Key Terms

adala, adalana, fahadalana

Famaritana

Ny teny hoe: "adala" dia maneho olona iray izay matetika diso safidy, indrindra indrindra ny fisafidianana ny tsy fankatoavana. Ny teny hoe: "adalana" dia mamaritra olona iray na fitondran-tena izay tsy hendry.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "adala" matetika dia maneho olona iray izay tsy mino na tsy mankatoa an'Andriamanitra. Izany matetika dia mifanohitra amin'ny olona hendry, izay mahatoky an'Andriamanitra ary mankatoa an'Andriamanitra.
  • Ao amin'ny Salamo, Davida dia mamaritra ny adala ho olona iray izay tsy mino an'Andriamanitra, izay tsy mahafantatra ny porofo mivaingana rehetra tamin'ny faharian'Andriamanitra.
  • Ny bokin'ny Ohabolana ao amin'ny Testamenta Taloha ihany koa dia manome famaritana maro momba ny hoe toa inona ny olona adala, sy manana adalana.
  • Ny teny hoe: "fahadalana" dia maneho ny fihetsika tsy hendry satria izany dia manohitra ny sitrapon'Andriamanitra. Matetika ny hoe: "fahadalana" ihany koa dia midika hoe: zavatra kidaladala na mampidi-doza.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "adala" dia afaka adika hoe: "olona adala" na "olona tsy hendry" na "olona tsy misy saina" na "olona tsy araka an'Andriamanitra."
  • Ny fomba hafa handikana ny hoe: "adalana" dia ireto avy: "tsy misy fieritreretana" na "tsy hendry" na "tsy misy saina."

Alitara

Famaritana

Ny alitara dia rafitra natsangana izay nandoran'ny Zanak'Israely biby sy voa ho fanatitra ho an'Andriamanitra.

  • Tamin'ny andro niainan'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny alitara tsotra dia natao tamin'ny alalan'ny fanamboarana dongon-tany nofetaina tamin'ny ranon-tany na tamin'ny fametrahana vato lehibe mba hanan'endrika dongona tsy mihonzongozona.
  • Misy alitara manokana miendrika vata izay vita tamin'ny hazo nopetahana takela-bolamena, na varahina, na alimo.
  • Ny vondron'olona sasany izay nipetraka teo akaikin'ireo Israelita ihany koa dia nanangana alitara mba hanolorana sorona ho an'ny andriamanitr'izy ireo.

amena, marina tokoa

Famaritana

Ny teny hoe "amena" dia teny entina hanindriana na hisintonana ny saina ny amin'izay nolazain'ny olona iray. Matetika izany dia ampiasaina hamaranana vavaka. Adika hoe "marina tokoa" izany indraindray.

  • Rehefa ampiasaina amin'ny famaranana ny vavaka, ny "amena" dia maneho fanekena ny vavaka na maneho faniriana ny hahatanterahan'izany vavaka izany .
  • Tamin'ny fampianarany, nampiasa ny hoe "amena" i Jesosy mba hanindriana ny fahamarinan'izay voalazany. Matetika dia nampiarahany hoe "lazaiko aminareo" taorian'izany mba hampidirana fampianarana hafa izay mifandray amin'ilay teo aloha.
  • Rehefa mampisa ny hoe "amena" toy izany i Jesosy, dia adikan'ny Baiboly dikan-teny hafa (sy ny ULB) hoe "marina tokoa" na "marina."
  • Ny teny hafa izay midika hoe "marina tokoa" indraindray dia adika hoe "azo atoka" na "tsy am-pihambahambana," ary ampiasaina ihany koa hanamafisana izay lazain'ny olona miteny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Hevero tsara raha manana teny manokana na andian-teny fampiasa mba hanamafisana zavatra izay efa voalaza ny teny hoenti-mandika teny.
  • Rehefa ampiasaina amin'ny faran'ny vavaka na hanamarinana zavatra iray, ny "amena" dia azo adika hoe, "ho to anie izany" na "hitranga anie izany" na "marina izany."
  • Rehefa miteny i Jesosy hoe: "lazaiko aminareo marina tokoa," dia azo adika hoe: ''Eny, lazaiko aminareo am-pahamarinana" na "Marina izany, ary lazaiko aminareo ihany koa."
  • Ny fehezanteny hoe: "lazaiko aminareo marina dia marina tokoa" dia azo adika hoe "Lazaiko aminareo am-pahamarinana tokoa izao" na "marina izay lazaiko aminareo."

anarana

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "anarana" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika marobe.

  • Amin'ny foto-kevitra sasan-tsasany, ny "anarana" dia maneho ny lazan'ny olona iray, toy ny ao amin'ny: "aoka isika hamorona anarana ho an'ny tenantsika."
  • Ny teny hoe: "anarana" ihany koa dia afaka maneho ny fahatsiarovana zavatra iray. Ohatra: "esory ny anaran'ireo sampy" izay midika hoe poteho ireo sampy ireo mba tsy ho tsaroana sy deraina intsony izy ireo.
  • Ny fitenenana hoe: "amin'ny anaran'Andriamanitra" dia midika hoe: milaza miaraka amin'ny heriny sy ny fahefany, na mpisolo tenany.
  • Ny "anaran'ny olona iray" dia afaka maneho an'ilay olona manontolo, toy ny ao amin'ny: "tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra izay tsy maintsy hamonjena antsika."

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny fiteny tahaka ny hoe: "ny anarana tsarany" dia afaka adika hoe: "ny laza tsarany."
  • Ny manao zavatra "amin'ny anaran'ny " dia afaka adika hoe: "miaraka amin'ny fahefan'ny" na "amin'ny alalan'ny " na "ny solon-tenan'ny" ilay olona.
  • Ny fiteny hoe: "manao anarana ho an'ny tenantsika" dia afaka adika hoe: "manao izay hahafantaran'ny olona maro ny momba antsika" na "manao izay hinoan'ny olona fa isika dia manan-danja tokoa."
  • Ny teny hoe: "miantso ny anarany" dia afaka adika hoe: "omeo anarana izy."
  • Ny fiteny hoe: "ireo izay tia ny anaranao" dia afaka adika hoe: "ireo izay tia Anao."
  • Ny fiteny hoe: "esory ny anaran'ireo sampy" dia afaka adika hoe: "esory ireo mpanompo sampy mba tsy ho tsaroana intsony izy ireo" na "ataovy mijanona manompo andriamanitra tsy marina ny olona" na "poteho tanteraka ny sampy rehetra mba tsy hieritreritra momba azy ireo intsony ny olona."

Andriamanitra

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "Andriamanitra" dia maneho ny maha-mandrakizay izay namorona an'izao rehetra izao tamin'ny tsy misy. Andriamanitra dia misy ho Ray, Zanaka, sy Fanahy Masina. Ny anaran'Andriamanitra manokana dia "Yaveh."

  • Andriamanitra dia nisy foana; efa nisy Izy talohan'ny nisian'ny zavatra hafa rehetra, ary mbola hisy mandrakizay Izy.
  • Izy ihany no Andriamanitra marina sy manana fahefana amin'ny zavatra rehatra eto amin'izao rehetra izao.
  • Andriamanitra dia tena marina, tampim-pahendrena, masina, tsy misy ota, feno famindram-po, ary be fitiavana.
  • Izy dia Andriamanitra mihazona ny fanekena, ary manatanteraka mandrakariva ireo fampanantenany.
  • Ny olona dia nohariana mba hidera an'Andriamanitra ary Izy irery no tokony ho derain'izy ireo.
  • Andriamanitra dia nanamnbara ny anarany hoe "Yaveh" izay midika hoe "Izy no Izy" na "Izaho no Izy" na "Ilay iray izay misy (mandrakariva)."
  • Ny Baiboly koa dia mampianatra momban'ireo "andriamanitra" diso izay sampy tsy miaina derain'ny olona.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba handikana ny hoe "Andriamanitra" dia ahitana ny hoe "Mpahary" na "Ilay Tsitoha."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "Andriamanitra" dia mety hoe "Ilay Mpahary Tsitoha" na "Tompo tsy manam-petra" na "Ilay Tsitoa mandrakizay."
  • Hevero ny fomba hanehoana an'Andriamanitra amin'ny teny eo an-toerana sy tenim-pirenena. Mety efa misy teny ho an'ny hoe "Andriamanitra" amin'ilay fiteny handikana. Raha izany, zava-dehibe ny maka antoka fa io teny io dia mifanaraka amin'ny toetran'ilay Andriamanitra marina tokana araka ny voafaritra eo ambony.
  • Fiteny maro no manao sora-baventy ny voalohany amin'ilay teny ho an'ilay Andriamanitra marina tokana, mba hanavahana izany amin'ny teny ho an'ny andriamanitra diso.
  • Fomba hafa hanavahana izany ny fampiasana teny roa samihafa ho an'ny hoe "Andriamanitra" sy "andriamanitra."
  • Ny fehezanteny hoe "ho Andriamanitr'izy ireo Aho ary izy ireo ho vahoakako" dia afaka adika hoe "Izaho, Andriamanitra, dia hanapaka eo amin'ireo vahoaka ireo ary hidera Ahy izy ireo."

Andriamanitra Ray, Ray any an-danitra, Ray

Famaritana

Ny teny hoe "Andriamanitra Ray" sy "Ray any an-danitra" dia maneho an'i Yaveh, ilay Andriamanitra marina. Ity teny ity koa dia mitovitovy amin'ny hoe "Ray," indrindra rehefa maneho ny tenany Jesosy.

  • Andriamanitra dia misy Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina. Ny tsirairay dia tena Andriamanitra, nefa Andriamanitra iray ihany izy ireo. Zava-miafina izay tsy azon'ny olombelona tanteraka fotsiny izany.
  • Andriamanitra Ray dia naniraka an'Andriamanitra Zanaka (Jesosy) teo amin'izao tontolo izao ary Izy maniraka ny Fanahy Masina ho any amin'ny olony.
  • Na iza na iza mino an'Andriamanitra Zanaka dia lasa zanak'Andriamanitra Ray, ary Andriamanitra Fanahy Masina tonga honina ao amin'izany olona izany. Izany dia zava-miafina iray hafa izay tsy takatry ny olombelona.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ao amin'ny fehezanteny hoe "Andriamanitra Ray," dia tsara kokoa ny mandika ny "Ray" amin'ny teny mitovy izay ampiasain'ilay fiteny hanehoana ny rain'olombelona.
  • Ny teny hoe "Ray avy any an-danitra" dia mety adika hoe "Ray izay mipetraka any an-danitra" na "Andriamanitra Ray izay monina any an-danitra" na "Andriamanitra Raintsika avy any an-danitra."
  • Matetika ny hoe "Ray" dia atao sora-baventy, mba hampisehoana fa izany dia maneho an'Andriamanitra.

andriamanitra sandoka, andriamanitra vahiny, andriamanitra, andriamanitra vavy

Famaritana

Ny andriamanitra sandoka dia zavatra izay derain'ny olona raha tokony hidera ilay Andriamanitra marina tokana izy ireo. Ny teny hoe: "andriamanitra vavy" dia maneho manokana ny andriamanitra sandoka vavy.

  • Ireo andriamanitra sandoka ireo na andriamanitra vavy ireo dia tsy misy. Yaveh ihany no Andriamanitra tokana.
  • Ny olona indraindray dia manao ny zavatra ho sampy izay deraina mba ho mariky ny andriamanitra sandok'izy ireo.
  • Ao amin'ny Baiboly, ireo olon'Andriamanitra matetika dia mitodi-doha amin'ny fankatoavana Azy mba hanompo andriamanitra sandoka.
  • Ireo demonia matetika dia mandiso fanantenana ny olona amin'ny finoana fa ireo andriamanitra sandoka sy ireo sampy izay tompoin'izy ireo dia manana hery.
  • Bala, Dagona, ary Maleka dia telo amin'ireo andriamanitra sandoka maro izay noderain'ny olona tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly.
  • Aresa sy Artemisy (Diana) dia roa tamin'ireo andriamanitra vavy izay notompoin'ny olona taloha.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Mety efa misy teny ho an'ny "andriamanitra" na "andriamanitra sandoka" amin'ny fiteny na fitem-paritra akaikikaiky.
  • Ny teny hoe: "sampy" dia afaka ampisaina mba hanehoana ireo andriamanitra sandoka.
  • Amin'ny teny malagasy, ny "a" dia hanehoana ireo andriamanitra sandoka, ary ny "A" dia hanehoana an'ilay Andriamanitra marina tokana.
  • Ny fomba hafa azo atao ihany koa dia ny mampiasa teny hafa tanteraka hanehoana ireo andriamanitra sandoka.
  • Ny fiteny sasany dia mety manampy teny mba hamaritana ilay andriamanitra sandoka hoe lehilahy na vehivavy.

andro farany, ireo andro farany

Famaritana

Ny teny hoe "andro farany" na hoe "ireo andro farany" dia maneho ny fotoana amin'ny faran'ny vanim-potoana.

  • Izany fotoana izany dia tsy fantatra ny halavany.
  • Ny "andro farany" dia fotoanan'ny fitsarana eo amin'ireo izay niala tamin'Andriamanitra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "ireo andro farany" dia afaka adika koa hoe "ny FARANDRO" na "fotoana farany."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, izany dia afaka adika hoe "faran'ny tany" na "rehefa mifarana izao tontolo izao."

andron'ny fitsaràna

Famaritana

Ny teny hoe "andron'ny fitsaràna" dia maneho ny andro ho avy izay hitsaran' Andriamanitra ny olona rehetra.

  • Andriamanitra dia nanao ny zanany, Jesosy Kristy, ho mpitsara ny olona rehetra.
  • Amin'ny andron'ny fitsaràna, dia hitsara ny olona amin'ny fototry ny toetrany marina Kristy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "fotoanan'ny fitsarana" satria mety maneho mihoatra noho ny andro iray izany.
  • Fomba hafa handikana ity teny ity ny hoe "ilay fotoana farany izay hitsaran' Andriamanitra ny olona rehetra."
  • Ny fandikana sasany dia manao sora-baventy ity teny ity mba hampisehoana fa anaran'andro na fotoana miavaka ity: "Andron'ny Fitsaràna" na "Fotoanan'ny fitsaràna."

Andron'ny Tompo, Andron'i Yaveh

Famaritana

Ny teny hoe "andron'Yaveh" ao amin'ny Testamenta Taloha dia nampiasaina mba hanehoana fotoana iray voafaritra rehefa manasazy ireo olona tamin'ny otan'izy ireo Izy.

  • Ny teny hoe "andron'ny Tompo" ao amin'ny Testamenta Vaovao dia matetika nampiasaina mba hanehoana ny andro na fotoana izay hiverenan'i Jesosy Tompo hitsara ny olona amin'ny fara-andro.
  • Ity farany, fotoanan'ny fitsarana sy fananganana amin'ny maty izay ho avy, dia maneho ihany koa indraindray ho tahaka ny "andro farany". Izany fotoana izany dia hiantomboka rehefa miverina Tompo Jesosy mba hitsara ireo mpanota sy hametraka mandrakizay ny lalany.
  • Ny teny hoe "andro" amin'io fehezanteny io dia mety maneho hoe andro ara-bakiteny na mety hoe "fotoana" izay mbola lava noho ny andro.
  • Indraindray ny sazy dia maneho ny "famoahan'Andriamanitra ny hatezerany" amin'ireo izay tsy mino.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny tranga, ny fandikana sasany ny hoe "Andron'Yaveh" dia mety ahitana ny hevitra hoe "andron'i Yaveh" na "fotoana hanasazian'Yaveh ireo fahavalony" na "fotoanan'ny fahatezaran'Yaveh"
  • Fomba hafa andikana ny "andron'ny Tompo" izay ahitana ny "fotoana ny fitsaran'ny Tompo" na "fotoana izay hiverenan'ny Tompo Jesosy hitsara ny olona."

anjely, arkanjely

Famaritana

Ny anjely dia voahary ara-panahy misy hery izay noharian'Andriamanitra. Natao ny anjely mba hanompo an'Andriamanitra amin'ny fanaovana izay rehetra asainy hataon'izy ireo. Ny teny hoe "arkanjely" dia ilazana ny anjely manapaka na mitarika ireo anjely hafa.

  • Ny teny hoe "anjely" dia midika ara-bakiteny hoe "mpitondra hafatra."
  • Ny teny hoe "arkanjely" dia midika ara-bakiteny hoe "lehiben'ny mpitondra hafatra." I Mikaela no anjely lazaina fa "arkanjely" ao amin'ny Baiboly.
  • Ao amin'ny Baiboly, dia ny anjely no mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra ho an'ireo olona. Tafiditra ao amin'izany hafatra izany ireo toro-lalana mahakasika izay tian'Andriamanitra hataon'ny olona.
  • Ireo anjely koa no milaza amin'ny olona ny amin'ireo tranga izay hiseho any aoriana na tranga izay efa niseho.
  • Manana ny fahefan'Andriamanitra amin'ny maha mpisolo tena Azy ny anjely ary indriaindray ao amin'ny Baiboly, izy ireo dia miresaka toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no miteny.
  • Ny fomba hafa hanompoan'ny anjely an'Andriamanitra dia ny fiarovany sy ny fampaherezany ny olona.
  • Misy teny manokana hoe "anjelin'i Yaveh" izay manana hevitra mihoatra ny iray: 1) Mety hidika izany hoe "anjely izay misolo tena an'Andriamanitra" na "mpitondra hafatra izay manompo an'Andriamanitra." 2) Mety manondro an'Andriamanitra mihitsy, izay nanana endrika anjely rehefa niteny tamin'olona iray izany. Ireo heviny rehetra ireo dia samy manazava ny fampiasan'ny anjely ny teny hoe "Izaho" ho toy ny hoe Yaveh mihitsy no miteny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Mety ho tafiditra ao amin'ny fandikana ny "anjely" ny hoe: "mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra" na "manompon'Andriamanitra avy any an-danitra" na "fanahy mpitondra hafatr'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe "arkanjely" dia azo adika hoe "lehiben'ny anjely" na "lohan'ny anjely mpanapaka."
  • Hevero ihany koa ny fomba fandikana ireo teny ireo amin'ny tenim-pirenena na fitenim-paritra hafa.
  • Ny andian-teny hoe "anjelin'i Yaveh" dia tokony ho adika amin'ny fampiasana ny teny ilazana ny hoe "anjely" sy "Yaveh." Hanampy kokoa amin'ny fandikana samihafa an'io andian-teny io izany. Mety ho ao anatin'ny dikan-teny ilazana izany koa ny hoe: ''Anjely avy amin'i Yaveh" na "Yaveh ilay nanana endrika anjely."

Antikristy

Famaritana

Ny teny hoe "antikristy" dia anondroana ny olona na fampianarana manohitra an'i Jesosy Kristy sy ny asany. Maro ny antikristy eto amin'izao tontolo izao.

  • Nosoratan'i Jaona apostoly fa antikristy ny olona iray raha mamitaka ny olona amin'ny filazana fa tsy i Jesosy no Mesia, na raha mandà fa sady Andriamanitra no olombelona i Jesosy.
  • Mampianatra ihany koa ny Baiboly fa misy ny fanahin'ny antikristy eto amin'izao tontolo izao izay manohitra ny asan'i Jesosy.
  • Ny bokin'ny Apokalypsy ao amin'ny Testamenta Vaovao dia manazava fa hisy lehilahy iray antsoina hoe "ilay antikristy" hiseho amin'ny andro farany. Hiezaka ny hamotika ny vahoakan'Andriamanitra, saingy ho resin'i Jesosy izy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba hafa azo andikana io teny io amin'ny fehezanteny hoe "mpanohitra an'i Kristy" na "fahavalon'i Kristy" na "olona manohitra an'i Kristy."
  • Ny andian-teny hoe: "fanahin'ny antikristy" dia azo adika ihany koa hoe: "fanahy izay manohitra an'i Kristy"

ao amin'i Kristy, ao amin'i Jesosy, ao amin'i Tompo, ao Aminy

Famaritana

Ny teny hoe "ao amin'i Kristy" sy ny teny mifandray amin'izany dia maneho ny toetry ny fananana fifandraisana amin'i Jesosy Kristy amin'ny alalan'ny finoana Azy.

  • Ny teny hafa mifandray amin'izany dia: "ao amin'i Kristy Jesosy, ao amin'i Jesosy Kristy, ao amin'ny Tompo Jesosy, ao amin'i Jesosy Kristy Tompo."
  • Ireo mety ho hevitry ny teny hoe "ao amin'i Kristy" dia: "satria an'i Kristy ianareo" na "amin'ny alalan'ny fifandraisana hanananareo miaraka amin'i Kristy" na "mifototra amin'ny finoanareo an'i Kristy."
  • Ireo teny mifandray ireo dia mitovy dika amin'ny finoana an'i Jesosy sy ny maha-mpianany avokoa.
  • Fanamarihana: Indraindray ny teny hoe "ao amin'i" dia ampiarahina amin'ny matoanteny. Ohatra, ny hoe "mizara ao amin'i Kristy" dia midika "fiaraha-mizara" ny tombontsoa azo avy amin'ny fahafantarana an'i Kristy. Ny "manome voninahitra" ao amn'i Kristy dia midika fifaliana sy fanolorana fiderana ho an'Andriamanitra noho ny amin'ny maha Izy an'i Kristy sy izay nataony. Ny "mino" an'i Kristy dia midika finoana Azy ho Tompo sy fahafantarana Azy.

Apostoly, maha-apostoly

Famaritana

Ireo "apostoly" dia lehilahy nirahin'i Jesosy hitory ny amin'ny Andriamanitra sy ny fanjakany. Ny teny hoe "maha-apostoly" dia anehoana ny toerana sy ny fahefan'ireo izay voafidy ho apostoly.

  • Ny teny hoe "apostoly" dia midika hoe: "olona iray izay nalefa any ivelany nohon'ny antony manokana." Manana ny fahefana mitovy amin'izay naniraka azy ny apostoly.
  • Ireo mpianatr'i Jesosy roa ambin'ny folo akaiky azy indrindra no tonga apostoly voalohany. Nisy lehilahy hafa, toa an-dry Paoly sy Jakoba no lasa apostoly ihany koa.
  • Tamin'ny herin'Andriamanitra, dia afaka nitory ny filazantsara ary nanasitrana olona, ao anatin'izany ny fandroahana ny demonia hiala amin'ny olona, tamin-kasahiana izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "apostoly" dia azo adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe: "olona voairaka" na "ilay voairaka" na "olona izay voantso handeha hitory ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona.
  • Zava-dehibe ny mandika ny teny hoe "apostoly" sy "mpianatra" amin'ny fomba samihafa.
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana io teny io ao amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny fiteny eo an-toerana na ao amin'ny firenena.

araka an'Andriamanitra, ny toetra araka an'Andriamanitra

Famaritana

Ny teny hoe "araka an'Andriamanitra" dia nampiasaina mba hamaritana olona iray izay miasa amin'ny fomba izay manome voninahitra an'Andriamanitra sy mampiseho hoe tahaka ny ahoana Andriamanitra. Ny hoe "toetra araka an'Andriamanitra" dia ilay hatsaran-toetra hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanaovana ny sitrapony.

  • Ny olona izay manana toetra araka an'Andriamanitra dia hampiseho ireo vokatry ny Fanahy Masina, toy ny hoe fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, ary fahafehezan-tena.
  • Ny hatsaran'ny toetra araka an'Andriamanitra dia mampiseho fa ny olona iray dia manana ny Fanahy Masina ary mankatoa Azy.

asa

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny "asa" dia ampiasaina hanehoana amin'ny ankapobeny ireo zavatra izay hataon'Andriamanitra sy ny olona.

  • Ny "asa" dia maneho famitana asa na zavatra mba hanompoana olona hafa.
  • Ny "asan'Andriamanitra" na ny "asan-tanany" dia teny maneho ny zavatra rehetra ataony sy nataony, ahitana ny fahariana ny tany, ny famonjena ny mpanota, ny fanomezana izay ilaina amin'ny fahariana sy fitazomana ny tontolo amin'ny toerana.
  • Ny "asa" ihany koa dia maneho ny fahagagan'Andriamanitra amin'ny fiteny hoe: "asa mahagaga".
  • Ny asa izay ataon'ny olona dia mety tsara na ratsy.
  • Ny Fanahy Masina manome hery ireo mpino mba hanao asa tsara, izay antsoina ihany koa hoe: "voankazo tsara."
  • Tsy voavonjy ireo olona noho ny asan'izy ireo; voavonjy izy ireo amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy.
  • Ny "asan'olona" dia mety izay hataony mba hahazahoany fiainana na hanompoany an'Andriamanitra. Ataon'ny Baiboly hoe: "miasa" ihany koa Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa handikana ny hoe: "asa" dia mety hoe: "zavatra izay natao"
  • Rehefa manambara ny "asan'Andriamanitra" sy ny "asan-tanany", ireo teny ireo ihany koa dia afaka adika hoe: "fahagagana" na "asa mahagaga" na "zavatra mahagaga izay nataony."
  • Ny "asa" ihany koa dia afaka manana dika mivelatra hoe: "manompo" na "asa fanompoana." Ohatra amin'izany, ny hoe: "asanao ao amin'ny Tompo" dia afaka adika hoe: "izay ataonao ho an'ny Tompo."
  • Ny hoe: "manadiady ny asanao manokana" dia afaka adika hoe: "ataovy azo antoka fa sitrapon'Andriamanitra izay hataonao" na "ataovy azo antoka fa hampifaly an'Andriamanitra izay ataonao."
  • "Ny "asan'ny Fanahy Masina" dia afaka adika hoe: "fanomezan-kerin'ny Fanahy Masina" na "asa fanompoan'ny Fanahy Masina" na "ireo zavatra izay ataon'ny Fanahy Masina."

Avo Indrindra

Famaritana

Ny teny hoe: "Avo Indrindra" dia fiantsoana an'Andriamanitra. Maneho ny falehibiazany na ny fahefany izany.

  • Ny hevitr'io teny io dia mitovitovy amin'ny dikan'ny "Mpanjaka" na "Fara-tampony."
  • Ny teny hoe "Avo" ao amin'io fiantsoana io dia tsy maneho halavana ara-batana na halavirana akory. Maneho ny fahalebiazana izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io teny io koa dia azo adika hoe: "Andriamanitra Avo Indrindra" na "Ilay Fara-tampony Indrindra" na "Ilay Lehibe Indrindra" na "Ilay Fara-tampony" na "Andriamanitra, izay lehibe noho ny rehetra."
  • Raha mampiasa teny tahaka ny hoe "Avo," dia ezaho mba tsy haneho halavana ara-batana izany.

Avy amin'Andriamanitra

Famaritana

Ny teny hoe "avy amin'Andriamanitra" dia maneho izay zavatra rehetra mikasika an'Andriamanitra.

  • izany teny izany dia ahitana ny hoe "fahefana avy amin'Andriamanitra" , "fitsarana avy amin'Andriamanitra" , "toetra avy amin'Andriamanitra", "hery avy amin'Andriamanitra" na "voninahitra avy amin'Andriamanitra"
  • Ao amin'ny andalana iray ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "avy amin'Andriamanitra" dia nampiasaina mba hamaritana zavatra momban'ny maha-andriamanitra diso.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fomba andikana ny teny hoe "avy amin'Andriamanitra" dia mety ahitana hoe "an'Andriamanitra" na "avy amin'Andriamanitra" na "mikasika an'Andriamanitra" na "manavaka an'Andriamanitra."
  • Ohatra, "fahefana avy amin'Andriamanitra" dia mety adika hoe "fahefan'Andriamanitra" na "fahefana izay tonga avy amin'Andriamanitra"
  • Ny fehezanteny "voninahitra avy amin'Andriamanitra" dia mety adika hoe "voninahitr'Andriamanitra" na "ny voninahitra izay ananan'Andriamanitra" na "voninahitra izay tonga avy amin'Andriamanitra"
  • Ny mpandika teny sasany dia misafidy ny mampiasa teny hafa mba hamaritana ireo zavatra izay mikasika an'ireo andriamanitra diso ireo.

baiko, mibaiko, didy

Famaritana

Ny teny hoe "mibaiko" dia midika hoe mandidy olona iray hanao zavatra. Ny hoe "baiko" na "didy" dia izay zavatra nampanaovina ilay olona.

  • Na dia manana dika mitovy aza ireo teny ireo amin'ny ankapobeny, ny hoe "didy" matetika dia maneho baikon'Andriamanitra sasantsasany izay ara-dalàna sy maharitra kokoa, tahaka ireo "Didy Folo."
  • Ny didy dia mety ho tso-drafitra ("manajà ny ray aman-dreninao") na mandrara ("Aza mangalatra").
  • Ny hoe "mandray baiko" dia midika hoe "mifehy" na "mandray andraikitra" amin'ny zavatra iray na olona.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Tsara raha tsy adika mitovy amin'ny teny hoe "lalàna" ity teny ity. Ary koa ampitahao amin'ny famaritana ny hoe "didy" sy "lalàna."
  • Ireo mpandika teny sasany dia mety maniry ny handika ny teny hoe "baiko" sy "didy" mitovy amin'ny teny amin'ny fitenin'izy ireo.
  • Ireo sasany dia mety maniry ny hampiasa teny manokana ho an'ny didy izay maneho baiko maharitra sy ara-dalàna nataon'Andriamanitra.

demony, fanahy ratsy, fanahy maloto

Famaritana

Ireo teny rehetra ireo dia maneho ny demony avy koa, izay fanahy manohitra ny sitrapon'Andriamanitra.

  • Andriamanitra namorona ny anjely mba hanompo Azy. Rehefa nikomy nanohitra an'Andriamanitra ny devoly, dia ny sasany tamin'ireo anjely koa dia nikomy ka natsipin'Andriamanitra niala tao amin'ny lanitra. Hinona fa ireo demony sy fanahy ratsy ireo dia ireo "anjely nalatsaka" ihany.
  • Indraindray ireo demony ireo dia antsoina hoe "fanahy maloto". Ny teny hoe "maloto" dia midika hoe "tsy madio" na "ratsy" na "tsy masina"
  • Satria ireo demony ireo dia manompo ny devoly, dia manao zavatra ratsy izany izy ireo. Indraindray izy ireo dia miaina ao anatin'ny olona ka mibaiko azy ireny.
  • Ireo demony dia mahery noho ny olombelona, fa tsy mahery tahaka an'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "demony" dia afaka adika ihany koe hoe "fanahy ratsy"
  • Ny teny hoe "fanahy maloto" dia azo adika hoe "fanahy tsy madio" na "fanahy ratsy"
  • Kendreo ny fandikana ireo teny ireo mba ho hafa noho ny fampiasa amin'ny teny hoe "ny devoly"

Diakona

Famaritana

Ny diakona dia olona izay manompo ao amin'ny fiangonana eo an-toerana, manampy ireo namana mpino ny amin'ny izay ilaina, tahaka ny sakafo ny vola.

  • Ny teny hoe "diakona" dia nalaina avy amin'ny teny Grika hoe "mpanompo" na "mpanao asa fanompoana"
  • Tamin'ny fotoanan'ny Kristiana teo aloha, ny hoe diakona dia nanana andraikitra mazava tsara sy asa fanampoana tao amin'ny vatan'ny fiangonana.
  • Ohatra, ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo diakona dia mikendry hoe na inona na inona vola na sakafo izay zarain'ireo mpino dia ho voazara tsara amin'ireo mananontena eo amin'izy ireo.
  • Ny teny hoe "diakona" dia afaka adika ihany koa hoe, "mpanao asa fanompoana ao amin'ny fiangonana" na "mpiasa ao amin'ny fiangonana" na "mpanompo ao amin'ny fiangonana", na fehezanteny hafa izay maneho ilay olona izay voafidy mazava tsara mba hanao asa manokana izay manome tombontsoa ny fiarahamonina Kristiana.

Dominiaka

Famaritana

Ny olona demoniaka dia baikon'ny demonia sy ny fanahy ratsy amin'izay ataony sy eritreretiny.

  • Matetika ny demoniaka dia mandratra ny tenany na ny olona hafa noho ilay demonia manosika azy anao izany.
  • Jesosy dia nanasitrana ireo demoniaka tamin'ny fibaikony ireo demony hivoaka tao amin'izy ireo. Matetika izany dia antsoina hoe "mandroaka" demony.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fomba hafa andikana ity teny ity ny hoe "voabaikon'ny demony" na "baikon'ny fanahy ratsy" na "manana fanahy ratsy mitoetra ao aminy."

efoda

Famaritana

Ny efoda dia lamba miendrika aron'akanjo notafian'ireo mpisorona Israelita. Mizara roa izany, ny aloha ary ny aoriana, izay niara-nampifandraisina teo amin'ny soroka ary nafatotra manodidina ny valahana tamin'ny fehikibo lamba.

  • Misy karazana efoda vita tamin'ny lamba landy ary nanaovan'ireo mpisoroana tsotra.
  • Ny efoda nanaovan'ny mpisoronabe dia natao peta-kofehy manokana tamin'ny kofehy volamena, manga, volomparasy, ary mena.gg
  • Ny saron-tratran'ny mpisoronabe dia napetaka teo alohan'ny efoda. Ao ambadiky ny saron-tratra no nametrahana ny Orima sy Tomima, izay vato nampiasaina mba hanontaniana amin'Andriamanitra ny sitrapony manolona ny toe-javatra sasany.
  • Gideona mpitsara dia niadaladala nanamboatra efoda avy tamin'ny volamena ary nanjary lasa sampy nivavahan'ireo Israelita izany.

Endrik'Andriamanitra, endrika

Famaritana

Ny teny hoe "endrika" dia ilazana zavatra izay mitovy amin'ny zavatra iray hafa na mitovy toetra na fototra amin'ny olona iray. Ny andian-teny hoe "endrik'Andriamanitra" dia ampiasaina amin'ny fomba samihafa, arakaraka ny foto-kevitra.

  • Tamin'ny fiandohana dia nanamboatra ny olombelona "araka ny tarehiny" Andriamanitra, izany hoe: "araka ny endriny." Midika izany fa manana ny toetra sasantsany izay mitaratra ny endrik'Andriamanitra ny olona, toy ny fahafahana mahatsapa fihetseham-po, ny fahafahana misaina sy mifandray, ary manana fanahy izay velona mandrakizay.
  • Ampianarin'ny Baiboly fa Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra, dia "endrik'Andriamanitra," izany hoe, Andriamanitra mihitsy Izy. Tsy tahaka ny olombelona, tsy mba nohariana i Jesosy. Mandrakizay dia manana ny toetra maha-andriamanitra ny Zanaka satria mitovy fototra amin'Andriamanitra Ray.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Rehefa entina ilazana an'i Jesosy, ny hoe "endrik'Andriamanitra" dia azo adika hoe: "fitoviana tanteraka amin'Andriamanitra" na "fototra mitovy amin'Andriamanitra" na "mitovy amin'ny maha-Izy Azy an'Andriamanitra."
  • Rehefa entina ilazana ny olombelona, ny hoe "noharian'Andriamanitra araka ny endriny" dia azo adika amin'ny andian-teny izay midika hoe: "Noharian'Andriamanitra izy ireo mba hitovy Aminy'' na "Noharian'Andriamanitra araka ny toetra mitovy Aminy izy ireo."

Evanjelista

Famaritana

Ny "evanjelista'' dia olona iray izay manambara amin'ny hafa ny vaovao mahafaly momba an'i Jesosy Kristy.

  • Ny dikan'ny "evanjelista" ara-bakiteny dia "olona izay mitory ny vaovao mahafaly."
  • Nandefa ireo apostoliny i Jesosy mba hampiely ny vaovao mahafaly momba ny fahatongavana ho isan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fatokisana an'i Jesosy sy ny sorona nohon'ny fahotana nataony.
  • Ny Kristiana rehetra dia amporisihana mba hitory ny vaovao mahafaly.
  • Nomena fanomezam-panahy manokana ny Kristiana sasany mba hilaza ny filazantsara amin'ny fomba mahomby amin'ny hafa. Ireo olona ireo dia ambara fa manana ny fanomezam-pahasoavan'ny fitoriana ary antsoina hoe "evenjelista."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "evanjelista" dia azo adika hoe: "olona izay mitory ny vaovao mahafaly" na "mpampianatra ny vaovao mahafaly" na "olona izay manambara ny vaovao mahafaly."

fahadisoana

Famaritana

Ny "fahadisoana" dia midika fandikan-dalana na fametavetana ny zon'ny olona hafa.

