Chapter 10

1 Lafa nahare gny lazan'i Solomona momba gny agnaran'i Yaveh gny mpanjakavavin'i Sheba ,la avy hitsapa azy amin'ny fagnontania sarotsy ie. 2 Avy tagny Jerosalema niaraky tamin'ny rodobe lava nisy nameva manday ranomagnitsy ,volamena llako ,sady vato sarobidy rako ie .Lafa avy ie ,la nambarany tamin'i Solomona zay tagnaty fony. 3 Nivalin'i Solomona gny fagnontaniany iaby.Tsy nisy tsy voavalin'ny mpanjaka gny fagnontanian'ny. 4 Lafa nahita gny fahendren'i Solomona iaby gny mpanjaka ampelan'i Sheba,gny lapa zay naoriny, 5 Gny hany tandatabony teo,gny sezan'ny mpanompony ,gny asan'ireo mpanompony voho gny fiaikinan-drozy,sady gny mpanday gny kapoakiny avao koa,voho gny fomba nanolorany fagnatitsy oroa tao an-tragnon'i Yaveh,la tandregna tokoa ie. 6 Hoy ie tamin'ny mpanjaka "marina tokoa ,lay tatitsy zay jako tagny amin'ny taniko mahakasiky gny safanao voho gny fahendrenao. 7 Tsy nino aho laha tsy avy tatoy,sady nahita maso anio aho henanio.Tsy ampy antsasany amin'ny fahendrea voho hanagnanao ro voatantara tamiko! Nandilatsy zay lazanao. 8 Sambatsy reo valinao,sady sambatsy avao koa reo mpanomponao zay minjano magnatriky anao sanandro,fotony maharè gny fahendrenao rozy. 9 Horengea anie i Yaveh Ndranagnaharinao ,zay mahita sitraky aminao, voho nametraky anao teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely.Fotony tian'i Yaveh mandrakizay Israely,nataony mpanjaka iha,mba hanovanao gny rainy voho gny fahamarina!" 10 Nameany talenta volamena 120 sady raha magnitsy maro voho vato sarobidy gny mpanjaka.Tsy nisy nagnome raha magnitsy maro manahaky an'ireo zay nomen'i mpanjaka ampelan'i Sheba gnan'i Solomona mpanjaka sasy . 11 Sady gny andian-tsambon'i Hirama,zay nanday volamena avy tany Ofira.nanday hazo almoga voho vato sarotsy maro avao koa. 12 Nataon'ny mpanjaka tsangam-bato ho gnan'ny tragnon'i Iaveh voho gny lapan'ny mpanjaka,sady lokanga voho valiha ho gnan'ireo mpiantsa gny hazo almoga.Tsy nisy hazo almoga maro manahaky an'io avy na jery sasy mandraka androany 13 namean'i Solomona Mpanjaka zay iaby niriny gny mpanjaka ampelan'i Sheba, na ino ino nangatahiny,miampy gnan'izay fanomen'i Solomona azy amin'ny fanomen'i mpanjaka.ka la nimpoly tamin'ny taniny niaraky tamin'ireo mpanompony ie. 14 Sady gny volamena bakao amin' ny Solomona tao agnatin' ny herintao la talenta volamena milanja 666, 15 afa-tsy gny volamena nandesin' ireo mpanakalo voho mpamarotsy. Reo mpanjaka iaby tagny Arabia voho reo Governora tao amin'ny firenena avao koa la nanday volamena voho volafoty tagny amin' i solomona. 16 Nanao ampinga bevata roanjato vita tamin'ny volamena voatefy i solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato ro nanao raiky tamin' io. 17 Nanao ampinga telonjato vita tamin'ny volamena volatefy avao koa ie. Ka volamena telo mane ro nanaova gny raiky ampinga; napetraky gny mpanjaka tao amin'ny lapan'ny alan' i Libanona reo. 18 Sady nanao seza fiandriana ivory bevata gny mpanjaka sady nofognosany tamin'ny volamena faran'izay matify io. 19 Niry antagna tohatsy eny nagneo amin'ny seza fiandriana,sady boribory gny fiankinany.Nisy fametrahan-tagna saky gny sisiny sezy,sady liona roe mitsanga eo agnilany. 20 Liona folo roamby eo nitsanga teo amin'ireo antagnan-tohatsy, raiky saky gny sisin'ny antanagnan-tohatsy eny.Tsy nisy seza fiandriana manahaky an'io teo amin'ny firenena hafa iaby . 21 Gny kopy finoman'i Solomona mpanjaka iaby la vita tamin'ny volamena tsy misy fangarory iaby.Tsy nisy volafoty reo,fotony tsy noraisiny ho sarobidy io tamin'ny andron'i Solomona. 22 Nana andian-tsambo mpitety riaky gny mpanjaka,niaraky tamin'ny andian-tsambon'i Hirama.Ndraiky mandeha agnatin'ny telo tao ro nanday volamena'volafoty, sady ivony reo andian-tsambo,sady rajako voho gidro avao koa . 23 Nihoatsy tamin-kanagna voho tamin'ny fahendrea noho gny gnan'ireo mpanjaka iaby teto an-tany gny gnan'i Solomona mpanjaka. 24 Nila gny hifagnatriky tamin'i Solomona gny tany raiky manontolo mba hijanjy gny fahendreny,zay napetrakin-Ndranagnahary tao am-pony. 25 Nanday fagnomeza reo zay namangy,enta volafoty voho volamena,sady akanjo,akanjo fiarova, sady raha magnitsy soavaly voho ampondra avao koa,isan-tao isan-tao. 26 Namory kalesy voho mpanday soavaly i Solomona. Nana kalesy 1.400 voho mpanday soavaly raiky sy roarivo ie zay najanony tao amin'ny tanà fipetrahan'ny kalesy voho niaraky taminy tagny Jerosalema. 27 Nana volafoty tao Jerosalema gny mpanjaka, maro manahaky vato teo amin'ny tany io. Nataony maro manahaky hazo aviavy tegny amin'ny tany lemaky gny hazo sedera. 28 Nana soavaly zay niviliny tagny Egypta voho Silisia i Solomona.Novilin'ny mpamarotsy gny mpanjaka isan'andian-drozy, sady samy nana gny viliny iaby gny andiany raiky.Gny kalesy la tagny ivelan'i Egypta ro novily sady sekely volafoty eninjato gny raiky,sady soavaly 150 sekely gny raiky.Maro tamin'ireo ro namily tamin'ny mpanjakan'ny Hetita voho gny mpanjakan'ny Syriana iaby.