Toko faha 22

1 Bakeo Davida nisafa hoe: " Eto ro hisy gny tragnon'i Yaveh Ndranagnahary, miaraky amin'ny alitara ho gnan'ny fagnatitsy oroan'Israely." 2 Ka nandily an'ireo mpanompony Davida mba hamory miaraky vahiny reo ze mifitaky agny ami-gny tanin'Israely. Tinondrony rozy mba ho mpamaky vato, mba hamaky an'ireo vato karangana, mba hagnoregna gny tragnon-Dranagnahary. 3 Nagnome vy maro be ho fantsiky gny varavagna mba ho ami-vavahady eo, la aminio vy fagnatia i Davida. Nagnome saba maro nohon'ny ze azo lanja avao koa ie, 4 vo hazo sedera maro tsy voaisaky.( nanday hazo sedera maro be ho gnan'i Davida mba handiniky Sidoniana reo vo Tyriana reo). 5 Hoy Davida hoe: " Solomona gnanaky lahiko la tanora sady tsy manam-pahaiza vo tragno agny ze tokony hamboary ho gnan'i Yaveh la tsy maintsy mahatseriky, mbo halaza vo ho be voninahitsy amireo tany hafa iaby. Ka mikarakara gny fagnoregna an'izay zaho."Noh'izay la nanao fagnomagna bevata i Davida talohan'ny gny nahafatesany. 6 Bakeo la nikaiky gnany Solomona gnanany ie la nandily gnazy hagnory tragno ho gnan'i Yaveh, Ndranagnaharin'Israely igny. 7 Hoy Davida tamin'i Solomona hoe: " Gnanako, fikasako gny hagnoregnako tragno, ho gnan'ny gnagnaran'i Yaveh Ndranagnahariko. 8 Kanefa Yaveh namonjy gnahy la nisafa hoe: ' Fa nandatsaky lio maro tan-tany etoy tagnlako eo iha. 9 Ndra zay aza, hana gnanaky lahy raiky tia filongoa iha. Hagnome gnazy fiala-havozaha ami-fahavalony iaby reo ami-gny lafiny iaby zaho. Fa gnagnarany la hatao hoe: Solomona, la hagnome gnazy fiadagna vo fahangigna ho gnan'Israely amign'aondry reo zaho. 10 Hagnory tragno ho gnan'ny gnagnarako ie. Ho gnanako ie, la ho babany zaho. Hametraky gny seza fiandriagnany fanjakany amin'Israely eo zisiky farany zaho. 11 Henanizao, gnanako, la hitahy gnanao Yaveh Ndranagnaharinao avao iha, araky gny nisafagniny fa hataonao. 12 La hagnome gnanao say vo fahazavan-tsay avao koa Yaveh, mba hagnenkenao gny lalagn'i Yaveh Ndranagnaharinao, lafa nametraky gnanao hiasa amin'Israely eo ie. 13 La ho vagno iha, laha magnenky sao lalagna reo vo lily reo ze namean'i Yaveh tamin'i Mosesy mifotsy gn'Israely. Mahereza la managna herim-po. Ka matahotsy na kivy. 14 La, ingo, gny fiezaha bevata ze fa nomagniko ho gnan'ny tragnon'i Yaveh ze talenta volamena 100.000, talenta volafoty ray tapitrisa, la saba vo vy marobe. Fa nagnome hazo vo vato avao koa zaho. Tsy maintsy hagnampy bebe avao anireo iaby reo iha. 15 Mana mpiasa maro miaraky aminao iha: mpamaky vato, mpamboatry tragno, mpandrafitry, la mpanao asa-tagna mahay maro isan-karazany reo, 16 ze afaky miasa ami-gny volamena, volafoty, saba, la vy. Ka atomboho gn'asa,la hitahy gnanao Yaveh." 17 Nandily mpitariky gn'Israely iaby reo avao koa Davida mba hagnampy gnany Solomona gnanaky lahiny, manao hoe: 18 " Mitahy gnanareo Yaveh Ndranagnaharinareo la fa nagnome fiadagna gnanareo tami-gny lafiny iaby. Fa nagnome mpifitakin'ny faritry reo tam-pelatagnako ie. Miaiky agnatrehan'i Yaveh vo gn'olony gnyfaritry. 19 Henanizao mila gnany Yaveh Ndranagnaharinareo ami-gny fonareo iaby vo gny fa gnahinareo iaby. Mitsangana vo aoregno gny toera masin'i Yaveh Ndranagnahary. Ka afaky manday gny fiaran'ny fagnenken'i Yaveh vo raha reo ze gnan-Dranagnahary an-tragno ze naory ao hognan'ny gnagnaran'i Yaveh nareo."