Toko faha 18

1 Tafaran'izay Davida la nanafiky gny Filistina la nandresy an-drozy. Nalany tami-gny famehezan'ny Filistina Gata vo gny tanany. 2 La Nandresy gnan'i Moaba bakeo, la lasa mpanompon'i Davida gny Moabita la nandoa haba taminy. 3 La resin'i Davida Hadarezera, mpanjakan'i Zoba ta-Hamata ao, laha mbo nandeha hametraky gny lalagnany tamorom-bavaranon'i Eofrata Hadarezera. 4 Nanambotry sarety arivo raiky, vo mpiondra sovaly, fitoarivo, la mpandeha an-tomboky roa aly i Davida. Nitrengofin'i Davida sovalin'ny sarety iaby reo, fa nanoka an'ize mahampy sarety zato ie. 5 Lafa niavy mba hagnampy gnan'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba Syriana reo bakagny Damaskosy, la namono johary Syriana roa arivo voho roealy Davida. 6 Bakeo la nametraky maramila tagny Syria agny Damaskosy Davida, ka lasa mpanompon'i Davida gny Syriana la nandoa haba taminy. Namean'i Yaveh fandresea Davida ndra taia taia gny nandehanany. 7 Nalan'i Davida ampinga volamena iaby reo tegny ami-gny mpanompon'i Hadarezera la nandesiny tagny Jerosalema. 8 Tagny Tibata vo Kona, tanan'i Hadarezera, la nangalaky saba maro Davida. Zay saba zay ro nagnanovan'i Solomona gny riakin-tsaba, gn'andry, vo gny fitaova saba tafara atoy. 9 Lafa njanjin'i Tyo, mpanjakan'iHamata, fa resin'i Davida gny tafik'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba iaby, 10 la nalefan'i Toy tagny amin'i Davida Hadorama gnanaky lahiny mba hanalama vo hisaotry gnazy,gnantony Davida nialy tamin'i Haderezera la nandresy gnazy, la fotony nananga aly tamin'i Toy Hadarezera. La Hedorama nanday raha vita tami-gny volafoty, volamena, lasaba niaraky taminy. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho gnan'i Yaveh raha reo, niaraky tami-gny volafoty vo volamena ze nandesiny bakami-firenena iaby: Edoma, Moaba, gnolon'i Amona, Filistina reo, la gn'Amaletika. 12 Namono Edomita valo arivo voho ray aly Abisay gnanaky lahin'i Zeroia tami-gny baibon-tsira ao. 13 Nametrahany maramila ta-Edoma ao, la lasa mpanompon'i Davida Edomita iaby reo. Namean'i Yaveh fandresea i Davida ndra taia taia gny nandehanany. 14 Nanjaka tamin'Israely iaby teo Davida, la nagnantanteraky gny rariny vo gny hato tamign'olony iaby ie, 15 Joaba gnanaky lahin'i Zeroia ro mpamaky gny tafiky, vo Josafata gnanaky lahin'i Ahiloda ro mpitan-tsoratry. 16 Zadoka gnanaky lahin'i Ahitoba vo Abimeleka gnanaky lahin'i Abiatara ro mpisoro, la Saosa ro mpanora-dily. 17 Benaia gnanaky lahin'i Joiada ro mpamehy Keritita vo Peletita, reo la gnanaky lahin'i Davida reo, ro mpanolotsay mitariky gny mpanjaka.