  • Ny fahadisoana dia mety ho fandikana ny lalana ara-moraly na lalam-piarahamonina na fahotana atao amin'ny olona iray.
  • Io teny io dia mifandray amin'ny "fahotana" sy "fandikan-dalana," indrindra rehefa misy ifandraisana amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
  • Ny fahotana rehetra dia fahadisoana eo amin'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-keitra, ny "fahadisoana manohitra ny" dia azo adika hoe: "manota amin'ny" na "mandika lalana."
  • Ny fiteny hafa dia mety hanana fomba fiteny toy ny hoe"fihoaram-pefy" izay azo entina andikana ny "fahadisoana."
  • Hevero tsara raha mifanaraka amin'ny hevitry ny lahatsoratry ny Baiboly io teny io ary hampitahao amin'ny teny hafa izay mitovitovy hevitra amin'izany, toy ny "fandikan-dalana" sy "fahotana."

fahagagana, famantarana

Famaritana

Ny "fahagagana" dia zavatra mahagaga izay tsy hay atao raha tsy Andriamanitra no mampitranga izany.

  • Isan'ny fahagagna vitan'i Jesosy ohatra ny fampitoniana ny tafiotra sy fanasitrana lehilahy jamba iray.
  • Matetika ny fahagagana dia mahatonga ny olona ho heniky ny fahatairana sy fahagagana.
  • Ny teny hoe "fahagagana" ihany koa dia azo ilazana ny fanehoana ny herin'Andriamanitra amin'ny ankapobeny, toy ny nahariany ny lanitra sy ny tany.
  • Ny fahagagana ihany koa dia azo antsoina hoe "famantarana" satria izy ireny dia ampiasaina ho fampisehoana na porofo fa Andriamanitra ilay mahery indrindra izay manana fahefana feno eto amin'izao tontolo izao.
  • Ny sasany amin'ireo fahagagna dia ny asa fanavotan'Andriamanitra, toy ny tamin'ny namonjeny ireo Zanak'Israely tsy ho andevo tany Egypta sy ny niarovany an'i Daniela tsy ho voaratran'ny liona.
  • Ny fahagagana hafa ihany koa dia ny asa fitsaran'Andriamanitra, toy ny tamin'ny safodrano maneran-tany tamin'ny andron'i Noa, sy ny nandefasany loza mahatsiravina tany amin'ny Tany Egypta tamin'ny andron'i Mosesy.
  • Maro tamin'ireo fahagagan'Andriamanitra no fanasitranana ireo olona marary na fananganana ho velona indray ny olona maty.
  • Ny herin'Andriamanitra dia niseho tao amin'i Jesosy rehefa nanasitrana olona, nampitony tafiotra, nandeha teny ambony rano, ary nanangana ireo maty Izy. Fahagagana avokoa ireo.
  • Namela ireo mpaminany sy ireo apostoly hanao fahagagana tamin'ny fanasitranana sy zavatra hafa izay hay atao amin'ny heriny koa Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Mety ho azo andikana ny "fahagagana" ny hoe: "zavatra tsy hay atao izay tanterahin'Andriamanitra" na "asa maherin'Andriamanitra" na "asa mahagagan'Andriamanitra.''
  • Ny fomba fiteny ambara matetika hoe "famantarana sy fahagagana" dia azo adika hoe: "porofo sy fahagagana" na "asa-mahagaga izay manaporofo ny herin'Andriamanitra" na "fahagagana mahatalanjona izay mampiseho ny fahalebiazan'Andriamanitra."
  • Kendreo mba ho samihafa amin'ny famantarana izay manome porofon'ny zavatra iray ny hevitry ny famatarana mahagaga. Mety hifandray ireo roa ireo.

fahamelohana, meloka

Famaritana

Ny teny hoe "fahamelohana" dia midika hoe nanota na nanao heloka bevava.

  • Ny hoe "meloka" dia midika hoe nanao zavatra tsy nety ara-pitondran-tena, izany hoe, tsy nankatoa an'Andriamanitra.
  • Ny mifanohitra amin'ny hoe "meloka" dia hoe "tsy manan-tsiny."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fiteny sasany dia mety mandika ny "fahamelohana" hoe "ny lanjan'ny ota" na "ny isan'ny ota."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "meloka" dia ahitana teny na fehezanteny izay midika hoe "diso" na "nanao zavatra tsy nety ara-pitondran-tena" na "nanota."

Ohatra ao amin'ny ULB: esory ny heloky ny fahotanao, esory ny helokao, fanatitra amin'ny fahamelohana, hamaly ny helokao, tsy misy fahamelohana tamin'ny famonoana olona hampifandray Aminy, mitondra ny helony manokana, manasa ny fahadisoany, ao anaty fahamelohana lehibe, ny helotsika dia mitombo mankany amin'ny lanitra.


fahasoavana, mamindra fo

Famaritana

Ny teny hoe "fahasoavana" dia maneho fanampiana na fitahiana nomena tamin'ny olona iray izay tsy nahazo izany. Ny teny hoe "mamindra fo" dia mamaritra olona iray izay mampiseho fahasoavana amin'ireo hafa.

  • Ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny olombelona mpanota dia fanomezana izay omena maimaimpoana.
  • Ny foto-kevitry ny hoe fahasoavana dia maneho fahatsaram-panahy sy faminadram-po amin'ny olona izay nanao zavatra tsy nety na nanimba.
  • Ny fomba fiteny hoe "miandrandra fahasoavana" dia midika fahazoana fanampiana sy famindram-po avy amin'Andriamanitra. Matetika izany dia ahitana ny hevitra hoe faly amin'ny olona iray Andriamanitra dia manampy azy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba hafa handikana ny "fahasoavana" dia ahitana ny hoe "fahatsaram-panahy avy amin'Andriamanitra" na "fankasitrahan'Andriamanitra" na "hatsaram-panahy sy famindram-pon'Andriamanitra amin'ny mpanota" na "hatsaram-panahy feno famindram-po."
  • Ny teny hoe "mamindra fo" dia afaka adika hoe "feno fahasoavana" na "tsara fanahy" na "feno famindram-po" na "hatsaram-panahy feno fitiavana."
  • Ny fomba fiteny hoe "nahita fitia teo imason'Andriamanitra izy" dia afaka adika hoe "nandray fahasoavana avy amin'Andriamanitra izy" na "nanampy azy tamin'ny famindram-po Andriamanitra" na "nankasitraka azy Andriamanitra" na "faly taminy Andriamanitra ka nanampy azy."

Fahavetavetana, vetaveta

Famaritana

Ny fomba fiteny hoe "fahavetavetana" dia ampiasaina mba hilazana zavatra izay mahatonga rikoriko na tsy fitiavana lehibe.

  • Noraisin'ireo Egyptiana ho "fahavetavetana" ireo vahoaka Hebreo. Midika izany fa tsy tia an'ireo Hebreo ireo Egyptiana ary tsy te hifandray amin'izy ireo na hanakaiky azy ireo.
  • Tafiditra ao amin'ireo zavatra izay antsoin'ny Baiboly ho "fahatetavetana amin'Andriamanitra" ny: lainga, fieboeboana, fanaovana sorona olona, fanompoana sampy, famonoana olona, ary ny fahotana vetaveta toy ny fijangajangana sy ny firaisana amin'ny samy lehilahy.
  • Tamin'ny fampianarana an'ireo mpianany momba ny fara andro, Jesosy dia nilaza ny amin'ny faminaniana iray nataon'i Daniela momba ny "fahavetavetan'ny faharavana" izay hitranga mba ho fikomiana amin'Andriamanitra, ka mandoto ny toerana fivavahana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "fahavetavetana" dia azo adika ihany koa hoe: "zavatra halan'Andriamanitra" na "zavatra maharikoriko" na "asa maharikoriko" na "asa ratsy tokoa."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny fomba handikana ny andian-teny hoe: "fahavetavetana eo amin'ny" dia azo atao hoe: "tena halan'i" na "mahatonga rikoriko lehibe" na "tsy azo ekena tanteraka" na "maharikoriko."
  • Ny andian-teny hoe "fahavetavetan'ny faharavana" dia azo adika hoe: "zavatra mandoto izay mahatonga ny olona ho voa mafy" na "zavatra maharikoriko izay miteraka alahelo lehibe."

fahavinirana

Famaritana

Ny fahavinirana dia fahatezerana mafy izay matetika dia maharitra ela. Izany dia maneho manokana ny fitsarana marin'Andriamanitra ny fahotana sy famaizana ny olona izay mikomy manohitra Azy.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "fahavinirana" matetika dia maneho ny fahatezeran'Andriamanitra manoloana ireo izay manota Aminy.
  • Ny "fahaviniran'Andriamanitra" ihany koa matetika dia maneho ny fitsarana sy fahamaizana amin'ny fahotana .
  • Ny fahaviniran'Andriamanitra dia sazy marina ho an'ireo izay tsy mibebaka amin'ny fahotan'izy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny fomba hafa ahafahana mandika izany teny izany dia hoe: "fahatezerana mafy" na "fitsarana marina" na "fahatezerana."
  • Rehefa miresaka momban'ny fahaviniran'Andriamanitra, dia kendreho ny teny sy ny andian-teny nampiasaina handikana ny teny mba tsy haneho ny fitondran-tena ratsy. Ny fahaviniran'Andriamanitra dia marina sy masina.

fahefana

Famaritana

Ny teny hoe "fahefana" ilazana ny hery fisarihana sy fibaikoana hananan'ny olona iray eo amin'ny olona iray hafa.

  • Manana fahefana eo amin'ireo vahoaka hanjakany ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka manjaka hafa.
  • Ny teny hoe "manam-pahefana" dia ilazana ny olona, fanjakana, na fikambanana manana fahefana eo amin'ny hafa.
  • Ny tompo dia manana fahefana eo amin'ireo mpanompony na andevony. Ny ray aman-dreny dia manana fahefana eo amin'ireo zanany.
  • Ny fanjakana dia manana fahefana na zo hamorona lalàna izay mitondra ny vahoakan'izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "fahefana" dia azo adika ihany koa hoe "fifehezana" na "zo" na "fahafahana.''
  • Indraindray ny "fahefana" dia ampiasaina ilazana ny "hery."
  • Rehefa ampiasaina ilazana olona, na fikambanana izay manapaka eo amin'ny olona ny hoe "manam-pahefana," dia azo adika ihany koa hoe "mitarika" na "mpanapaka" na "hery."
  • Ny teny hoe "tamin'ny fahefany manokana" dia azo adika hoe: "tamin'ny zony manoka hitarika" na "mifototra amin'ny fahafahany manokana."
  • Ny fomba fiteny hoe: "ambanin'ny fahefana" dia azo adika hoe: "manana andraikitra hankatoa" na "tsy maintsy mankatoa ny baikon'ny hafa."

fahotana, mpanota, manota

Famaritana

Ny teny hoe "fahotana" dia maneho fihetsika, eritreritra, ary teny izay manohitra ny sitrapo sy lalàn'Andriamanitra. Ny fahotana ihany koa dia maneho ny tsy fanaovana izay tian'Andriamanitra ataontsika.

  • Ny fahotana dia ahitana izay rehetra ataontsika ka tsy mankatoa na mahafinaritra an'Andriamanitra, na dia ireo zavatra izay tsy fantatry ny olona aza ny momba azy.
  • Ireo eritreritra sy fihetsika izay tsy mankatoa ny sitrapon'Andriamanitra dia antsoina hoe "mpanota."
  • Satria Adama nanota, dia teraka tao anatin'ny ota izay mifehy azy ireo avokoa ny olombelona.
  • Ny "mpanota" dia olona izay manota, noho izany ny olombelona rehetra dia mpanota.
  • Indraindray ny teny hoe "mpanota" dia nampiasain'ny olona mpivavaka toa an'ireo Fariseo mba hanehoana ny olona izay tsy nitandrina ny lalàna toa an'ireo Fariseo izay nieritreritra hoe tokony nitandrina.
  • Ny teny hoe "mpanota" ihany koa dia nampiasaina ho an'ny olona izay noraisina ho mpanota ratsy indrindra noho ireo hafa. Ohatra, ity marika ity dia nomena ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "ota" dia afaka adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "tsy fankatoavana an'Andriamanitra" na "mandeha tsy araky ny sitrapon'Andriamanitra" na "fitondran-tena sy eritreritra ratsy" na "manao zavatra tsy mety."
  • Ny hoe "ota" ihany koa dia afaka adika hoe "tsy mankatoa an'Andriamanitra" na "manao tsy mety."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "manota" ihany koa dia afaka adika hoe "feno fanaovana ny tsy mety" na "ratsy" na "ratsy fitondran-tena" na "mikomy manohitra an'Andriamanitra."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "mpanota" dia afaka adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "olona manota" na "olona izay manao zavatra ratsy" na "olona tsy mankatoa an'Andriamanitra" na "olona tsy mankatoa ny lalàna."
  • Ny teny hoe "mpanota" dia afaka adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "olona tena feno ota" na "olona ratsy fitondran-tena."
  • Ireo fomba andikana ny hoe "mpamory hetra sy mpanota" dia ahitana hoe "olona izay manangom-bola ho an'ny governemanta, ary ny hafa olona tena mpanota."

famantarana, porofo, fampahatsiahivana

Famaritana

Ny famantarana dia zavatra, hetsika, na asa izay manome hevitra miavaka.

  • Ireo famantarana dia mety ho fampatsiahivana zavatra izay nampanantenaina.
  • Ny avana noforonin'Andriamanitra teny an-danitra dia famantarana mba hampatsiahivana ny olona fa tsy hamotika ny fiainana rehetra amin'ny tondra-drano manerana izao tontolo izao intsony Andriamanitra.
  • Andriamanitra dia nandidy ireo Isiraelita mba hamora ny zanaka lahin'izy ireo ho famantarana ny fanekem-pihavanany amin'izy ireo.
  • Ireo famantarana dia afaka maneho na manondro zavatra.
  • Nisy anjely niteny tamin'ireo mpiandry ondry ho famantarana hanampy azy ireo hahafantatra hoe iza ilay zanakin'i Mesia ho teraka ao Betlehema.
  • Jodasy dia nanoroka an'i Jesosy ho fampahafantarana an'ireo mpitarika fivavahana fa Jesosy ilay iray tokony ho samborin'izy ireo
  • Ireo famantarana dia afaka manaporofo fa marina ny zavatra iray.
  • Ireo fahagagana nataon'ireo mpaminany sy ireo apostoly dia famantarana izay manaporofo fa manambara ny hafatr'Andriamanitra izy ireo.
  • Ireo fahagagana nataon'Andriamanitra dia famantarana izay manaporofo fa Izy tokoa ilay Mesia.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "famantarana" dia afaka adika hoe "marika" na "porofo" na "fihetsika."
  • Ny hoe "manao famantarana amin'ny tanana" dia afaka adika hoe "manao fihetsika amin'ny tanana."
  • Amin'ny fiteny sasany, dia mety misy teny iray ho an'ny "famantarana" izay manaporofo zavatra ary teny hafa ho an'ny "famantarana" izay fahagagana.

fampanantenana

Famaritana

Ny fampanantenana dia antoka fa hanao zavatra iray. Rehefa mampanantena zavatra ny olona iray, dia midika izany fa manolo-tena hanao zavatra izy.

  • Ny Baiboly dia mitahiry fampanantenana maro izay nataon'Andriamanitra ho an'ny olony.
  • Ny fampanantenana dia ampahany lehibe sy ara-dalàna amin'ny fifanarahana toy ny fanekempihavanana.
  • Ny fampanantenana matetika dia miaraka amin'ny fianianana mba hanamafisana fa ho vita izany.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fampanantenana" dia mety adika hoe "fanoloran-tena" na "fanomezan-toky" na "antoka."
  • Ny hoe "mampanantena hanao zavatra" dia mety adika hoe "manome toky olona iray fa hanao zavatra ianao" na "manolo-tena hanao zavatra."

Fanahy Masina, Fanahin'Andriamanitra, Fanahin'ny Tompo

Famaritana

Ireo teny rehetra ireo dia maneho ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra. Ilay Andriamanitra iray izay marina ary misy mandrakizay tahaka ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

  • Ny Fanahy Masina dia maneho ihany koa ny "Fanahy" sy ny "Fanahin'Yaveh" ary ny "Fanahin'ny fahamarinana."
  • Satria ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, dia tena masina Izy, madio tsy misy pentina, ary tanteraka ara-moraly amin'ny maha Izy Azy sy amin'ny rehetra izay ataony.
  • Miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ny Fanahy Masina dia mavitrika amin'ny famoronan'ny tany.
  • Rehefa niverina tany an-danitra Jesosy, Zanak'Andriamanitra, dia nandefasan'Andriamanitra ny Fanahy Masina ny olony mba hitarika azy ireo, hampianatra azy ireo, hampahery azy ireo, hanaikin'izy ireo ny sitrapon'Andriamanitra.
  • Ny Fanahy Masina no nitarika an'i Jesosy ary nitarika ireo izay mino an'i Jesosy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Io teny io dia afaka adika hoe "Fanahy Madio" na "Fanahy izay Masina" na "Andriamanitra ilay Fanahy."

fanahy, ara-panahy

Famaritana

Ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny izay tsy hita mason'ny olombelona. Rehefa maty ny olona, ny fanahiny dia nandao ny vatany. "Fanahy" dia afaka maneho ihany koa ny toetra sy ny fihetseham-po.

  • Ny teny hoe "fanahy" dia maneho izay tsy manana vatana ara-nofo, indrindra fa ny fanahy ratsy.
  • Ny fanahin'ny olona dia ampahany izay afaka mahafantatra an'Andriamanitra sy mino Azy.
  • Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe "ara-panahy" dia mamaritra ireo zavatra izay any amin'ny tontolon'ny tsy ara-nofo.
  • Ao amin'ny Baiboly, dia maneho indrindra ireo zavatra izay mifandray amin'Andriamanitra ny fanahy, indrindra fa ny Fanahy Masina.
  • Ohatra, "ny sakafo ara-panahy" dia maneho ny fampianaran'Andriamanitra izay mamelona ny fanahin'ny olona, "fahendrena ara-panahy" dia maneho ny fahalalana sy toetra mendrika izay avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.
  • Andriamanitra dia fanahy ary Izy dia namorona ny ara-panahy izay tsy manana vatana ara-nofo.
  • Ny anjely dia fanahy, ao ihany koa ireo izay nikomy nanohitra an'Andriamanitra ary dia lasa fanahy ratsy.
  • Ny teny hoe "fanahin'ny" dia midika ihany koa hoe "manana ny toetran'ny" tahaka ny "fanahin'ny fahendrena" na "tao amin'ny fanahin'i Elia"
  • Ohatra ana "fanahy" toy ny toetra na fihetseham-po izy misy ny "fanahin'ny tahotra" na "fanahin'ny fialonana"

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, fomba hafa andikana ny "fanahy" ihany koa dia ny hoe "tsy hita maso" na "ao anaty lalina"
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny teny hoe "fanahy" dia afaka adika hoe "fanahy ratsy".
  • Indraindray ny teny hoe "fanahy" dia nampiasaina mba hanehoana ny fihetseham-pon'ny olona toy ny hoe "ny fanahiko dia malahelo mafy ato anatiko". Izany dia afaka adika hoe "mahatsapa malahelo ao amin'ny fanahiko aho" na "mahatsapa malahelo be ato anaty aho."
  • Ny fehezanteny "fanahin'ny" dia afaka adika hoe "toetran'ny" na "fiasainana"

fanahy(aina)

Famaritana

Ny fanahy dia ilay ao anaty, tsy hita maso ary ampahan'izay mandrakizay amin'ny olona. Izany dia maneho ny tsy ara-nofo amin'ny olona.

  • Ny teny hoe "fanahy" amin'ny teny vahiny dia manana dika roa "soul" ary "spirit", fa ny antsika dia iray ihany no ilazana azy ireo, dia fanahy ihany.
  • Rehefa maty ny olona dia misaraka amin'ny vatany ny fanahiny.
  • Ny teny hoe "fanahy" dia hilazana ny olona iray manontolo mihitsy. Ohatra, "ny fanahy izay manota" dia midika hoe "ny olona izay manota" ary ny "reraka ny fanahiko" dia midika hoe "reraka aho"

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fanahy" dia afaka adika hoe "ny ao anatiko" na "ao anatin'ny olona"
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny "fanahiko" dia afaka adika hoe "Izaho" na "aho"
  • Matetika ny teny hoe "ny fanahy" dia adika hoe "ny olona" na "izy" miankina amin'ny zava-misy.
  • Ao amin'ny Hebreo 4:12 dia milaza hoe "fampisarahana ny aina sy ny fanahy" dia afaka adika hoe "manavaka tsara na maneho ny ao anatin'ny olona"

fananganan'anaka

Famaritana

Ny teny hoe "fananganan'anaka" dia ilazana ny dingana ahatongavan'ny olona iray ho zanaky ny olona hafa izay tsy ray aman-dreny niteraka azy ara-dalàna.

  • Mampiasa ny hoe "fananganan'anaka" sy "managana" ny Baiboly mba ho hevitra ambadika anehoana ny fomba entin'Andriamanitra hahatonga ny olona ho isan'ny fianakaviany, ka mahatonga azy ireo ho zanany ara-panahy.
  • Amin'ny maha zanaka natsangana, ny mpino rehetra dia mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy, ary manana ny tombony rehetra hananan'ireo zanak'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io teny io dia azo adika amin'ny teny izay ampiasaina entina mamaritra izany, izay mamaritra an'io fifandraisana manokana eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka io.
  • Ny fehezanteny hoe: "miaina ny fananganan'anaka" dia azo adika hoe: "natsangan'Andriamanitra ho zanany" na "lasa zanak'Andriamanitra"

Fanantenana

Famaritana

Ny teny hoe "fanantenana" dia maneho zavatra izay irina sy endrasana fatratra mba hiseho. Izay midika ihany koa hoe tsy tena atokisana hoe hitranga.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "fanantenana" dia manana dika hoe "matoky" ihany koa na hoe "ny fanantenako dia ao amin'ny Tompo". Izany dia maneho ny fanantenana, izay azo antoka, fa handray izay nampanantenan'Andriamanitra ny olony.
  • Indraindray ny ULB dia mandika ny teny hoe "fanantenana" toy ny hoe "toky," indrindra fa ao amin'ny Testamenta Vaovao amin'ny foto-kevitra izay maneho ny tokin'ny fandraisana izay nampanantenan'Andriamanitra ho an'ireo olona izay mino an'i Jesosy ho mpamonjy azy ireo.
  • Ny hoe "tsy manana fanantenana" dia midika hoe tsy miandry zavatra tsara hitranga intsony. Izany dia midika fa tena azo antoka fa tsy hitranga intsony izany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny teny hoe "manantena" dia afaka adika hoe "maniry" na "miandry."
  • Ny fomba fiteny hoe "tsy misy hantenana" dia afaka adika hoe "tsy misy atokisana" na "tsy misy zavatra tsara andrasana."
  • Ny hoe "tsy manana fanantenana" dia afaka adika hoe "tsy miandry zavatra tsara intsony" na "tsy manana antoka" na "azo antoka fa tsy hisy zavatra tsara hiseho intsony."
  • Ny fomba fiteny hoe "nametrahanareo ny fanantenanareo" dia afaka adika hoe "nametrahanareo ny fahatokisanareo eo amin'ny" na "nahatoky an'ny."
  • Ny fehezanteny hoe "nahita fanantenana tamin'ny teninao aho" dia afaka adika hoe "Izaho dia mahatoky fa ny teninao dia marina" na "ireo teninao dia nanampy ahy hahatoky anao" na "rehefa mankatoa ireo teninao aho, dia mino aho fa voatahy."
  • Ny fehezanteny hoe "fanantenana ao amin'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "mahatoky ao amin'Andriamanitra" na "mahafantatra tsara fa Andriamanitra dia hanao izay nampanantenany" na "tena mahatoky fa Andriamanitra dia azo atokisana."

fanapahana

Famaritana

Ny teny hoe "fanapahana" dia maneho ny hery, fanaraha-maso na fahefana atao amin'ny olona, na biby na tany.

  • Jesosy Kristy dia nolazaina fa manana ny fanapahana eo amin'izao tontolo izao, tahaka ny mpaminany, mpisorona ary mpanjaka.
  • Ny fanapahan'i Satana dia resy madrakizay tamin'ny fahafatesan'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazofijaliana
  • Tamin'ny fahamoronana, Andriamanitra dia niteny fa ny olona dia manana fanapahana eo amin'ny trondro, vorona ary ireo biby rehetra maneran-tany.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny fomba hafa andikana izany teny izany dia mety ahitana hoe "fahefana" na "hery" na "fanaraha-maso."
  • Ny fehezanteny "manana fanapahana eo amin'ny" dia mety koa raha adika hoe "fitantanana" na "fahefana eo amin'ny."

fanatitra

Famaritana

Ny teny hoe "fanatitra" dia maneho ny zavatra rehetra izay omena na tolorona ny olona iray. Ny fanomezana dia tsy mila tambiny.

  • Ny vola, sakafo, akanjo, na zavatra hafa izay omena ny olona mahantra dia antsoina hoe "fanomezana"
  • Ao amin'ny Baiboly, ny fanatitra na sorona omena an'Andriamanitra dia antsoina koa hoe fanomezana.
  • Ny fanomezam-pamonjena dia zavatra omen'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "fanomezana" koa dia ampiasaina hanehoana fanomezam-pahasoavana manokana izay omen'Andriamanitra ny Kristiana rehetra mba hanompoana olona hafa.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny an-kapobeny ho an'ny "fanatitra" dia afaka adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "zavatra izay omena."
  • Amin'ny hevitra hoe olona manana fanomezana na fahaizana manokana izay avy amin'Andriamanitra, ny teny hoe "fanomezana avy amin'ny Fanahy" dia afaka adika hoe "fanomezam-pahasoavana" na "fahaizana manokana avy amin'ny Fanahy Masina" na "fanomezam-pahasoavana manokana izay nomen'Andriamanitra."

fanavotana

Famaritana

Ny teny hoe "fanavotana" dia maneho ny sorona izay natao mba hanomezana fahafaham-po na hanatanterahana ny fitsaràn'Andriamanitra sy hampitoniana ny hatezerany.

  • Ny fanolorana ilay rà sorona nataon'i Jesosy Kristy no fanavotana ho an'Andriamanitra nohon'ny fahotan'ny olombelona.
  • Ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana no nampitony ny hatezeran' Andriamanitra tamin'ny fahotana. Izany dia nanome lalana ho an'Andriamanitra hijery ny olona amin'ny fankasitrahana sy hanome fiainana mandrakizay azy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "fampitoniana" na "mahatonga an'Andriamanitra hamela ny fahotana sy hankasitraka ny olona."
  • Ny teny hoe "fanavotana" dia mifanakaiky amin'ny hoe ''fampihavanana."

fanekem-pihavanana

Famaritana

Ny fanekem-pihavanana dia fifanarahana ofisialy sy mifanaraka eo amin'ny andaniny roa izay tsy maintsy tanterahin'ny andaniny iray na izy roa.

  • Io fifanarahana io dia mety ho eo amin'ny tsirairay, na eo amin'ny vondron'olona, na eo amin'Andriamanitra sy ny olona.
  • Rehefa mifanao fanekem-pihavanana ny olona, dia manome toky fa hanao zavatra izy ireo, ary tsy maintsy hataon'izy ireo izany.
  • Ireo ohatra amin'ny fanekem-pihavanan'olombelona dia ahitana fifanekem-panambadiana, fifanarahan-kasa, ary fifampitondrana eo amin'ny firenena.
  • Ao amin'ny Baiboly iray manontolo, dia nanao fanekem-pihavanana maro tamin'ny vahoakany Andriamanitra.
  • Amin'ny sasany amin'ireo fanekem-pihavanana, dia nampanantena Andriamanitra fa hanatanteraka ny anjarany tsy misy fepetra. Rehefa nametraka ny fanekem-pihavanany tamin'ny olombelona ohatra Andriamanitra, dia nampanantena fa tsy hamotika ny tany mihintsy amin'ny tondran-drano maneran-tany indray, io fampanantenana io dia tsy nanana fepetra ho an'ny olona ho tanterahina.
  • Amin'ny fanekem-pihavanana hafa, dia nampanantena ny hanatanteraka ny anjarany Andriamanitra raha mankatoa Azy sy manatanteraka ny anjara fanekeny ny olona.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ity teny ity dia ahitana hoe "fifanarahana mifanaraka" na "fanoloran-tena ofisialy" na "antoka" na "fifanekena."
  • Ireo fiteny sasany dia mety manana teny hafa ho an'ny fanekem-pihavanana miankina amin'ny hoe nanao fampanantenana tsy maintsy tandreman'izy ireo ny andaniny iray na ny andaniny roa. Raha avy amin'ny andaniny iray ihany ny fifanarahana, izany dia azo adika hoe "fampanantenana" na "fianianana."
  • Kendreo ny fandikana ity teny ity mba tsy ho raisina toy ny hoe olona manolotra ilay fanekem-pihavanana. Amin'ny lafin'ny fanekeam-pihavanana rehetra eo amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Andriamanitra no nanomboka ilay fanekena.

fanekena mahatoky, fanekena tsy mivadika, fitiavana feno fahatsoram-po, fitiavana tsy mety levona

Famaritana

Ity teny ity dia ampiasaina hamaritana ny fanoloran-tenan'Andriamanitra hanatanteraka ireo fampanantenana izay nataony tamin'ny olony.

  • Andriamanitra dia nanao fampanantenana tamin'ireo Israelita tamin'ny fifanekena ofisialy antsoina hoe "fanekem-pihavanana."
  • Ny hoe "fanekena mahatoky" na "fanekena tsy mivadika" an'Yaveh dia midika fa mitazona ireo fampanantenany amin'ny vahoakany izy.
  • Ny fahatokian'Andriamanitra hihazona ny fanekeny ireo fampanantenana dia fanehoana ny fahasoavany amin'ny vahoakany.
  • Ny teny hoe "tsy mivadika" dia teny hafa maneho fanoloran-tena sy tsy fianteherana hanao sy hilaza izay nampanantenaina sy izay hahasoa olona iray hafa.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba nandikana ity teny ity koa dia miankina amin'ny fomba andikana ireo teny hoe "fanekena" sy "fahatokiana."
  • Ireo fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "fitiavana mahatoky" na "fitiavana tsy mivadika" na "fitiavana azo itokisana."

fangoraham-po, be fangorahana

Famaritana

Ny teny hoe "fangoraham-po" dia maneho fahatsapana fiahiana ho an'olona, indrindra ho an'ireo izay mijaly. Ny olona "be fangorahana" dia miahy ny olona hafa ary manampy azy ireo.

  • Ny teny hoe "fangoraham-po" dia ahitana foana ny fiahiana ireo olona sahirana, ary mandray andraikitra mba hanampiana azy ireo.
  • Ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia be fangorahana, izany hoe, feno fitiavana sy famindram-po Izy.
  • Ao amin'ny taratasin'i Paoly ho an'ireo Kolosiana, milaza azy ireo izy mba "hitafy fangoraham-po." Mampianatra azy ireo izy mba hiahy ny momba ny olona ary hanampy ireo hafa izay sahirana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny hevitry ny hoe "fangoraham-po" ara-bakiteny dia hoe "kibon'ny famindram-po." Io dia fomba fiteny izay midika hoe "famindram-po" na "fiantrana." Ireo fiteny sasany dia mety manana ny fomba fiteniny manokana izay midika an'ity.
  • Ireo fomba handikana ny "fangoraham-po" dia mety ahitana ny hoe "fiahiana lalina ho an'ny" na "famindram-po mahasoa."
  • Ny teny hoe "be fangorahana" dia afaka adika hoe "miahy sy manampy" na "be fitiavana sy mamindra fo."

fanjakan'Andriamanitra, fanjakan'ny lanitra

Famaritana

Ireo teny hoe: "fanjakan'Andriamanitra" sy "fanjakan'ny lanitra" dia samy maneho ny fitsipik'Andriamanitra sy ny fahefany amin'ny olony ary ny zava-boahary rehetra.

  • Ireo Jiosy matetika dia mampiasa ny teny hoe: "lanitra" mba hanehoana an'Andriamanitra, mba hialana amin'ny fitenenana mivantana ny anarany.
  • Ao amin'ny boky nosoratan'i Matio ao amin'ny TT, dia maneho ny fanjakan'Andriamanitra izy hoe: "ny fanjakan'ny lanitra," mety hoe satria izy no nanoratra voalohany ho an'ireo Jiosy mpihaino azy.
  • Ny fanjakan'Andriamanitra dia maneho ny fitondran'Andriamanitra ara-panahy ny olona ary ny fitondrana izao tontolo izao ihany koa.
  • Ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha dia nilaza fa Andriamanitra dia handefa ny Mesia mba hitondra am-pahamarinana. Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra, no ilay Mesia izay hanapaka mandrakizay ny fanjakan'Andriamanitra.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • "Ny fanjakan'Andriamanitra" dia afaka adika hoe: "fitondran'Andriamanitra," arakaraky ny foto-kevitra.

fanoharana

Famaritana

Ny teny hoe "fanoharana" matetika dia maneho tantara na lesona fohy izay nampiasaina mba hanazavana na hampianarana marina ara-moraly.

  • Jesosy dia nampiasa fanoharana mba hampianarana ireo mpianany. Na dia nanao fanoharana tamin'ny vahoaka aza Izy, dia tsy nanazava ilay fanoharana mihintsy.
  • Ny fanoharana dia mety nampiasaina nampahafantarana ny fahamarinana tamin'ireo mpianany kanefa manafina izany fahamarinana izany amin'ny olona tahaka ireo Fariseo izay tsy nino an'i Jesosy.
  • Natana mpaminany dia nanao fanoharana tamin'i Davida mba hampiseho amin'ny mpanjaka ny fahotany mahatsiravina.
  • Ny tantaran'ilay Samaritana Tsara fanahy dia ohatra iray amin'ny fanoharana iray izay tantara. Ny fampitahan'i Jesosy ny siny hoditra taloha amin'ny vaovao izay fasiana divay dia ohatra amin'ny fanoharana iray izay lesona hanampiana ireo mpianatra hahazo ny fampianaran'i Jesosy.

fanonerana, manonitra

Famaritana

Ny teny hoe "manadio" sy "fanadiovana" dia ilazana ny fomba nanomezan'Andriamanitra sorona handoavana ny vidin'ny fahotan'ny olona sy hanalefahana ny fahaviniran'Andriamanitra nohon'ny fahotana.

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha, dia navelan'Andriamanitra hisy fanonerana vonjimaika hatao ho an'ny fahotan'ny Zanak'Israely, tamin'ny fanaterana rà natao sorona, izay midika fisian'ny famonoam-biby iray.
  • Araka ny voarakitra ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana no hany fanonerana maharitra nohon'ny ota.
  • Rehefa maty i Jesosy, dia Izy no nandray ny sazy mendrika ny olona nohon'ny fahotany. Izy no nandoa ny vidin'ny fanonerana tamin'ny sorom-pahafatesany.

Torohevitra amin'ny fadikan-teny:

  • Ny teny hoe "manonitra" dia azo adika amin'ny teny na andian-teny izay midika hoe: "mandoa" na "mandoa ny vidin'ny" na "mahatonga ny fahotan'ny olona iray ho voavela" na "manonitra ny heloka iray.''
  • Mety ho fomba azo andikana ny "fanonerana" ny hoe: "fandoavam-bidy" na "sorona hanonerana ny fahotana" na "fanomezana ny lalam-pamonjena."
  • Ezaho mba tsy haneho fandoavam-bola ny fandikana an'io teny io.

Fariseo

Famaritana

Ireo Fariseo dia vondrona manan-danja, mahery amin'ireo mpitarika fivavahana Jiosy tamin'ny andron'i Jesosy.

  • Maro amin'izy ireo no
  • Amin'ireo mpitarika Jiosy rehetra, dia ny Fariseo no entitra indrindra amin'ny fankatoavana ny lalàn'i Mosesy ary ireo lalàna sy fomba Jiosy hafa.
  • Izy ireo dia mifantoka tanteraka amin'ny fihazonana ny vahoaka Jiosy lavitry ny fitarihan'ireo Jentilisa manodidina azy ireo. Ny anarana hoe "Fariseo" dia avy amin'ny tany hoe "manasaraka."
  • Ireo Fariseo dia nino ny fiainana aorian'ny fahafatesana; izy ireo ihany koa dia nino ny fisian'ny anjely sy zavatra ara-panahy hafa.
  • Ireo Fariseo sy Sadoseo dia nanohitra mafy an'i Jesosy sy ireo Kristiana tany am-boalohany.

Fasana, Seola

Famaritana

Ny teny hoe "Fasana" sy ny "Seola" dia nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hanehoana fahafatesana sy ilay toerana izay andehanan'ny fanahin'ny olona rehefa maty izy ireo. Mitovy ny dikan'izy roa ireo.

