Toko faha 13

1 Nisy lehilahin-Dranagnahary bakagny Joda avy tao Betela aminy gny safan'i Yaveh.Nijoro teo agnilan'ny lay alitara i Jeroboama mba hagnoro ditin-kazo magnitsy. 2 Nihikiaka tamin'ny alitara amy gny safan'i Iaveh ie hoe :"Alitara! Alitara! Izao ro ambaran'i Iaveh hoe :"Ingo,hisy lehilahy atao hoe Josia hateraky amin'ny fianakavian'i Davida,sady eo aminao ro hagnanaovany soro mpisoro amin'ny toera abo mare zay magnoro ditin-kazo magnitsy eo aminao zao.Nagnoro taolan'olombelo eo aminao rozy ." 3 Bakeo lay lehilah-dragnahary nagnome famantara gny androtr'iny avao,nanao hoe :"Izao ro famantara nosafangin'i Iaveh :"Ingo,hiparitaky gny alitara,sady hiraraky gny lavenoky eo aminy." 4 Lafa ren'ny mpanjaka zay nolazain'ilay lehilah-Dranagnahary,fa nikaiky mare nanohitsy gny alitara tao Betela ie,la naninjitra gny tagnany bakeo amin'ny alitara i Jeroboama,nanao hoe :"Samboro ie "bakeo maty lay tagna zay nahinjiny tamin'ny lay lehilahy,ka tsy afaky nampimpoly io tamin'ny vatany ie. 5 (Niparitaky ao koa lay alitara sady niraraky bakeo amin'ilay alitara gny lavenoky,araky gny voafaritr'ilay famantara zay nomen'ilay lehilahin-Dranagnahary nohon'ny safan'i Iaveh.) 6 Namaly Jeroboama Mpanjaka sady nivola tamin'ilay lehilahin-Dranagnahary hoe :"Mangataha sitraky amin'i Iaveh Ndranagnaharinao,sady mivavaha ho ahy,mba hampoly amiko ndraiky gny tagnako."Nohon'io la nivavaky tamin'i Iaveh lay lehilahin-Dranagnahary,sady nimpoly tamy gny laoniny ndraiky gny tagnan'ny mpanjaka,sady lasa manahaky gny taloha. 7 Hoy gny mpanjaka tamin'ilay lehilahin-Dranagnahary hoe:"Andao holy miaraky amiko ka hangalaky tsiotsioky,sady hameako valisoa iha ." 8 Hoy lay lehilahin-Dranagnahary tamin'ny mpanjaka hoe:"Ndra la homeanao ahy aza gny antsasaky gny fanagnanao,la tsy handeha hiaraky aminao aho na hihinan-kany na hino rano amy toy toera toy aza, 9 Fotony Iaveh nandidy ahy tamin'ny teniny hoe :"Tsy hihina mofo na hino rano iha,na himpoly amin'ny lala hafa zay nihavianao." 10 Nohon'io la nandeha tamin'ny lala hafa lay lehilahin-Dranagnahary sady tsy nimpoly tagny an-tragnony tamin'ny lala zay nandehanany ho agny Betela. 11 Sady nisy mpaminany antsitsy raiky nipetraky tao Betela,sady avy gny raiky tamin'ireo anakilahiny ka nivola taminy gny raha iaby zay vitan'ilay lehilahin-Dranagnahary tao Betela tamin'io andro io.Nolazain'ny gnanany taminy koa reo teny zay nolazain'ilay lehilahin-Dranagnahary tamin'ny mpanjaka. 12 Hoy gny rain-drozy tamin-drozy hoe :"Aia ro lala nandehanany ?" Sady hitan'ilay anany gny lala nandehanan'ilay lehilahin-dranagnahary bakagny Joda. 13 Noho io la hoy ie tamin'ireo gnanany lahy hoe: "Asio lasely ho ahy gny boriky ".Ka la nasian-drozy lasely lay boriky sady nondranany io. 14 Nagnaraka lay lehilahin-Dranagnahary lay mpaminany antitsy ka nahita azy nipetraky teo ambonin'ny hazo terebinta ,sady hoy ie taminy : " Iha va lay blehilahin-dranagnahary bakagny Joda? La namaly ie hoe: "Izaho ndrindra." 15 Bakeo nivola taminy lay mpaminany antitsy hoe: "Andao hisondry amiko agny an-tragno sady hihinan-kany." 16 La namaly lay lehilahin-Dranagnahary hoe: "Tsy afaky himpoly hisondry aminao aho na hilitsy hiaraky aminao,na hihinan-kany na hino rano miaraky aminao amin'io toera io. 17 Fotony nandidiana ahy tamin'ny tenin' Iaveh io hoe: " Tsy mahazo mihina sakafo na mino rano agny iha,na mimpoly amin'ny lala zay nandehanana." 