie lay niresaky momba ahy,nilaza fa ho lasa mpanjakan'ireo olo reo aho. 3 Magnandesa mofo folo,mofo mamy tsy ampiampy,voho tantely ray tavoara,sady mandehana agny amin'i Ahia,hilaza aminao zay hitranga amin'io zaza io ie." 4 Nataon'ny valin'i Jeroboama io,la lasa ie sady nagnagny Silo,sady avy tao antragnon'i Ahia.Sady tsy nihina i Ahia;tsy nahita sasy ie nohon'ny fahanterahany. 5 Hoy i Iaveh tamin'i Ahia hoe: " Ingo ho avy eto aminao gny valin'i Jeroboama mba hila toro hevitsy mahakasiky gny anakilahiny,fotony marary ie.Zao sy zao volagny azy,fotony lafa avy ie,la mody hanao manahaky gny ampela hafa ie. 6 Lafa ren'i Ahia gny feon'ny tombony laha ie hilitsy gny varavagna igny,la hoy ie hoe: "Mandrosoa ry valin'i Jeroboama.Nagnino iha ro mody nanao olo hafa? Nirahy hilaza vaovao raty ho anao. 7 Mandehana,lazao Jeroboama fa i Iaveh,lay Ndranagnaharin' Israely,la nivola hoe: 'Nasandratro tamin'ireo olo iha mba hahatonga anao ho mpitarika gny vahoakan' Israely. 8 Nalako teo amin'ny fianakavian'i Davida gny fanjaka sady nameako anao io,nefa iha la tsy manahaky gnan'i Davida mpanompo Davida,zay niamby gny liliko sady nagnaraky ahy fony manontolo,mba tsy hanao afa-tsy gny marina eo amasoko. 9 Fa iha koa nanao raty,nandilatsy reo ze manoloa anao.Iha la nanao Ndranagnahary hafa,nanao sarin-javatra an-idina mba hampasiaky ahy,sady nanilika ahy ho andambosinao ao. 10 Noho io,ingo,handay loza amin'ny fianakavianao aho;handrava gny zaza johary iaby ao Israely aho,ndra gny andevo ndra gny afaky,sady handrava vatany gny avorohotanao,nanahaky gny olo magnoro zeziky mandram-pahalevonan'io . 11 Na ia ia gnan'ny avorohotanao zay maty ao amin'ny tanà la ho hanin'ireo alika sady na ia ia maty any am-bahiboho la ho hanin'ireo vohon'ny lagnitsy fotony izaho,Iaveh ro fa nivola io. 12 Ka mitsangàna,ry valin'i Jeroboama sady molia agny an-tragnonao; lafa militsy ao amin'ny tanà gny tombokao,la ho maty i Abia. 13 Hisaona handevy azy gny Israely iaby.Ie raiky bakamin'ny avorohatan'i Jeroboama halevy ao agnaty fasana,fotony tao aminy raika avao,bakao amin'ny an-tragnon'i Jeroboama,ro nahita raha soa teo imason'i Iaveh,lay Ndranagnaharin'Israely. 14 Iaveh avao koa la hanandratsy mpanjakan' Israely raiky zay handrava gny avorohotan'i Jeroboama amin'io andro io.Androany io andro io,izao dieny zao. 15 Iaveh la hanafiky gnan'Israely manahaky gny volotara hozongozognin'ny rano,sady ie hagnamboatsy gnan' Israely hiala eo amin'io tany soa zay nameany gny razam-ben-drozy io. Hagnaparitaky an-drozy agny an-dafin'ny onin'i Egypta ie,fotony nanao baon'Aseraha rozy sady nampasiaky gnan'i Iaveh. 16 Ie la hagnenga gnan' Israely amin'ny fahotan'i Jeroboama,reo fahota zay nataony,voho nitarihany gnan' Israely mba hanota . 17 la nitsanga gny valin'i Jeroboama ka nandeha,sady avy tao Tirza.Laha avy teo an-tokonam-baravagnan'ny tragnony ie, la maty lay zaza. 18 Nandevy voho nisaona azy gny Israely manontolo,araky gny efa nolazaina tamin-drozy araky gny tenin'i Iaveh zay nambarany tamin'ny alalan'ny Ahia MPminany mpanompony. 19 Sady reo raha hafa mahakasiky gnan'i Jeroboama,gny nagnakarama aly voho nanjakany,la ingo nosorata tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan' Israely. 20 Nanjaka roapolo roamby tao Jeroboama sady maty niaraky tamin'ireo razambe,sady nadaba anany johary ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 21 Sady Rehoboama anak'i Solomona ro nanjaka,tao Joda.efapolo raikamby tao Rehoboama ro lasa mpanjaka,sady nanjaka folo fitoamby tao Jerosalema ie,lay tanà zay nofilin'i Iaveh tamin'ny fokon' Israely iaby hametraha gny agnarany.Gny agnaran'ny reniny la nnma lay Amonita. 22 Nanao zay raty teo amason'i Iaveh i Joda,nampiteraky faralahy ho azy gny ota nataon-drozy,mihoatsy noho gny raha iaby zay fa nataon'ny razamben-drozy . 23 Fa rozy reo avao koa la nagnamboatsy toera abo ho gnan'ny vatan-drozy,tsangam-bato,sady baon'Aseraha manera gny havoana voho gny ambany hazo maintso. 24 Nisy koa reo fahavetaveta fataon'ireo firenena zay norosoan'i Iaveh teo agnatrehan'ny vahoakan' Israely rozy. 25 Sady tamin'ny fahadimy tao nanjakan'i Reboama mpanjaka ro avy nanafiky gnan'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta. 26 Nalany iaby reo hanagna tao an-tragnon'i Iaveh,voho reo hanagna tao an-tragnon'i mpanjaka.Nalany iaby reo hanagna manontolo;nalany avao koa reo ampinga volamena iaby zay nambaran'i Solomona. 27 Nanao ampinga varahy teo amin'ny toerany rozy avao koa i Reboama mpanjaka sady nagnanky reo teo an-tagnan'ireo mpifehy gny mpiamby,zay niamby gny varavaragnan'ny tragnon'ny mpanjaka. 28 Isaky gny nilitsy tao an-tragnon'i Iaveh gny mpanjaka,la nolanjan'ireo mpiamby reo;sady nandesin-drozy nimpoly tao amin'ny tragnon'ny mpiamby 29 Sady reo raha hafa mahakasiky gnan'i Rehoboama,voho zay nataony iaby,moa va tsy fa voasoratsy ao agnatin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda reo? 30 Nisy aly sanandro teo amin'i Rehoboama voho Jeroboama. 31 Ka nimaty niaraky tamin'ireo razambeny i Rehoboama sady niaraky nalevy tamin-drozy reo tao amin'ny tanan'i Davida.Gny agnaran'ny reniny la i Nama Amonita .Abia anany lahy ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.