  • Ny teny hoe "Seola" matetika dia nampiasaina tao amin'ny Testamenta Taloha mba hanehoana ny toeran'ny maty amin'ny ankapobeny.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "Fasana" dia maneho toerana ho an'ny fanahin'ny olona izay nikomy nanohitra an'Andriamanitra. Ireo fanahy ireo dia lazaina fa midina any amin'ny Fasana. Izany dia mifanipaka amin'ny hoe "miakatra" ho any an-danitra, izay hitoeran'ireo fanahin'ny olona izay mino an'i Jesosy.
  • Ny teny hoe "Fasana" dia miaraka amin'ny teny hoe "fahafatesana" ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy. Amin'ny fara-andro, ny fahafatesana sy ny Fasana dia samy hatsipy any amin'ny farihy mirehitra afo, izany hoe ny helo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "Seola" ao amin'ny Testamenta Taloha dia afaka adika hoe "toeran'ny maty" na "toeran'ireo fanahy maty." Ny fandikana sasany dia milaza izany hoe "ilay lavaka" na "fahafatesana," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe "Fasana" ao amin'ny Testamenta Vaovao dia afaka adika hoe "toerana ho an'ny fanahin'ireo tsy mpino maty."
  • Ny fandikana sasany dia mitazona ny teny hoe "Sheola" na "Hadesy," fa tononina mba hifanaraka amin'ilay teny andikana azy izy ireo.

fenon'ny Fanahy

Famaritana

Ny teny hoe: "fenon'ny fanahy" dia fomba fiteny ambadika izay midika fa ny Fanahy Masina dia mankahery ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra.

  • Ny teny hoe: "fenon'ny" dia teny izay matetika midika hoe: "baikoin'ny."
  • Ny olona dia "fenon'ny Fanahy" rehefa manaraka ny fitarihan'ny Fanahy Masina sy miray tanteraka aminy mba hanampy azy ireo hanao izay tian'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Io teny io dia afaka adika hoe: "nankaherezin'ny Fanahy Masina" na "baikoin'ny Fanahy Masina." Fa izany akory tsy midika hoe: teren'ny Fanahy Masina hanao zavatra ny olona iray.
  • Ny andian-teny toy ny hoe: "fenon'ny Fanahy izy" dia afaka adika hoe: "miaina tanteraka amin'ny herin'ny Fanahy izy" na "tarihin'ny Fanahy Masina tanteraka izy" na "nitarika azy tanteraka ny Fanahy Masina."
  • Io teny io dia mitovitovy dika amin'ny fiteny hoe: "miaina amin'ny Fanahy," fa kosa ny "fenon'ny Fanahy" dia manamafy ny fahafenoana izay hamelan'ny olona ny Fanahy Masina hibaiko na hitarika azy amin'ny fiainana. Ka noho izany ireo fiteny roa ireo dia tokony atao samy hafa ny fandikana azy, raha mety.

feon'ny fieritreretana

Famaritana

Ny feon'ny fieritreretana dia ampahany amin'ny fisainan'ny olona iray izay ampahafantaran'Andriamanitra azy fa manao zavatra mampanota izy.

  • Andriamanitra dia nanome feon'ny fieritreretana ny olona mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fahasamihafana eo amin'izay marina sy izay diso.
  • Ny olona mankàtoa an'Andriamanitra dia lazaina ho manana feon'ny fieritreretana "madio" na "mazava."
  • Raha manana "feon'ny fieritreretana mazava" ny olona iray dia midika izany fa tsy manafina fahotana mihitsy izy.
  • Raha tsy miraharaha ny feon'ny fieritreretan'izy ireo ny olona ary tsy mahatsapa meloka rehefa manota, midika izany fa tsy mahalala izay ratsy intsony ny feon'ny fieritreretany. Ny Baiboly dia miantso izany hoe feon'ny fieritreretana "voaongana," izay "voamarika" toy ny tamin'ny vy mamay. Ny feon'ny fieritreretana toy izany dia antsoina koa hoe "mafy fo" sy "maloto."
  • Ireo fomba mety andikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "torolalana momban'ny fitondran-tena" na "fisainana ara-moraly."

fiainana, miaina, velona,

Famaritana

Ireo teny ireo dia maneho avokoa hoe velona ara-batana, fa tsy maty. Izy ireo ihany koa dia nampiasaina amin'ny sari-teny mba hanehoana fa velona ara-panahy. Ny manaraka eto dia miresaka momba ny dikan'ny hoe "fiainana ara-nofo" sy ny "fiainana ara-panahy."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, ny "fiainana" dia afaka adika hoe "ny fisiana" na "olona" na "fanahy" na "misy" na "zavatra nandalovana"
  • Ny teny hoe "miaina" dia afaka adika hoe "monina" na "mipetraka" na "misy"
  • Ny teny hoe "faran'ny ainy" dia afaka adika hoe "rehefa nitrahatra niaina izy"
  • Ny fomba fiteny hoe "mamindra fo amin'ny ain'izy ireo" dia afaka adika hoe "avelo izy ireo ho velona" na "aza vonoina izy ireo"
  • Ny fomba fiteny hoe "nanao vivery ny ainy izy ireo" dia afaka adika hoe "nataon'izy ireo ho amin'ny loza ny fiainan'izy ireo" na "izy ireo dia nanao zavatra izay mety nahafaty azy ireo"
  • Rehefa ny Baiboly no milaza zavatra momba ny hoe velona ara-panahy, ny "fiainana" dia mety adika hoe "fiainana ara-panahy" na "fiainana mandrakizay" miankina amin'ny zava-misy.
  • Ny foto-kevitry ny hoe "fiainana ara-panahy" dia afaka adika hoe "Andriamanitra dia nanao antsika ho velona ao amin'ny fanahintsika" na "fiainana vaovao avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra" na "natao velona ao amin'ny anatintsika lalina ao"
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny fomba fiteny hoe "manome fiainana" dia afaka adika hoe "mahatonga ho velona" na "manome fiainana mandrakizay" na "mahatonga ho velona mandrakizay."

fiangonana, Fiangonana

Famaritana

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe "fiangonana" dia maneho vondrona mpino an'i Jesosy eo an-toerana izay nivory tsy tapaka mba hivavaka sy handre ny tori-tenin'Andriamanitra. Ny teny hoe "fiangonana" matetika dia entina anehoana ireo Kristiana rehetra.

  • Ity teny ity dia maneho ara-bakiteny ny hoe "miantso" fihaonam-be na fiangonan'ny olona mba hiara-hivory ho amin'ny tanjona manokana.
  • Ity teny ity rehefa ampiasaina hanehoana ireo mpino rehetra na aiza na aiza eo amin'ny vatan' i Kristy, dia maro amin'ireo fandikana Baiboly manao ny teny voalohany amin'ny sora-baventy ("Fiangonana") mba hanavahana izany amin'ny fiangonana eo an-toerana.
  • Matetika ireo mpino ao amin'ny tanàna manokana dia miara-mivory any an-tranon'olona iray. Ireo fiangonana eo an-toerana ireo dia nomena ny anaran'ilay tanàna toy ny "fiangonana ao Efesosy."
  • Ao amin'ny Baiboly, ny hoe "fiangonana" dia tsy maneho trano be.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fiangonana" dia mety adika hoe "miara-miangona" na "miangona" na "fiangonana" na "ireo miara-mivory."
  • Ny teny na fehezanteny izay nampiasaina mba handikana ity teny ity dia tokony haneho ireo mpino rehetra koa, fa tsy vondrona kely fotsiny.
  • Kendreo ny fandikana ny hoe "fiangonana" mba tsy haneho trano fotsiny ihany.
  • Ny teny nampiasaina nandikana ny hoe "miangona" ao amin'ny Testamenta Taloha dia mety ampiasaina handikana ity teny ity koa.
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana izany tamin'ny fandikana Baiboly teo an-toerana na teo amin'ny firenena.

fiara

Famaritana

Ny teny hoe: "fiara" dia ilazana ara-bakiteny vata efa-joro izay natao mba hihazonana na hiarovana ny zavatra iray. Ny fiara dia mety ho kely na lehibe, arakaraka ny ampiasana azy.

  • Ao amin'ny Baiboly Malagasy, ny teny hoe "fiara" dia nampiasaina ilazana ilay sambo vita amin'ny hazo lehibe dia lehibe izay namboarin'i Noa handosirana ny safo-drano maneran-tany. Nisy ambaniny fisaka, tafo, ary rindrina izany fiara izany.
  • Ny fomba handikana io teny io dia azo atao hoe: "sambo goavana" na "sambo" na "sambo mpitondra entana" na "sambo miendrika vata lehibe."
  • Ny teny Hebreo ampiasaina mba hilazana io sambo goavana io dia ilay teny ampiasaina ilazana ilay harona na vata nisy an'i Mosesy zazakely ihany, tamin'ny nametrahan'ny reniny azy teo amin'ny Reniranon'i Neily mba hanafenana azy. Matetika izany dia adika hoe "harona."
  • Ao amin'ny andian-teny hoe "fiaran'ny fanekena," dia misy teny Hebreo hafa ampiasaina ilazana ny hoe "fiara." Azo adika izany hoe "vata" na "kesika" na "fitoerana."
  • Rehefa misafidy teny handikana ny "fiara," dia zava-dehibe ny mihevitra tsara ny haben'izany sy ny hampiasana azy ao amin'ny foto-kevitra tsirairay.

fiaran'ny fanekena, ireo didin'ny fiaran'ny fanekena, fiaran'i Yaveh

Famaritana

Ireo teny ireo dia ilazana ny fitoerana vita hazo manokana, nopetahana takela-bolamena, izay nisy ny vato fisaka roa nanoratana ny Didy Folo. Nisy ny tehin'i Arona sy siny nisy mana ihany koa izany.

  • Ny teny hoe "fiara" eto dia azo adika hoe "vata" na "kesika" na "fitoeran-javatra."
  • Ireo zavatra tao anatin'izany kesika izany no nampatsiahy an'ireo Zanak'Israely ny amin'ny feneken'Andriamanitra tamin'izy ireo.
  • Tao amin'ilay "toerana masina indrindra" no nisy ny fiaran'ny fanekena.
  • Teo an-tampon'ilay fiaran'ny fanekena tao amin'ny toerana masina indrindra tao amin'ny tabernakely ny fanatrehan'Andriamanitra, izay niresahany tamin'i Mosesy ho an'ireo Zanak'Israely.
  • Tamin'ny fotoana nitoeran'ny fiaran'ny fanekena tao amin'ny toerana masina indrindra tao an-tempoly, dia ny mpisoronabe ihany no hany afaka nanatona ny fiara, indray mandeha isan-taona tamin'ny Andron'ny Fanavotana.
  • Misy dikan-teny maro mandika ara-bakiteny ny teny hoe "didim-panekena" ho "fijoroana vavolombelona." Izay entina anehoana fa ireo Didy Folo dia fijoroana vavolombelona na tena vavolombelon'ny Faneken'Andriamanitra tamin'ireo olony. Adika ihany koa izany hoe "lalàn'ny fanekena."

fijangajangana, feno fijangajangana, mpijangajanga, vehivavy janga

Famaritana

Ny teny hoe "fijangajangana" dia ilazana ny fahotana izay iraisan'ny olona manambady iray amina olona iray izay tsy vadiny. Ny fomba fiteny hoe "feno fijangajangana" dia mamaritra io karazana fitondran-tena io na olona manatanteraka io fahotana io.

  • Ny teny hoe "mpijangajanga" amin'ny ankapobeny dia manondro ny olona rehetra izay mijangajanga.
  • Indraindray ny teny hoe "vehivavy janga" dia ampiasaina hamaritana manokana fa vehivavy no mijangajanga.
  • Mandrava ny voady izay nifanaovan'ny lehilahy sy ny vehivavy tamin'ny fifanekem-panambadiany ny fijangajangana.
  • Nandidy an'ireo zanak'Israely tsy hijangajanga Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "feno fijangajangana" matetika dia ampiasaina ho hevitra ambadika hamaritana ny tsy fandrafian'ny vahoakan'Israely an'Andriamanitra, indrindra rehefa manompo Andriamanitra tsy izy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Raha tsy manana teny iray mahalaza ny hoe "fijangajangana" ny teny enti-mandika, dia azo adika amina fehezanteny toy ny hoe: "miray ara-nofo amin'ny vadin'olon-kafa" na "miaraka mangingina amin'ny vadin'olona" izany.
  • Ny fiteny sasany dia mety hanana fomba tsy mivantana hilazana ny fijangajangana, toy ny hoe "mandry amin'ny vadin'olon-kafa" na "mampirafy ny vadiny."

fijoroana vavolombelona, mijoro vavolombelona

Famaritana

Ny teny hoe ''fijoroana vavolombelona'' sy ''mijoro vavolombelona'' dia ilazana ny fanaovana fanambarana momba ny zavatra iray izay fantatry ny olona iray fa marina.

  • Matetika ny olona dia "mijoro vavolombelona'' momba ny zavatra izay niainany mivantana.
  • Ny vavolombelona izay manao "fijoroana vavolombelona diso" dia tsy milaza ny marina mahakasika izay zava-niseho.
  • Indraindray ny teny hoe "fijoroana vavolombelona" dia entina ilazana faminaniana iray izay nambaran'ny mpaminany.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, io teny io matetika dia entina ilazana ny fomba nijoroan'ireo mpanara-dia an'i Jesosy vavaolombelona momba ireo trangan'ny fahaveloman'i Jesosy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "mijoro vavolombelona" dia azo adika ihany koa hoe: "milaza ny zava-nitranga" na "milaza izay hita na re" na "milaza nohon'ny zavatra niainana manokana" na "manome porofo" na "milaza izay niseho."
  • Ny fomba andikana ny "fijoroana vavolombelona" dia azo atao hoe: "tatitra momba izay nitranga" na "fanambarana izay marina" na "porofo" na "izay voalaza" na "faminaniana.''
  • Ny andian-teny hoe "ho vavolombelona amin'izy ireo" dia azo adika hoe: "hampiseho amin'izy ireo izay marina" na "hanaporofo izay marina amin'izy ireo.''
  • Ny andian-teny hoe "ho vavolombelona hanohitra azy ireo" dia azo adika hoe: "izay hampiseho amin'izy ireo ny fahotany" na "mampiharihary ny fihatsarambelatsihin'izy ireo" na ''izay hanaporofo fa diso izy ireo."
  • Ny "manome fijoroana vavolombelona diso" dia azo adika hoe: "milaza zavatra diso momba ny" na "manambara zavatra tsy marina."

fitarainana, fisaonana

Famaritana

Ny teny hoe "fitarainana" sy ny "fisaonana" dia maneho hendrika malahelo, manaintaina na fisaonana.

  • Indraindray izany dia maneho nenina be manoloana ny ota, na fangoraham-po ho an'ireo olona izay niharam-boina.
  • Ny fitarainana dia mety hoe fisentoana, fitomaniana na fidradradradrana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Ny teny hoe "mitaraina" dia afaka adika hoe "malahelo be" na "midradradra ao anaty alahelo" na "feno alahelo"


fitenenan-dratsy, miteny ratsy

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "fitenenan-dratsy dia maneho ny fomba fiteny izay mampiseho tsy fanajana lalina an'Andriamanitra na ny olona. Ny "miteny ratsy" olona iray dia miteny manohitra io olona mba hahatonga ny hafa hieritreritra zavatra diso na ratsy momba azy.

  • Matetika loatra, ny miteny ratsy an'Andriamanitra dia midika hoe manala baraka na maneso Azy amin'ny alalan'ny fitenenana zavatra izay tsy marina momba Azy na amin'ny alalan'ny fanaovana toetra amin'ny fomba tsy mendrika izay manala baraka Azy.
  • Fitenenan-datsy ho an'ny olombelona ny milaza ho Andriamanitra na milaza fa misy Andriamanitra hafa ankoatr'ilay Andriamanitra marina.
  • Ny teny malagasy sasany dia mandika io teny io hoe: "maneso" rehefa fanalana baraka olona no resahana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "miteny ratsy" dia afaka adika hoe: "miteny zavatra ratsy manohitra ny... " na "manambany an'Andriamanitra" na "maneso."
  • Ao anatin'ny fomba hafa handikana ny "fitenenan-dratsy" ny hoe: "miteny zavatra diso momba ny hafa" na "manely tsaho."

fitiavana

Famaritana

Ny mitia olona dia ny mikarakara izany olona izany ary manao izay mahasoa azy. Misy dikany maro ny teny hoe "fitiavana" izay mety miseho amoin'ny fomba fiteny sasany amin'ny teny samihafa:

  1. Ny karazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra dia mifantoka amin'ny fanaovana soa ho any hafa, na dia tsy ahitana tombotsoa ho an'ny tena ary. Izany karazana fitiavana izany dia mitsinjo ireo hafa, na inona na inona ataon'izy ireo. Andriamanitra tenany dia fitiavana ary dia fototry ny fitiavana tena marina.
  • Jesosy dia naneho izany karazana fitiavana izany tamin'ny nanaovany sorona ny ainy mba hamonjena antsika amin'ny ota sy ny fahafatesana. Izy ihany koa dia nampianatra ireo mpanaradia azy mba hitia ny hafa toy izany ihany koa.
  • Rehefa ny olona ny mitia ny hafa amin'ny karazana fitiavana tahaka izao dia midika ho fihetsika maneho fa misy olona miheritreritra ny mety hahatonga io olona hafa io hiroborobo. Izany karazana fitiavana izany dia miaraka amin'ny famelana ny heloky ny hafa.
  1. Teny hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao no maneho ny fitiavana ara-mpirahalahina na ny fitiavana namana na mpikambana ao amin'ny fianakaviana.
  • Izany teny izany dia maneho ny fitiavana ara-boajanahary eo amin'ny mpinamana na mpihavana.
  • Afaka ampiasaina koa hoe "izy ireo dia tia mipetraka eo amin'io toerana io". Izany dia midika hoe "izy ireo dia mankafy be" na "maniry be" ny anao izany.
  1. Ny teny hoe "fitiavana" dia maneho ihany koa ny fitiavana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy.

  2. Amin'ny fomba fiteny ara-tsari-teny manao hoe "Jakoba no tiako, fa Esao no halako" dia maneho ny safidin'Andriamanitra fa Jakoba no ao amin'ny fanekempihavanana miaraka Aminy. Izany dia afaka adika hoe "nofidiana". Na dia voatahin'Andriamanitra koa anefa Esao, dia tsy nahazo ny tombontsoa ho ao amin'ny fanekempihavanana izy. Ny teny hoe "halany" dia nampisehoana hoe "nolavina" na "tsy voafidy"

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha tsy hoe misy filazana hafa ao amin'ny fanamarihana, ny teny hoe "fitiavana" ao amin'ny ULB dia maneho ny karazana sorona ara-pitiavana izay avy amin'Andriamanitra.
  • Ny fiteny sasany dia mety manana teny manokana ho an'ny tsy fitiavan-tena, sorona ara-pitiavana izay hananan'Andriamanitra. Ny mety andikana izany dia hoe "manolo-tena" na "mitandrina ho an'ny tsy fitiavan-tena" na "fitiavana avy amin'Andriamanitra"
  • Indraindray ny "fitiavana" dia maneho ny fiahiana izay ananan'ny olona amin'ireo namany sy ireo fianakaviany. Ny fiteny sasany dia mety mandika an'io hoe "tena mankafy be" na "miahy" na "manana fitiavana be ho an'ny"
  • Ny "fitiavana" dia afaka adika ihany koa hoe "faniriana mafy" na "tena mankafy be" na "aleo kokoa."
  • Ny fiteny sasany dia manana teny miavaka mihintsy ilazana ny fitiavana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy na ny firaisana ara-nofo eo amin'ny mpivady.
  • Ny fiteny sasany dia maneho ny "fitiavana" ho tahaka ny zavatra atao. Ohatra, afaka adika hoe "ny fitiavana dia mahandry, ny fitiavana dia tsotra" rehefa mitia olona ny olona iray dia mahandry azy izy ary tsotra aminy izy."

fitoerana masina

Famaritana

Ny teny hoe "fitoerana masina" dia midika ara-bakiteny hoe "toerana masina" ary maneho ny toerana izay nataon'Andriamanitra ho masina. Izany koa dia maneho toerana izay manome fiarovana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe "fitoerana masina" dia matetika nampiasaina mba hanehoana ny tabernakely na tempoly izay nahitana ny "toerana masina" sy "ny toerana masina indrindra."
  • Andriamanitra dia naneho ny fitoerana masina ho toerana hitoerany eo amin'ireo olona, ireo Isiraelita.
  • Izy ihany koa dia niantso ny tenany hoe "fitoerana masina" na toerana azo antoka ho an'ny olony izay hahafahan'izy ireo mahazo fiarovana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia manana hevitra fototra hoe: "toerana masina" na "toerana izay voatokana."
  • Ny teny hoe: "fitoerana masina" dia afaka adika hoe: "trano masina" na "toerana masina azo antoka" arakaraka ny foto-kevitra.
  • Ny andian-teny hoe: "sekelin'ny fitoerana masina" dia afaka adika hoe: "karazana sekely omena ny tabernakely" na "sekely ampiasaina mba ho hetra hikarakarana ny tempoly."
  • Fanamarihana: Tandremo tsara ny fandikana io teny io mba tsy haneho ny trano fiderana amin'izao andro izao dia ny fiangonana izany.

fitsanganana amin'ny maty

Famaritana

Ny teny hoe "fitsanganana amin'ny maty" dia maneho ny fiverenana ho velona indray taorian'ny fahafatesana.

  • Ny manangana olona iray amin'ny maty dia midika hoe mamelona indray an'ilay olona. Andriamanitra irery ihany no manana fahefana hanao izany.
  • Ny teny hoe "fitsanganana amin'ny maty" matetika dia maneho an'i Jesosy izay niverina tamin'ny fiainana taorian'ny nahafatesany.
  • Rehefa niteny Jesosy hoe "Izaho no Fananganana amin'ny maty ary Fiainana," ny tiany holazaina dia hoe Izy no loharanon'ny fitsanganana amin'ny maty, ary Izy no antony iray mahatonga ny olona hiverina amin'ny fiainana.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "fitsanganana amin'ny maty" dia afaka adika hoe "miverina amin'ny fiainana" na "velona indray rehefa avy tany amin'ny fahafatesana."
  • Ny dika ara-bakitenin'io teny io dia hoe "nitsangana" na "natsangana."

fitsapana (fizahan-toetra)

Famaritana

Ny teny hoe "fitsapana" dia ilazana toe-javatra iainana sarotra na maharary izay mampiseho ny hery sy ny fahalemen'ny olona iray.

  • Mitsapa ny olona Andriamanitra, saingy tsy maka fanahy azy ireo. Satana kosa dia maka fanahy ny olona mba hanota.
  • Indraindray Andriamanitra dia mampiasa ny fitsapana mba hampiharihary ny fahotan'ny olona. Ny fitsapana dia manampy ny olona hiala amin'ny ota ary mitaona azy hanakaiky an'Andriamanitra kokoa.
  • Tsapaina amin'ny afo ny volamena sy ny vy hafa mba hahitana ny tsy fifangaroany sy ny hamafiny. Kisarisary maneho ny fampiasan'Andriamanitra toe-javatra maharary hitsapana ny olony izany.
  • Ny "mitsapa" dia mety hidika hoe: "mitsapa zavatra na olona iray mba hanaporofoana ny lanjany."
  • Raha mitsapa an'Andriamanitra no foto-kevitra, dia midika tsy fankatoavana Azy hatrany, sy fanararaotana ny famindram-pony izany.
  • Nambaran'i Jesosy tamin'i Satana fa tsy mety ny mistapa an'Andriamanitra. Izy no Tsitoha, Andriamanitra masina izay ambonin'ny zava-drehetra sy ny olon-drehetra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "mitsapa" dia azo adika ihany koa hoe: "mizaha toetra" na "mahatonga ny olona hiaina ady sarotra" na "manaporfo."
  • Ny fomba andikana ny "fitsapana" dia azo atao hoe: "fizahan-toetra" na "ady sarotra iainana."
  • Ny "mitsapa" dia azo adika hoe: "maka fanahy" na "mihantsy" na "manery ny olona hanaporofo ny tenany."
  • Raha fitsapana an'Andriamanitra no foto-kevitra, izany dia azo adika hoe: "mitetika ny hanery an'Andriamanitra hanaporofo ny fitiavany."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny teny hoe "mitsapa" dia mety hidika hoe: "maka fanahy.''

fitsipi-pifehezana, fifehezan-tena

Famaritana

Ny teny hoe "fitsipi-pifehezana" dia maneho ny fanofanana ny olona hankatoa ny tondrozotra napetraka ho an'ny fitondran-tena ara moraly.

  • Ny ray aman-dreny dia mifehy ireo zanany amin'ny alalan'ny fanomezana tari-dalana ara moraly sy lalana arahina ho azy ireo ary mampianatra azy ireo ankatoa.
  • Mitovy amin'izany, Andriamanitra dia mifehy ireo zanany mba hanampiana azy ireo hamokatra voankazo madio ara-panahy eo amin'ny fiainan'izy ireo, tahaka ny hoe fifaliana, fitiavana na faharetana.
  • Fitsipi-pifehezana dia mitaky fampianarana momban'ny hoe ahoana ny miaina mba hampifalifaly an'Andriamanitra, miaraka amin'ny fanasaziana ny fitondran-tena izay manohitra ny sitrapon'Andriamanitra.
  • Ny fifehezan-tena dia ilay dingana fampiaran'ny olona iray ireo fitsipika ara-moraly sy ara-panahy eo amin'ny fiainan'iny olona iray iny.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Arakarakan'ny zava-misy, ny teny hoe "fitsipi-pifehezana" dia afaka adika hoe "fanomanana sy fampianarana" na "tari-dalana amin'ny fitondran-tena" na "fanasaziana ny amin'ny ratsy natao."
  • Ny hoe "fitsipika" dia afaka adika hoe "fanomanana ara-moraly" na "fanasaziana" na "fanitsiana ara-mpitondra-tena" na "tari-dalana sy fampianarana ara-mpitondran-tena."

fo

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "fo" matetika dia nampiasaina mba hanehoana ny eritreritry ny olona, ny fihetseham-pony, ny faniriany ary ny sitrapony.

  • Ny hoe manana "fo mafy" dia fomba filazana ny olona mafy loha izay tsy manaiky hankatoa an'Andriamanitra.
  • Ny fomba fiteny hoe "amin'ny foko manontolo" na "amin'ny foko rehetra" dia midika hoe manao zavatra tsy amin'ny fisalasalana, miaraka amin'ny fanoloran-tena sy finiavana tanteraka.
  • Ny teny hoe "raiso am-po ito" dia midika hoe manao zavatra ho zava-dehibe ary mampihatra izany eo amin'ny fiainana.
  • Ny teny hoe "torotoro fo" dia mamaritra olona tena malahelo be. Izy ireo dia voadoana mafy tao anaty.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fiteny sasany dia maneho ny ampahany amin'ny vatantsika tahaka ny "vavony" na "aty" mba hanehoana izany hevitra izany.
  • Ny fiteny hafa dia mety mampiasa teny iray hanehoana ny amin'ireo zavatra ireo na teny hafa ho an'ny hafa.
  • Raha tsy mahafehy ny heviny ny "fo" na ny ampahany hafa amin'ny vatana dia tokony mampiasa hevitra ara-bakiteny izy ireo hilazana izany tahaka ny hoe "eritreritra" na "fihetseham-po" na "faniriana."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe "amin'ny foko manontolo" na "amin'ny foko rehetra" dia afaka adika hoe "amin'ny heriko rehetra" na "amin'ny fanoloran-tena tanteraka" na "amin'ny finiavana tanteraka."
  • Ny fomba fiteny hoe "raiso am-po ito" dia afaka adika hoe "ataovy ho zava-dehibe" na "eritrereto tsara ny momba izany."
  • Ny fomba fiteny hoe "mafy fo" dia afaka adika hoe "mikomy mafy" na "tsy manaiky mankatoa" na "tsy mitsahatra ny tsy mankatoa an'Andriamanitra."
  • Ny afaka andikana ny hoe "torotoro fo" dia hoe "tena malahelo" na "mahatsapa fa tena marary."

hazofijaliana

Famaritana

Tamin'ny andron'ny Baiboly, ny hazofijaliana dia hazo mahitsy iray niorina tamin'ny tany, ary misy hazo mitsivalana naraikitra teo akaikin'ny farany ambony.

  • Tamin'ny andron'ny fitondrana Romana, dia namono ireo jiolahy ny fanjakana Romana tamin'ny famatorana na famantsihana azy ireo teo amin'ny hazofijaliana ary namela azy ireo teo mba ho faty.
  • Jesosy dia noapangaina tamin'ny heloka bevava tsy nataony ary novonoin'ny Romana teo amin'ny hazofijaliany Izy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika amin'ny fampiasana teny ao amin'ny fiteny andikana azy izay maneho ny rafitry ny hazofijaliana.
  • Hevero ny famaritana ilay hazofijaliana toy ny zavatra izay namonoana ny olona, amin'ny fampiasana fehezanteny toy ny hoe "toerana famonoana" na "hazon'ny fahafatesana."
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana ity teny ity ao amin'ny Baiboly nadika tamin'ny teny teo an-toerana na tenim-pirenena.

Hebreo

Famaritana

Ny "Hebreo" dia vahoaka izay avy tamin'ny taranak'i Abrahama tamin'ny alalan'ny Isaka ary koa Jakoba. Abrahama no olona voalohany tao amin'ny Baiboly nantsoina hoe "Hebreo."

  • Ny teny hoe "Hebreo" dia maneho ny fomba fitenin'ny vahoaka Hebreo. Ny Testamenta Taloha dia nadika tamin'ny fiteny Hebreo tamin'ny voalohany.
  • Ao amin'ny toerana sasany ao amin'ny Baiboly, ny Hebreo dia nantsoina hoe "vahoaka Jiosy" na "Israelita. Ny tsara dia ny mitazona ireo teny telo ireo amin'ny foto-kevitra niandohana, raha mbola mazava hoe ireo teny ireo dia maneho vondron'olona iray ihany.

helo, farihy mirehita afo

Famaritana

Ny helo dia ilay toerana izay misy ny fanaintainana sy ny fijaliana tsy mety tapitra izay hanasazin'Andriamanitra ny olona rehetra izay mikomy manohitra Azy sy mandà ny drafi-mpamonjeny azy ireo amin'ny alalan'ny soron'i Jesosy. Izany dia maneho ihany koa ny "farihy mirehitr'afo."

  • Ny helo dia nofaritana ho tahaka ny toeran'ny afo sy ny fijaliana be.
  • Satana sy ny fanahy ratsy izay manaraka azy no hatsipy any amin'ny helo ho amin'ny fanasaziana mandrakizay.
  • Ny olona izay tsy mino ny sorona nataon'i Jesosy ho an'ny otantsika, sy tsy mahatoky Azy fa hanavotra antsika dia ho voasazy any amin'ny helo mandrakizay.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo teny ireo dia mety adika amin'ny fomba samihafa raha miseho amin'ny foto-kevitra samihafa.
  • Ny teny hoe "helo" dia afaka adika hoe "toeran'ny fijaliana" na "toerana faran'ny fanaintainana sy ny haizina."
  • Ny teny hoe "farihy mirehitr'afo" dia afaka adika hoe "afo be" na "ranomasin'afo."

heloka

Famaritana

Ny teny hoe "heloka" dia teny izay tena mitovitovy hevitra amin'ny "fahotana," saingy mety haneho manokana ny fanaovana zavatra tsy mety na faharatsiana lehibe amin'ny fahatongavan-tsaina.

  • Ny teny hoe "heloka" dia midika ara-bakiteny hoe mandika na manova (ny lalana). Maneho ny tsy rariny lehibe izany.
  • Ny heloka dia azo faritana ho toy ny fihetsika iniana atao izay mamely ny olona hafa.
  • Ny famaritana ny heloka hafa ihany koa dia "fahavetavetana" na "ditra," izay samy teny maneho fahotana mahatsiravina avokoa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "heloka" dia azo adika hoe "faharatsiana" na "fihetsika fady indrindra" na "asa mampidi-doza."
  • Matetika, ny "heloka" dia miaraka hita ao amin'ny lahatsoratra misy ny teny hoe "fahotana" sy "fandikan-dalana," noho izany dia zava-dehibe ny mandika ireo teny ireo amin'ny fomba samihafa.

hendry, fahendrena

Famaritana

Ny teny hoe: "hendry" dia mamaritra olona iray izay mahafantatra ny zava-marina sy ara-dalàna ary manao izany. Ny "fahendrena" dia ny fahazoana sy fanaovana ny marina ary ny marina ara-tsaina.

  • Ao anatin'ny atao hoe hendry ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra tsara, indrindra ny fisafidianana izay mahafaly an'Andriamanitra.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "fahendrena eto an-tany " dia hevitra ambadika hanehoana izay heverin'ny olona eto an-tany hoe hendry, kanefa adalana ankehitriny.
  • Ny olona dia lasa hendry amin'ny alalan'ny fihainoana an'Andriamanitra sy ny fankatoavana am-panetren-tena ny sitrapony.
  • Ny olona hendry dia hampiseho ny vokatry ny Fanahy Masina amin'ny fiainany, toy ny hafaliana, hatsaram-panahy, fitiavana ary faharetana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ao anatin'ireo fomba hafa handikana ny hoe: "hendry" ny "mankato an'Andriamanitra" na "mahay mihaino sy mankato" na "matahotra an'Andriamanitra."
  • Ny "fahendrena" dia afaka adika amin'ny alalan'ny teny na andian-teny maneho hoe: "fiainana am-pahendrena" na "fiainana mahay mihaino sy mankato" na "fitsarana marina."
  • Tsara raha tsy atao mitovy dika amin'ny ny teny hafa tahaka ny marina na mankato ny "hendry" sy ny "fahendrena."

hery

Famaritana

Ny teny hoe "hery" dia maneho ny fahaizana manao zavatra na fampintrangana zavatra, matetika mampiasa hery lehibe. Ny "hery" dia maneho ny olona na fanahy izay manana fahaizana lehilbe hampitranga zavatra.

  • Ny hoe "herin'Andriamanitra" dia maneho ny fahaizan'Andriamanitra hanao ny zavatra rehetra, indrindra ireo zavatra izay tsy hain'ny olona atao.
  • Andriamanitra dia manana hery feno amin'ny zavatra rehetra izay nohariany.
  • Andriamanitra dia manome hery ny olony mba hanao izay tiany, ka mba rehefa manasitrana olona izy ireo na manao fahagagana hafa, dia manao izany amin'ny herin'Andriamanitra.
  • Satria Jesosy sy ny Fanahy Masina dia Andriamanitra koa, noho izany dia manana hery mitovy izy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "hery" dia mety adika koa hoe "fahaizana" na "hery" na "tanjaka" na "fahaizana hanao fahagagana" na "fifehezana."
  • Ireo fomba azo handikana ny hoe "hery" dia ahitana ny hoe "zava-mahery" na "fanahy mifehy" na "ireo izay mamehy ny hafa."
  • Ny fomba fiteny toy ny hoe "avoty amin'ny herin'ireo fahavalonay izahay" dia afaka adika hoe "avoty amin'ny fampahorian'ireo fahavalonay izahay" na "vonjeo amin'ny fifehezan'ireo fahavalonay izahay." Amin'ity tranga ity, ny hoe "hery" dia manana hevitra hoe fampiasana ny hery mba hamehezana sy hampijaliana ireo hafa.

ho very, ho levona, simba

Famaritana

Ny teny hoe "ho very" dia midika hoe maty na simba, matetika vokatry ny herisetra na loza hafa. Ao amin'ny Baiboly, izany dia manana hevitra manokana hoe voasazy mandrakizay any amin'ny helo.

  • Ny olona izay "ho levona" dia ireo izay voalahatra ho any amin'ny helo satria nandà tsy nino an'i Jesosy tamin'ny fanavotana azy ireo.
  • Jaona 3:16 dia mampianatra fa ny hoe "ho very" dia midika hoe tsy miaina mandrakizay any an-danitra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "maty mandrakizay" na "voasazy any amin'ny helo" na "simba."
  • Kendreo tsara ny fandikana ny hoe "ho very" mba hanana hevitra hoe miaina mandrakizay any amin'ny helo fa tsy midika fotsiny hoe "mitsahatra tsy misy intsony."

ilay voafidy, mifidy, vahoaka voafidy, Ilay voafidy, olom-boafidy

Famaritana

Ny teny hoe "ireo voafidy" dia midika ara-bakiteny hoe "vahoaka voafidy'' ary ilazana ireo olona notendren'Andriamanitra na nofidiany mba ho olony. "Ilay Voafidy" na "Ilay Voafidin'Andriamanitra" dia fiantsoana ilazana an'i Jesosy, ilay Mesia voafidy.

