Toko faha 21

1 Nisy fahavalo raiky nanohitry gnan'Israely la nandrisiky gnan'iDavida, mba hagnisaky gn'Israely. 2 Hoy Davida tamin'i Joaba vo mpamehy gny tafiky reo hoe: " Mandehana, isaho gn'olon'Israely baka-Beri-sheba ao ka zisiky agny Dana la tatero amiko, mba hahaizako gn'isakin-drozy." 3 La hoy Joaba hoe: " La hampitombo abo zato heny gny tafiny Yaveh. Kanefa gny tompoko mpanjaka igny, sa tsy manompo gny tompoko rozy iaby? Nagnino ro mila an'izay gny tompoko? Nagnino ro manday heloky amin'Israely?" 4 Kanefa tampitry gny safan'i mpanjaka amin'i Joaba. Ka la lasa Joaba la nandeha nagnera an'Israely iaby. Bakeo la nimpoly ta-Jerosalema ao ie. 5 La tinatitr'i Joaba tamin'i Davida gny fiharoan'ny gnisan'ny johary mpialy reo. Nisy johary 1.100.000 mita-mesobe ta-Israely ao. Joda raiky avao ro nana maramila 470.000. 6 Fa Levy vo Benjamina la tsy voaisaky amin-drozy, gnantony mampangoritry gnan'i Joaba gny baibon'ny mpanjaka. 7 Nampalahelo an-Ndranagnahary gny fihetsiny, ka la nanafiky gnan'i Israely ie. 8 Hoy Davida tamin-Dranagnahary hoe: " Nanota bevata zaho tami-gny fanova an'izay. Ka alao gny heloky gny mpanomponao, gnantony nanao hadala bevata zaho." Hoy Yaveh tami-Gada, mpagnambara hafatr'i Davida hoe: 10 " Mandehana safagno amin'i Davida hoe: " Zao ro volagnin'i Yaveh: ameako safily telo iha.Mifiliana raiky amireo."' 11 Nohon'izay Gada la nangnagny amin'i Davida la nisafa taminy hoe: " Zao ro volagnin'i Yaveh: ' Mifiliana raiky amireto: 12 mosary telo tao, sa telo vola enjehin'ny fahavalo reo vo tratrin'ny meso-ben-drozy, sa telo andro ami-meson'i Yaveh, zany hoe, areti-mamono ami-gny tany ao, miaraky amin'i anjelin'i Yaveh mandrava magnera gny tamin'Israely iaby.' Ka henanikizao la tapaho ze valin'i Isafa tokony handesiko agny ami-nagniraky gnahy." 13 La hoy Davida tamin'i Gada hoe: "Mijaly loatry zaho Engao zahoho lavo an-tagnan'i Yaveh eo manahaky ze antagnan'ny gn'olo eo, gnantony vatany bevata gny famindram-pony." 14 Nohon'izay la nandefa loza tamin'i Israely Yaveh, la olo fito aly maty. 15 Nandefa anjely tagny Jerosalema Yaveh mba hamotiky an'izay. Laha igny ie fa ho namotiky gnazy igny, la nagnenty Yaveh vo nagnova gny fisaignany tami-gny raty igny. Hoy Ie tamin'i anjely mpamotiky gny hoe: " Ampy zay! Ajanogno gny tagnanao." Tamizay fotoa zay la nitsanga tami-gny famofohan'i Araona eo Jobosita igny gn'anjelin'i Yaveh. 16 Nagnenty agnabo Davida la nahajery gn'anjelin'i Yaveh igny nitsanga tagnelagnelan'ny tany vo gny lagnitsy, nisy meso voaala nanondro gnan'i Jerosalema tegny an-tagnany. Bakeo Davida vo loholo reo, nisalotsy siky fisaogna, nampanongaliky gny tarehin-drozy tami-gny tany. 17 La hoy Davida tamin-Dranagnahary hoe: " Sa tsy zaho ro nandily gny hagnisaha tafiky reo? Nanao an'izay raha raty zay zaho. Fa aondry reo; ino gny nataon-drozy? Yaveh Ndranagnahariko! Ao gny tagnanao hagnisy gnahy vo gny longoko, fa ka enga hipetraky amign'olo gny loza." 18 La nandily gnan'i Gada gn'anjelin'i Yaveh mba hisafa amin'i Davida, fa tokony hiakatry vo hagnory alitara ho gnan'i Yaveh ami-gny famolohan'i Araona eo Jebosita igny i Davida. 19 Nohon'izay la lasa niakatry Davida araky gny toromariky kinasan'i Gada nataony ami-gnagnaran'i Yaveh. 20 Laha mbo nandisa vary Araona, la nitoliky ie la nahajery anjely igny. La nietaky rozy vo gnanaky lahiny efatry reo. 21 Lafa niavy tagny amin'i Araona i Davida, la nagnenty Araona ka nahajery gnan'i Davida. Nagnenga gny famofoha ie la nampanongaliky gny tarehiny tami-gny tany tamin'i Davida eo. 22 La hoy Davida tamin'i Araona hoe: " Avaroto amiko famofoha toy, mba hahafako hagnery alitara ho gnan'i Yaveh. Haloako gny viliny feno, mba hiala gn'olo gny loza." 23 Hoy Araona tamin'i Davida hoe: " Alao ho gnanao zay, tompoko ampanjaka. Ataovo aminy ze jerinao fa soa agnilanao eo. Io, hagnome aomby ho gnanao ho rakitry oroa zaho, gny famofoha vary ho kata, la gny vary ho rakitry voany; hameako gnanao ho rakitry iaby zay." 24 La hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona hoe: " Aha, mizizo hivily an'izay ami-gny viliny feno zaho. Tsy hangalaky ze gnanao vo hagnome an'izay ho rakitry oroa amin'i Yaveh zaho laha amea gnahy avao zay." 25 Nohon'izay la nandoa enin-jato sekely volamena ho gnan'ny toera igny i Davida. 26 Nagnory alitara ho gnan'i Yaveh teo Davida la nagnome fagnatitsy oroa vo raki-piharoa tamizay. Nikaiky gnan'i Yaveh ie, ze namaly gnazy tami-gny bolo bakan-dagnitsy agny ho ami-gny alitara eo fagnoroa gny fagnatitsy oroa. 27 Bakeo Yaveh nagnome baiko an'i gn'anjely igny, la nampipoly gny mesony tami-gny fipetrahany ao anjely igny. 28 Lafa nihitan'i Davida fa namaly gnazy tami-gny famofohan'i Araona igny Jerosita igny Yaveh, la nanao gny soro teo ie tamin'io fotoa io avao. 29 La tamizay fotoa zay, gny tabernakelin'i Yaveh, ze nataon'i Mosesy tan-diomoto agny, vo gn'alitara ho gnan'ny fagnatitsy oroa, la tagny ami-tany abo reo tagny Gibeona. 30 Kanefa, tsy afaky mandeha tagny mba hangataky gny torolalan-Dranagnahary i Davida , gnantony natahotsy gny mesony gn'anjelin'i Yaveh ie.