Toko faha 19

1 Lafa tafara atoy maty Nahasy, mpanjakan'i gn'olon'i Amona, la gnanaky lahiny ro lasa mpanjaka tami-gny pilasiny teo. 2 Hoy Davida hoe: " Hampiseho hasoa fagnahy amin'i Hanona gnanaky lahin'i Nahasy zaho, gnantony nanoro hasoafagnahy tagnamiko gny babany." Ka la nandefa iraky i Davida mba hampionona gnazy mifotsy gnan-drany. Nilitry tagny ami-gny tamin'i Amonita mpanompon'i Davida reo la nandeha tagny amin'i Hanona, mba hampahery gnazy. 3 Kanefa hoy reo johary Amonita tamin'i Hanona hoe: " Mihevitry va iha fa magnome voninahitsy gny babanao i Davida gnantony nagniraky mpanompo reo mba hampahery gnanao? Sa tsy avy aminao eto gny mpanompony reo hisafo vo hagnenty gny tany mba handrava an'izay?" 4 Ka la nanambotry mpanompon'i Davida reo Hanona, nandratsy gnan-drozy, nanampaky gny salon-drozy reo zisiky ami-valahany, zisiky ami-foto-pen-drozy, la nandraoky an-drozy. 5 Lafa nazavan-drozy tamin'i Davida zay, la nagniraky hitsena an-drozy ie, fotony latsa-baraka vatany johary reo. Hoy gny mpanjaka hoe: " Mijanona a-Jeriko ao zisiky hitirian'ny gny volambavanareo ndraiky, la mimpolia bakeo." 6 Lafa jerin'ny Hanonita reo fa lasa nangily hilitry tamin'i Davida rozy, la nandefa talenta volafoty arivo raiky Hanona vo gny Amonita mba hagnarama sarety Syriana vo mpiondra-sovaly bakamin'i Naharaima, Maka, la Zoba. 7 Nagnarama an-drozy sarety roa arivo voho telo aly gny mpanjakan'i Maka vo gn'olony, ze niavy nivotriky tagnatrehan'i Medeba eo. Nivory tagny ami-gny tanany Amonita reo, la niboaky ho amign'aly. 8 Lafa nahajanjy an'izay Davida, la nagniraky gnan'i Joaba vo gny tafiny iaby ie mba hihao amin-drozy. 9 Niboaky gn'olon'i Amona ka nilahatry ho amign'aly tami-gny vavahadin'ny tana eo, laha tam-baibo egny mpanjaka ze niavy reo. 10 Lafa nijerin'i Joaba gn'aly nagnatriky gnazy sady tami-magnatriky ro tafara ao, la nifily gny sasany tami-gny mpialy mahay mare reo tamin'Israely eo ie la nandahatry an-drozy hanohitry an'i Syriana reo. 11 Laha gn'amireo tafiky ambiny, la nameany ho ambany fandilian'i Abisay rahalahiny zay, la nalahatriny hoamign'aly hanohitry gny tafik'Amona rozy. 12 Hoy Joaba hoe: " Laha hoatry mahery loatry ho gnahy Syriana reo, la iha, Abisay, ro tsy maintsy mamonjy gnahy. Fa laha mare loatry aminao koa gny tafik'i Amona, la ho avy hamonjy gnanao zaho. 13 Mahereza, la ao tsika hampiseho gny vatantsika ho mahery ho gnan'ny gn'olon-tsika vo ho gnan'ny tanan-Dranagnaharintsika, fa hanao ze soa ho gnan'ny gny fikasany Yaveh." V 14 Ka la lasa ho amign'aly i Joaba vo maramila tafiky reo mba hanohitry Syriana reo, ze votery nilay tagnatrehan'ny tafik'Israely eo. 15 Lafa nijerin'ny tafik'Amona fa nandositry Syriana reo, la nandositry gnan'i Abisay rahalahin'i Joaba avao koa rozy ka nimpoly tan-tana agny. Bakeo nimpoly bakagny ami-gn'olon'i Amona i Joaba la noly tagny Jerosalema. 16 Lafa hitan'ny Syriana reo fa resin'Israely rozy, la nandefa tovon-kery bakamin'ampitan'ny vavavrano Eofrata rozy, nisondry tamin'i Sofaka mpamehy gny tafiky Hadarezera igny. 17 Lafa nisafagna an'izay Davida, la namory gn'Israely iaby ie, niampita an'i Jordana, la niavy tamin-drozy eo. Nandahatry gny tafiky ho amign'aly hanohitsy Syriana reo ie, la nialy tagnaminy rozy. 18 Nilay gnan'Israely gny Syriana, la Davida namono mpiondra sarety Syriana fitoarivo vo maramila an-tomboky efatraly. Vinonony avaokoa Sofaka, mpamehy gny tafiky igny. 19 Lafa hitan'ny mpanjakaiaby reo ze mpanompon'i Hadarezera fa resin'Israely rozy, la nilongo tamin'i Davida rozy vo nanompo an-drozy. Ka la tsy magniry gny hagnampy Amorita reo sasy gn'olon'i Syria.