  • Ny teny hoe "mifidy" dia midika hoe misafidy zavatra na olona iray na manapaka ny zavatra iray. Matetika izany dia ampiasaina ilazana ny fanendren'Andriamanitra ny olona izay ho Azy sy hanompo Azy.
  • Ny hoe "voafidy" dia midika hoe "voatendry" hanao zavatra iray.
  • Nofidian'Andriamanitra ny olona mba ho masina, ho voatokany mba hitondra ny vokatra tsaran'ny fanahy. Izany no mahatonga azy ireo ho antsoina hoe "ireo voafidy."
  • Ny teny hoe "ilay voafidy" indraindray dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hanondroana ny olona sasany tahaka an'i Mosesy sy Davida Mpanjaka izay voatendrin'Andriamanitra ho mpitarika ny vahoakany. Ampiasaina ihany koa izany ilazana an'Israely amin'ny maha firenena voafidin'Andriamanitra azy.
  • Ny teny hoe "olom-boafidy" dia fiteny efa taloha kokoa izay midika hoe "ireo voafidy" na "ireo vahoaka voafidy."
  • Ao amin'ireo Baiboly dikan-teny taloha, ny teny hoe "olom-boafidy" dia samy ampiasaina na ao amin'ny Testamenta Taloha na ny Vaovao mba handikana ny hoe "ireo voafidy." Ireo dikan-teny taty aoriana kokoa dia ao amin'ny Testamenta Vaovao ihany no mampiasa ny hoe "olom-boafidy," mba hilazana ireo olona novonjen'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy. Any amin'ny takelaka hafa ao amin'ny Baiboly dia adika ara-bakiteny kokoa hoe "ireo voafidy" io teny io.

Torohevitra amin'ny fandikana teny:

  • Tsara kokoa ny mandika ny hoe "olom-boafidy" amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "ireo voafidy" na "vahoaka voafidy." Ireo koa dia azo adika hoe "olona izay nofidian'Andriamanitra" na "ireo izay voatendrin'Andriamanitra ho olony."
  • Ny andian-teny hoe "ireo izay voafidy" dia azo adika ihany koa hoe "izay voatendry" na "izay nofidian'Andriamanitra."
  • Ny hoe "nofidiako ianareo" dia azo adika hoe: "Izaho no nanendry anareo" na "Izaho no nisafidy anareo."
  • Raha entina ilazana an'i Jesosy, ny hoe "Ilay Voafidy" dia azo adika ihany koa hoe: "Ilay Iray izay voafidin'Andriamanitra" na "ilay Mesia voatendrin'Andriamanitra manokana" na "Ilay Iray izay voatendrin'Andriamanitra."

indrafo, mpamindrafo

Famaritana

Ny teny hoe "indrafo" sy "mpamindrafo" dia ilazana ny fanampiana ny olona mila izany, indrindra rehefa amin'ny toerana ambany no mihetry izy ireo.

  • Mety ho tafiditra ao amin'ny hevitry ny teny hoe "indrafo" ihany koa ny tsy famaizana ny olona nohon'ny zavatra tsy mety nataon'izy ireo.
  • Ny olona manam-pahefana toy ny mpanjaka dia voafaritra hoe "mpamindrafo" rehefa mitondra tsara ny olony izy fa tsy mandratra azy ireo.
  • Ny mpamindrafo koa dia midika famelana ny olona iray izay nanao zavatra tsy nety tamintsika.
  • Maneho indrafo isika rehefa manampy ny olona mila fanampiana fatratra.
  • Mpamindrafo amintsika Andriamanitra, ary tiany isika mba ho mpamindrafo amin'ny hafa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "indrafo" dia azo adika hoe: "hatsaram-panahy" na "fangorahana" na "famindrampo."
  • Ny teny hoe "mpamindrafo" dia azo adika hoe: "Maneho fangorahana" na "tsara fanahy" na "mamela heloka."
  • Ny "maneho indrafo" na "mamindrafo" dia azo adika hoe: "mitondra tsara" na "manam-pangorahana manoloana."

ionoka

Famaritana

Matetika ny teny hoe "ionoka" dia ilazana ny lehilahy iray izay novotsirina. Lasa teny amin'ny ankapobeny ilazana ny olom-panjakana rehetra, na dia ireo izay tsy nisy kilema aza izany taty aoriana.

  • Nambaran'i Jesosy fa ny ionoka sasany dia efa teraka tahaka izany, mety ho nohon'ny fahasimban'ny taovam-pananahana na nohon'ny tsy fahafahana manao firaisana izany. Ny sasany indray dia miaina tahaka ny ionoka amin'ny fomba fiainan'ny mpitovo.
  • Tamin'ny andro taloha, ireo ionoka matetika dia ireo mpanompon'ny mpanjaka izay napetraka ho mpiambina teo amin'ny fonjan'ny vehivavy'
  • Olom-panjakana ambony ny sasany tamin'ireo ionoka, toa an'ilay ionoka Etiopiana izay nihaona tamin'i Filipo apostoly tany an'efitra.

Iray Masina

Famaritana

Ny teny hoe "Iray Masina" dia fiantsoana ao amin'ny Baiboly izay maneho an'Andriamanitra.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, izany fiantso izany dia miseho amin'ny fehezanteny hoe "Iray Masin'ny Israely."
  • Ny teny hoe "Iray Masina" dia matetika nampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hanehoana anjely.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny ara-bakiteny dia milaza hoe "Ilay Masina."

ireo roa ambin'ny folo, ireo iraika ambin'ny folo

Famaritana

Ny teny hoe "ireo roa ambin'ny folo" dia ilazana ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay nofidian'i Jesosy ho mpianatra akaiky Azy indrindra. Taorian'ny namonoan'i Jodasy tena, dia "ireo iraika ambin'ny folo" no niantsoana azy ireo.

  • Nanana mpianatra maro hafa i Jesosy, fa ny fiantsoana hoe "ireo roa ambin'ny folo" dia mampiavaka ireo izay nanara-dia Azy nandritra ny telo taona ngarangidin'ny asa fanompoany.
  • Ny anaran'ireo mpianatra roa ambin'ny folo lahy ireo dia voalaza ao amin'i Matio 10, Marka 3, ary Lioka 6.
  • Fotoana vitsy taorian'ny niverenan'i Jesosy tany an-danitra, dia nisafidy mpianatra iray antsoina hoe Matiasy "ireo iraika ambin'ny folo" mba hisolo toerana an'i Jodasy. Natsoina hoe "ireo roa ambin'ny folo" indray izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Amin'ny fiteny maro dia mety hazava kokoa na tsotra kokoa ny manampy anarana ary manao hoe: "ireo apostoly roa ambin'ny folo" na "ireo mpianatra roa ambin'ny folo akaiky an'i Jesosy indrindra."
  • "Ireo iraika ambin'ny folo" ihany koa dia azo adika hoe "ireo mpianatr'i Jesosy iraika ambin'ny folo sisa tavela."
  • Ny dikan-teny sasany dia mety hisafidy ny hampiasa sora-baventy mba hampisehoana fa ampiasaina ho fiantsoana izany, toy ny ao amin'ny hoe: "ireo roa ambin'ny folo" sy "ireo iraika ambin'ny folo."

Ireo zanak'Andriamanitra

Famaritana

Ny teny hoe "ireo zanak'Andriamanitra" dia teny izay manana heviny be dia be.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "ireo zanak'Andriamanitra" dia maneho ireo mpino an'i Jesosy rehetra, na lahy na vavy.
  • Ny fampiasana izany teny izany dia milazan'ny fifandraisana amin'Andriamanitra ho toy ny fifiandraisan'ny zanakalahy amin'ny rainy, miaraka amin'izay tombontsoa amin'ny maha zanakalahy azy izay.
  • Ao amin'ny Genesisy 6, ny olona sasany dia mandika ny hoe "ireo zanak'Andriamanitra" ho anjely izay nianjera,tsy iza izany ny fanahy ratsy sy ny demony. Ny sasany dia mieritreritra fa mety maneho mpanao politika mahery na taranak'i Seta.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "ireo zanak'Andriamanitra" dia milaza ireo mpino ao amin'i Jesosy ary dia voalaza ao daholo ny lahy sy ny vavy.
  • Ny fiantsoana hoe "ireo zanak'Andriamanitra" dia hafa amin'ilay izay maneho an'i Jesosy izay Zanakalahy tokan'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa izay andikana ny hoe "zanak'Andriamanitra" dia mety hoe "anjely" na "fanahy" na "demony" miankina amin'ny foto-kevitra
  • Afaka jerena ihany koa ny dikany hoe "Zanaka"

Israely, Israelita, firenen'Israely

Famaritana

Ny teny hoe "Israely" dia anarana izay nomen'Andriamanitra an'i Jakoba. Ny hevitr'izany dia hoe: "mitolona amin'Andriamanitra izy."

  • Zary fantatra tamin'ny hoe "vahoakan'Israely," "firenen'Israely," na "Israelita" ireo taranak'i Jakoba.
  • Nanao ny fanekeny tamin'ireo vahoakan'Israely Andriamanitra. Izy ireo no vahoaka voafidiny.
  • Ahitana foko roa ambin'ny folo ny firenen'Israely.
  • Tsy ela taorian'ny nahafatesan'i Solomona Mpanjaka, dia nizara ho fanjakana roa Israely: Ny fanjakana tatsimo, antsoina hoe "Joda" ary ny fanjakana tavaratra, antsoina hoe "Israely."
  • Matetika ny teny hoe "Israely" dia azo adika hoe: "vahoakan'Israely" na "ny firenen'Israely," arakaraka ny foto-kevitra.

izao tontolo izao, an'izao tontolo izao

Famaritana

Ny hoe: "izao tontolo izao" matetika dia maneho ny ampahan'izao rehetra izao izay hiainan'ny olona: ny tany. Ny teny hoe: "an'izao tontolo izao" dia manambara ny soatoavina sy fitondran-tena ratsin'ny olona miaina amin'ity tany ity.

  • Amin'ny heviny amin'ny ankapobeny, ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia maneho ny lanitra sy ny tany, sy ireo zavatra rehetra eo aminy.
  • Amin'ny foto-kevitra maro, ny "izao tontolo izao" dia midika hoe: "olona eto an-tany."
  • Izany matetika dia midika olona ratsy eto an-tany na olona izay tsy mankato an'Andriamanitra.
  • Ireo apostoly ihany koa dia nampiasa ny teny hoe: "izao tontolo izao" mba hanehoana ny fitiavan-tena sy ny kolikolin'ny olona miaina eto amin'izao tontolo izao. Izany dia mety ahitana ny tena marina ara-pivavahana izay mifototra amin'ny fihezahan'ny olona.
  • Ny olona sy ny zavatra havahana amin'ireo soatoavina ireo dia nolazaina hoe: "an'izao tontolo izao."

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny "izao tontolo izao" dia afaka adika hoe: "izao rehetra izao" na "olon'izao tontolo izao" na zavatra simba eto amin'izao tontolo izao" na "toetra ratsin'ny olona eto amin'izao tontolo izao."
  • Ny teny hoe: "izao rehetra izao" matetika dia midika hoe: "olona rehetra" ary maneho ireo olona miaina any amin'ny faritra hafa. Ohatra amin'izany, "izao tontolo izao tonga avy any Egypta" dia afaka adika hoe: "olona maro tonga avy any amin'ny faritra any Egypta" na "Olona tonga avy any amin'ny faritra rehetra manodidina an'ny Egypta."
  • Ny fomba hafa handikana ny hoe: "tonga avy any amin'ny tanàna niaviany avy izao tontolo izao mba ho voasoratra ao amin'ny fanisam-bahoaka Romanina," dia mety hoe: "olona maro niaina tany amin'ny faritra nentin'ny fanjakana Romanina nandeha..."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe: "an'izao tontolo izao" dia afaka adika hoe: "ratsy" na "mpanota" na "tia tena" na "ratsy fanahy" na "ratsy" na "niantraika tamin'ny fanaovan-dratsin'ny olona eto amin'izao tontolo izao."
  • Ny hoe: "milaza ireo zavatra ireo eto amin'izao tontolo izao" dia afaka adika hoe "milaza ireo zavatra ireo amin'ny olona eto amin'izao tontolo izao."
  • Amin'ny foto-kevitra hafa: ny "eto amin'izao tontolo izao" dia afaka adika ihany koa hoe: "miaina eo amin'ireo olon'izao tontolo izao" na "miaina eo amin'ireo olona ratsy fanahy."

izay sisa tavela

Famaritana

  • Matetika ny "izay sisa tavela" dia maneho ny olona izay velona tamin'ny toe-javatra mandoza ny fiainana na izay mbola mino hatrany an'Andriamanitra raha nandalo fanenjehana.
  • Isaia dia maneho ny vondron'ireo Jiosy ho velona sisa tavela tamin'ny fanafihana avy any ivelany ary velona mba hiverina any amin'ny tany Fampanantenana any Kanana.
  • Paoly dia miresaka momban'ny "olona sisa tavela" izay nosafidian'Andriamanitra handray ny fahasoavany.
  • Ny teny hoe "sisa tavela" dia milaza fa nisy olona hafa izay tsy nahatoky na tsy velona na tsy voafidy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny andian-teny toy ny hoe "ireo sisa tavela tamin'ireo olona ireo" dia afaka adika hoe "ny ambin'ireo olona ireo" na "ny olona izay mbola nahatoky hatrany" na "ny olona izay tavela."

Jentilisa

Famaritana

Ny teny hoe "Jentilisa" dia maneho izay tsy Jiosy rehetra. Ny Jentilisa dia olona izay tsy taranak'i Jakoba.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "tsy voafora" dia ampiasaina koa mba hanehoana ireo Jentilisa satria maro tamin'izy ireo no tsy namora ny zanaka lahan'izy ireo toy ny nataon'ireo Israelita.
  • Satria Andriamanitra nisafidy ireo Jiosy mba ho vahoakany manokana, dia nihevitra an'ireo Jentilisa ho vahiny izay tsy afaka ny ho vahoak'Andriamanitra mihitsy izy ireo.
  • Ireo Jiosy dia antsoina koa hoe "Israelita" na "Hebreo" tamin'ny fotoana samihafa amin'ny tantara. Noraisin'izy ireo ho "Jentilisa" avokoa ny olona hafa.
  • Ny Jentilisa koa dia afaka adika hoe "tsy Jiosy" na "tsy Israelita" (Testamenta Taloha).
  • Ara-pomba nentim-paharazana, ireo Jiosy dia tsy nihinana niaraka tamin'ny Jentilisa na nifandray tamin'izy ireo, izay niteraka olana teo amin'ny fiangonana voalohany.

Jesosy, Jesosy Kristy, Kristy Jesosy

Famaritana

Jesosy dia zanak'Andriamanitra. Ny anarana hoe "Jesosy" dia midika hoe "mamonjy Yaveh." Ny teny hoe "Kristy" dia fiantsoana izany midika hoe "ilay voaosotra" ary teny hafa ho an'ny hoe Mesia.

  • Ireo anarana roa ireo matetika dia atambatra ho lasa hoe "Jesosy Kristy" na "Kristy Jesosy." Ireo anarana ireo dia manamafy fa ny zanak'Andriamanitra dia ilay Mesia izay tonga hanavotra ny olona amin'ny famaizana mandrakizay nohon'ny fahotan'izy ireo.
  • Tamin'ny fomba mahagaga, dia ny Fanahy Masina no nahatonga ny Zanak'Andriamanitra mandrakizay ho teraka tahaka ny olombelona. Ireo ray aman-dreniny tety an-tany dia nasain'ny anjely mba hiantso Azy hoe "Jesosy" satria voalahatra hanavotra ny olona amin'ny fahotan'izy ireo Izy.
  • Nanao fahagagana maro Jesosy izay nanambara fa Izy no Andriamanitra ary Izy no Kristy, na Mesia.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fiteny maro no manoratra ny hoe "Jesosy" sy "Kristy" amin'ny fomba izay mihazona ny feo na famakiana mifanakaiky amin'ny tena niandohany. Ohatra hoe: "Jesucristo," "Jezus Christus," "Yesus Kristus", ary "Hesukristo" dia sasany amin'ireo fomba izay handikana ity anarana ity amin'ny fiteny samihafa.
  • Ho an'ny teny hoe "Kristy," fiteny maro no mety te-hampiasa endrika sasany amin'ny teny hoe "Mesia."
  • Hevero ihany koa ny fanoratra ireo anarana ireo amin'ny fiteny eo en-toerana sy iraisam-pirenena.

Jiosy

Famaritana

Ny Jiosy dia vahoaka izay taranak'i Jakoba, zafikelin'i Abrahama. Ny teny hoe "Jiosy" dia avy amin'ny teny hoe "Joda."

  • Ny olona dia nanomboka niantso ireo Israelita hoe "Jiosy" taorian'ny niverenan'izy ireo tao Joda avy any amin'ny sesi-tany tany Babylona.
  • Jesosy ilay Mesia dia Jiosy. Na izany aza, ireo mpitarika fivavahana Jiosy dia nandà an'i Jesosy ary nangataka ny hamonoana Azy.
  • Matetika ny fehezanteny hoe "ireo Jiosy" dia ilazana ireo mpitarika an'ireo Jiosy, fa tsy ireo vahoaka Jiosy rehetra. Amin'ireo fofo-kevitra ireo, ny dikan-teny sasany dia manampy hoe "mpitarika an'ireo" mba hampazava izany.

kapiteny

Famaritana

Ny kapiteny dia manam-boninahitry ny tafika Romana izay manana vondron-tafika 100 eo ambany fahefany.

  • Ity koa dia afaka adika amin'ny teny izay midika hoe "mpitarika olona an-jatony" na "mpitari-tafika" na "manamboninahitra miandraikitra olona an-jatony."
  • Nisy kapiteny Romana nanatona an'i Jesosy mba hangataka fanasitranana ho an'ny mpanompony.
  • Gaga ilay kapiteny miandraikitra ny famantsihana an'i Jesosy rehefa nanatri-maso ny fomba nahafatesan'i Jesosy.
  • Andriamanitra dia naniraka kapiteny ho any amin'i Petera mba hahafahan'i Petera manazava aminy ny vaovao mahafaly momba an'i Jesosy.

Kristiana

Famaritana

Fotoana maro taorian'ny niverenan'i Jesosy tany an-danitra, dia nanao ny anarana hoe ''Kristiana" Andriamanitra izay midika hoe "mpanara-dia an'i Kristy."

  • Tany amin'ny tanànan'i Antioka no niantsoana ireo mpanara-dia an'i Jesosy voalohany hoe "Kristiana."
  • Ny Kristiana dia olona izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra, ary mahatoky an'i Jesosy hanavotra azy amin'ny fahotany.
  • Amin'izao vanin'androntsika izao, ny teny hoe "Kristiana" dia nampiasaina ho an'ny olona iray manavaka ny fivavahana Kristiana, fa tsy tena manara-dia an'i Jesosy. Tsy izany no dikan'ny hoe "Kristiana" ao amin'ny Baiboly.
  • Satria ny teny hoe "Kristiana" ao amin'ny Baiboly dia maneho olona iray izay tena mino an'i Jesosy hatrany, dia antsoina koa hoe "mpino" ny Kristiana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "mpanara-dia an'i Kristy" na mety zavatra toy ny hoe "olon'i Kristy."
  • Kendreo ny fandikana ity teny ity mba ho samy hafa amin'ny teny nampiasaina ho an'ny mpianatra na apostoly.
  • Mitandrema mba handika ity teny ity amin'ny teny izay afaka maneho ny rehetra izay mino an'i Jesosy, fa tsy vondrona sasany fotsiny.
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana ity teny ity ao amin'ny Baiboly nadika tamin'ny teny eo an-toerana na tenim-pirenena.

Kristy, Mesia

Famaritana

Ny teny hoe "Mesia" sy "Kristy" dia midika hoe "ilay voahosotra" ary maneho an'i Jesosy, zanak'Andriamanitra.

  • "Mesia" sy "Kristy" dia samy nampiasaina tao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny zanak'Andriamanitra, izay notendren'Andriamanitra ilay Ray hanapaka toy ny mpanjaka amin'ny olona, ary hanavotra azy ireo amin'ny fahotana sy fahafatesana.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo mpaminany dia nanoratra faminaniana momba ilay Mesia an-jato taona talohan'ny nahatongavany teto an-tany.
  • Matetika ny dikan-teny hoe "(ilay) voahosotra" dia nampiasaina tao amin'ny Testamenta Taloha mba hanehoana ilay Mesia izay ho avy.
  • Jesosy dia nanatanteraka maro tamin'ireo faminaniana ireo ary nanao asa mahagaga maro izay nanaporofo fa Izy ilay Mesia; ny ambiny amin'ireo faminaniana ireo dia ho tanteraka rehefa miverina Izy.
  • Ny teny hoe "Kristy" matetika dia nampiasaina toy ny fiantsoana, tahaka ny "ilay Kristy" sy "Jesosy Kristy."
  • "Kristy" koa dia lasa nampiasaina ho isan'ny anarany, toy ny hoe "Jesosy Kristy."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika amin'ny fampiasana ny heviny hoe "Ilay voahosotra" na "Mpanavotra voahosotr'Andriamanitra."

lahatra mialoha, voalahatra mialoha

Famaritana

Ny teny hoe "lahatra mialoha" sy "voalahatra mialoha" dia maneho fanapahan-kevitra na drafitra mialoha fa hisy zavatra hitranga.

  • Ity teny ity dia maneho manokana an'Andriamanitra mandahatra mialoha ny olona handray ny fiainana mandrakizay.
  • Indraindray ny teny hoe "manendry" dia ampiasaina, izay midika koa hoe manapa-kevitra mialoha.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "lahatra mialoha" dia afaka adika koa hoe "manapa-kevitra mialoha" na "manapa-kevitra alohan'ny fotoana."
  • Ny teny hoe "voalahatra mialoha" dia mety adika hoe "nanapa-kevitra efa ela" na "nanao drafitra mialohan'ny fotoana" na "nanapa-kevitra mialoha."
  • Ny fehezanteny toy ny hoe "nandahatra anay mialoha" dia afaka adika hoe "nanapa-kevitra hatry ny ela fa izahay dia" na "efa nanapa-kevitra mialohan'ny fotoana fa izahay dia."
  • Mariho fa ny fandikana ity teny ity dia tokony hiavaka amin'ny fandikana ny teny hoe "nahafantatra mialoha."

lalàna, lalàn'i Mosesy, lalàn'Andriamanitra, lalàn'Yaveh

Famaritana

Ireo teny rehetra ireo dia maneho avokoa ireo didy sy fampianarana izay nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ho an'Isiraelita mba hankatoavina. Ny teny hoe "lalàna" sy "lalàn'Andriamanitra" dia nampiasaina mba hanehoana kokoa ireo zavatra izay tian'Andriamanitra ataon'ireo vahoakany.

*Minakina amin'ny zava-misy ny heviny, ny lalàna dia maneho:

  • ny didy folo izay nosoratan'Andriamanitra teo amin'ilay vato fisaka ho an'Isiraelita.
  • ny lalàna rehetra izay nomena an'i Mosesy
  • ny boky dimy voalohany ao amin'ny Testamenta Taloha
  • ny bokin'ny Testamenta Taloha iray manontolo(dia raisina hoe "Soratra Masina" ao amin'ny Testamenta Vaovao)
  • Ny fampianaran'Andriamanitra rehetra sy ny sitrapony.
  • Ny fehezanteny "Ny lalàna sy ny mpaminany" dia nampiasaina tao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny Soratra Masin'i Hebreo (na "Testamenta Taloha")

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny "lalàn'i Mosesy" dia afaka nadika hoe "ireo lalàna izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Mosesy mba homena ireo Isiraelita."
  • Miankina amin'ny zava-misy, "ny lalàn'i Mosesy" dia afaka adika hoe "ny lalàna izay nolazain'Andriamanitra an'i Mosesy" na "ireo lalalàn'Andriamanitra izay nosoratan'i Mosesy" na "ireo lalàna izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Mosesy mba homena ireo Isiraelita."
  • Ny fomba hafa andikana ny teny hoe "lalàna" dia "lalàn'Andriamanitra" na "ireo lalàn'Andriamanitra" na koa hoe: "lalàna avy amin'Andriamanitra" na "didin'Andriamanitra" na "lalàna izay nomen'Andriamanitra" na "ny zavatra rehetra izay nandidin'Andriamanitra" na "ny fampianaran'Andriamanitra rehetra."
  • Ny teny hoe "lalàn'i Yaveh" dia afaka adika ihany koa hoe ny "lalàn'Yaveh" na "lalàna izay nasain'Yaveh nankatoavina" na "lalàna avy tamin'Yaveh" na "zavatra izay nandidin'Yaveh."

Lanitra, habakabaka

Famaritana

Ny teny izay nadika hoe "lanitra" dia maneho ny toerana izay ipetrahan'Andriamanitra. Izany teny izany ihany koa anefa dia midika hoe "habakabaka," miankina amin'ny foto-kevitra.

  • Ny teny hoe "habakabaka" dia maneho ireo zavatra rehetra mihoatra ny tany, ao ny masoandro, volana, ary kintana. Eo ihany ko ny zavatra eny an-danitra izay lavitry ny tany ka tsy hitantsika avy eto an-tany.
  • Ny teny hoe "habakabaka" dia maneho ny lanitra manga izay eo ambonin'ny tany, ny rahona ny rivotra hiainantsika. Matetika ny masoandro sy ny volana dia natao hoe "eny amin'ny lanitra eny."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "lanitra" dia sady maneho ny lanitra no maneho ny toerana izay ipetrahan'Andriamanitra.
  • Rehefa ampiasaina amin'ny sari-teny ny teny hoe "lanitra" dia maneho foana an'Andriamanitra. Ohatra, rehefa nanoratra ny momban'ny "Fanjakan'ny Lanitra" Matio dia maneho ny Fanjakan'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa ampiasaina amin'ny sari-tany ny hoe "lanitra" dia afaka adika hoe "Andriamanitra."
  • Fa ny tsara dia mitazona ny hoe "lanitra" rehefa miresaka ny"fanjakan'ny lanitra" ny ao amin'ny bokin'i Matio.
  • Ny teny hoe "ireo lanitra" na "zavatra eny an-danitra" dia afaka adika hoe "masoandro, volana na ireo kintana" na "ireo kintana rehetra misy."
  • Ny teny hoe "kintan'ny lanitra" dia afaka adika hoe "kintana eny amin'ny habakabaka" na "kintana eny amin'ny lanitra manontolo."

Loza

Famaritana

Ny teny hoe: "loza" dia maneho fihetseham-pon'ny fiahiahiana lehibe. Izany ihany koa dia fampitandremana fa misy olona hiaina olana lehibe.

  • Ny teny hoe: "loza ho an'ny" dia arahina fampitandremana ho an'ny olona fa izy ireo dia hiaina fahoriana ho fanasaziana nohon'ny fahotan'izy ireo.
  • Ao amin'ny toerana maro hita ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "loza" dia miverimberina, mba hanamafisana indrindra indrindra ny fitsarana mafy.
  • Ny olona izay miteny hoe: "lozako" na "loza aho ahy" dia maneho alahelo momba ny fahoriana lehibe.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe: "loza" dia afaka adika hoe "alahelo lehibe" na "alahelo" na "loza."

madio, manadio

Famaritana

Ny teny hoe "madio" dia midika ara-bakiteny hoe tsy misy loto na pentina. Ao amin'ny Baiboly, ampiasaina ambadika matetika izany mba hilazana hoe "madio," "masina," na '"afaka amin'ny fahotana."

  • Ny hoe "manadio" dia dingana fanaovana zavatra ho "madio." Izany koa dia afaka adika hoe "manasa" na "manadio."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia niteny tamin'ireo Israelita izay biby nofaritany ho "madio" ara-pomba ary ireo hafa "maloto." Ireo biby madio ihany nahazo alalana ho afaka ampiasaina hohanina na sorona. Amin'ity foto-kevitra ity, ny teny hoe "madio" dia midika fa eken'Andriamanitra ho ampiasaina amin'ny sorona ilay biby.
  • Ny olona izay nanana areti-koditra manokana dia maloto mandrapaha-sitrana ilay hoditra tsy hamindra intsony. Ireo toromarika ho an'ny fanadiovana hoditra dia nila nankatoavina mba ho ambara hoe "madio" indray izany olona izany.
  • Indraindray ny hoe "madio" dia nampiasaina ambadika mba hanehoana ny fahadiovana ara-tsaina.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika amin'ny teny iraisana ilazana ny hoe "madio."

madio, mandio, fanadiovana

Famaritana

Ny hoe "madio" dia midika hoe tsy misy kilema na tsy manana zavatra mifangaro amin'izay tsy tokony ho eo. Ny manadio zavatra dia ny fanadiovana izany sy fanesorana na inona na inona hitera-pahavoazana na handoto izany.

  • Momban'ny lalàn'ny Testamenta Taloha, ny hoe "manadio" sy "fanadiovana" dia maneho ny fanadiovana avy tamin'ny zavatra izay nahatonga fitaovana na olona ho maloto ara-pombafomba, toy ny aretina, tsitanoky ny vatana, na fiterahana.
  • Ny Testamenta Taloha ihany koa dia nanana lalàna milaza ny olona ny fomba hahadiovana nohon'ny fahotana, matetika amin'ny alalan'ny fanaovana sorona biby. Izany dia vonjimaika fotsiny ary ireo sorona dia mila averimberina foana.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny hoe voadio matetika dia maneho ny fanadiovana tamin'ny fahotana.
  • Ny fomba tokana afahan'ny olona madio tanteraka sy mandrakizay tamin'ny fahotana dia amin'ny alalan'ny fibebahana sy fandraisana ny famelan'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fahatokisana an'i Jesosy sy ny sorony.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fehezanteny toy ny hoe "rehefa tapitra ny fotoana fanadiovana azy ireo" dia afaka adika hoe "rehefa nanadio ny tenan'izy ireo tamin'ny fiandrasana ny isan'ireo andro nangatahana."
  • Ny fehezanteny hoe "mitondra fanadiovana nohon'ny fahotana" dia faka adika hoe "mitondra fomba iray ho an'ny olona mba hadio tanteraka amin'ny fahotan'izy ireo."
  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe "fanadiovana" dia ahitana ny hoe "fanadiovana ara-panahy" na "lasa madio ara-pombafomba."

mahafoy, nafoy

Famaritana

Ny teny hoe: "mahafoy" dia midika hoe mamela olona iray na manajanona zavatra iray (tsy mamita.) Ny olona iray izay nafoy dia midika hoe: navelan'ny olona hafa (nafoin'ny olona hafa.)

  • Rehefa "mahafoy" an'Andriamanitra ny olona, dia midika izany hoe tsy nahatoky Azy tamin'ny alalan'ny tsy fankatoavana Azy izy ireo.
  • Rehefa "mahafoy" ny olona Andriamanitra, dia midika izany hoe nijanona tamin'ny fanampiana azy ireo ary namela azy ireo hiaina fijaliana mba hahatonga azy ireo hiverina Aminy indray Izy.
  • Io teny io ihany koa dia afaka midika hoe: mahafoy zavatra, toy ny tsy fanarahana ny fampianaran'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe: "nafoy" dia afaka atao hoe: "nafoiny ianao" na ihany koa maneho olona iray izay "nafoy (navela)."

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana io teny io ny hoe: "tsy mamita" na "manao tsirambina" na "manajanona" na "mandao," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny hoe: "mahafoy" ny lalàn'Andriamanitra dia afaka atao hoe: "tsy mankato ireo lalàn'Andriamanitra" na hoe: "manajanona ny fankatoavana" ny fampianarany na ireo lalàny.
  • Ny hoe: "nafoy" dia afaka atao hoe: "navela."

maharitra mandrakizay, mandrakizay, ny mandrakizay

Famaritana

Ny teny hoe "maharitra mandrakizay" sy "mandrakizay" dia mitovy hevitra ary anehoana zavatra izay hisy hatrany ary haharitra mandrakizay.

  • Ny teny hoe "ny mandrakizay" dia ilazana zavatra misy izay tsy nisy fiandohana no tsy misy fiafarana. Afaka ilazana ny fiainana izay tsy mety tapitra ihany koa izany.
  • Aorian'ity fiainana eto an-tany ity, dia hiaina ny mandrakizay na any an-danitra miaraka amin'Andriamanitra na any amin'ny helo lavitra an'Andriamanitra ny olombelona.
  • Ny teny hoe "fiainana mandrakizay" na "fiainana maharitra mandrakizay" dia ampisaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hilazana ny fiainana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra any an-danitra.
  • Ny andian-teny hoe "mandrakizay doria" dia misy hevitra maneho fotoana izay tsy mba mitsahatra ary mampiseho ny endriky ny mandrakizay na fiainana mandrakizay.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba hafa azo andikana ny "mandrakizay" sy "maharitra mandrakizay" dia: "tsy misy fiafarany" na "tsy mitsahatra" na "mitohy hatrany."
  • Ny teny hoe "fiainana mandrakizay" na "fiainana maharitra mandrakizay" dia azo adika ihany koa hoe "fiainana tsy misy fiafarana" na "fiainana mitohy ka tsy mitsahatra" na "ny fitsaganantsika amin'ny maty mba ho velona mandrakizay."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny fomba samihafa azo handikana "ny mandrakizay" dia hoe: "fiainana tsy voafetran'ny fotoana" na "fiainana tsy misy fiafarana" na "fiainana any an-danitra."
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana an'io teny io ao amin'ny Baiboly dikan-teny eo an-toerana na eo amin'ny firenena.

mahatoky, fahatokiana

Famaritana

Ny hoe: "mahatoky" an'Andriamanitra dia midika hoe: miaina araka ny fampianaran'Andriamanitra hatrany. Izany dia midika hoe tsy mivadika Aminy amin'ny alalan'ny fankatoavana Azy. Ny toetoetry ny olona mahatoky no atao hoe "fahatokiana."

  • Ny olona izay mahatoky dia azo atokisana fa hitana ny fampanantenany hatrany ary hanatanteraka hatrany ireo andraikiny amin'ny olona hafa.
  • Ny olona mahatoky dia maharitra amin'ny fanaovana asa, na dia lava sy sarotra aza izany.
  • Ny fahatokiana an'Andriamanitra dia ny fanaovana hatrany izay tian'Andriamanitra ho ataontsika.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Amin'ny foto-kevitra maro, ny hoe: "mahatoky" dia afaka adika hoe: "tsy mivadika" na "manolo-tena" na "azo ianteherana."
  • Amin'ny foto-kevitra hafa, ny hoe: "mahatoky" dia afaka adika amin'ny alalan'ny andian-teny hoe: "manohy ny finoana hatrany" na "maharitra amin'ny finoana sy fankatoavana an'Andriamanitra."
  • Tokony tafiditra amin'ny fandikana ny "fahatokiana" ireto teny manaraka ireto: "maharitra amin'ny finoana" na "ny tsy fivadihana" na "mendri-pitokisana" na mino sy mankato an'Andriamanitra."

maka fanahy, fakam-panahy

Famaritana

Ny maka fanahy olona iray dia ny mikasa ny hampanao zavatra tsy mety izany olona izany.

  • Ny fakam-panahy dia zavatra izay mahatonga ny olona iray haniry hanao zavatra tsy mety.
  • Halain'ny toetra maha-mpanota azy sy ny olona hafa fanahy ny olona.
  • Maka fanahy ny olona ihany koa i Satana mba tsy hankatoa an'Andriamanitra sy hanota Aminy amin'ny fanaovana zavatra tsy mety.
  • Naka fanahy an'i Jesosy ary nikasa ny hampanao zavatra tsy mety Azy i Satana, saingy nahatohitra ny fakam-panahin'i Satana rehetra i Jesosy ary tsy mba nanota mihitsy.
  • Ny teny hoe "maka fanahy" dia ampiasaina ilazana ny fakana fanahy an'Andriamanitra ihany koa, izay midika tsy fankatoavana Azy amin'ny fahamafisan-doha hatrany hany ka tsy maintsy mamaly amin'ny famaizana ireo tsy mpankatoa Izy. Antsoina ihany koa izany hoe "mitsapa" an'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "maka fanahy" dia azo adika hoe: "mitady ny hampanota" na "mitaona" na "mampaniry hanota."
  • Ny fomba handikana ny "fakam-panahy" dia azo atao hoe: "zavatra maka fanahy" na "zavatra izay mitaona ny olona iray hanota'' na "zavatra izay mahatonga faniriana ny hanao zavatra tsy mety."
  • Raha fakana fanahy an'Andriamanitra no resaka, izany dia azo adika hoe: "mitsapa an'Andriamanitra" na "mitsapa ny faharetan'Andriamanitra" na "manao izay hahatonga an'Andriamanitra hanafay" na ''tsy mankatoa an'Andiamanitra amin'ny fahamafisan-doha hatrany."

malala

Famaritana

Ny teny hoe: "malala" dia fomba fanehoana fitiavana izay mamaritra olona iray izay tiana sy malala amin'ny olona iray.

