Toko faha 26

1 Reto iaby gny fizaran'ny gny mpiamby vavahady reo: bakami-Koraita reo, Meselemia gnanaky lahin'i Kore, taranak'i Asafa. 2 Meselemia la nana-gnanaky lahy: Zakania ro talagnolo, Jediaelaro faharoa, Zebadia ro fahatelo, Jamiela ro fahaefatry, 3 Elama ro fahalimy, Johanana ro fahaeny, Elihoenay ro fahafito. 4 Obed-edoma la nana gnanaky lahy: Semaia ro talagnolo, Jozabada ro faharoe, Joa ro fahatelo, vo Sakara ro fahaefatry, la Netanela ro fahalimy, 5 Amiela ro fahaeny, Isakara ro fahafito, Peoletahy ro fahavalo, gnantony tinahi-Ndranagnahary Obed-edoma. 6 La Semaia gnanany la niteraky johary ze nanapaky tami-gny longon-drozy; Rozy la johary nana fahaiza-manao maro. 7 Gnanaky lahin'i Semaia reo la: Otny, Rafaela, Obeda vo Elzadada.Longon'i Eliho vo Semakia reo la olo mana fahaiza-manao maro avao koa. 8 Reo iaby reo la taranak'i Obed-edoma. Rozy vo gnanaky lahin-drozy la longony reo la olo mahavita manao gn'andraikiny agny ami-tabernakely fanompoa. Nisy roa ambenim-polo tamin-drozy nifanandrify tamin'i Obed-edoma. 9 Meselemia la nana-gnanaky lahy vo longo, olo manam-pahaiza, valo ambi-folo gny fiharoany. 10 Hosa, taranak'i Merary, la nana-gnanaky lahy: Simry ro mpitariky (ndra tsy talagnolo aza ie, la nataon-drany ho mpitariky), 11 Hilkia ro faharoa, Tabalia ro fahatelo, vo Zakaria ro fahaefatsy. Gnanaky lahin'i Hosa reo vo gny longony marikitry iaby la telo ambi-folo gn'isany. 12 Fizaran'ny mpiamby vavahady reo, mifagnaraky ami-gny mpitariky an-drozy, la nana andraikitry, manahaky longony reo; mba hanompo an-tragnon'i Yaveh ao. 13 Nilika rozy, ndra gny tanora, ndra gn'antitry, mifagnaraky ami-gny longon-drozy, hognan'ny gn'isaky vavahady. 14 Lafa natoraky ho gnan'ny vavahady antignana gny loka, la latsaky tamin'i Selemiaao zay. La nanoraky gny loka ho gnan'i Zakaria gnanaky lahiny rozy, ze mpanolo-tsay hendry, vo gny lokany la niseho ho gnan'ny vavahady avaratry. 15 Gny vavahady antimola tinendry ho gnan'i Obed-edoma, vo gny tragno fagnajaria rotinendry ho gnan'ny gnanaraky lahiny reo. 16 Gny vavahady andrefa ro tinendry ho gnan'i Sapina voHosa miaraky ami-gny vavahadin'ny Saleketa, ami-gny lala miakatry. Voapetraky ho gnan'ny gn'isan-dongo fiambena reo. 17 Tan-tignana agny la nisy Levita eny, gny tagny avaratsy efatry san'andro, gny tagny antimo afatry san'andro, la Johary kirokiroa roa gny tagny ami-gny tragno fagnajaria. 18 Tami-fitsara andrefa ao la nisy soratsy, efatry, efatry tegny ami-gny lala, la roa tami-fitsara ao. 19 Reo ro fizaran'ny mpiamby vavahady reo. Rozy la atriky gny taranak'i Kora vo Merary. 20 Ami-Levita eo, Ahia ro niandraikitry hanagna reo tan-tragno-Ndranagnahary ao, vo gnami-hanagna reo tami-gny raha reo ze gnan'iYaveh. 21 Gny taranak'i Ladana, taranaky bakamin'i Gersona bakami-gnalalany la ze niely gny longon'i Ladana Gersonita igny, la Jehielita vo gnanaky lahiny reo, 22 Zetama, vo Jeila rahalahiny, ze nagnaramaso gny tragno fagnajaria an-tragnon'i Yaveh ao. 23 Nisy mpiamby avao koa voasariky tami-gny fianakaviamben'i Armama, Jizara, Hebroma, vo Oziela. 24 Seboela gnanaky lahin'i Gersona gnanak'i Mosesy, ro mpagnaramaso ami-gny tragno fagnajaria eo. 25 Longony reo bakami-fianakaviamben'i Eliezera la Rehabia gnanaky lahiny, Jesaia gnanaky lahin'i Rehabia, Jorama gnanaky lahin'i Jesaia, Zikry gnanaky lahin'i Jorama, vo Selomota gnanaky lahin'i Zikry. 26 Selomota vo gny longony la niandraikitry gny tragno fagnajaria iaby mita raha reo ze gnan'i Yaveh, ze natokon'i Davida mpanjaka, mpitariky gny fianakavia reo, gny mpamehy gn'arivo vo gny mpamehy gny zato, vo mpamehy gny tafiky reo. 27 Natokan-drozy ze niazo resy tamign'aly ho fahafoiza ho gnan'ny tragnon'i Yaveh. 28 Niandraikitry gnami-raha iaby ze natokan'i Samoela mpagnambara hafatry, Saoly gnanaky lahin'i Kisy. Abnera gnanaky lahin'i Nera, la Joaba gnanaky lahin'i Zeroia ho gnan'i Yaveh avao koa rozy. Gny raha iaby ze voatoka ho gnan'i Yaveh la tambany fiambenan'i Selomota vo longony reo. 29 Gny bakami-taranak'i Jizara, Kenamia vo gnanaky lahiny reo ro niandraikitry gny raharahan'olon-tsotra amin'Israely.Rozy la manamboninahitsy vo mpitsara. 30 Gny bakami-taranak'i Hebrona, Hasabia vorahalahiny reo, la johary mahay 1.700, ro niandraikitry gn'asan'i Yaveh vo gn'asan'ny mpanjaka tan-dafy andrefan'i Jordana rozy. 31 Bakami-taranak'i Hebrona, Jeria ro mpitariky tami-taranakiny reo, voaisaky tami-gny listan'ny gny longony reo. Tami-gny tao faha efapolo nanjakan'i Davida ro nandinihan-drozy gny fandrambesa an-tsoratsy la nahitany johary mahery ta-Jazera ao agny Gileada tamin-drozy eo. 32 Jeria la nana longo 2.700, ze loham-pianakavia mahay. Nataon'i Davida mpiandraikitry tami-gny fokon'i Robena vo Gada reo vo gn'antsasa-pokon'i Manase,ami-gny raha iaby mifotsy Ndranagnahary, vo gnami-gn'asan'ny mpanjaka rozy.