Toko faha 23

1 Lafa antitry Davida la marikitry ho tampitry gn'andro iaignany, la nataony mpanjaka hanapaky gnan'Israely Solomona gnanaky lahiny. 2 Navoriny miaraky mpitariky gn'Israely iaby reo, miaraky tami-pisoro reo vo Levita reo. 3 Levita telo polo tao mandilatsy reo ro nisahy.Niisaky valoarivo sy telo aly rozy. 4 " Amireo la efatr'arivo vohoroa aly roniandraikitry gn'asa tan-tragnon'i Yaveh ao, la enign'arivo manamboninahitsy reo vo mpitsara. 5 Efatr'arivo gny mpiamby vavahady, la efatr'arivo gny mpandrengy gnan'i Yaveh miaraky ami-gny fitaova ze namboariko ho fagnomeza fandrengea: " Hoy Davida. 6 Zinarany ho vondro ze mifagnaraky ami-gnanaky lahin'i Levy reo rozy: Gersona, Kehata, la Merary. 7 Bakami-gny foko reo taranak'i Gersona, ro nisy gnany Ladana vo Simey. 8 Telo gnanaky lahin'i Ladana: Jehiela mpitariky igny, Zetama, la Joela. 9 Telo gnanaky lahin'i Simey: Selomota, Haziela, laHarana. Reo ro mpitariky an'ireo fokon'i Ladana. 10 Efatry gnanaky lahin'i Simey: Jajata,Ziza, Jeosy, laBeria. 11 Jahata ro zokiny mare, la Ziza ro faharoe, fa Jeosy vo Beria koa la tsy mba nana gnanaky lahy maro, ka la natao ho foko raiky mindry asa rozy. 12 Efatry gnanaky lahin'i Kehata: Amrana, Jizara, Hebrona, vo Oziela. 13 Reto iaby gnanaky lahin'i Amrama: Arona vo Mosesy. Voafily ho mpanoka raha masy mare reo Arona, ka ie taranany reo ro hagnome gny ditin-kazo magnitsy agnatrehan'i Yaveh eo, hanompo gnazy la hagnome tsipi-rano ami-gnagnarany zisiky farany. 14 Fa laha gnamin'i Mosesy johary Ndranagnahary igny koa, la natao ho Levita gnanaky lahiny reo. 15 Gnanaky lahin'i Mosesy reo la Gersona vo Eliezara. 16 Gny taranak'i Gersona la Seboela zokiny mare igny, 17 Gny taranak'i Eliezara la Rehabia. Tsy nana-gnanaky lahy hafa Elizara, kanefa Rehabia la nana taranaky maro. 18 Gnanaky lahin'i Jizara la Selamita mpitariky igny. 19 Gny taranak'i Hebrana la Jeria, zokiny mare, Amaria ro faharoa, Jahaziela ro fahatelo, la Jekameama ro fahaefatry. 20 Gnanaky lahin'i Oziela reo la Mika zokiny mare, la Isiah ro faharoa. 21 Gnanaky lahin'i Merary reo la Maly vo Mosy. Gnanaky lahin'i Maly reo la Eliezara vo Kisy. 22 Maty tsy mba niteraky lelahy Eleazara. Gnanak'ampela avao ro nanagnany. Gnanaky lahin'i Kisy reo la nanambaly an-drozy. 23 Gnanaky Mosy telo lahy reo la Maly, Edera, vo Jeremota. 24 Reo ro taranak'i Levy araky gny fokon-drozy. Rozy ro mpitariky, voaisaky la voaisaky araky gnagnaran'ny foko ze nana gn'asa fanompoa tan-tragnon'i Yaveh ao, mamotitry ami-roapolo tao miakatry eo. 25 Fa hoy Davida hoe: " Yaveh Ndranagnaharin'Israely, la fa nagnome fijanogna ho gnan'ny gn'olony. Nataony a-Jerosalema ao zisiky farany gny tragnony. 26 Tsy Handay gny tabernakely vo fitaova fampiasa reo ami-gny fanompoa iaby sasy Levita reo." 27 Fa tamign'alalan'ny safan'i Davida farany ro nagnisaha Levita reo, ropolo tao mihoatsy. 28 Gn'asan-drozy la magnatriky an'ireo Taranak'i Arona ami-gn'asa an-tragnon'i Yaveh ao. Rozy la mikarakara kianja reo, efitragno reo, gny fomba fandiova raha iaby reo ze gnan'i Yaveh, la gn'asa fanompoa hafa an-tragnon-Dranagnahary ao. 29 Rozy avao koa ro mikarakara gny mofon'ny fagnatreha, gny koba soa lisa ho vary fagnatitsy, gny mofo matify tsy masira, fagnatitsy voaendy, fagnatitsy miharo diloilo, la gny fagnefera gny hamaroa vo hamaro an-draha iaby. 30 Nitsanga isaky maraindray avaokoa Rozy mba hisaotry vo handrengy gnan'i Yaveh. Nataon-drozy avaokoa zay gny haliky 31 la ndra mbiambia ro magnatitry fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh, ndra ami-sabata ndra ami-gny fankalaza gny voaloham-bola vo amin'andro fagnasa. Gn'isaky, raikitry, ze voatondron'ny gny lily, la tsy maintsy atoro agnatrehan'i Yaveh eo lalandava. 32 Rozy ro niandraikitry gny tragno lay fihaogna, gny toera masy, la nagnampy taranak'i Arona reo naman-drozy tami-gny fanompoa tan-tragnon'i Yaveh ao.