  • Ny teny hoe: "malala" ara-bakiteny dia midika hoe: "ilay tiana."
  • Andriamanitra dia maneho an'i Jesosy ho "Zanany malala."
  • Ao amin'ny taratasin'izy ireo ho an'ny fiangonana Kristiana, ireo apostoly matetika dia manao an'ireo namana mpinon'izy ireo ho "malala."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe: "malala" na "ilay malala" na "ilay tiana indrindra" na "malala indrindra."
  • Amin'ny foto-kevitra momba ny firesahana ny namana akaiky, dia afaka adika hoe: "ry namako malala" na "ry namako akaiky" izany. Amin'ny teny gasy dia mety kokoa ny miteny hoe: "ry namako malala, Paoly" na "Paoly, namako malala." Ny fitenim-paritra hafa dia mety mbola mahita fomba hafa handaharana ireo.
  • Mariho fa ny teny hoe: "malala" dia avy amin'ny teny hilazana ny fitiavan'Andriamanitra, izay tsy misy fetra, tsy tia tena, ary manao sorona ny ainy.

mamehy, fifamatorana, mifatotra

Famaritana

Ny teny hoe: "mamehy" dia midika hoe: mamatotra zavatra na mamehy mafy. Ny zavatra izay mifatotra na atambatra miaraka no antsoina hoe: "fifamatorana."

  • Ny hoe: "mifatotra" dia midika hoe manana zavatra mifatotra na nofonosina manodidina ny zavatra iray hafa.
  • Amin'ny hevitra ambadika, ny olona iray dia mety ho "voafatotry" ny voady, izay midika hoe izy dia "takiana hanatanteraka" izay nampanantenainy ho atao.
  • Ny teny hoe: "fifamatorana" dia maneho zavatra iray izay mamatotra, mamehy, na managadra olona iray. Izany matetika dia maneho ny rojo, tady izay mitazona olona mba tsy ho afaka hihetsika.
  • Tamin'ny andron'ny tao amin'ny baiboly, ny fatorana toy ny tady na rojo dia ampiasaina mba hamatorana ireo gadra amin'ny rindrina na amin'ny rihan'ny trano figadrana vato.
  • Ny teny hoe: "mamehy" dia afaka ampiasaina ihany koa mba hiresahana momba ny famonosana akanjo manodidina ny ratra mba hampasitrana izany.
  • Ny olona maty dia "fonosina" amin'ny lamba amin'ny fanomanana ny fandevenana.
  • Ny teny hoe: "mamehy" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana zavatra, toy ny fahotana, izay mibaiko na manandevo olona iray.
  • Ny fifamatorana ihany koa dia mety hoe fifandraisana akaiky misy eo amin'ny olona izay mifanohana ara-pihetseham-po, ara-panahy, sy ara-batana. Ny fifamatorana amin'ny fanambadiana no resahana amin'izany.
  • Ohatra: ny mpivady dia "mifamatotra." Izany dia fatorana izay tsy tian'Andriamanitra hovahana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "mamehy" dia adika hoe: "mamatotra" na "mamono (fonosina)."

mamela heloka, famelan-keloka

Famaritana

Ny mamela olona iray dia midika hoe: tsy mitàna lolom-po amin'ilay olona izay nandratra (nanao ratsy.)

  • Ny mamela olona iray dia midika hoe tsy manasazy azy tamin'ny fahadisoana vitany.
  • Io teny io dia afaka ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hidika hoe: "manafoana" toy ny amin'ny fitenenana hoe: "manafoana ny trosa."
  • Rehefa miaiky ny heloka amin'ny fahotan'izy ireo ny olona, dia mamela azy ireo amin'ny alalan'ny soron'ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana Andriamanitra.
  • Jesosy niteny tamin'ireo mpianany mba hamela heloka ny hafa toy ny namelany azy ireo.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe: "mamela heloka" dia afaka adika hoe: "manafoana" na "manafaka" na "tsy mitàna lolom-po," arakaraky ny foto-kevitra.

mamerina amin'ny laoniny, famerenana amin'ny laoniny

Famaritana

Ireo teny hoe "mamerina amin'ny laoniny" sy "famerenana amin'ny laoniny" dia maneho ny famerenana zavatra iray amin'ny endriny teo aloha ary tsara kokoa.

  • Rehefa niverina tamin'ny laoniny ny vatana marary, izany dia midika fa "sitrana" ny vatana.
  • Ny fifandraisana tapaka izay niverina tamin'ny laoniny, no atao hoe "fihavanana." Andriamanitra namerina tamin'ny laoniny ny olona mpanota ary nitondra azy ireo niverina Taminy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny hoe "mamerina amin'ny laoniny" ny hoe "manavao" na "mamerina mandoa" na "miverina" na "manasitrana" na "mamerina mitondra" arakaraky ny foto-kevitra.
  • Rehefa "voaverina" ny fananana, dia midika izany hoe "namboarina" na "nosoloina" na "naverina" any amin'ny tompony.
  • Ny "famerenana amin'ny laoniny" dia afaka adika hoe "fanavaozana" na "fanasitranana" na "fihavanana indray" arakaraky ny foto-kevitra.

mamora, famoràna

Famaritana

Ny teny hoe "famoràna" dia midika fanapahana ilay lohan-tsitsy amin'ny lehilahy na zaza lahy. Ny lanonana famoràna dia mety atao amin'ny fifandraisana amin'ity.

  • Andriamanitra dia nandidy an'i Abrahama mba hamora ny lehilahy rehetra ao amin'ny fianakaviany sy ireo mpanompony ho famantarana ny fanekem-pihavanan' Andriamanitra amin'izy ireo.
  • Andriamanitra ihany koa dia nandidy ireo taranak'i Abrahama mba hanohy ny fanaovana ity amin'ireo zaza lahy rehetra teraka ao amin'ny tonkantranony.
  • Ny fehezanteny hoe "famoràna ny fo" dia maneho ambadika ny hoe "fanapahana" na fanalana ny fahotana amin'ny olona iray.
  • Amin'ny hevitra ara-panahy, ny hoe "ilay voafora" dia maneho ny olona izay nodiovin'Andriamanitra tamin'ny fahotana tamin'ny alalan'ny ràn'i Jesosy sy izay olony.
  • Ny teny hoe "tsy voafora" dia maneho ireo izay tsy voafora ara-batana. Izany koa dia mety maneho ambadika ireo izay tsy voafora ara-panahy, izay tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha manao ny famoràna amin'ireo lehilahy ny kolontsaina amin'ilay teny andikana azy, dia tokony hampiasaina amin'ity teny ity ilay teny hanehoana ity.
  • Fomba hafa mety handikana ity teny koa ny hoe "tapahana manodidina" na "tapahana boribory" na "tapahana ny loha-tsitsy."
  • Amin'ny kolontsaina izay tsy mahafantatra ny famoràna, dia mety ilaina ny manazava izany amin'ny fanamarihana ambany pejy na rakibolana.
  • Kendreo mba tsy haneho ireo vehivavy ny teny ampiasaina handikana ity. Mety ilaina ny mandika ity amin'ny teny na fehezanteny izay mampiditra ny dikan'ny hoe "lehilahy."

mampihavana, fampihavanana

Famaritana

Ireo teny hoe "mampihavana" sy "fampihavanana" dia maneho ny "fampihavanana" olona roa izay mpifahavalo.

  • Ao amin'ny Baiboly, io teny io matetika dia maneho ny fihavanan'Andriamanitra amin'ny olona tamin'ny alalan'ny soron'ny Zanany, dia Jesosy Kristy.
  • Nohon'ny fahotana, dia fahavalon'Andriamanitra ny olombelona rehetra. Kanefa nohon'ny fitiavana be fangorahana nananany, dia nanome fomba iray Andriamanitra mba hihavanan'ny olona Aminy tamin'ny alalan'i Jesosy.
  • Tamin'ny alalan'ny fahatokiana ny soron'i Jesosy ho onitra tamin'ny fahotan'izy ireo, dia afaka voavela ary mihavana amin'Andriamanitra ny olona.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "mampihavana" ihany koa dia afaka adika hoe "mamerina amin'ny laoniny ny fifandraisana" na "minamana."
  • Ny teny hoe "fampihavanana" dia afaka adika hoe "famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana" na "mamitra fihavanana" na "mahatonga fifandraisana feno fihavanana."

mamporisika, famporisihana

Famaritana

Ny teny hoe "mamporisika" dia midika fankaherezana mafy sy fanosehana olona iray hanao izay mety. Ny fampaherezana tahaka izany no antsoina hoe "famporisihana."

  • Ny tanjon'ny famporisihana dia ho fandresen-dahatra ny olona hafa hiala amin'ny fahotana ary hanaraka an'Andriamanitra.
  • Mampianatra ny Kristiana mba ifamporisika am-pitiavana ny Testamenta Vaovao, fa tsy am-pahasiahana na mafy loatra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "mamporisika" dia azo adika ihany koa hoe "manosika mafy" na "mandresy lahatra" na "manoro hevitra."
  • Ezaho ny fandikana io teny io mba tsy hisy hevitra maneho fa tezitra ilay mpananatra. Tokony hampita hery sy fahamatorana io teny io, saingy tsy tokony haneho teny fahasosorana.
  • Amin'ny ankamaroan'ny foto-kevitra, ny teny hoe "mamporisika" dia tokony hadika amin'ny fomba hafa amin'ny hoe "mampahery," izay midika hoe mitaona, manome toky, na mampionana olona iray.
  • Matetika io teny io dia adika amin'ny fomba hafa amin'ny hoe "mananatra," izay midika fampitandremana na fanitsiana olona iray nohon'ny toetra tsy mety nataony.

Mana

Famaritana

Ny mana dia sakafo fotsy, miendrika voa izay nomen'Andriamanitra ho an'ireo Zanak'Israely hohaniny nandritra ny efa-polo taona niainana tany an-tany efitra taorian'ny nandaozan'izy ireo an'i Egypta.

  • Ny mana dia miendrika oram-panala fotsy izay nipoitra isa-maraina teo amin'ny tany tao ambanin'ny ando. Mamy toy ny tantely ny tsiron'izany.
  • Nanangona ny oran'ny mana isan'andro ankoatra ny Sabata ireo Zanak'Israely.
  • Tamin'ny andro mialoha ny Sabata, dia nasain'Andriamanitra nanangona indroa avo heny ny haben'mana ny Zanak'Israely mba tsy hanangonan'izy ireo izany amin'ny andron'ny fitsaharana.
  • Ny teny hoe "mana" dia midika hoe "inona ity?"
  • Ao amin'ny Baiboly, ny mana dia antsoina ihany koa hoe "mofo avy any an-danitra" na "voa avy any an-danitra."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Fomba hafa azo andikana io teny io ihany koa ny hoe: "oran-tsakafo fotsy sy manify" na "sakafo avy any an-danitra."
  • Hevero ihany koa ny fomba andikana io teny io amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly eo an-toerana na fitenim-paritra.

manaiky, fiaiken-keloka

Famaritana

Ny manaiky dia midika hoe miaiky na milaza fa marina ny zavatra iray. Ny "fiaiken- keloka" dia fanambarana na fiaikena fa marina ny zavatra iray.

  • Ny teny hoe "manaiky" dia afaka maneho ny fanambarana am-pahasahiana ny marina momban'Andriamanitra. Izany koa dia afaka maneho ny fanaikena fa nanota isika.
  • Ny Baiboly dia milaza fa raha miaiky ireo fahotany amin'Andriamanitra ny olona, dia hamela azy ireo Izy.
  • Jakoba apostoly dia nanoratra tao amin'ny taratasiny fa rehefa mifampiaiky ireo helony ny mpino, dia mitondra fanasitranana ara-panahy izany.
  • Paoly apostoly dia nanoratra ho an'ireo Filipiana fa indray andro ny rehetra dia hiaiky na hanambara fa Jesosy no Tompo.
  • Paoly koa dia nilaza fa raha manaiky ny olona fa Jesosy no Tompo ary mino fa nanangana Azy tamin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy izy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba andikana ny "manaiky" dia mety ahitana ny hoe "miaiky" na "mijoro vavolombelona" na "manambara" na "manaiky" na "manamafy."
  • Fomba samihafa mety handikana ny "fiaiken-keloka" ny hoe "fanambarana" na "fijoroana vavolombelona" na "fanambarana momba izay hinoantsika" na "miaiky heloka."

manamasina, fanamasinana

Famaritana

Ny manamasina dia manokana. Ny fanamasinana dia dingan'ny fahamasinana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny olona sy ireo zavatra sasany dia voamasina, na voatokana, ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra.
  • Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa Andriamanitra dia manamasina ny olona izay mino an'i Jesosy. Ny dikan'izany dia hoe, manamasina azy ireo Izy ary manokana azy ireo hanompo Azy.
  • Ireo mpino an'i Jesosy ihany koa dia nodidiana mba hanamasina ny tenan'izy ireo amin'Andriamanitra, mba ho masina amin'ny zavatra rehetra ataon'izy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "manamasina" dia afaka adika hoe "manokana" na "manadio."
  • Rehefa manamasina ny tenan'izy ireo ny olona, dia midika izany fa manadio ny tenany izy ireo ary manokana ny tenan'izy ireo ho amin'ny fanompoan'Andriamanitra.

manambara, fanambarana

Famaritana

Ny teny hoe "manambara" dia midika hoe mahatonga zavatra iray ho fantatra. Ny "fanambarana" dia zavatra iray izay nampahafantarina.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "manambara" matetika dia ampiasaina mba hamaritana ny fomba nampahafantaran'Andriamanitra ny tenany tamin'ny olona.
  • Andriamanitra dia nanambara ny tenany tamin'ny zavatra rehetra izay nohariany ary tamin'ny fifandraisany tamin'ny olona tamin'ny alalan'ny hafatra nolazaina sy nosoratana.
  • Andriamanitra ihany koa dia nanambara ny tenany tamin'ny nofy sy fahitana.
  • Rehefa niteny Paoly fa nandray ny filazantsara tamin'ny alalan'ny "fanambarana avy amin'i Jesosy Kristy" izy, dia ny tiany ho lazaina dia hoe Jesosy izy tenany no nanazava ny filazantsara taminy.
  • Ny bokin'ny "Fanambarana" ao amin'ny Testamenta Vaovao dia momban'ny fanambaran'Andriamanitra ny tranga izay hiseho any amin'ny fara-andro. Nambarany tamin'ny alalan'ny fahitana tamin'i Jaona apostoly izany.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe "manambara" dia ahitana ny hoe "mampahafantatra" na "mamoaka" na "mampiseho mazava tsara."
  • Fomba hafa mety azo handikana ny "manambara" ny hoe "fifandraisana avy amin'Andriamanitra" na " ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra" na "ireo fampianarana momban'Andriamanitra." Tsara raha tazomina ny hevitry ny teny hoe "manambara."
  • Ny andian-teny hoe "any amin'izay tsy misy fanambarana" dia afaka adika hoe "rehefa tsy nanambara ny tenany tamin'ny olona Andriamanitra" na "rehefa tsy miresaka amin'ny olona Andriamanitra" na "amin'ny olona izay tsy hifandraisan'Andriamanitra."

manameloka, fanamelohana

Famaritana

Ny teny hoe "manameloka" sy "fanamelohana" dia maneho ny fitsaràna olona iray nohon'ny fanaovana zavatra tsy mety.

  • Matetika ny teny hoe "manameloka" dia ahitana fanasaziana izany olona izany nohon'ny zavatra tsy nety nataon'izy ireo.
  • Indraindray ny hoe "manameloka" dia midika fanendrikendrehana olona iray na fitsarana mafy ny olona iray.
  • Ny teny hoe "fanamelohana" dia maneho ny asa fanamelohana na fiampangana olona iray.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ity teny ity dia afaka adika hoe "mitsara mafy" na "manao fanakianana tsy marina."
  • Ny fehezanteny hoe "manameloka azy" dia afaka adika hoe "mitsara azy ho meloka" na "milaza fa tsy maintsy saziana nohon'ny fahotany izy."
  • Ny teny hoe "fanamelohana" dia afaka adika hoe "fitsaràna mafy" na "ambara fa meloka" na "sazin'ny fahamelohana."

manandratra, fanandratana

Famaritana

Ny manandratra dia fiderana avo na fanajana olona iray. Mety hidika fametrahana olona iray amin'ny toerana ambony ihany koa izany.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "manandratra" matetika dia ampiasaina hanandratana an'Andriamanitra.
  • Rehefa manandra-tena ny olona iray, dia midika izany fa mihevitra ny tenany amin'ny fomba mieboebo na miavonavona izy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba azo andikana ny hoe "manandratra" ihany koa dia: "midera fatrara" na "manaja mafy" na "midoka" na "manatsara ny."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, izany dia azo adika amin'ny teny na andian-ten izay midika hoe: "mametraka amina toerana ambony kokoa" na "manome haja ny" na "miresaka am-pireharehena momba ny."
  • Ny hoe "Aza manandra-tena" dia azo adika ihany koa hoe: "Aza mihevi-tena ho ambony loatra" na "Aza mirehareha ny amin'ny tenanao."
  • Ny hoe "Ireo izay manandra-tena" dia azo adika ihany koa hoe "Ireo izay mihevitra ny tenany am-pieboeboana" na "Ireo izay mirehareha ny amin'ny tenany."

manao batisa, batisa

Famaritana

Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo teny hoe: "manao batisa" sy "batisa" matetika dia maneho ny fomba fampandroana Kristiana iray amin'ny rano mba hampisehoana fa izy dia voadio tamin'ny ota ary nampiraisina tamin'i Kristy.

  • Ankoatra izay ny rano fanaovana batisa, ny Baiboly dia miresaka momba ny hoe: "vita batisa tamin'ny Fanahy Masina" sy "vita batisa tamin'ny afo."
  • Ny teny hoe: "batisa" ao amin'ny Baiboly dia ampiasaina ihany koa mba hanehoana ny fandalovana amin'ny fijaliana lehibe.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ireo Kristiana dia manana fijery samihafa momba ny hoe ahoana no tokony hanaovana batisa amin'ny rano ny olona iray. Tsara kokoa ny mandika io teny io amin'ny ankapobeny izay afahana mametraka fomba isan-karazany amin'ny fampiasana ny rano.
  • Arakaraky ny foto-kevitra, ny teny hoe: "manao batisa" dia afaka adika hoe: "manadio," "mandraraka eo amin'ny," "mandroboka"

manatanteraka

Famaritana

Ny teny hoe: "manatanteraka" dia midika hoe: mameno na manatontosa zavatra iray izay nampanantenaina ho atao.

  • Rehefa tanteraka ny faminaniana, dia midika izany fa Andriamanitra no nahatonga izay voalaza mialoha tao amin'ny faminaniana hiseho.
  • Raha mahatanteraka fampanantenana na voady ny olona iray, dia midika izany fa nanao izay nampanantenainy ho atao izy.
  • Ny manatontosa andraikitra dia midika hoe manao ny raharaha izay notondroina na notakiana.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe: "manatanteraka" dia afaka adika hoe: "manatontosa" na "manao izay hampiseho" na "mankato," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe: "tanteraka" dia afaka adika ihany koa hoe: "to" na "niseho" na "nisy."
  • Ao anatin'ny fomba handikana ny hoe: "manatanteraka" ireto manaraka ireto: "manatontosa" na "mamita" na "manao" na "manompo ny olona hafa araka izay niantsoan'Andriamanitra ho atao."

manavotra, fanavotana, mpanavotra

Famaritana

Ireo teny hoe "manavotra" sy "fanavotana" ireo dia maneho ny famerenana mividy zavatra izay efa misy tompony na notazomina babo tany aloha. Ny "mpanavotra" dia olona iray izay manavotra zavatra iray na olona iray.

  • Andriamanitra nanome ny lalàna ho an'ireo Israelita momban'ny fomba fanavotana olona na zavatra.
  • Ohatra, ny olona iray dia afaka manavotra olona iray izay andevo amin'ny alalan'ny fandoavana onitra mba hanafaka an'ilay andevo. Ny teny hoe "vidim-panavotana" ihany koa dia maneho io fampiharana io.
  • Raha namidy ny tanin'ny olona iray, dia ny havan'io olona io no afaka "manavotra" na "miverina mividy" io tany io mba hijanona ao amin'ny fianakaviana ny tany.
  • Ireo fampiharana ireo dia mampiseho ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny olona izay andevozin'ny ota. Rehefa maty teo amin'ny hazofijaliana Izy, dia nandoa ny vidin'ny fahotan'ny olona rehetra Jesosy ary nanavotra izay rehetra mahatoky Azy amin'ny fanavotana. Ny olona izay navotan'Andriamanitra dia afaka tamin'ny fahotana sy ny sazin'izany.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "manavotra" ihany koa dia afaka adika hoe "miverina mividy indray" na "mandoa vola mba hanafaka" arakaraky ny foto-kevitra.

manavotra, hieren-doza

Famaritana

Ny teny hoe: "manavotra" dia maneho ny fiarovana olona amin'ny fiainana zavatra ratsy na mandratra. Ny hoe: "hieren-doza" dia midika hoe: voaaro amin'ny ratsy na loza.

  • Raha ara-batana, ny olona dia afaka avotana na vonjena amin'ny ratsy, loza, na fahafatesana.
  • Raha ara-panahy, raha "voaavotra" ny olona iray, izany dia midika fa tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana, Andriamanitra dia namela azy ary namonjy azy tamin'ny fanasaziana any amin'ny helo nohon'ny fahotany.
  • Ny olona dia afaka manavotra na mamonjy olona amin'ny loza, fa Andriamanitra irery ihany no afaka manavotra ny olona amin'ny sazy mandrakizay nohon'ny fahotan'izy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny "manavotra" ny hoe: "manafaka" na "miaro amin'ny ratsy" na "manala amin'ny ratsy" na "miaro amin'ny fahafatesana."
  • Amin'ny fitenenana hoe: "izay rehetra manavotra ny ainy," ny teny hoe: "manavotra" ihany koa dia afaka adika hoe: "miaro amin'ny" na "miaro."
  • Ny teny hoe: "hieren-doza" dia afaka adika hoe: "voaaro amin'ny loza" na "amin'ny toerana izay tsy misy zavatra mandratra."

mandika lalana, fandikan-dalana

Famaritana

Ny teny hoe "mandika lalana" sy "fandikan-dalana" dia entina ilazana ny tsy fanajana didy, fitsipika, na fehezan-dalana ara-moraly.

  • Mety ho hevitra ambadika hamaritana ny "fihoaram-pefy" ny "fandikan-dalana," izany hoe mandeha mihoatra ny fetra izay napetraka hahasoa ny olona iray sy ny hafa.
  • Ny teny hoe "fandikan-dalana," "fahotana," "heloka," ary "fahadisoana" dia samy manohitra ny sitrapo sy ny didin'Andriamanitra avokoa ny heviny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny "mandika lalana" dia azo adika hoe: "manota" na "tsy mankatoa" na "mikomy."
  • Raha misy andininy na andalana izay mapiasa teny roa izay midika hoe "manota" na "mandika lalana" na "diso," dia zava-dehibe ny mampiasa fomba samihafa handikana ireo teny ireo, raha azo atao. Raha mampiasa teny roa na mihoatra, izay samy mitovy hevitra ao anatin'ny foto-kevitra iray ihany ny Baiboly, ny anton'izany matetika dia mba hanindriana izay voalaza na hampisehoana ny lanjan'izany.

mandova, lova, mpandova

Famaritana

Ny teny hoe "mandova" sy "lova" dia ilazana ny fandraisana zava-tsarobidy avy amin'ny ray aman-dreny, na olona hafa nohon'ny fifandraisana manokana amin'izany olona izany. Ny olona izay mandray ny lova no "mpandova."

  • Ny lova ara-nofo izay raisina dia mety ho vola, tany, na karazam-pananana hafa.
  • Ny lova ara-panahy dia ny zavatra rehetra omen'Andriamanitra ny olona izay matoky an'i Jesosy, ao anatin'izany ny fitahiana amin'izao fiainana ankehitriny izao ary ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy.
  • Antsoin'ny Baiboly hoe lovany ihany koa ny Vahoakan'Andriamanitra, izay midika fa Azy izy ireo; izy ireo no fananan-tsarobidiny.
  • Nampanantena an'i Abrahama sy ny taranany Andriamanitra fa handova ny tany Kanana izy ireo, ary ho azy ireo mandrakizay izany.
  • Misy hevitra ambadika na hevitra ara-panahy ihany koa, izay ilazana fa ny olona izay an'Andriamanitra dia "handova ny tany." Midika izany fa hiroborobo izy ireo ary ho voatahy na ara-nofo na ara-panahy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Andriamantra dia mampanantena fa ireo izay matoky Azy dia "handova famonjena" ary "handova fiainana mandrakizay." Atao koa izany hoe: "handova ny fanjakan'Andriamanitra." Lova maharitra mandrakizay izany.
  • Misy hevitra ambadika hafa ihany koa ilazana ireo teny ireo.
  • Ambaran'ny Baiboly fa ny olon-kendry dia "handova voninahitra" ary ny olo-marina dia "handova zava-tsoa."
  • Ny hoe "mandova ireo fampanantenana" dia midika fandraisana ireo zava-tsoa izay nampanantenain'Andriamanitra homena ireo olony.
  • Io teny io ihany koa dia azo ampiasaina hanehoana hevitra ratsy ilazana ny olona adala na tsy mpankatoa izay "handova rivotra" na "handova fahadalana." Midika izany fa handray ny voka-dratsin'ny asa feno fahotany izy, ao anatin'izany ny famaizana sy fiainana tsy misy dikany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Toy ny isan'andro, hevero tsara raha efa misy teny mahalaza ny resaka mpandova na lova ao amin'ny fiteny hoenti-mandika teny ary ampiasao izany teny izany.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny fomba hafa azo andikana ny teny hoe "mandova" dia: "mandray" na "manana" na "handray ny... ho fananana."
  • Ny fomba hafa azo andikana ny "lova" dia: "fanomezana nampanantenaina" na "fananana azo antoka."
  • Rehefa antsoina hoe lovany ny vahoakan'Andrimanitra dia azo adika hoe: "ireo olon-tsarobidy izay Azy."
  • Ny teny hoe "mpandova" dia azo adika amin'ny teny na adian-teny izay midika hoe: "ilay zanaka mananjara izay hahazo ny fananan'ny ray" na "olona voafidy handray."

manendry, voatendry

Famaritana

Ny teny hoe "manendry" sy "voatendry" dia anehoana ny fisafidianana olona iray mba hanatanteraka asa na anjara-asa manokana.

  • Ny hoe "voatendry" dia mety hilazana hoe "voafidy" handray zavatra iray, toy ny ao amin'ny hoe: "voatendry ho amin'ny fiainana mandrakizay." Midika izany fa voafidy handray ny fiainana mandrakizay izy ireo.
  • Ny fehezanteny hoe "fotoana voatendry" dia ilazana ny "fotoana voafidin'Andriamanitra" na "fotoana napetraka" hitrangan'ny zavatra iray.
  • Ny teny hoe "manendry" dia mety hidika koa hoe "mandidy" na "miantso" ny olona iray hanao zavatra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny fomba handikana ny hoe "manendry" dia azo atao hoe: "mifidy" na "miantso" na "mifidy manokana" na "manondro."
  • Ny teny hoe "voatendry" dia azo adika hoe: "voantso" na "voakasa" na "voafidy manokana."

manetry tena, fanetren-tena

Famaritana

Ny teny hoe "manetry tena" dia mamaritra olona izay mieritreritra ny hafa aloha vao ny tenany. Izy dia tsy miavona na mirehareha. Ny fanetren-tena dia toetran'ny olona mitsinjo ny hafa vao ny tenany.

  • Ny manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra dia midika hoe mahatakatra ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika raha mitaha amin'ny alehibeny, ny fahendreny ary ny fahalavorariany.
  • Raha manetry tena ny olona iray dia midika fa mametraka ny tenany amin'ny toerana ambany.
  • Ny fanetren-tena dia ny fitsinjovana izay tadiavin'ny hafa noho izay tadiavanao.
  • Ny fanetren-tena dia midika ihany koa hoe manompo miaraka amin'ny toetra tsotra rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahaizana.
  • Ny teny hoe "mba manetry tena" dia afaka adika hoe "aza miavonavona"
  • Ny hoe "manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "atolory an'Andriamanitra ny sitraponao, fantaro ny alehibeny."

manokana

Famaritana

Ny fanokanana dia midika hoe manokana zavatra na olona mba hanompo an'Andriamanitra. Ilay olona na zavatra voatokana dia raisina masina sy voatokana ho an'Andriamanitra.

  • Ny dikan'ity teny ity dia mitovy amin'ny hoe "manosotra" na "manamasina," fa miaraka amin'ny hevitrin'ny dikan-teny fanampiny amin'ny fanokanana olona ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra.
  • Ireo zavatra voatokana ho an'Andriamanitra dia ahitana ireo biby ho hamasinina, ny altaran'ny fanatitra dorana, ary ny tabernakla.
  • Ny olona izay natokana ho an'Andriamanitra dia ahitana ireo mpisorona, ny vahoakan'Israely, ary ny zanaka lahy lehibe indrindra.
  • Indraindray ny teny hoe "manokana" dia manana dikan-teny izay mitovy amin'ny hoe "manadio," indrindra rehefa mahakasika ny fanomanana olona na zavatra ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra izany mba hadio sy hekeny izy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba azo andikana ny hoe "manokana" dia "voatokana ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra" na "manadio ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra."
  • Hevero ihany koa ny fomba fandikana ny teny hoe "masina" sy "manamasina."

manombo

Famaritana

Ny teny hoe "manombo" dia midika hoe mamono olona amin'ny famatorana azy eo amin'ny hazofijaliana ary mamela azy hijaly sy ho faty amin'ny fangirifiriana be eo.

  • Ny niharam-boina dia na nofatorana na nofantsihana teo amin'izany. Ny olona nombohana tamin'ny hazofijaliana dia maty nohon'ny fahaverezan-drà na nohon'ny fahasemporana.
  • Ny fanjakana Romana taloha matetika dia nampiasa ity fomba famonoana ity mba hanasaziana sy hamonoana olona izay tena jiolahy mahatsiravina na izay nikomy nanohitra ny fahefan'ny fanjakan'izy ireo.
  • Ireo mpitarika fivavahana Jiosy dia nanontany ny governora Romana mba hibaiko ireo miaramilany hanombo an'i Jesosy eo amin'ny hazofijaliana. Nofantsihan'ireo miaramila teo amin'ny hazofijaliana Jesosy. Nijaly teo nandritry ny ora enina Izy, ary ary avy eo maty.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "manombo" dia afaka adika hoe "mamono eo amin'ny hazofijaliana" na "mamono amin'ny famantsihana eo amin'ny hazofijaliana."

manompo

Famaritana

  • Matetika io teny io dia midika ara-bakiteny hoe: "miondrika" mba hanajana olona iray am-panetre-tena.
  • Manompo an'Andriamanitra isika rehefa manome voninahitra azy, amin'ny alalan'ny fiderana sy fankatoavana azy.
  • Rehefa manompo an'Andriamanitra ireo Israelita, dia matetika izany ahitana fanaovana sorona biby eo ambonin'ny Alitara.
  • Ny olona sasany dia manompo Andriamanitra sandoka.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny "manompo" dia afaka adika hoe: "miondrika ho an'ny" na "manome voninahitra sy manompo" na "manome voninahitra sy mankato."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, izany dia afaka adika ihany koa hoe: "midera am-panetre-trena" na "manome voninahitra sy fiderana."

manosotra, voahosotra

Famaritana

Ny teny hoe "manosotra" dia midika hoe manosotra na mandraraka menaka eo amin'ny olona na zavatra iray. Indraindray dia nafangaro zava-manitra izany menaka izany, izay nanome fofona manitra, sy mamerovero. Izany teny izany koa dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny Fanahy Masina misafidy sy manome hery ny olona iray.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo mpisorona, mpanjaka, ary mpaminany dia voahosotra tamin'ny menaka mba hanokanana azy ireo ho amin'ny fanompoana manokana an'Andriamanitra.
  • Ny zavatra tahaka ny alitara na tabernakely ihany koa dia voahosotra tamin'ny menaka mba hampisehoana fa natao hivavahana sy hanomezam-boninahitra an'Andrimanitra izany.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia nosorana menaka ho fanasitranana azy ireo ny olona marary.
  • Raketin'ny Testamenta Vaovao indroa fa nosoran'ny vehivavy iray tamin'ny menaka manitra i Jesosy, ho fihetsika anehoana fiderana. Indray mandeha i Jesosy dia naneho hevitra fa tamin'ny nanaovany izany dia nanomana Azy ho amin'ny fandevenana Azy ao aoriana ao izy.
  • Taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, dia nanomana ny vatany ho amin'ny fandevenana tamin'ny fanosorana menaka sy zava-manitra ireo namany.
  • Ny fiantosana hoe "Mesia" (Hebreo) sy "Kristy" (Grika) dia midika hoe "Ilay voahosotra."
  • Jesosy ilay Mesia no ilay Iray izay voafidy sy voahosotra ho mpaminany, Mpisoronabe, ary Mpanjaka.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "manosotra" dia azo adika hoe "mandraraka menaka eo amin'ny" na "manisy menaka eo amin'ny" na "manamasina amin'ny fandrarahana menaka eo amin'ny."
  • Ny hoe "hosorana" dia azo adika hoe "hamasinina amin'ny menaka" na "tendrena" na "hatokana."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny teny hoe "manosotra" dia azo adika hoe "manendry."
  • Ny fehezanteny toy ny hoe "ny mpisoroana voahosotra" dia azo adika hoe "ny mpisorona izay voahasina tamin'ny menaka" na "ny mpisorona izay voatokana tamin'ny fandrarahana menaka."

marina, fahamarinana

Famaritana

Ireo teny hoe "marina" sy "fahamarinana" dia maneho ny hatsarana tanteraka izay hananan'Andriamanitra, ny fitsarana, ny fahatokiana, ary ny fitiavana. Satria Andriamanitra dia marina, ka tsy maintsy manameloka ny fahotana Izy.

  • Ireo teny ireo ihany koa matetika dia mamaritra olona iray izay mankatoa an'Andriamanitra sy manana fisainana tsara. Kanefa, satria ny olona rehetra dia nanota, dia tsy misy na iza na iza afa-tsy Andriamanitra no tena marina tanteraka.
  • Ohatra amin'ireo olona izay antsoina hoe marina" ao amin'ny Baiboly i Noa, Joba, Abrahama, Zakaria, ary Elizabeta.
  • Rehefa mankatoa ny olona fa hanavotra azy ireo Jesosy, dia manadio azy ireo amin'ny fahotan'izy ireo Andriamanitra ary manambara azy ireo ho marina amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Jesosy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Rehefa Andriamanitra no resahina, ny teny hoe "marina" dia afaka adika hoe "tsara sy marina tanteraka" na "manao ny marina mandrakariva."
  • Ny "fahamarinan'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "fahatokiana sy fahatsarana tonga lafatra."
  • Rehefa ny olona izay mankatoa an'Andriamanitra no resahana, dia afaka adika hoe "tsara fisainana" na "miaina araka izay mahafaly an'Andriamanitra" ny teny hoe "marina."
  • Ny teny hoe "marina" dia afaka adika ihany koa hoe "olona marina" na "olona matahotra an'Andriamanitra."
  • Ny "fahamarinana" dia afaka adika hoe "fahatsarana" na "tsara eo anoloan'Andriamanitra" na "manao zavatra amin'ny lalana marina amin'ny alalan'ny fankatoavana an'Andriamanitra" na "manao izay lafatra" arakaraky ny foto-kevitra.
  • Indraindray ny hoe "marina" dia maneho "ny olona izay mieritreritra fa tsara izy" na "ny olona izay mody marina."

marina, fahamarinana, tanteraka

Famaritana

Ny teny hoe "marina" sy "fahamarinana" dia maneho foto-kevitra izay misy, tranga izay niseho tokoa, ary fanambarana izay tena voalaza.

