Toko faha 20

1 La tami-gny fotoan'ny lohatao, foto andehanan'ny mpanjaka agn'aly agny laha tokony ho ie, ro nitarihan'i Joaba gny tafiky ho amign'aly vo nandravany tamin'i Amonita reo. Lasa ie la nanao fahirano gnan'i Raba.Nijano ta-Jerosalema ao Davida. La nanafiky gnan'i Raba ka nandresy an'izay Joaba. 2 Nalan'i Davida hiala ami-gny lohany gny satro-boninahitry ny gny mpanjakan-drozy, la hitany fa talenta volamena raiky gny lanjan'izay, la nisy vato lafo vily tamizay ao. Napetraky tan-dohan'i Davida eo satro-boninahitsigny la naboakiny resy maro be reo tan-tana ao. 3 Naboakiny gn'olo ze tan-tana ao, la tineriny hiasa miaraky ami-tsofa vo fangao_by la famaky rozy Davida la nangataky tanan'i gn'olon'i Amona iaby reo mba hanao an'izay asa zay. Bakeo nimpoly ta-Jerosalema agny Davida vo gny tafiky iaby. 4 Tafaran'izay la nisy aly niaraky tami-Filistina reo, ta Gazera ao. Vinonon'i Sibekay Hosatita igny Sipay, raiky ami-taranaky Refaita reo, la resy Filistina reo. 5 La nisy aly niaraky tami-Filistina reo ndraiky ta-Gata ao, la vinonon'i Elanana gnanaky lahin'i Jaira Betlihemita igny Lamy rahalahin'i Goliata Goliata igny, gny tsora-kazon'i ze nana lefo la manahaky gny voli-tenon'ny mpagneno. 6 La nisy aly raiky hafa ndraiky ta-Gata ao ze nisy johary abo bevata nana rantsan-tagna eny isaky gny tagna la rantsan-tombony eny isaky gny tombony. Ie avao koa la bakami-taranaky gny Refaita. 7 Lafa nandratiraty gny tafik'i Israely ie, la vinonon'i Jehomadaba gnanaky lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 8 Reo ro taranaky gny Refaita baka-Gata ao, la matin'ny tagnan'i Davida vo gny tagnan'ny maramilany reo rozy.