18 La hoy lay mpaminany antitsy taminy hoe: "Mpaminany manahaky anao koa aho,sady nisy anjely niresaky tamiko noho ny tenin' Iaveh,nanao hoe: " Andeso mimpoly agny an-tragnonao misondry aminao ie,mba hahafahany mihinan-kany voho minon-drano." Kanefa navandy tamin'ilay lehilahin-Dranagnahary ie. 19 Noho io la nandeha nimpoly hisondry tamin'ilay mpaminany antitsy lay lehilahin-Dranagnahary sady nihinan-kany tao an-tragnoko voho ninon-drano . 20 Laha nipetraky teo an-databo rozy,la avy tamin'ilay mpaminany zay nanday azy nimpoly gny tenin'i Iaveh, 21 sady nihikiaka tamin'ilay lehilahin-Dranagnahary zay avy agny Joda ie,nanao hoe: " Hoy Iaveh hoe:' Fotony tsy nankato gny tenin' Iaveh iha sady tsy nitandry gny lily zay nomen'i Iaveh anao, 22 Fa nimpoly voho nihinan-kany voho nino rano tao amin'ilay toera zay nolazain' Iaveh anao mba tsy hihina hany na hinima rano,la tsy halevy agny amin'ny fasan'ireo razambenao gny vatanao. " 23 Lafa baka nihinan-kany voho lafa baka ninondrano ie ,la nasian'ilay mpaminany lasely gny borikin'ilay lehilahin-Dranagnahary,lay lehilahin-Dranagnahary,la ny liona nifagnojy taminy tegny an-dala sady namono azy,ka nenga teo an-dala gny fatiny.Bakeo lay boriky nijoro teo agnilan'io,sady gny liona avao koa la nijoro teo agnilan'ilay faty. 25 Lafa nandalo teo gny olo ka nahita lay faty tavela teo an-dala,sady gny liona nijoro teo agnilan'ilay faty,la nandeha rozy sady nivola io tany amin'ny tana zay nipetrahan'ilay mpaminany antitsy . 26 Lafa ren'ilay mpaminany zay nanday azy nimpoly tamin'ny lala io,la hoy ie hoe: "Lay lehilahin-Dranagnahary zay tsy nagnaraky gny tenin'i Iaveh io.Noho io la nomen'i Iaveh gny liona ie,zay namiravira azy voho namona azy,araky gny nampitandreman'ny tenin'i Iaveh azy." 27 Ka niresaky tamin'ireo anany lahy lay mpaminany ,nanao hoe: "Asio lasely gny borikiko ;la nasian-drozy lasely io. 28 Nandeha ie sady nahita lay faty tavela tegny an-dala,sady lay boriky voho lay liona nijoroteo agnilan'ilay faty.Tsy nohanin'ilay liona lay faty,na novonoany lay ampondra. 29 Nalan'ilay mpaminany gny fatin'ilay lehilahin-Dranagnahary,nampandriany teo amin'ilay boriky io,sady nandesiny nimpoly.Avy tagny amin'ny tanàny manokana ie mba hisaona voho handevy azy. 30 Nampadriany tao amin'ny lolony manoka lay faty,sady nisaona azy rozy,nanao hoe: "Indrisy,ry rahalahiko! " 31 Lafa avy nandevy azy rozy,la niresaky tamin'ireo anany lahy lay mpaminany antitsy,nanao hoe: "Lafa maty aho,la alevegno ao amin'ny lolo zay nandevegna gnan'ilay lehilahin-Dranagnahary.Ampandrio eo agnilan'ny taolany gny taolako. 32 Fotony gny hafatsy zay nambarany nohon'ny tenin'i Iaveh tamin'ny alitara tao Betela voho tamin'ireo tragno iaby agny amin'ny toera abo agny amin'ireo tanànan'i Sararia, la hidranga tokoa." 33 Tafaran'io la tsy niala tamin'ny fomba ratiny i Jeroboama,fa mbo nanohy nanondro mpisoro bakamin'ny karazan'olo ho amin'ny toera agnabo io. Zay te-hanompo la natokany ho mpisoro. 34 Lasa fahota tamin'ny fianakavian'i Jeroboama voho nahatonga gny fianakaviany ho potiky voho ringa teto ambonin'ny tany io.