  • Ny zavatra marina dia tena misy, azo antoka, tena izy, ara-dalana, ary mari-pototra.
  • Ny fahamarinana dia fahalalana, finoana, zava-misy, na fanambarana marina.
  • Ny fomba fiteny hoe "tanteraka" dia fiteny izay midika fa nitranga araka izay voalaza mialoha fa hiseho ny faminaniana iray.
  • Ao anatin'ny fahamarinana ny fiasana amin'ny fomba azo iankinana sy mahatoky.
  • Nasehon'i Jesosy tamin'ny teny izay nolazainy ny fahamarinan'Andriamanitra.
  • Ny tenin'Andriamanitra no fahamarinana. Milaza ny amin'ny zavatra izay nitranga tokoa izany ary mampianatra izay marina momba an'Andriamanitra sy mahakasika ny zavatra rehetra namboariny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra sy izay faritana, ny teny hoe "marina" dia azo adika ihany koa hoe "misy" na "mari-pototra'' na "tsy diso" na "mety" na "azo antoka" na "tena izy."
  • Ny fomba andikana ny teny hoe "fahamarinana" dia azo atao hoe: "izay marina" na "zava-misy" na "fahazoana antoka" na "fitsipika.''
  • Ny fomba fiteny hoe "tanteraka" dia azo adika ihany koa hoe: "nitranga tokoa" na "nitranga araka izay voalaza mialoha."
  • Ny fomba fiteny hoe "milaza ny marina" na "manambara fahamarinana" dia azo adika ihany koa hoe: "milaza izay marina" na "milaza izay tena nitranga" na "milaza zavatra izay azo antoka."
  • Ny "manaiky ny marina" dia azo adika hoe: "mino izay marina momba an'Andriamanitra."
  • Amin'ny fomba fiteny toy ny hoe: "manompo na'Andriamanitra amin'ny fanahy sy amin'ny fahamarinana," ny teny hoe "amin'ny fahamarinana" dia azo adika hoe "mankatoa am-pahatokiana izay nampianarin'Andriamanitra."

marina, fitsaràna, ara-drariny

Famaritana

Ireo teny ireo dia maneho ny fitondrana olona ara-drariny araka ireo lalàn' Andriamanitra. Ireo lalàn'olombelona izay maneho ny fitsipik'Andriamanitra momban'ny fitondran-tena tsara amin'ny hafa dia marina ihany koa.

  • Ny hoe "marina" dia ny manao fihetsika tsara sy marina amin'ny hafa. Izany koa dia midika fanaovana ny marina sy tsy fivadihana hanao ny tsara eo imason'Andriamanitra.
  • Ny hoe manao fihetsika "ara-drariny" dia midika hoe mitondra olona amin'ny fomba marina, tsara sy madio araka ny lalàn'Andriamanitra.
  • Ny mandray "fitsaràna" dia midika hoe entina tsaraina araky ny lalàna, na arovana amin'ny lalàna na ho saziana nohon'ny fandikana ny lalàna.
  • Indraindray ny teny hoe "marina" dia manana hevitra hoe "araka ny lalàn' Andriamanitra."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny fomba hafa handikana ny hoe "marina" dia ahitana ny hoe "valiny mendrika."
  • Ny hoe "manao ny marina" dia afaka adika hoe "mitondra olona amin'ny fomba tsara" na "mitondra tena amin'ny fomba marina."
  • Amin'ny toe-javatra sasany, dia afaka adika hoe "mahitsy" ny teny hoe "marina."

Masina

Famaritana

Ny teny hoe "masina" dia midika hoe "ireo masina" ary maneho ireo mpino ao amin'i Jesosy.

  • Tamin'ny tantaran'ny fiangonana, ny olona izay fantatra tamin'ny asa soa izay nataony dia nahazo io fiantsoana hoe "masina" io, fa tsy toy izany ny fomba fampiasana io teny io tao amin'ny Testamenta Vaovao.
  • Ny mpino ao amin'i Jesosy dia masina na olo-masina, tsy noho ny zavatra vitan'izy ireo, fa kosa noho ny finoana ny asam-pamonjena izay nataon'i Jesosy Kristy. Izy dia ilay Iray izay nanamasina azy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba handikana ny hoe "masina" dia hoe "olo-masina" na "mpino masina ao amin'i Jesosy" na "ireo voatokana"
  • Mitandrema tsy hampiasa teny izay maneho vondrona Kristiana iray ihany.

masina, fahamasinana

Famaritana

Ny teny hoe "masina" sy ny "fahamasinana" dia maneho ireo toetran'Andriamanitra izay tena natokana sy nosarahana tamin'ny zavatra izay feno ota sy tsy fahalavorariana.

  • Andriamanitra irery no tena masina. Izy no manamasina olona sy zavatra.
  • Ny olona izay masina dia an'Andriamanitra ary dia natokana mba hanompo an'Andriamanitra ary hitondra voninahitra ho Azy.
  • Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra fa hoe masina dia izay atokany ho an'ny voninahiny, tahaka ny alitara izay natao ho fanolorona sorona ho Azy.
  • Satria masina Andriamanitra, dia tsy afaka manatona Azy ny olona raha tsy hoe izy no mamela azy ireo, satria izy ireo dia olombelona, mpanota ary tsy lafatra.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nanokana ireo mpisorona ho masina mba hanaovany asa manokana ho Azy. Ny otan'izy ireo dia mila voadio ara-pomba mba hafahan'izy ireo manatona an'Andriamanitra.
  • Andriamanitra dia nanokana toerana sy zavatra ho masina izay Azy na koa nanokana toerana izay hanehony ny Tenany, tahaka ny tempoly.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Afaka adika koa hoe "natokan'Andriamanitra" na "an'Andriamanitra" na "madio tanteraka" na "tsy misy ota mihintsy" na "nosarahana tamin'ny ota" ny teny hoe "Masina."
  • Ny teny hoe "natao masina" dia matetika adika hoe "nohamasinina."

matoky, mendri-pitokisana

Famaritana

Ny teny hoe "matoky" dia ilazana ny finoana fa marina ary azo iankinana ny olona na zavatra iray. Ny olona "mendri-pitokisana" dia olona izay azo ianteherana hanao ary hilaza izay mety sy marina.

  • Ny fatokiana dia mifanakaiky amin'ny finoana. Raha matoky olona iray isika, dia manana finoana an'izany olona izany mba hanao izay nampanantenainy hatao.
  • Ny fananana toky amin'ny olona iray koa dia midika fiankinana amin'izany olona izany.
  • Ny "matoky'' an'i Jesosy dia midika finoana fa Andriamanitra Izy ary maty teo amin'ny hazofijaliana handoa ny vidin'ny otantsika, sy fiankinana Aminy mba hamonjy antsika.
  • Ny ''teny mendri-pitokisana" dia maneho zavatra iray izay ambara ary azo atokiana fa marina.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba andikana ny "matoky" dia azo atao hoe: "mino" na "manam-pinoana" na "manana toky" na "miankina amin'ny."
  • Ny andian-teny hoe "mametraka ny fitokiana amin'i" dia tena mitovy hevitra amin'ny "matoky ny."
  • Ny teny hoe "mendri-pitokisana" dia azo adika hoe: "azo iankinana" na "azo antoka" na "azo hatokisana hatrany."

mendrika, fahamendrehana, tsy mendrika, zava-poana

Famaritana

Ny "mendrika" dia hamaritana olona na zavatra izay mendrim-panajana na voninahitra. Ny "manana fahamendrehana" dia midika hoe sarobidy na manan-danja. Ny teny hoe: "zava-poana" dia midika ho tsy fananana lanja.

  • Ny mendrika dia mifandraika amin'ny hoe manan-danja.
  • Ny tsy fahatsiarovana ho mendrika dia midika fahatsapana ho tsy manan-danja noho ny olona hafa na mahatsiaro tsy mendrika ho entina am-boninahitra sy am-panajana.
  • Ny hoe: "tsy mendrika" sy ny hoe "zava-poana" dia mifandraika fa tsy mitovy dika. Ny tsy mendrika dia midika ho tsy mendrika ny voninahitra sy fankatoavana. Ny zava-poana dia tsy fananana tanjona sy lanja.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny hoe: "fahamendrehana" dia afaka adika hoe: "lanja" na "zava-dehibe."
  • Ny teny hoe: "mendrika kokoa noho" dia afaka adika hoe: "manan-danja kokoa noho."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe: "tsy mendrika" dia afaka adika hoe: "tsy manan-danja" na "tsy manam-boninahitra."
  • Ny "zava-poana" dia afaka adika hoe: "tsy manan-danja" na "tsy manana tanjona" na "tsy misy dikany."

miantso, antso, niantso, mintso mafy

Famaritana

Ny teny hoe "miantso" sy "miantso mafy" dia midika ara-bakiteny hoe milaza zavatra amin'ny feo mafy amin'ny olona izay tsy eo akaiky eo. Misy hevitra ambadika maro ihany koa izany.

  • Ny hoe "miantso mafy" olona dia midika hoe mihikiaka na miteny mafy amin'ny olona lavitra. Izany koa dia mety midika hoe mangataka fanampiana amin'ny olona, indrindra amin'Andriamanitra.
  • Matetika ao amin'ny Baiboly, ny hoe "miantso" dia manana hevitra hoe "mampiantso."
  • Andriamanitra dia miantso ny olona hanatona Azy ary ho olony. Izany no "antson" izy ireo.
  • Ny teny hoe "niantso" dia nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hilazana fa Andriamanitra dia nanondro na nifidy olona mba ho zanany, ho mpanompony sy mpitory sy hafatry ny famonjeny amin'ny alalan'i Jesosy.
  • Ity teny ity ihany koa dia ampiasaina rehefa hiantso olona amin'ny anarana. Ohatra hoe, "Izy dia antsoina hoe Jaona," midika hoe: "Antsoina hoe Jaona izy" na "Ny anarany dia Jaona."
  • Ny hoe "voaantso amin'ny anaran'i" dia midika fa ny olona dia nomena anaran'olon-kafa. Andriamanitra dia milaza fa niantso ny olony tamin'ny anarany Izy.
  • Ny fomba fiteny hafa hoe: "Niantso anao tamin'ny anarana Aho" dia midika fa Andriamanitra dia mahalala ny anaran'ny olona manokana ary nifidy azy manokana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "antso" dia afaka adika amin'ny teny izay midika hoe "mampiantso," izay mampiditra ny hevitra hoe minia na manana tanjona amin'ny antso.
  • Ny fomba fiteny hoe "miantso anareo" dia afaka adika hoe "mangataka fanampiana aminareo" na "mivavaka faingana ho anareo."
  • Rehefa milaza ny Baiboly fa Andriamanitra dia "niantso" antsika ho mpanompony, dia afaka adika hoe "nisafidy antsika manokana" na "nanondro antsika" ho mpanompony izany.
  • Ny hoe "tsy maintsy miantso ny anarany ianareo" dia afaka adika koa hoe: "tsy maintsy manome anarana Azy ianareo."
  • Ny hoe "voaantso ny anarany" dia afaka adika koa hoe: "ny anarany dia" na "nomena anarana izy."
  • Ny hoe "miantso mafy" dia afaka adika hoe: "miteny mafy" na "mihikiaka" na "miteny amin'ny feo avo." Kendreo ny fandikan-teny ity mba tsy ho raisina toy ny hoe tezitra ilay olona.
  • Ny fomba fiteny hoe "ny antsonao" dia afaka adika hoe "ny tanjonao" na "ny tanjon'Andriamanitra ho anao" na "ny asa manokan'Andriamanitra ho anao."
  • Ny hoe "miantso amin'ny anaran'ny Tompo" dia afaka adika hoe "mitady ny Tompo sy miankina aminy" na "mahatoky ny Tompo sy mankatoa Azy."
  • Ny hoe "miantso" zavatra dia afaka adika hoe "mangataka" na "mandidy."
  • Ny fomba fiteny hoe "nantsoina tamin'ny anarako ianareo" dia afaka adika hoe: "nomeko ny anarako ianareo, maneho fa Ahy ianareo."
  • Rehefa miteny Andriamanitra hoe: "Nantsoiko tamin'ny anarana ianareo," dia afaka adika hoe: "Fantatro ny anaranareo ary nosafidiko ianareo."

mibebaka, fibebahana

Famaritana

Ireo teny hoe "mibebaka" sy "fibebahana" dia maneho ny fialana amin'ny fahotana ary fiverenana amin'Andriamanitra.

  • Ny hoe "mibebaka" dia midika ara-bakiteny hoe "manova ny fisainana."
  • Ao amin'ny Baiboly, ny "mibebaka" matetika dia midika hoe "miala amin'ny fahotana, ny fomba fanao sy ny fomba fieritreretana, ary miverina amin'ny lalan'ny fieritreretana sy ny fomba fanaon'Andriamanitra.
  • Rehefa tena mibebaka amin'ny fahotan'izy ireo ny olona, dia mamela azy ireo ary manampy azy ireo hankato Azy indray Andriamanitra.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "mibebaka" dia afaka adika hoe "miverina"

mifona, fifonana

Famaritana

Ny teny hoe "mifona" sy "fifonana" dia ilazana ny fanaovana fangatahana amin'ny olona iray, ho an'olona iray. Matetika ao amin'ny Baiboly izany dia ilazana ny fivavahana ho an'ny olona hafa.

  • Ny fomba fiteny hoe "manao fifonana ho an'ny" na "mifona ho an'i" dia midika fanaovana fangatahana ho an'ny tombontsoan'ny olona hafa.
  • Ny Baiboly dia mampianatra fa mifona ho antsika ny Fanahy Masina, izany hoe, mivavaka amin'Andriamanitra ho antsika Izy.
  • Ny olona iray dia mifona ho an'ny olona hafa amin'ny fanaovana fangatahana ho azy ireo any amin'ny olona manam-pahefana iray.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba hafa azo andikana ny hoe "mifona" dia: "miangavy ho an'i" na "mitalaho ho an'ny."

ministera (asa fanompoana)

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "asa fanompoana" dia ilazana ny fanompoana ny hafa amin'ny fampianarana azy ireo momba an'Andriamanitra sy fiahiana ny filana ara-panahin'izy ireo. ny teny hoe "mpanompo" dia azo ilazana ny olona iray izay manompo tahaka izany.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo mpisorona dia "nanompo" an'Andriamanitra tao an-tempoly tamin'ny fanaterana sorona ho Azy.
  • Tao anatin'ny "ministeran'izy ireo" ihany koa ny fikarakarana ny tempoly sy ny fanolorana vavaka amin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny "mpanompon'ny" filazantsara dia olona iray izay nampianatra ny olona hafa ny hafatra momba ny famonjena amin'ny finoana an' Jesosy.
  • Mety ho tafiditra amin'ny asa fanompoana ny olona ny fanompoana azy ireo ara-panahy amin'ny alalan'ny fampianarana azy ireo momba an'Andriamanitra.
  • Mety ilazana ny fanompoana ny olona ara-nofo ihany koa izany, toy ny ny fikarakarana ireo marary sy fanomezana sakafo ho an'ny mahantra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Raha ministera ho an'ny olona no foto-kevitra, ny "manompo" dia azo adika ihany koa hoe "miahy" na "manampy ny filan'ny."
  • Raha entina ilazana ny ministera ao an-tempoly, ny teny hoe "manompo" dia azo adika hoe "manompo an'Andriamanitra ao an-tempoly" na "manatitra sorona ho an'ny vahoaka."
  • Raha ministera ho an'Andriamanitra no resahina, izany dia azo adika hoe "manompo" na "miasa ho an'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe "nanompo" dia azo adika ihany koa hoe "niahy ny" na "nanome ho an'ny" na "nanampy."

mino, mino ny, finoana

Famaritana

Ireo teny hoe: "mino" sy "mino ny" dia misy fifandraisana akaiky, fa manana hevitra samy hafa:

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny "mino" dia afaka adika hoe: "mahafantatra fa marina" na "mahafantatra fa mety."
  • Ny "mino" dia afaka adika hoe: "mahatoky tanteraka" na "mahatoky ka mankato" na "miankina tanteraka ary manaraka."

miora

Famaritana

Ny miora dia menaka na zava-manitra vita amin'ny dintin-kazo miora izay maniry any Afrika sy Asia. Mifandray amin'ny dintin-kazo manitra izany.

  • Ny miora ihany koa dia nampiasaina hanaovana hanitra, ranomanitra, sy fanafody, ary hanomanana ny faty ho amin'ny fandevenana.
  • Iray tamin'ireo fanomezana izay natolotr'ireo lehilahy manam-pahaizana ho an'i Jesosy tamin'ny nahaterahany ny miora.
  • Notolorana divay niharo miora i Jesosy mba hanalefaka ny fanaintainana tamin'ny namantsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana.

mirehareha, mpirehareha (feno fireharehana)

Famaritana

Ny teny hoe: "mirehareha" dia midika hoe: "miresaka am-pireharehana momba ny zavatra iray na olona iray. Matetika izany dia midika hoe mirehareha momba ny tena manokana.

  • Ny olona izay "mirehareha" dia miresaka momba ny tenany am-pireharehana.
  • Andriamanitra nibedy ireo Israelita tamin'ny "fireharehana tamin'ny" sampin'izy ireo. Izy ireo dia nidera am-pieboeboana ireo andriamanitra sandoka raha tokony hidera an'ilay Andriamanitra marina.
  • Ny Baiboly ihany koa dia miresaka momba ny olona mieboebo amin'ny zavatra sasany toy ny hoe haren'izy ireo, tanjak'izy ireo, tany mamokatr'izy ireo, ary lalàn'izy ireo. Izany dia midika fa izy ireo dia mirehareha momba ireo zavatra ireo ary tsy hiaiky fa Andriamanitra no ilay iray izay manome ireo zavatra ireo.
  • Andriamanitra mampirisika ireo Israelita mba "hirehareha" na "hieboebo" momba ny fahafantaran'izy ireo Azy.
  • Paoly apostoly, dia miresaka momba ny fireharehana ao amin'Andriamanitra, izay midika hoe: faly sy feno fisaorana an'Andriamanitra tamin'ny zava-drehetra izay nataony ho azy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ireo fomba hafa handikana ny "mirehareha" dia tokony ahitana ny hoe: "mieboebo" na "miresaka am-pireharehana."
  • Ny teny hoe: "feno fireharehana" dia afaka adika amin'ny teny iray na andian-teny izay midika hoe: "firesahana feno fireharehana" na "feno fiavonavonana" na "firesahana feno fireharehana momba ny tena manokana."
  • Raha ny foto-kevitra momba ny fireharehana na ny fahafantarana an'Andriamanitra no resahana, dia afaka adika hoe: "mirehareha amin'ny" na "misandratra amin'ny" na "tena faly amin'ny" na "manome fisaorana an'Andriamanitra momba ny."
  • Ny fiteny sasany dia manana teny roa hilazana ny "fireharehana," ny iray izay manana hevitra ratsy midika hoe miavonavona ary ny iray izay manana hevitra tsara midika hoe mirehareha amin'ny asan'ny olona iray, na fianakaviana iray, na firenena iray.

mitsara, fitsaràna

Famaritana

Ny teny hoe "mitsara" sy "fitsaràna" matetika dia maneho ny fandraisana fanapahan-kevitra momban'ny fahamarinana na tsia an'ny zavatra iray ara-moraly.

  • Ny hoe "fitsaràn'Andriamanitra" matetika dia maneho ny fanapahan-keviny hanameloka zavatra na olona ho mpanota.
  • Ny fiitsaràn'Andriamanitra matetika dia ahitana fanasaziana ny olona nohon'ny fahotan'izy ireo.
  • Ny teny hoe "mitsara" ihany koa dia mety midika hoe "manameloka." Andriamanitra dia mampianatra ny olony mba tsy hifampitsara amin'izany fomba izany,
  • Dika hafa koa ny hoe "mpanelanelana ny" na "mpitsara eo amin'ny." toy ny fanapahan-kevitra amin'izay olo-marina ao anaty fifandirana eo amin'izy ireo.
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny "fitsaran'" Andriamanitra dia izay notapahiny ho marina sy ara-drariny. Ireo dia mitovy amin'ny didy, lalàna, na fitsipiny.
  • Ny hoe "fitsaràna" dia mety maneho ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra hendry. Ny olona izay tsy ampy fitsaràna dia tsy manana fahendrena handray fanapahan-kevitra hendry.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ny hoe "mitsara" dia mety ahitana ny hoe "manapa-kevitra," na "manameloka," na "manasazy" na "mandidy."
  • Ny teny hoe "fitsaràna" dia mety adika hoe "sazy" na "fanapahan-kevitra" na "didim-pitsaràna" na "didy" na "fanamelohana."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny fehezanteny hoe "amin'ny fitsaràna" dia mety adika hoe "amin'ny andron'ny fitsaràna" na "amin'ny fotoana hitsaràn'Andriamanitra ny olona."

mitso-drano(midera) (mitahy) (mihoby), voatso-drano (voatahy) (sambatra) (masina), fitsofan-drano (fisaorana)

Famaritana

Ny "mitso-drano" olona iray na zavatra iray dia midika hoe manao izay hisehoan'ny zavatra soa sy tsara amin'ilay olona iray na zavatra iray izay voatso-drano.

  • Ny fitsofan-drano olona iray ihany koa dia midika hoe maneho faniriana hisehoan'ny zavatra tsara sy soa amin'ilay olona.
  • Tamin'ny andro niainan'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny ray matetika dia miteny fitsofan-drano manaja amin'ny zanany.
  • Rehefa "midera" an'Andriamanitra na maneho faniriana fa te-ho tahian'Andriamanitra ny olona, izany dia midika fa mihoby Azy izy ireo.
  • Ny teny hoe: "mitso-drano" indraindray dia ampiasaina amin'ny fanamasinana sakafo alohan'ny hihinanana azy, na fisaorana sy fiderana an'Andriamanitra noho ilay sakafo.

//Manan-danja ny tsy famaritana, fifantohana, na fifotorana amin'ny fampiharana ny teny hoe: "mitso-drano" izay manolo-kevitra voalohany indrindra amin'ny firoboroboana na fitobaky ny zavatra mivaingana na fahasalamana ara-batana. Hevero ny fampianarana manan-danja amin'ny Soratra Masina amin'ny fitiavana, famindram-po, ary fahasoavan'Andriamanitra izay tsy ilay tonta ihany fa ny amin'izao koa. Hevero ny fikarakarana, ny fiarovana, ary ny fanatrehan'ny Fanahin'Andriamanitra. Ary ho antsika izay midera an'Andriamanitra, afaka manolotra fisaorana, fankasitrahana, ary fahatakarana izay nianarantsika sy nanarahantsika (nankatoavana) Azy isika.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe: "mitahy" dia afaka adika ihany koa hoe: "malala tanana amin'ny" na "tso-po sy tsara manoloana ny"
  • Andriamanitra dia nitondra fitahiana lehibe ho an'ny" dia afaka adika hoe: "Andriamanitra dia nanome zavatra maro" na "Andriamanitra malala tanana amin'ny" na "Andriamanitra nahatonga zavatra tsara maro hitranga"
  • Ny hoe: "Voatahy izy" dia afaka adika hoe: "hahazo tombony lehibe Izy" na "hiaina zava-tsoa maro izy" na "Andriamanitra hampiroborobo azy."
  • Ny hoe: "Sambatra ny olona izay" dia afaka adika hoe: "Tsara ho an'ny olona izay."
  • Ny fomba fitenenana toy ny hoe: "masina anie ny Tompo" dia afaka adika hoe: "Ho deraina anie ny Tompo" na "Hobio ny Tompo" na "Izaho hidera ny Tompo."
  • Amin'ny resaka fanamasinana ny sakafo, izany dia afaka adika hoe: "misaotra an'Andriamanitra nohon'ny sakafo" na "midera an'Andriamanitra tamin'ny fanomezany sakafo azy ireo" na "manamasina ny sakafo amin'ny alalan'ny fiderana an'Andriamanitra nohon'ny amin'izany."

mivavaka, vavaka

Famaritana

Ny teny hoe "mivavaka" sy "vavaka" dia maneho firesahana amin'Andriamanitra. Ity teny ity dia nampiasaina ihany koa mba hanehoana ny olona miezaka miresaka amin'ny andriamanitra diso.

  • Ny olona dia afaka mivavaka mangina, miresaka amin'Andriamanitra amin'ny eritreritr'izy ireo na izy ireo afaka mivavaka mafy, miresaka amin'Andriamanitra amin'ny vavan'izy ireo. Indraindray ny vavaka dia soratana, toy an'i Davida nanoratra ny vavaka ataony tao amin'ny bokin'ny Salamo.
  • Ny vavaka dia mety ahitana fangatahana amin'Andrimanitra ny famindram-po, fanampiana amin'ny olana, fahendrena amin'ny fanapahan-kevitra.
  • Matetika ny olona dia mangataka amin'Andriamanitra mba hanasitrana ny olona izay marary na izay mila ny fanampiany amin'ny fomba hafa.
  • Ny olona ihany koa dia misaotra sy midera an'Andriamanitra rehefa mivavaka aminy izy ireo.
  • Ny fivavahana dia ahitana fibabohana ny fahotantsika amin'Andriamanitra sy fangatahana Aminy mba hamela antsika.
  • Ny firesahana amin'Andriammanitra matetika dia antsoina hoe "fifandraisana" aminy tahaka ny hifandraisan'ny fanahintsika amin'ny fanahiny, mizara ny fihetseham-pontsika ary fankafizana ny fanatrehany.
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe "miresaka amin'Andriamanitra" na "mifandray amin'Andriamanitra." Ny fandikana ity teny ity dia tokony hahitana vavaka am-pahanginana.

mofo tsy misy lalivay

Famaritana

Ny teny hoe "mofo tsy misy lalivay" dia manambara ny mofo izay tsy misy masirasira na lalivay hafa. Fisaka ity karazana mofo ity satria tsy misy masirasira hampiakatra azy.

  • Rehefa nanafaka ny Israelita tamin'ny fanandevozana tany Egypta Andriamanitra, dia nilaza azy ireo mba handositra haingana tsy hiandry na ny fiakaran'ny mofo akory aza. Ka nihinana mofo tsy misy lalivay izy ireo tamin'ny sakafon'izy ireo. Nanomboka tamin'izay ny mofo tsy misy lalivay dia ampiasaina amin'ny fankalazana ny Paska isan-taona mba hampatasiahivana azy ireo izany fotoana izany.
  • Satria ny mofo matetika dia ampiasaina toy ny sarin'ny fahotana, ny "mofo tsy misy lalivay" dia maneho ny fanesorana ny fahotana avy amin'ny fiainan'ny olona iray mba hihaina amin'ny fomba izay manome voninahitra an'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe: "mofo tsy misy masirasira" na "mofo fisaka izay tsy mitombo."
  • Amin'ny foto-kevitra hafa, ny teny hoe: "mofo tsy misy lalivay" dia milaza ny hoe: "Fanasana amin'ny mofo tsy misy lalivay" ary afaka adika amin'izany fomba izany.

mpaminany, faminaniana, maminania, mpahita, mpaminany vavy

Famaritana

Ny "mpaminany" dia lehilahy izay milaza ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona. Ny vehivavy izay manao ity dia antsoina hoe "mpaminany vavy."

  • Matetika ireo mpaminany dia mapitandrina ny olona mba hivadika amin'ny fahotan'izy ireo ary hankatoa an'Andriamanitra.
  • Ny "faminaniana" dia ilay hafatra izay lazain'ny mpaminany. Ny hoe "maminania" dia midika hoe milaza ireo hafatr'Andriamanitra.
  • Matetika ny hafatty ny faminaniana dia momban'ny zavatra izay hitranga amin'ny ho avy.
  • Faminaniana maro ao amin'ny Testamenta Taloha no efa tanteraka.
  • Ao amin'ny Baiboly ny fanangonana boky nosoratan'ireo mpaminany matetika dia raisina toy ny hoe "ireo mpaminany."
  • Ohatra, ny fehezanteny hoe "ny lalàna sy mpaminany" dia fomba hanehoana ny Soratra Masina Hebreo rehetra, izay fantatra koa amin'ny hoe "Testamenta Taloha."
  • Teny iray taloha niantsoana ny mpaminany ny hoe "mpahita" na "olona izay mahita."
  • Indraindray ny teny hoe "mpahita" dia maneho mpaminany diso na olona izay manao sikidy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "mpaminany" dia mety adika hoe "lehilahy mpiteny ho an'Andriamnaitra" na "lehilahy izay miteny ho an'Andriamanitra" na "lehilahy izay miteny ny hafatr'Andriamanitra."
  • Ny "mpahita" dia afaka adika hoe "olona izay manana fahitàna" na "lehilahy izay mahita ny ho avy amin'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe "mpaminany vavy" dia afaka adika hoe "vehivavy mpiteny ho an'Andriamanitra" na "vehivavy izay miteny ny hafatr'Andriamanitra."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "faminaniana" dia ahitana ny hoe "hafatra avy amin' Andriamanitra" na "hafatry ny mpaminany."
  • Ny teny hoe "maminania" dia afaka adika hoe "manambara teny avy amin' Andriamanitra" na "milaza ny hafatr'Andriamanitra."
  • Ny fomba fiteny ambadika hoe "lalàna sy ireo mpaminany" dia afaka adika koa hoe "ireo bokin'ny lalàna sy an'ireo mpaminany" na "ny zavatra rehetra voasoratra momban'Andriamanitra sy ny olony, isan'izany ireo lalàn'Andriamanitra sy izay notorian'ireo mpaminaniny."

Mpamonjy

Famaritana

Ny teny hoe: "Mpamonjy" dia maneho ny olona izay manavotra na mamonjy ny hafa amin'ny loza. Izany ihany koa dia maneho olona iray izay manome hery ny hafa na mamokatra hery ho azy ireny.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia lazaina ho Mpanavotra an'Israely satria Izy matetika dia manavotra azy ireo amin'ny fahavalon'izy ireo, manome hery azy ireo, ary manome izay ilain'izy ireo amin'ny fiainana.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny "Mpanavotra" dia ampiasaina mba ho famaritana na fiantsoana an'i Jesosy Kristy satria Izy no manavotra ny olona amin'ny fanasaziana mandrakizay nohon'ny fahotan'izy ireo. Izy ihany koa dia manavotra azy ireo amin'ny fanandevozan'ny ota azy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha mety, ny "Mpanavotra" dia tokony adika amin'ny teny izay mifandray amin'ny "manavotra" sy "fanavotana."
  • Ao anatin'ny fomba handikana io teny io ny hoe: "ilay Iray izay manavotra" na "Andriamanitra, ilay manavotra" na " ilay manafaka amin'ny loza" na "ilay manavotra amin'ny fahavalo" na "Jesosy, ilay iray izay manavotra."

mpanapaka

Famaritana

Ny teny hoe "mpanapaka" dia ilazana ny olom-panjakana izay nanapaka teo amin'ny Fanajakana Romana. Ny mpanapaka tsirairay dia tao ambanin'ny fahefan'ny Emperora Romana.

  • Ny fiantsoana hoe "mpanapaka" dia midika hoe: ''iray amin'ireo mpiara-manapaka efatra"
  • Nanomboka tamin'i Amperora Diokletiana, dia nisy fizarana efatra lehibe ny Fanjakana Romana ary ny mpanapaka tsirairay dia nanjaka tamin'ny ampahany iray avy.
  • Ny fanjakan'i Heroda "Lehibe," izay mpanjaka tamin'ny andro naterahan'i Jesosy, dia nizara ho efatra taorian'ny fahafatesany, ary nanjakan'ireo zanany izay natao hoe "mpanapaka" na "mpanapaky ny ampahefatra."
  • Ny fizarana tsirairay dia nisy ampahany kelikely kokoa nantsoina hoe "faritany," tahaka an'i Galilia na Samaria.
  • "Heroda mpanapaka" dia voatonona imbetsaka ao amin'ny Testamenta Vaovao. Fantatra amin'ny hoe "Heroda Antipasy" ihany koa izy.
  • Ny teny hoe "mpanapaka" dia azo adika ihany koa hoe "governoram-paritany" na "mpanapaky ny faritany" na "governora."

Mpanjakan'ireo Jiosy

Famaritana

Ny teny hoe: "Mpanjakan'ireo Jiosy" dia fiantsoana izay maneho an'i Jesosy, ilay Mesia.

  • Noraketina an-tsoratra voalohany tao amin'ny Baiboly io fiantsoana io rehefa nampiasain'ilay lehilahy hendry izay nankany Jerosalema hijery ilay zazakely izay "Mpanjakan'ireo Jiosy."
  • Ilay anjely nanambara tamin'i Maria fa ny zanany lahy, taranak'i Davida Mpanjaka, dia ho tonga mpanjaka ary ny fanjakany dia haharitra mandrakizay.
  • Talohan'ny namantsihana an'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana, dia naneso niantso an'i Jesosy ireo miaramila Romana hoe: "Mpanjakan'ireo Jiosy." Io fiantsoana io ihany koa dia nosoratana teo amin'ny takelaka hazo ary nafantsika teo an-tampon'ny hazofijalian'i Jesosy.
  • Jesosy no tena Mpanjaka marin'ireo Jiosy ary mpanjakan'ny zava-boahary rehetra.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "Mpanjakan'ireo Jiosy" dia afaka atao ihany koa hoe: "Mpanjaka teo amin'ireo Jiosy" na "Mpanjaka nitondra an'ireo Jiosy" na "mpanapaka fara-tampony teo amin'ireo Jiosy."

mpanora-dalana, manam-pahaizana amin'ny lalàn'ny Jiosy

Famaritana

Ireo mpanora-dalana dia manam-pahefana izay manana andraikitra amin'ny fanoratana na fandikana amin'ny tanana ireo antontan-taratasin'ny governemanta na ny ara-pivavahana. Ny anarana hafa ho an'ny Jiosy mpanora-dalana dia hoe: " manam-pahaizana amin'ny lalàn'ny Jiosy."

  • Ireo mpanora-dalana no tompon'andraikitra amin'ny fandikana sy fitahirizana ireo bokin'ny Testamenta Taloha.
  • Izy ireo ihany koa no mandika, mitahiry, ary mandika ny hevitry ny fivavahana sy ny fanehoan-kevitra amin'ny lalàn'Andriamanitra.
  • Tamin'izany fotoana izany, ireo mpanora-dalana dia manam-pahefana manan-danjan'ny governemanta.
  • Baroka sy Ezra dia ao anatin'ireo mpanora-dalana manan-danja ara-baiboly.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo mpanora-dalàna ihany koa dia afaka adika hoe: "mpampianatra ireo lalàna."
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo mpanora-dalàna matetika dia anisan'ny vondrona ara-pivavahana antsoina hoe "ireo Fariseo" ary ireo vondrona roa ireo matetika dia voatonona miaraka.

mpianatra

Famaritana

Ny teny hoe "mpianatra" dia maneho olona izay mandany ny fotoanany miaraka amin'ny mpampianatra, mianatra avy amin'ny toetra sy fampianaran'ny mpampianatra.

  • Ireo olona izay nanaraka an'i Jesosy, niheno ny fampianarany ary nankatoa izany, dia nantsoina hoe "mpianany."
  • Nandritra ny fampianaran'i Jesosy, maro ireo mpianatra izay nanaraka Azy sy niheno ny fampianarany.
  • Jesosy dia nifidy mpianatra roa ambin'ny folo mba ho tena mpanaradia akaiky Azy; ireo lehilahy ireo dia fanatatra amin'ny anarana hoe ny "apsotoliny."
  • Ny apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy dia mbola fantatra amin'ny hoe "mpianany" na "ireo roa ambin'ny folo."
  • Talohan'ny nandehanan'i Jesosy niakatra tany an-danitra, dia nibaiko ireo mpianany mba hampianatra any amin'ny olona ny momban'ny tokony atao raha te-ho mpianatr'i Jesosy koa.
  • Izay mino an'i Jesosy sy mankatoa ny fampianarany dia antsoina hoe mpianatr'i Jesosy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "mpianatra" dia afaka adika amin'ny teny hoe "mpanara-dia" na "mpianatra" na "ankizy."
  • Kendreo ny fandikana an'ity teny ity mba tsy haneho mpianatra mianatra any am-pianarana fotsiny ihany.
  • Ny fandikana ity teny ity dia tokony samihafa amin'ny fandikana ny teny hoe "apostoly."

Mpihatsaravelatsihy, fihatsarambelatsihy

Famaritana

Ny teny hoe "Mpihatsaravelatsihy" dia maneho olona izay manao zavatra tsara mba ho hita hoe marina, kanefa dia manao asa ratsy any ambadimbadika any. Ny teny hoe "fihatsarambelatsihy" dia maneho ny toetra izay mamitaka olona amin'ny fiheritreretana fa marina ilay olona.

  • Ireo mpihatsaravelatsihy dia te-ho hitan'ny olona manao zavatra tsara amin'izay ny olona dia miheritreritra fa izy ireo dia olona tsara.
  • Matetika ny mpihatsaravelatsihy dia manakiana ireo olona amin'ny ota izay ataon'izy ireo ihany koa.
  • Jesosy dia niantso ireo Fariseo hoe mpihatsaravelatsihy satria izy ireo dia manao zavatra ara-pivavahana tahaka ny hoe mitafy karazana akanjo na mihinana karazana sakafo mifanaraka amin'ny fivavahana, kanefa izy ireo dia manao ny tsy rariny amin'ny olona.
  • Ny mpihatsaravelatsihy dia manondro ny adisoan'ny olona, fa tsy manaiky ny adisoany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fiteny sasany dia manana fomba fiteny tahaka ny hoe manana "tava roa" izany dia maneho ny fihatsarambelatsihy na fihetsika misy fihatsarambelatsihy.
  • Ny fomba hafa andikana ny hoe "Mpihatsaravelatsihy" dia ahitana ny hoe "osoka" na "ireo mody manao" na "olona miavonavona, mpamitaka."
  • Ny teny hoe "fihatsarambelatsihy" dia afaka adika hoe "fitaka" na "fihetsika mody atao" na "mody manao."

mpisorona, fisoronana

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny mpisorona dia olona izay nosafidiana mba hanome sorona an'Andriamanitra amin'ny anaran'ny olon'Andriamanitra. Ny hoe "fisoronana" dia anarana ilazana ny toerana maha-mpisorona.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, dia nisafidy an'i Arona sy ireo taranany Andriamanitra mba ho mpisorony ho an'ny vahoakan'Israely.
  • Ny hoe "fisoronana" dia zo sy andraikitra izay mifandimby avy any amin'ny ray mankany amin'ny zanaka lahy amin'ny fianakaviambe Levita.
  • Ireo mpisorona Isiraelita dia nanana andraikitra fanomezana ny soron'ny olona ho an'Andriamanitra, miaraka amin'ireo asa hafa ao an-tempoly.
  • Ireo mpisorona ihany koa dia manolotra vavaka tsy tapaka amin'Andriamanitra amin'ny anaran'ny olony ary manao fombam-pivavahana hafa.
  • Ireo mpisorona dia nanonona tso-drano ara-dalàna tamin'ny olona ary nampianatra azy ireo ny lalàn'Andriamanitra.
  • Tamin'ny andron'i Jesosy, dia nisy antanan-tohatra samihafa ireo mpisorona, ahitana ny lohan'ny mpisorona ary ny mpisoronabe.
  • Jesosy no "mpisoronabe lehibentsika" izay manelanelana antsika amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Izy dia nanolotra ny tenany ho sorona amin'ny fahotana. Izany dia midika fa ireo sorona nataon'ny olombelona mpisorona dia tsy ilaina intsony.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny mpino an'i Jesosy rehetra dia antsoina hoe "mpisorona" izay mety avy amin'Andriamanitra mivantana amin'ny vavaka mba hanelanelana ho an'ny tenany sy ny olona hafa.
  • Tamin'ny andro taloha, dia nisy mpisorona mpanompo sampy ihany koa izay nanolotra sorona ho an'ireo andriamanitra diso toa an'i Bala.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "mpisorona" dia mety adika hoe "olona sorona" na "mpanelanelan'Andriamanitra" na "olona notendren'Andriamanitra hisolo-tena Azy."
  • Ny fandikana ny hoe "mpisorona" dia tokony hiavaka amin'ny fandikana ny hoe "mpanelanelana."
  • Ireo fandikana sasany dia mety te-hiteny zavatra toy ny hoe "mpisorona Isiraelita" na "mpisorona Jiosy" na "mpisoron'Yaveh" na "mpisoron'i Bala" foana mba hazava fa ity dia tsy maneho ny karazana mpisorona amin'izao vanin'andro maoderina izao,
  • Ny teny nampiasaina handikana ny hoe "mpisorona" dia tokony ho samihafa amin'ireo teny hoe "lohan'ny mpisorona" sy "mpisoronabe" ary "Levita" sy "mpaminany."

Mpisoronabe

Famaritana

Ny teny hoe "mpisoronabe" dia maneho mpisorona manokana mihintsy izay notendrena mba hanompo mandritry ny taona iray ary ho tahaka ny mpitondra ireo mpisorona Israelita hafa rehetra ireo.

  • Ny mpisorona be dia manana andraikitra manokana. Izy irery ihany no afaka mandeha mankany amin'ilay toerana masina indrindra ao amin'ny Tempoly mba hanolotra ilay sorona miavaka indrindra indray isan-taona.
  • Ny Israelita dia manana mpisorona maro, fa iray ihany no mpisorona be tamin'izany fotoana izany.
  • Tamin'i Jesosy voasambotra, dia Kaifasy no mpisoronabe tamin'izany. Anasy rafozan-dahin'i Kaifasa dia mbola nantsoina tamin'izany fiantsoana izany ihany koa noho izy mpisoronabe teo aloha ary mety hoe mbola nanana hery sy fahefana teo amin'ny vahoaka.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny hoe "mpisoronabe" dia afaka adika hoe "mpisorona fara-tampony" na "mpisorona ambony indrindra"
  • Kendreo io teny io mba tsy hitovy fandika amin'ny hoe "lehiben'ny mpisorona."

mpitandrina

Famaritana

Ny teny hoe "mpitandrina" dia teny mitovy amin'ny hoe "mpiandry ondry." Izany dia nampiasaina ho fiantsoana olona iray izay mpitarika ara-panahin'ny vondrona mpino.

  • Amin'ny Baiboly amin'ny teny teny Anglisy, dia indray miseho ihany ny teny hoe "mpitandrina," ao amin'ny bokin'ny Efesiana. Izany dia teny mitovy amin'ny nandikana azy hoe "mpiandry ondry" any amin'ny hafa.
  • Amin'ny fiteny sasany, ny teny hoe "mpitandrina" dia mitovy amin'ny teny ilazana ny "mpiandry ondry."
  • Izany koa dia teny mitovy amin'ny nampiasaina mba hanehoana an'i Jesosy toy ny "Mpiandry ondry tsara."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKANTENY

  • Tsara kokoa ny mandika ity teny ity amin'ny teny hoe "mpiandry ondry."
  • Ireo fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "mpiandry ondry ara-panahy" na "mpitarika Kristiana miandry ondry."

Nazirita, voadin'i Nazirita

Famaritana

Ny teny hoe: "Nazirita" dia maneho olona iray izay nanao ny "voadin'i Nazirita." Lehilahy ny ankamaroany no manao io voady io, fa ny vehivahy ihany koa dia afaka manao izany.

  • Ny olona iray izay manao io voadin'i Nazirita io dia manaiky ny tsy fananana sakafo na zava-pisotro vita amin'ny voaloboka amin'ny isan'ny andro, herinandro, na volana izay nekena tamin'ny fanatanterahana ny voady. Mandritr'izany fotoana izany ihany koa, dia tsy manapaka ny volony izy ary tsy manakaiky razana.
  • Rehefa tapitra ny halavan'ny fotoana notakiana dia tanteraka ny voady, mankany amin'ny mpisorona ilay Nazirita ary manome fanatitra. Mety ho ao anatin'izany ny fanapahana sy ny fandorana ny volony. Ny famerana rehetra ihany koa dia esorina.
  • Samsona dia lehilahy fanta-daza ao amin'ny Testamenta Taloha izay nanao ny voadin'i Nazirita.
  • Ilay anjely izay nanambara ny fahaterahan'i Jaona Batista dia niteny tamin'i Zakaria fa ny zanany dia tsy hisotro zava-pisotro mahery, izany dia manoro fa Jaona dia nanao ny voadin'i Nazarita.
  • Paoly apostoly ihany koa dia mety nisy fotoana nanao io voady io, araka ny andalana iray ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly.

Ny fanasan'ny Tompo

Famaritana

Ny teny hoe "fanasan'ny Tompo" dia nampiasain'i Paoly mba hanehoana ny sakafon'ny Paska izay noanin'i Jesosy sy ireo mpianany tamin'ny alina izay nisamboran'ireo mpitarika Jiosy Azy.

  • Nandritra izany fisakafona izany, Jesosy dia nanapaka ny mofon'ny Paska ary niantso izany ho vatany izay ho kapohina sy ho vonoina kelikely eo.
  • Ary ny kapaoka misy divay dia nantsoiny hoe ràny, izay araraka rehefa maty izy ho toy ny sorona ho an'ny ota.
  • Jesosy nandidy fa isakin'ny manao izany ny mpanaradia Azy, mifampizara ny mofo sy ny divay, dia hahatsiaro ny fahafatesany sy ny fitsanaganany.
  • Ao amin'ny taratasiny ho an'i Korintiana Paoly dia nanangana ny fanasan'ny Tompo ho fomba fanao ho an'ireo mpino an'i Jesosy.
  • Ny fiangonana amin'izao dia mampiasa ny teny hoe "kaominio" mba hanehoana izany fanasan'ny Tompo izany. Ny teny hoe "ny sakafo farany" dia matetika nampiasana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "Ny sakafon'i Tompo" na "ny sakafon'i Jesosy Tompontsika."

ny finoana

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe: "finoana" dia maneho ny fahatokiana olona iray na zavatra iray.

  • Ny hoe: "manana finoana" amin'ny olona iray dia mino fa izay lazainy sy ataony dia marina sy mendri-pitokisana.
  • Ny hoe: "manana finoana ao amin'i Jesosy" dia midika hoe: mino ny fampianaran'Andriamanitra momba an'i Jesosy rehetra. Izany dia midika manokana fa ny olona dia matoky an'i Jesosy sy ny sorona nataony mba hanadio azy ireo amin'ny fahotan'izy ireo sy hamonjy azy ireo amin'ny fanasaziana mendrika azy ireo nohon'ny otan'izy ireo.
  • Ny finoana marina an'i Jesosy dia hahatonga ny olona iray hamokatra vokatra tsaran'ny fanahy na toetra satria ny Fanahy Masina dia velona ao aminy.
  • Indraindray ny hoe: "finoana" dia maneho amin'ny ankapobeny ny fampianarana rehetra momba an'i Jesosy, toy ny amin'ny fomba fiteny hoe: "ireo fahamarinan'ny finoana."
  • Ao amin'ny foto-kevitra toy ny "tazomy ny finoana" na "avelao ny finoana," ny teny hoe: "finoana" dia maneho ny mikasika ny finoana ny fampianarana rehetra momba an'i Jesosy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny hoe: "finoana" dia azo adika hoe: "faharesen-dahatra" na "toky" na "fahatokiana."
  • Amin'ny fiteny sasany ireo teny ireo dia mety ho adika amin'ny alalan'ny matoanteny hoe: "mino."

ny fiombonana

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe: "fiombonana" dia maneho ny finamanana misy eo amin'ny samy mpikambana ao amin'ny vondron'olona iray izay mifampizara fialam-boly mitovy sy zavatra hiainana.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "fiombonana" matetika dia maneho ny firaisan'ireo mpino ao amin'i Kristy.
  • Ny fiombonan'ny Kristiana dia fifandraisana hiarahana izay hananan'ireo mpino amin'ny hafa amin'ny alalan'ny fifandraisan'izy ireo amin'i Kristy sy ny Fanahy Masina.
  • Ireo Kristiana taloha dia naneho ny fiombonan'izy ireo tamin'ny alalan'ny fihainoana ny fampianaran'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiaraha-mivavaka, tamin'ny alalan'ny fizarana ny fananan'izy ireo, ary ny fiaraha-mihinana.
  • Ireo Kristiana ihany koa dia manana fiombonana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoan'izy ireo an'i Jesosy sy ny soron'ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana izay nanala ny sakana nisy teo amin'Andriamanitra sy ny olona.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny teny hoe: "fiombonana" ireto manaraka ireto: "fiaraha-mizara" na "fifandraisana" na "finamanana" na "fiombonan'ny Kristiana."

ny nofo

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "nofo" dia maneho ara-bakiteny ny sela malefaka amin'ny vatan'olombelona na ny biby.

  • Ny Baiboly ihany koa dia mampiasa ny teny hoe: "nofo" amin'ny hevitra ambadika mba hilazana ny olombelona rehetra na ny zava-manan'aina rehetra.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe: "nofo" dia ampiasaina mba hanehoana ny toetra maha-mpanota ny olombelona. Izany matetika dia ampiasaina amin'ny fifanoheran-kevitra amin'ny toetra ara-panahin'izy ireo.
  • Ny fiteny hoe: "nofo sy rà manokana" dia maneho olona iray izay iray rà amin'ny olona hafa, toy ny ray aman-dreny, ny iray tampo, ny zanaka, ary ny raibe sy renibe.
  • Ny fiteny hoe: "nofo sy rà" dia afaka maneho ihany koa ny razam-ben'ny olona iray na ireo taranaka.
  • Ny fiteny hoe: "nofo iray" dia maneho ny fifandraisana ara-batan'ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'ny tokantrano. (fiarahana ao an-tokantrano)

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Raha ny biby no resahina, ny "nofo" dia afaka adika hoe: "vatana" na "hoditra" na "hena."
  • Raha fanehoana ny zava-manan'aina rehetra amin'ny ankapobeny no resahina, io teny io dia afaka adika hoe: "ny velona rehetra" na "ireo zavatra rehetra izay velona."
  • Raha fanehoana ny vahoaka rehetra no resahina, io teny io dia afaka adika hoe: "ny vahoaka" na "ny olombelona" na "ny olona rehetra izay velona."
  • Ny fiteny hoe: "nofo sy rà " ihany koa dia azo adika hoe: "ny havana" na "ny fianakaviana" na "ray aman-dreny" na "fokom-pianakaviana." Mety misy foto-kevitra hafa handikana io teny io hoe: "razam-be" na "taranaka."
  • Ny fitenim-paritra sasany dia mety manana teny mitovitovy dika amin'ny "nofo sy rà."
  • Ny fomba fiteny hoe: "ho nofo iray ihany" dia afaka adika hoe: "miray ara-nofo" na "tonga vatana iray ihany" na "tonga tahaka ny olona iray amin'ny vatana sy fanahy." Ny fandikana io fomba fiteny io dia mila hiverenana jerena mba hahazoana antoka fa azo ekena ao amin'ny fanaovana ny fandikan-teny sy ny kolon-tsaina izany.

ny rahalahy

Famaritana

Ny teny hoe: "rahalahy" matetika dia maneho ny lehilahy izay mitovy ray aman-dreny niteraka amin'ny olona iray hafa.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe: "ireo rahalahy" dia ampiasaina amin'ny ankapobeny ihany koa mba hanehoana ny havana, toy ireo izay samy mpikambana ao amin'ny foko iray, na vondron'olona iray.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo apostoly matetika dia mampiasa ny hoe: "ireo rahalahy" mba hanehoana ny namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy, satria ny mpino an'i Kristy rehetra dia mpikamban'ny fianakaviana ara-panahy iray avokoa, izay Andriamanitra no Rain'izy ireo any an-danitra.
  • Fotoana vitsy tao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo apostoly dia nampiasa ny teny hoe: "rahavavy" rehefa maneho manokana an'ireo namana Kristiana vehivavy, na mba hanamafisana fa samy ao anatiny ny lehilahy sy ny vehivavy. Ohatra: Jakoba dia manamafy fa izy dia miresaka momba ny mpino rehetra rehefa maneho ny "rahalahy iray na rahavavy iray izay mila sakafo na akanjo."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Tsara ny mandika io teny ara-bakiteny izay hita ao amin'ny teny entina mandika io mba hanehoana ny rahalahy iray rà, raha tsy izany dia lasa maneho hevitra diso.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha manokana, rehefa ampiasaina amin'ny ankapobeny mba hanehoana ny iray tampo ao amin'ny fianakaviana, na foko, na vondron'olona ny teny hoe: "ireo rahalahy" dia ireto avy no mety ho dikany: "havana" na "isan'ny mpikambana ao amin'ny foko" na "namana Israelita."
  • Raha amin'ny foto-kevitra maneho ny namana mpino ao amin'i Kristy, io teny io dia afaka adika hoe: "rahalahin'i Kristy" na "rahalahy ara-panahy."
  • Raha mety mahatonga hevitra diso ny fanehoana ny lahy sy ny vavy amin'ny teny hoe: "ireo rahalahy", dia tokony mampiasa teny hafa izay mahalaza ny lahy sy ny vavy mitambatra.
  • Ireo fomba hafa handikana io teny io mba haneho miaraka ny mpino lahy sy ny mpino vavy dia mety hoe: "namana mpino" na "Kristiana rahalahy sy rahavavy."
  • Jereo tsara ny foto-kevitra mba hahafantarana hoe ny lehilahy irery ihany no resahina, na hoe ny lehilahy sy ny vehivavy no miaraka resahina.

olon'Andriamanitra, ny oloko

Famaritana

Ny teny hoe "olon'Andriamanitra" dia maneho ny olona izay nantsoin'Andriamanitra teto an-tany mba hanana fifandraisana manokana aminy.

  • Andriamanitra rehefa miteny hoe "ny oloko" dia miresaka momban'ny olona izay nosafidiany sy manana fifandraisana aminy Izy izay.
  • Ny olon'Andriamanitra dia nosafidiany ary voatokana teto an-tany mba hiaina amin'ny fomba izay ankasitrahany. Ireo ihany koa dia antsoiny hoe zanany.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny hoe "olon'Andriamanitra" dia maneho ny firenen'Isiraely izay nosafidian'Andriamanitra ary voatokana tamin'ireo firenena hafa teto amin'izao tontolo izao mba hanompo sy hankatoa Azy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny hoe "olon'Andriamanitra" dia maneho manokana ireo rehetra izay mino an'i Jesosy ary antsoina hoe Fiangonana. Ity dia ahitana ireo Jiosy sy Jentilisa.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "olon'Andriamanitra" dia mety adika hoe "olona izay midera an'Andriamamitra" na "olona izay manompo an'Andriamanitra" na "olona izay an'Andriamanitra."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "ny oloko" rehefa miteny izany Andriamanitra, dia ahitana ny hoe: "ny olona nosafidiako" na "ny olona midera Ahy" na "ny olona izay Ahy."
  • Mitovy amin'izany, ny hoe "ny olonao" dia mety adika hoe "ny olona izay anao" na "ny olona nosafidianao mba ho anao."
  • Ary ihany koa ny hoe "ny olony" dia mety adika hoe "ny olona izay Azy" na "ny olona izay nosafidian'Andriamanitra mba ho an'ny tenany."

ozona, voaozona

Famaritana

Ny teny hoe "ozona" dia midika hoe mahatonga zavatra ratsy mba hitranga amin'ilay olona na zavatra izay ozonina.

  • Ny ozona dia mety ho fanambarana ratsy hitranga amin'ny olona na zavatra.
  • Ny manozona olona koa dia mety ho fomba fiteny maniry zavatra ratsy mba hitranga amin'izy ireo.
  • Izany koa dia mety maneho ny sazy na zavatra ratsy hafa izay ozonin'ny olona mba hitranga amin'ny olona.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia mety adika hoe "mampitranga zavatra ratsy amin'ny" na "mnambara fa hisy zavatra ratsy hitranga amin'ny" na "mianiana hampitranga zavatra ratsy amin'ny."
  • Amin'ny foto-kevitra hoe Andriamanitra mandefa ozona amin'ny vahoakany tsy mankatoa, dia afaka adika hoe "manasazy amin'ny famelana zavatra ratsy mba hitranga" izany.

pantekosta, Fetin'ny Erinandro

Famaritana

Ny "Fetin'ny Erinandro" dia fetin'ny Jiosy izay mitranga dimapolo andro aorian'ny Paska. Taty aoriana izany dia natao hoe "Pantekosta."

  • Ny Fetin'ny Herinandro dia fito erinandro (dimapolo andro) aorian'ny Fetin'ny Voaloham-bokatra. Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nantsoina hoe "pantekosta" ity fety ity izay misy "dimapolo" ny ampahan'ny heviny.
  • Ny Fetin'ny Erinandro dia natao hankalazana ny fiantombohan'ny finjinjana.Izany koa dia andro ahatsiarovana ny fotoana nanomezan'Andriamanitra voalohany ny lalàna tamin'ireo Isiraelita tamin'ny vato fisaka sy vato nomena an'i Mosesy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny Andron'ny Pantekosta dia tena nanan-danja satria fotoana hiainan'ireo mpino an'i Jesosy indray ny Fanahy Masina amin'ny fomba vaovao.

Paska

Famaritana

Ny "Paska" dia anarana firavoravoan'ny Jiosy izay ankalazain'ireo Jiosy isan-taona, mba hahatsiarovana ny fomba namonjen'Andriamanitra ny razamben'izy ireo, ireo Isiraelita, tamin'ny fanandevozana tany Egypta.

  • Ny fankalazana ny Paska dia ahitana sakafo miavaka izay ahitana ny omby tsara indrindra novonoin'izy ireo sy nandrahoana, ary mofo tsy misy masirasira. Ireo sakafo ireo dia mampatsiahy azy ireo ny sakafo nohanin'ireo Isiraelita ny alina mialohan'ny nialan'izy ireo tao Egypta.
  • Andriamanitra dia niteny ireo Isiraelita mba hihinana ity sakafo ity isan-taona mba ho fahatsiarovana sy fankalazana ny fomba "nandalovan'" Andriamanitra ny tranon'izy ireo sy ny fomba nanafahany azy ireo tamin'ny fanandevozana tany Egypta.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Mety hanampy raha manana fifandraisana mazava amin'ireo teny nampiasaina hanazavana izay nataon'ny anjely sy ny Tompo tamin'ny nandalo teo amin'ny tranon'ireo Isiraelita sy nanavotra ny zanaka lahin'izy ireo.

Famaritana

Ny teny hoe: "rà" dia maneho ny tsiranoka menamena mivoaka avy ao amin'ny hoditr'olona iray rehefa misy ratra. Ny rà dia mitondra singa fahavelomana ao anatin'ny vatan'olombelona.

  • Ny rà dia mariky ny fiainana ary rehefa very be na ritra ny rà dia manamarika ny fahafatesana.
  • Rehefa manao sorona ho an'Andriamanitra ny olona, dia mamono biby ary mandraraka ny ràny eo ambony alitara. Izany dia mariky ny soron'ny fiainan'ilay biby mba hanonitra ny fahotan'ny olona.
  • Tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana, ny ràn'i Jesosy no manadio ny olona amin'ny fahotan'izy ireo ary manonitra ny sazy izay mendrika ny fahotan'izy ireo.
  • Ny fomba fiteny hoe: "nofo sy rà" dia maneho ny olombelona.
  • Ny fomba fiteny hoe: "nofo sy rà manokana" dia maneho ny olona izay iray rà.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Io teny io dia afaka adika amin'ny teny izay ampiasaina ho an'ny rà amin'ny teny entina mandika teny.
  • Ny fomba fiteny hoe: "nofo sy rà" dia afaka adika hoe: "olona" na "olombelona."
  • Ny fomba fiteny hoe: "nofo sy rà manokana" dia afaka adika hoe: "ny fianakaviako manokana" na "ny havako manokana" na "ny oloko manokana," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Raha misy fomba fiteny izay ampiasaina miaraka amin'io dikany io ao amin'ny teny entina mandika, io fomba fiteny io dia tokony ampiasaina mba handikana ny "nofo sy rà."

Raby, Rabony

Famaritana

Ny teny hoe: "Raby" dia midika ara-bakiteny hoe: "ny tompoko" na "ny mpampianatro."

  • Izany dia fiantsoana manaja izay ampiasaina mba hiresahana amin'ny olona izay mpampianatra ara-pivavahana Jiosy, indrindra indrindra ny mpampianatra ny lalàn'Andriamanitra.
  • Jaona Batista sy Jesosy indraindray dia samy antsoin'ireo mpianany hoe: "Raby."

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana io teny io ny hoe "Ny Tompoko" na "Ny Mpampianatro" na "Mpampianatra Manam-boninahitra" na "Mpampianatra ara-pivavahana." Ny fiteny sasany dia mety manao sora-baventy ny fiarahabana tahaka izany, raha toa ka tsy manao ny hafa.
  • Ny teny entina mandika izany ihany koa dia mety manana fomba manokana hiantsoana ny mpampianatra.
  • Kendreo mba tsy ho tahaka ny hoe mpampianatra tany an-tsekoly Jesosy amin'io teny io.
  • Hevero ihany koa ny fomba handikana ny "Raby" ao amin'ny fandikana ao amin'ny Baiboly izay mifandray amin'ny fitenim-pirenena.

ratsy, ratsy fanahy, faharatsiana

Famaritana

Ny teny hoe "ratsy" na "ratsy fanahy" dia samy anehoana ny zavatra rehetra izay mifanohitra amin'ny sitrapo sy toetra masin'Andriamanitra.

  • Raha mamaritra ny toetran'ny olona iray ny "ratsy fanahy," ny"ratsy" kosa dia maneho ny fitondran-tanan'ny olona iray. Na izany aza dia tena samy mifanakaiky hevitra ireo teny ireo.
  • Ny teny hoe "faharatsiana" dia ilazana ny endri-javatra misy rehefa manao zavatra rasty ny olona.
  • Ny vokatry ny ratsy dia miseho mazava amin'ny fomba fampijalian'ny olona ny hafa amin'ny famonona, fangalarana, fanendrikendrehana na fananana toetra lozabe sy tsy tso-po.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "ratsy" sy "ratsy fanahy" dia azo adika hoe "feno ota" na "fitondran-tena ratsy."
  • Ny fomba hafa azo andikana izany dia: "tsy tsara" na "tsy marina'' na "tsy ara-moraly."
  • Ezaho mba hifanaraka amin'ny foto-kevitra izay mety tsara amin'ny fiteny enti-mandika ny teny ny fehezanteny izay ampiasaina handikana ireo teny ireo.

Sabata

Famaritana

Ny teny hoe "Sabata" dia andro fahafiton'ny herinandro, izay nandidin'Andiamanitra ireo Israelita mba hanokana izany andro izany ho fitsaharana sy tsy fiasana.

  • Rehefa avy namorona ny tany tao anatin'ny enin'andro Andriamanitra dia naka aina Izy tamin'ny andro fahafito. Torak'izany ihany koa no nandidian'Andriamanitra ny Israelita mba hanokana io andro fahafito io ho andro fitsaharana sy fiderana an'Andriamanitra manokana.
  • Ny didy izay milaza hoe "tazomy ho masina ny Sabata" dia iray amin'ireo didy folo izay nosoratan'Andriamanitra tamin'ilay vato fisaka izay nomeny an'i Mosesy mba ho an'Israelita.
  • Raha manaraka ny fomba fanisana andron'ny Jiosy, ny Sabata dia manomboka ny Zoma amin'ny filentehan'ny masoandro mandra-piposaky ny masoandro amin'ny Sabotsy.
  • Indraindray ao amin'ny Baiboly dia antsoina hoe "andro Sabata" fa tsy hoe Sabata fotsiny.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Izany dia afaka adika koa hoe "andron'ny fitsaharana" na "andro tsy fiasana" na "Andro fitsaharan'Andriamanitra"
  • Ny fiteny sasany dia mandika azy amin'ny sora-baventy mba hanamafisana fa andro manokana izy io, "Andro Sabata" na "Andro Fitsaharana"
  • Mety misy teny hafa ampiasaina handikana azy io amin'ny fitenim-paritra.

Sadoseo

Famaritana

Ny Sadoseo dia vondrona mpanao politika Jiosy tamin'ny andron'i Jesosy Kristy izay nanohana ny lalàna Romana ary tsy nino ny fitsanganan'ny maty.

  • Maro tamin'ireo Sadoseo no nanan-karena, manana saranga ambony ary mitazona toerana mpitondra lehibe tahaka ny hoe mpisoronabe sy lohan'ny mpisorona.
  • Ny andraikitry ny Sadoseo dia ny mikarakara ny mahakasika ny tempoly rehetra ary koa ny andraikitra amin'ny maha-mpisorona toy ny hoe manolotra fanatitra.
  • Ny Sadoseo sy ny Fariseo dia nitarika ireo mpitondra Romana mba hanombo an'i Jesosy eo amin'ny hazofijaliana.
  • Jesosy dia nanohitra ireo vondrom-pivavahana roa ireo noho ny fitiavan-tena sy fihatsaram-belatsihan'izy ireo.

salamo

Famaritana

Ny teny hoe "salamo" dia maneho hira masina, matetika amin'ny endrika poezia izay nosoratana mba ho hiraina.

  • Ny bokin'ny Salamo ao amin'ny Testamenta Taloha dia manana karazan-tahiry amin'ireo hira ireo nosoratan'i Davida mpanjaka sy ireo Isiraelita hafa toa an'i Mosesy, Solomona, ary Asafa, teo amin'ireo hafa.
  • Ny salamo dia nampiasain'ireo firenen'Isiraely tamin'ny fideran'izy ireo an'Andriamanitra.
  • Ny Salamo dia afaka ampiasaina mba hanehoana hafaliana, finoana, ary fanehoana fanajana, ary koa fangirifiriana sy alahelo.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nampianarina hihira salamo ho an'Andriamanitra ireo Kristiana ho fomba fiderana Azy.

saro-piaro, hasarotam-piaro

Famaritana

Ireo teny hoe "saro-piaro" sy "hasarotam-piaro" dia maneho faniriana fatratra hiaro ny fahadiovan'ny fiarahana iray. Ireo ihany koa dia maneho faniriana fatratra hihazona fananan-javatra na olona.

  • Ireo teny ireo matetika dia nampiasaina hamaritana ny fihetsem-po tezitra izay ananan'ny olona iray amin'ny vady izay tsy tokam-po amin'ny fanambadian'izy ireo.
  • Rehefa ampiasaina ao amin'ny Baiboly, dia matetika ireo teny ireo maneho ny fanirian'Andriamanitra fatratra ho an'ny olony mba hitoetra madio sy tsy voaloton'ny ota.
  • Andriamanitra ihany koa dia "saro-piaro" amin'ny anarany, mba hasiana voninahitra sy fanajana izany.
  • Ny hevitra hafan'ny hoe saro-piaro dia mitaky fahatezerana fa nahomby na malaza kokoa ny olona iray. Mifanakaiky amin'ny hevitry ny teny hoe "fialonana" izany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba handikana ny hoe "saro-piaro" dia afaka ahitana ny hoe "faniriana fatratra hiaro" na "faniriana te-ho tompony."
  • Ny teny hoe "hasarotam-piaro" dia afaka adika hoe "fihetsem-po te-hiaro fatratra" na "fahatsapana ho topony."
  • Rehefa miresaka momban'Andriamanitra, kendreo ny fandikana ireo teny ireo mba tsy hanome hevitra hoe tezitra amin'ny olona hafa.
  • Amin'ny foto-kevitra izay milaza ny hatezeran'ny olona iray amin'ny olona hafa izay nahomby kokoa, dia afaka ampiasaina ny teny hoe "fialonana" na "mialona." Fa ireo teny ireo dia tsy tokony ampiasaina ilazana an'Andriamanitra.

saronam-pamonjena

Famaritana

Ny "saronam-pamonjena" dia takela volamena natao hanarona ny tampon'ny fiaran'ny fanekena.

  • Ny saronam-pamonjena dia teo ho eo amin'ny 115 santimetatra ny halavany ary 70 santimetatra ny sakany.
  • Nisy kerobima volamena roa mifampikasoka helatra teo ambonin'ilay saronam-pamonjena.
  • Nilaza Yaveh fa hihaona amin'ny zanak'Israely eo ambonin'ny saronam-pamonjena, ambanin'ny helatra mivelatr'ireo kerobima. Ny mpisoronabe ihany no nahazo alalana hanao izany, amin'ny maha mpisolo-tenan'ny vahoaka azy.
  • Indraindray ny saronam-pamonjena dia nantsoina hoe "sezan'ny famindram-po" satria maneho ny famindram-pon'Andriamanitra tamin'ny nidinany hanavotra ny olombelona mpanota izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba hafa azo adikana io teny io dia azo atao hoe: "fanaronana ny fiara izay ampanantenan'Andriamanitra ny fanavotana" na "toerana hamonjen'Andriamanitra" na "saron'ny fiara izay hamelan'Andriamanitra heloka sy hamerenany ny laoniny."
  • Mety hidika ihany koa hoe: "toeran'ny fampiahavanana."
  • Ampitahao amin'ny fomba nandikanao ny hoe "fanonerana," "fampihavanana," sy "fanavotana" io teny io.

Satana, devoly, ilay ratsy

Famaritana

Ny devoly dia fanahy izay noforonin'Andriamanitra, fa nikomy nanohitra an'Andriamanitra izy ka lasa fahavalon'Andriamanitra. Ny devoly ihany koa dia antsoina hoe: "ilay ratsy."

  • Ny devoly dia mankahala an'Andriamanitra sy izay rehetra noharian'Andriamanitra, satria te-haka ny toeran'Andriamanitra sy te-ho deraina toa an'Andriamanitra izy.
  • Satana dia maka fanahy ny olona mba hikomy hanohitra an'Andriamanitra.
  • Andriamanitra nandefa ny Zanany, dia i Jesosy mba hanavotra ny olona amin'ny fahefan'i Satana.
  • Ny anarana hoe: "Satana" dia midika hoe: "fahavalo."
  • Ny teny hoe: "devoly" dia midika hoe: "mpiampanga."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe: "devoly" ihany koa dia afaka adika hoe: "ilay mpiampanga" na "ilay ratsy" na "ilay mpanjakan'ny fanahy ratsy" na "ilay lohan'ny fanahy ratsy."
  • Ny "Satana" dia afaka adika hoe: "Mpanohitra" na "Fahavalo" na anarana hafa sasany izay mampiseho fa izy no ilay devoly.
  • Ireo teny ireo dia tokony atao tsy mitovy dika amin'ny demonia sy ny fanahy ratsy.
  • Hevero ny fandikana ireo teny ireo amin'ny tenim-paritrao.

sitraka, mety (tsara), fizahan-tavan'olona

Famaritana

Ny teny hoe: "sitraka" dia maneho ny fanaovana zavatra iray mba hahasoa olona iray izay raisina tsara. Ny zavatra izay "mety" dia tsara, azo ekena, na hahazoana tombon-tsoa.

  • Ny teny hoe: "fizahan-tavan'olona" dia midika hoe manao asa tsara amin'ny olona sasany fa tsy amin'ny hafa. Matetika ny fizahan-tavan'olona dia aseho amin'ny olona manan-karena na tahatahak'izany izay midika hoe manao asa amin'ny olona sasany, fa tsy amin'ny hafa.
  • Jesosy dia nitombo tamin'ny "sitrak'Andriamanitra sy ny olona." Izany dia midika fa izy ireo dia nankasitraka Azy tamin'ny toetrany sy ny fitondran-tenany.
  • Ny fomba fiteny hoe: "mitady sitraka" dia midika fa ny olona iray dia ankasitrahan'ny olona hafa.
  • Rehefa ny mpanjaka no mampiseho sitraka amin'ny olona iray, matetika izany dia midika fa manaiky ny fangatahan'ilay olona izy ary manome izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba hafa handikana ny teny hoe: "sitraka" ny hoe: "fitahiana" na "tombon-tsoa."
  • Ny "taom-pankasitrahan'Yaveh" dia afaka adika hoe: "taom-pahombiazana."

SItrapon'Andriamanitra

Famaritana

Ny "sitrapon'Andriamanitra" dia maneho ny faniriana sy ny drafitr'Andriamanitra.

  • Ny sitrapon'Andriamanitra dia mifandraika indrindra amin'ny fifandraisany amin'ny olona sy ny fomba hamalian'ny olona azy.
  • Izany koa dia maneho ny drafitra na ny faniriany ho an'ny ambin'izay nohariany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe: "sitrapon'Andriamanitra" dia afaka adika ihany koa hoe: "izay fanirian'Andriamanitra" na "izay efa nomanin'Andriamanitra" na "fikasan'Andriamanitra" na "izay mampifaly an'Andriamanitra."

Synagoga

Famaritana

Ny Synagoga dia trano lehibe izay hivorian'ny vahoaka Jiosy mba hiderana an'Andriamanitra.

  • Tamin'ny andro fahiny, ny fanompoana tao amin'ny Synagoga dia nisy fotoam-pivavahana, hamakiana ny Soratra Masina, ary mampianatra ny momban'ny Soratra Masina.
  • Tamin'ny voalohany ireo Jiosy dia nanomboka nanangana ny synagoga ho toy ny toerana hivavahana sy hiderana an'Andriamanitra ao amin'ny tanànan'izy ireo, satria maro tamin'izy ireo no nipetraka lavitry ny tempoly tao Jerosalema.
  • Jesosy dia nampianatra tao amin'ny synagoga ary nanasitrana olona tao.
  • Ny teny hoe "synagoga" dia afaka ampiasaina atao sari-teny mba hanehoana ireo vondron'olona izay miangona ao.

Tabernakely

Famaritana

Ny tabernakely dia rafitra manokana miendrika trano lay izay nivavahan'ireo Israelita tamin'Andriamanitra nandritra ny 40 taona nandehanan'izy ireo tany an'efitra.

  • Nomen'Andriamanitra tamin'ny antsipirihiny ny toro-lalana momba ny fanorenana izany trano lay lehibe izany ireo Zanak'Israely, izay nisy efitra roa ary voadidina tokotany mifefy.
  • Isaky ny nifindra toerana hafa tany an'efitra mba honenana ireo Zanak'Israely, dia nalain'ny mpisorona ilay tabernakely ary nolanjainy nankany amin'ny toby manaraka indray. Natsangan'izy ireo teo afovoan'ny toby vaovaon'izy ireo indray izany avy eo.
  • Nahorina tamin'ny rafitra hazo izay mihantona miaraka amina lamba vita amin'ny volon'osy sy hodi-biby ny tabernakely. Ny tokotany manodidina izany dia voafefy lamba hafa koa.
  • Misy fizarana roan'ny tabernakely dia ny Toerana Masina (izay nisy ny alitara fandorana ditin-kazo manitra) sy ny Toerana Masina Indrindra (izay nametrahana ny fiaran'ny fanekena).
  • Nisy alitra fandorana biby hatao sorona sy dobo fidiovana ara-pomba manokana ny tokotanin'ny tabernakely.
  • Nitsahatra ny nampiasa ny tabernakely ny Zanak'Israely rehefa tafatsangana ny tempolin'i Solomona.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "tabernakely'' dia midika hoe "toerana fonenana." Ny fomba hafa azo andikana izany koa dia: "trano lay masina'' na "trano lay nisy an'Andriamanitra" na "trano lain'Andriamanitra.''
  • Ezaho mba ho samihafa amin'ny tempoly ny fandikana an'io teny io.

tahotra, matahotra, tahotra an'Andriamanitra

Famaritana

Ireo teny hoe: "tahotra" sy "matahotra" dia maneho ny fihetseham-po tsy mahafinaritra izay hananan'ny olona iray rehefa misy fandrahonana ratsy mihatra amin'ny tenany na amin'ny hafa.

  • Ny teny hoe: "tahotra" ihany koa dia afaka maneho fanajana lalina sy fahatahorana olona izay manam-pahefana.
  • Ny andian-teny hoe: "tahotra an'Andriamanitra," sy ny andian-teny mifandray amin'izany hoe: "tahotra ny Tompo" dia maneho ny fanajana lalina an'Andriamanitra sy fampisehoana io fanajana io amin'ny alalan'ny fankatoavana Azy. Io tahotra io no tonga dia nohon'ny fahalalana fa Andriamanitra dia masina ary mankahala ny ota.
  • Ny Baiboly dia mampianatra fa ny olona izay matahotra an'Yaveh dia ho hendry.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "matahotra" dia afaka adika ihany koa hoe: "mitebiteby" na "manaja tanteraka" na "manaja" na "matahotra ny amin'ny," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe: "mitebiteby" dia afaka adika ihany koa hoe: "matahotra mafy" na "matahotra" na "miahiahy."
  • Ny fehezanteny hoe: "Ny tahotra an'Andriamanitra nilatsaka tamin'izy rehetra" dia afaka adika hoe: "Tampoka teo dia nahatsapa fahatahorana sy fanajana an'Andriamanitra izy rehetra" na "Teo no ho eo dia gaga tanteraka sy nanaja tanteraka an'Andriamanitra izy rehetra" na "Teo no ho eo ihany, dia nahatsapa fahatahorana mafy an'Andriamanitra izy rehetra."

tanana ankavanana

Famaritana

Ny fiteny ambadika hoe "tanana an-kavanana" dia maneho ny toeran'ny voninahitra na hery amin'ny ilany havanan'ny mpanapaka na olona manan-danja hafa.

  • Ny tanana an-kavanana ihany koa dia ampiasaina mba ho mariky ny hery, fahefana, na tanjaka.
  • Ny Baiboly dia mamaritra an'i Jesosy ho mipetraka eo amin'ny "tanana an-kavanan'Andriamanitra" ilay Ray izay lohan'ny vatan'ireo mpino (ny fiangonana) ary mitondra tahaka ny mpanapaka ny zava-boahary rehetra.
  • Ny tanana an-kavanan'ny olona iray dia ampiasaina mba hanehoana manokana ny voninahitra rehefa apetraka eo amin'ny lohan'ny olona iray izay homena tso-drano (toy ny amin'i Jakoba patriarka izay nitahy an'i Efraima zanak'i Josefa).
  • Ny hoe "manompo amin'ny tanana an-kavanan' ) ny olona iray dia midika hoe ilay iray izay tena manampy tokoa ny asany ary manan-danja amin'io olona io izy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Indraindray ny teny hoe "tanana an-kavanana" dia maneho ara-bakiteny ny tanana an-kavanan'ny olona iray, toy ny tamin'ireo miaramila Romana nametraka tehina tamin'ny tanana an-kavanan'i Jesosy mba ho fanesoana Azy.
  • Ny teny hoe "amin'ny tanana an-kavanana" dia afaka adika hoe "amin'ny ilany havanana" na "eo amin'ny toeram-boninahitra eo anilan'ny" na "eo amin'ny toeran'ny hery" na "vonona hanampy."
  • Ao anatin'ny fomba handikana ny "miaraka amin'ny tanana ankavanana" ny hoe "miaraka amin'ny fahefana" na "mampiasa hery" na "miaraka amin'ny fahefany mahagaga."
  • Ny fiteny hoe "ny tanany havanana sy ny sandriny mahery" dia andian-teny roa mitambatra mba ho fanamafisana ny fahefana sy ny hery lehiben'Andriamanitra. Fomba iray handikana izany ihany koa ny hoe "ny tanjany mahagaga sy ny fahefany mahery."

Tany Nampanantenaina

Famaritana

Ny teny hoe "Tany Nampanantenaina" dia hita ao amin'ny Tantaran'ny Baiboly ihany. Izany dia fomba iray hanehoana ny tany Kanana izay nampanantenain'Andriamanitra omena an'i Abrahama sy ny taranany.

  • Tamin'i Abrahama nipetraka tany amin'ny tanànan'i Ora, dia nandidy azy mba handeha hipetraka any amin'ny tany Kanana Andriamanitra. Izy sy ireo taranany, ireo Isiraelita, dia nipetraka tany nandritry ny taona maro.
  • Rehefa nisy mosary lehibe nahatonga ny tao Kanana tsy hisy sakafo, dia nifindra tany Egypta ireo Isiraelita.
  • Efa-jato taona taty aoriana, dia nanavotra an'ireo Isiraelita tamin'ny fanandevozana tao Egypta Andriamanitra ary nitondra azy ireo niverina tany Kanana indray, ilay tany nampanantenain'Andriamanitra fa omena azy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "Tany Nampanantenaina" dia afaka adika hoe "tany izay nolazain' Andriamanitra fa homeny an'i Abrahama" na "tany izay nampanantenain' Andriamanitra an'i Abrahama" na "tany nampanantenain'Andriamanitra ny olony" na "tany Kanana."

tempoly

Famaritana

Ny tempoly dia trano voadidina kianja mimanda izay nandehanan'ireo Israelita nivavaka sy nanatitra sorona ho an'Andriamanitra. Tany amin'ny Tendrombohitr'i Moria tany amin'ny tananan'i Jerosalema no nisy izany.

  • Matetika ny teny hoe "tempoly" dia ilazana ny rafi-tempoly rehetra, ao anatin'izany ny kianja izay voadidin'ny rafitra manontolo. Indraindray izany dia entina ilazana ny trano fotsiny ihany.
  • Ny tranon'ny tempoly dia nisy efitra roa, ny Toerana Masina sy ny Toerana Masina Indrindra.
  • Nataon'Andriamanitra hoe toeram-ponenany ny tempoly.
  • Tamin'ny nanjakan'i Solomona Mpanjaka no nanorenany ny Tempoly, izay toerana fivavahana maharitra tao Jerosalema.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "tempolin'ny Fanahy Masina" dia ampiasaina ilazana ireo mpino an'i Jesosy, satria monina ao amin'izy ireo ny Fanahy Masina.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Matetika rehefa milaza ny lahatsoratra fa tao "an-tempoly" ny olona, dia manondro ny kianja ivelan'ny trano izany. Azo adika izany hoe: "teo an-kianjan'ny tempoly" na "teo ivelan'ny tempoly."
  • Rehefa ny trano mihisty no resahina manokana, ny dikan-teny sasany dia mandika ny "tempoly" hoe "ny rafi-tranon'ny tempoly," mba hampazava tsara izay tondroina.
  • Ny fomba azo adikana ny "tempoly" dia: "trano masin'Andriamanitra" na "toerana fivavahana masina."
  • Ao amin'ny Baiboly, ny tempoly matetika dia atao hoe "tranon'i Yaveh" na "tranon'Andriamanitra."

tenin'Andriamanitra, tenin'i Yaveh, tenin'ny Tompo, soratra masina

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "tenin'Andriamanitra" dia maneho ny zavatra rehetra izay nampitain'Andriamanitra ho an'ny olona. Ahitana hafatra am-bava sy an-tsoratra izany. Jesosy ihany koa dia antsoina hoe: "Tenin'Andriamanitra."

  • Ny teny hoe: "soratra masina" dia midika hoe: "soratra." Izany dia afaka ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao ary manambara ny soratra masina Hebreo na "Testamenta taloha." Ireo soratra ireo dia hafatr'Andriamanitra izay nolazainy tamin'ny olona hosoratana mba hahafahan'izy ireo mamaky izany any aoriana any.
  • Ny teny mifandraika amin'ny hoe: "tenin'i Yaveh" sy "tenin'ny Tompo" dia matetika manambara hafatra avy amin'Andriamanitra izay nomena ireo mpaminany na ireo olona hafa ao amin'ny Baiboly.
  • Matetika io teny io dia maneho tsotsotra hoe: "teny" na "teniko" na "teninao" (rehefa miresaka momba an'Andriamanitra).
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, antsoina hoe: "teny" sy "tenin'Andriamanitra" i Jesosy. Ireo fiantsoana ireo dia maneho fa Jesosy dia mampiseho tanteraka hoe iza Andriamanitra, satria izy tenany dia Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny fomba hafa handikana io teny io dia ahitana hoe: "hafatr'Yaveh" na "hafatr'Andriamanitra" na "fampianarana avy amin'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe: "tonga ny tenin'i Yaveh" matetika dia ampiasaina hampidirana zavatra izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny mpaminaniny na ireo olony. Izany dia afaka adika hoe: "nilaza izany hafatra izany Yaveh" na "nilaza ireo teny ireo Yaveh."
  • Ny teny hoe "soratra masina" dia afaka adika hoe: "fitenenana" na "hafatra avy amin'Andriamanitra."
  • Rehefa mandeha irery ny hoe: "teny," dia afaka adika hoe: "hafatra" na "tenin'Andriamanitra" na "fampianarana," miankina amin'ny foto-kevitra.

teraka indray, naterak'Andriamanitra, fahaterahana vaovao

Famaritana

Ny teny hoe: "teraka indray" dia Jesosy no nampiasa azy voalohany mba hamaritana izay dikany ho an'Andriamanitra mba hanovana olona iray amin'ny fahafatesana ara-panahy ho tonga velona ara-panahy. Ireo teny hoe: "naterak'Andriamanitra" sy "nateraky ny Fanahy" dia maneho ihany koa olona iray izay nomena fiainam-panahy vaovao.

  • Ny olombelona rehetra dia maty ara-panahy ary nomena "fahaterahana vaovao" rehefa nanaiky izy ireo fa Jesosy Kristy no Mpamonjin'izy ireo.
  • Amin'ny fotoan'ny fahaterahana ara-panahy vaovao, ny Fanahin'Andriamanitra dia manomboka miaina ao anatin'ny mpino vaovao ary mampahery azy mba hamokatra vokatra ara-panahy tsara amin'ny fiainany.
  • Izany dia asan'Andriamanitra izay mahatonga ny olona iray ho teraka indray ka ho tonga zanany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe: "teraka indray" dia misy hoe: "teraka ho vaovao" na "teraka ara-panahy."
  • Tsara raha adika ara-bakiteny io teny io.
  • Ny teny hoe: "fahaterahana vaovao" dia mety adika hoe: "fahaterahana ara-panahy."
  • Ny andian-teny hoe: "naterak'Andriamanitra" dia afaka adika hoe: "nataon'Andriamanitra manana fiainana vaovao toa ny zazakely vao teraka" na "nomen'Andriamanitra fiainana vaovao"
  • Toy izany ihany koa, ny "nateraky ny Fanahy" dia afaka adika hoe: "nomen'ny Fanahy Masina fiainana vaovao" na "nomen'ny Fanahy Masina hery mba ho tonga zanak'Andriamanitra" na "nataon'ny Fanahy manana fiainana vaovao toy ny zazakely vao teraka."

toerana masina, toerana masina indrindra

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "ilay toerana masina" sy "ilay toerana masina indrindra" dia maneho ireo ampahan'ny roa amin'ny tabernakely na ny tempoly.

  • Ny hoe "toerana masina" dia ilay efitra voalohany misy ny alitaran'ny emboka manitra sy ny latabatra misy ilay "mofo aseho" manokana.
  • Ny hoe "toerana masina indrindra" dia ilay efitra faharoa, izay efitra anatiny indrindra ary misy ny fiaran'ny fanekena.
  • Lamba matevina sy mavesatra no manasaraka ny efitra ivelany sy ny anatiny.
  • Ny mpisoronabe ihany no mahazo miditra ao amin'ilay toerana masina indrindra.
  • Indraindray ny "toerana masina" dia maneho ilay trano sy ilay kianjan'ny tempoly na ny taberinakely. Izany ihany koa dia maneho amin'ny ankapobeny ny toerana izay natokana ho an'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "toerana masina" dia afaka adika hoe "efitra natokana ho an'Andriamanitra" na "efitra manokana ho an'ny fihaonana amin'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe ny "toerana masina indrindra dia afaka nadika hoe "efitra izay tena natokana ho an'Andriamanitra" na "efitra tena voatokana ho an'ny fihaonana amin'Andriamanitra."
  • Miankina amin'ny zava-misy ny fomba andikana ilay fomba fiteny hoe "ny toerana masina" dia afaka adika hoe "ny toerana voatokana" na "ny toerana izay natokan'Andriamanitra" na "ny toerana ao amin'ny tempoly iray manontolo izay masina" na "ny kianjan'ny tempoly masin'Andriamanitra."

tompo

Famaritana

Ny teny hoe "tompo" dia maneho olona izay manana fahefana amin'ny olona *Izany teny izany dia afaka adika hoe "mpampianatra" rehefa miresaka momban'i Jesosy, ary hilazana ny olona izay manana mpanompo ihany koa anefa izany. *Ny hoe "tompo" ihany koa dia marika fanajana olona manana toerana ambony.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Izany teny izany dia afaka ampiasain'ny mpanompo rehefa miresaka amin'izay iasany izy. *Rehefa mireska momban'i Jesosy indray io teny io dia afaka adika hoe "mpampianatra" raha maneho ny "fampianarana ara-pivavahana" ny foto-kevitra. *Rehefa maneho an'Andriamanitra Ray na Jesosy izany teny izany dia soratana amin'ny sora-baventy hoe "Tompo."


Tompo Yaveh, Tompo Andriamanitra

Famaritana

Ao amin'ny Testamenta Taloha, "Tompo Yaveh" dia nampiasana matetika mba hilazana an'Andriamanitra.

  • Ny teny hoe "Tompo" dia fiantsoana an-Andriamanitra ary ny "Yaveh" dia anaran'Andriamanitra manokana.
  • "Yaveh" matetika dia atambatra amin'ny teny hoe "Andriamanitra" mba hanomezana ny hoe "Andriamanitra Yaveh."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha misy fomba ampiasana ny "Yaveh" amin'ny fandikana ny anaran'Andriamanitra manokana, dia afaka adika ara-bakiteny hoe "Tompo Yaveh" na "Andriamanitra Yaveh." Ary koa jerena hoe ahoana no nandikana ny teny hoe "Tompo" amin'ny foto-kevitra hafa rehefa miresaka an'Andriamanitra.
  • Ny fiteny sasany dia mametraka ny fiantsoana aorian'ny anarana dia mety atao hoe "Yaveh Tompo". Fa arakaraka ny fomba fiteny ao amin'ilay fiteny andikana azy ihany no hametrahana azy.
  • "Andriamanitra Yaveh" dia afaka aseho hoe "Andiamanitra izay nantsoina hoe Yaveh" na "Andriamanitra ilay Iray Velona" na "Izaho, izay atao hoe Andriamanitra"
  • Afaka adika ihany koa hoe "Tompo Andriamanitra" na "Andriamanitra izay Tompo" ny hoe "Tompo Yaveh". Afaka atao ihany koa hoe "Andriamanitra ilay Tompo" na "Tompon'ny Tompo."

tranon'Andriamanitra, tranon'Yaveh

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "tranon'Andriamanitra" sy ny "tranon'Yaveh" dia maneho ilay toerana izay hiderana ny Tompo.

  • Izany teny izany dia nampiasaina ihany koa mba hanehoana ny tabernakely na ny tempoly.
  • Indraindray ny "tranon'Andriamanitra" dia nampiasaina mba hanehoana ireo olon'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa miresaka momban'ny toeram-piderena, izany teny izany dia afaka adika hoe "trano natao hanompoana an'Andriamanitra" na "toerana natao hanompoana an'Andriamanitra"
  • Raha maneho ny tempoly na ny tabernakely, dia afaka adika hoe "ny tempoly" izany teny izany.

tsara, hatsarana

Famaritana

Ny teny hoe "tsara" dia manana hevitra samihafa miankina amin'ny zavatra resahana. Ny fiteny maro dia hampiasa teny samihafa handikana ireo hevitra ireo.

  • Amin'ny ankapobeny, ny zavatra dia tsara rehefa mifanaraka amin'ny toetra, tanjona, sy sitrapon'Andriamanitra izany.
  • Ny zavatra izay "tsara" dia mety hankasitrahana, tsara dia tsara, manampy, mety, ahazoana tombony, na marina ara-moraly.
  • Ny tany "tsara" dia afaka antsoina hoe "mamokatra" na "mahavokatra."
  • Ny vokatra "tsara" dia mety ho vokatra "be dia be."
  • Ny olona dia mety ho "tsara" amin'izay ataon'izy ireo raha mahay amin'ny asany izy ireo, toy ny hoe "mpamboly mahay."
  • Ao amin'ny Baiboly, ny dikan'ny hoe "tsara" amin'ny ankapobeny matetika dia mifanohitra amin'ny hoe "ratsy."
  • Ny teny hoe "hatsarana" matetika dia maneho ny fahatsarana ara-moraly na marina amin'ny fisainana sy fihetsika.
  • Ny hatsaran'Andriamanitra dia maneho ny fomba hitahiany ny olona amin'ny fanomezana zavatra tsara sy ahazoana tombony azy ireo. Izany koa dia afaka maneho ny toe-tsainy tonga lafatra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny amin'ny ankapobeny ho an'ny "tsara" amin'ilay fiteny handikana azy dia tokony hampiasaina na aiza na aiza marina sy tsotra izany hevitra ankapobeny izany, indrindra amin'ny zavatra resahana izay hampifanoherana izany amin'ny ratsy.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "tsara fanahy" na "tsara dia tsara" na "ankasitrahan'Andriamanitra" na "marina" na "mahitsy ara-moraly" na "mahasoa."
  • Ny "tany tsara" dia afaka adika hoe "tany mahavokatra" na "tany mahavokatra;" ny "vokatra tsara" dia afaka adika hoe "vokatra be dia be."
  • Ny fehezanteny hoe "manao tsara amin'ny" dia midika hoe manao zavatra izay mahasoa ny hafa ary afaka adika hoe "tsara fanahy amin'ny" na "manampy" na "manasoa" olona.
  • Ny hoe "manao ny tsara amin'ny Sabata" dia midika hoe "manao zavatra izay manampy ny hafa amin'ny Sabata."
  • Miankina amin'ny zavatra resahina, ireo fomba hafa andikana ny teny hoe "hatsarana" dia ahitana ny hoe "fitahiana" na "hatsaram-panahy" na "tonga lafatra ara-moraly" na "fahamarinana" na "fahadiovana."

Tsitoha

Famaritana

Ny teny hoe "Tsitoha" dia midika ara-bakiteny hoe "mahery indrindra;" ao amin'ny Baiboly, izany dia maneho an'Andriamanitra hatrany.

  • Ny fiantsoana hoe "ilay Tsitoha" na "ilay Iray izay Tsitoha" dia enti-maneho an'Andriamanitra ary mampiseho fa manana hery sy fahefana tanteraka eo amin'ny zavatra rehetra Izy.
  • Io teny io ihany koa dia ampisaina hamaritana an'Andriamanitra amin'ny fiantsoana hoe: "Andriamanitra Tsitoha" na "Tompo Tsitoha" na "Tompo Andriamanitra Tsitoha.

Torohevitra amin'ny fandikan-tany:

  • Io teny io dia azo adika ihany koa hoe "Mahery indrindra" na "Ilay Mahery tanteraka" na "Andriamanitra, ilay mahery tanteraka."
  • Mety ho isan'ny fomba handikana ny fehezanteny hoe "Tompo Andriamanitra Tsitoha" ny hoe: "Andriamanitra, ilay Mpanapaka Mahery" na "Andriamanitra Mahery izay Tompon'ny zavatra rehetra."

tsy manan-tsiny

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy manan-tsiny" dia ampiasaina mba hanehoana olona izay mankatoa an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo, fa tsy midika izany hoe tsy manam-pahotana io olona io.

  • Abrahama sy Noa dia noraisina ho tsy manan-tsiny teo anatrehan'Andriamanitra.
  • Ny olona izay manana laza ho "tsy manan-tsiny" dia mitondra tena amin'ny fomba manome haja an'Andriamanitra.
  • Araka ny andininy iray, ny olona iray izay tsy manan-tsiny dia "ilay iray izay matahotra an'Andriamanitra sy miala amin'ny ratsy."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Izany ihany koa dia afaka adika hoe: "tsy misy fahadisoana ny toetrany" na "mankatoa tanteraka an'Andriamanitra" na "tsy manota" na "manalavitra ny ratsy."

tsy manan-tsiny

Famaritana

Ny teny hoe "tsy manan-tsiny'' dia midika fa tsy meloka ny amin'ny heloka bevava na fanaovan-dratsy hafa. Amin'ny ankapobeny izany dia ilazana ireo olona izay tsy tafiditra ao amin'ny zava-dratsy.

  • Ny olona izay voapanga ho nanao zavatra tsy mety dia tsy manan-tsiny raha toa ka tsy nanao izany tsy mety izany izy.
  • Indraindray ny teny hoe "tsy manan-tsiny" dia ampiasaina mba hanehoana ny olona tsy nanao izay tsy mety akory ka ho mendrika ny fitondrana ratsy izay atao amin'izy ireo, toy ny amin'ny fanafihan'ny tafika ny "olona tsy manan-tsiny."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Amin'ny ankamaroan'ny foto-kevitra, ny teny hoe "tsy manan-tsiny" dia azo adika hoe "tsy meloka" na "tsy tompon'antoka" na "tsy omen-tsiny" amin'ny zavatra iray.
  • Rehefa entina anehoana ny olona tsy manan-tsiny amin'ny ankapobeny, io teny io dia azo adika hoe: "tsy nanao na inona na inona izay tsy mety" na "izay tsy misy hidirany amin'ny ratsy.''
  • Ny fomba fiteny fahita matetika hoe: "ra tsy manan-tsiny" dia azo adika hoe: "olona izay tsy nanao ny tsy mety akory ka ho mendrika ny ho voavono."
  • Ny fomba fiteny hoe "mandatsaka ra tsy manan-tsiny" dia azo adika hoe: "mamono olona tsy manan-tsiny" na "mamono olona izay tsy nanao ny tsy mety akory ka ho mendrika izany."
  • Eo amin'ny resaka entina anehoana ny famonoana olona iray, ny hoe "tsy mana-tsiny ny amin'ny ra" dia azo adika hoe: "tsy tompon'antoka amin'ny fahafatesan'ny."
  • Rehefa miresaka ny amin'ny olona izay manaiky ny vaovao mahafaly momba an'i Jesosy kanefa tsy mandray izany, ny hoe "tsy manan-tsiny amin'ny ra" dia azo adika hoe: "tsy tompon'antoka raha hijanona ho faty ara-panahy izy ireo na tsia" na "tsy tompon'antoka raha handray izany hafatra izany izay ireo na tsia."
  • Tamin'ny niteny Jodasy hoe: "namadika ra tsy manan-tsiny aho" dia nanambara izy hoe: "namadika lehilahy izay tsy nanao na inona na inona tsy mety aho" na "nahatonga ny fahafatesan'ny lehilahy izay tsy nisy fahotana aho."
  • Tamin'ny niteny i Pilato hoe: "tsy manan-tsiny amin'ny ran'ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho," dia azo adika izany hoe: "tsy tompon'antoka amin'ny famonoana ity lehilahy ity izay tsy nanao na inona na inona mendrika izany aho.''

tsy mino, tsy finoana

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy mino" dia midika hoe tsy manana finoana.

  • Io teny io dia ampiasaina mba hamaritana ny olona izay tsy mino an'Andriamanitra, izay hita amin'ny fitondra-tena ratsy ataon'izy ireo.
  • Jeremia mpaminany dia niampanga an'Israely tamin'ny tsy finoana sy tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
  • Izy ireo dia nanompo sampy ary nanaraka ny fomban'ny vondron'olona tsy araka an'Andriamanitra hafa izay tsy nidera sy tsy nankato an'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "tsy mino" dia afaka adika hoe: "tsy manam-pinoana" na "tsy mankatoa an'Andriamanitra," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe: "tsy finoana" dia afaka adika hoe: "fikomiana manohitra an'Andriamanitra."

vaovao mahafaly, filazantsara

Famaritana

Ny teny hoe "filazantsara" dia midika ara-bakiteny hoe "vaovao mahafaly" ary maneho ny hafatra na fanambarana izay milaza ny olona zavatra izay manome tombony azy ireo ary mampifaly azy ireo.

  • Ao amin'ny Baiboly, ity teny ity dia maneho ny hafatra momban'ny famonjen'Andriamanitra ny olona tamin'ny alalan'ny soron'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana.
  • Amin'ny Baiboly maro amin'ny teny Angilisy, ny hoe "vaovao mahafaly" matetika dia adika hoe "filazantsara" ary koa ampiasaina amin'ny fehezanteny toy ny hoe "filazantsaran'i Jesosy Kristy," "filazantsaran'Andriamanitra" ary hoe "filazantsaran'ilay fanjakana."

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba hafa andikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "hafatra tsara" na "fanambarana tsara" na "hafatry ny famonjen'Andriamanitra" na "ny zavatra tsara ampianarin'Andriamanitra momban'i Jesosy."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ny fehezanteny hoe "vaovao mahafalin'.." dia ahitana ny hoe "vaovao mahafaly/ hafatra tsara momban'.." hafatra tsara avy amin'..." na "ireo zavatra tsara ambaran'Andriamanitra antsika momban'ny..." na "izay lazain'Andriamanitra momban'ny fomba hamonjeny olona."

vatana

Famaritana

Ny teny hoe: "vatana" dia maneho ny vatana ara-nofon'ny olona na biby. Io teny io ihany koa dia ampisaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana zavatra iray na vondrona manontolo izay manana mpikambana tsirairay avy.

  • Matetika ny teny hoe: "vatana" dia maneho olona na biby maty. Indraindray izany dia maneho "faty" na "razana."
  • Rehefa niteny tamin'ireo mpianany tamin'ny fisakafoana farany tamin'ny Paska Jesosy hoe: "Ity (ilay mofo) no vatako," dia naneho ny vatany ara-nofo izay ho "vakiana" (vonoina) mba hanonerana ny fahotan'izy ireo Izy.
  • Ao amin'ny Baiboly, ireo Kristiana amin'ny maha-vondrona azy dia antsoina hoe: "vatan'i Kristy."
  • Tahaka ny fananan'ny vatana rantsana maromaro, ny "vatan'i Kristy" ihany koa dia misy rantsana tsirairay
  • Ny mpino tsirairay dia manana asa manokana amin'ny vatan'i Kristy mba hanampy ny vondrona manontolo hiara-hiasa mba hanompo an'Andriamanitra sy hitondra voninahitra ho Azy.
  • Jesosy ihany koa dia antsoina hoe: "ny lohan'ny" vatan'ireo mpino (mpitarika).

Tahaka ny fitenenan'ny lohan'ny olona izay tokony ho ataon'ny vatana, noho izany dia i Jesosy no ilay iray izay manoro lalana sy manitsy ireo Kristiana rantsan'ny "vatany."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny fomba tsara handikana io teny io matetika dia ampiasaina hanehoana ny vatana ara-nofo amin'ny teny ho adika. Ataovy azo antoka tsara hoe ny teny ampiasaina dia tsy fiteny manafintohina.
  • Rehefa miresaka momba ny Kristiana mitambatra, ny fiteny hafa dia mety ho tsotra sy marina ny miteny hoe: "vatana ara-panahin'i Kristy."
  • Rehefa miteny Jesosy hoe: "Ity ny vatako," dia tsara kokoa ny mandika izany ara-bakiteny miaraka amin'ny fanamarihana kely raha ilaina izany.

vato fehizoro

Famaritana

Ny teny hoe "vato fehizoro" dia maneho vato lehibe izay nokapaina sy napetraka manokana teo amin'ny sisin'ny fototra amin'ny trano.

  • Ny vato hafa rehetra amin'ny trano dia voarefy sy voapetraka mifandray amin'ny vato fehizoro.
  • Tena zava-dehibe ho an'ny tanjaka sy fahamarinan-toeran'ny rafitra rehetra izany.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny fiangonan'ireo mpino dia ampitahaina an'ohatra amin'ny trano izay manana an'i Jesosy Kristy ho "vato fehizoro."
  • Tahaka ny anohanana sy hamaritan'ny vato fehizoro ny toeran'ny trano iray manontolo, no maha-vato fehizoro an'i Jesosy Kristy izay hanorenana sy hanohanana ny fiangonan'ireo mpino.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "vato fehizoro" dia afaka adika koa hoe "vato lehibe" na "vato fototra."
  • Hevero ny fiteny handikana raha manana teny iray ho an'ny ampahany amin'ny fototra fananganana trano iray izay fototra hanohanana. Raha misy, afaka hampiasaina izany teny izany.
  • Fomba hafa azo andikana ity ny hoe "vato fototra ampiasaina ho vato fehizoron'ny trano iray."
  • Zava-dehibe ny mihazona ny zava-misy hoe vato lehibe ity, ampiasaina toy ny fitaovana fananganana trano izay mafy sy azo antoka. Raha tsy ampiasaina hanamboarana trano ny hoe vato, dia mety misy teny hafa afaka ampiasaina izay midika hoe "vato lehibe"

vato, notoraham-bato

Famaritana

Ny teny hoe "notoraham-bato" dia maneho hoe mitoraka vato olona mba hamonoana azy.

  • Tamin'ny fotoana taloha, ny fitorahana olona dia fomba famonoana olona mba ho sazy noho ny heloka izay nataony.
  • Andriamanitra dia nandidy an'ireo mpitarika Israelita mba hitoraka vato ny olona noho ny fahotana sasany, tahaka ny hoe fijangajangana.
  • Ny Testamenta Vaovao dia miteny amin'ny fotoana iray fa Jesosy dia namela an'ilay vehivavy izay tratra nijanganjaga ka nanakana ny olona mba tsy hitora-bato azy.
  • Stefana, dia ilay olona voalohany tao amin'ny Baiboly novonoina tamin'ny fitoraham-bato noho ny fijoroana vavolombelona ny amin'i Jesosy.
  • Tao amin'ny tanànan'i Lystra, Paoly apostoly dia notoraham-bato fa tsy maty tamin'izany anefa izy.

vidim-panavotana

Famaritana

Ny teny hoe: "vidim-panavotana" dia maneho ny vola na fandoavana hafa izay takiana na aloa ho fanafahana ny olona babo.

  • Ny hoe "manome vidim-panavotana" dia midika hoe manao fandoavam-bola na manao sorona zavatra manokana mba hanavotana olona izay voatazona, andevozina na gadra. Ny dikan'ny hoe "miverina mividy" dia mitovitovy amin'ny dikan'ny hoe "manavotra."
  • Jesosy dia namela ny tenany ho vonoina mba ho vidim-panavotana hanafahana ny olona feno fahotana amin'ny fanandevozan'ny ota azy ireo. Io fihetsik'Andriamanitra izay fiverenany nividy ny olony tamin'ny alalan'ny fanefana ny sazin'ny fahotan'izy ireo io dia antsoina ihany koa hoe "fanavotana" ao amin'ny Baiboly.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "manome vidim-panavotana" dia afaka adika ihany koa hoe "mandoa vola mba ho fanafahana" na "mandoa onitra mba ho fanafahana" na "mividy olona indray."

voady

Famaritana

Ny voady dia fampanantenana izay nataon'ny olona iray tamin'Andriamanitra. Ny fampanantenan'ny olona iray hanao zavatra iray dia mba hanomezana voninahitra manokana an'Andriamanitra na maneho fanoloran-tena Aminy.

  • Rehefa avy nanao voady ny olona iray, dia tsy maintsy manantanteraka izany voady izany izy.
  • Ny Baiboly dia mampianatra fa ny olona iray dia ho tsarain'Andriamanitra raha tsy mitàna ny voadiny izy.
  • Indraindray ny olona iray dia mangataka amin'Andriamanitra mba hiaro azy na hanome ho azy ho solon'ny voady nataony.
  • Fa Andriamanitra dia tsy voatery hanatanteraka ny fangatahana izay angatahan'ny olombelona amin'ny voadiny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "voady" ihany koa dia afaka adika hoe "fampanantenana manetriketrika" na "fampanantenana natao tamin'Andriamanitra."
  • Io teny io dia tsy mitovy dika amin'ny "fianianana."

voatokana

Famaritana

Ny teny hoe "voatokana" dia midika hoe: voasaraka amin'ny zavatra iray mba hanatanterahana tanjona iray manokana.

  • Voatokana ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ireo Zanak'Israely.
  • Nandidy ireo Kristiana tany Antioka ny Fanahy Masina mba hanokana an'i Paoly sy Baranabasy ho amin'ny asa izay tian'Andriamanitra nampanaovina azy ireo.
  • Ny olona izay "voatokana" ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia "voatolotra" hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra.
  • Ny hevitry ny teny hoe "masina" iray dia: voatokana ho fananan'Andriamanitra ary voasaraka amin'ny toetra feno fahotan'izao tontolo izao.
  • Ny teny hoe: "manamasina" dia midika fanokanana ny olona iray ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba azo andikana ny "manokana" dia hoe: "mifidy manokana" na "mampisaraka amin'ny" na "mampitokana mba hanao asa manokana."
  • Ny "voatokana" dia azo adika hoe: "voasaraka."

voninahitra (maha-mpanjaka)

Famaritana

Ny teny hoe "voninahitra" dia anehoana ny fahalebiazana sy famirapiratana, matetika izany dia mifandraika amin'ny fahatsaran'ny mpanjaka iray.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "voninahitra" matetika dia anehoana ny fahalebiazan'Andriamanitra, izay Mpanjaka fara-tampon'izao tontolo izao.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io teny io dia azo adika hoe: "fahalebiazan'ny mpanjaka" na "famirapiratana maha-mpanjaka.''

voninahitra, be voninahitra

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe "voninahitra" dia midika hoe haja, famirapiratana, ary tena halehibe. Na inona na inona manana voninahitra dia atao hoe "be voninahitra."

  • Indraindray ny hoe "voninahitra" dia maneho zavatra tena sarobidy sy manan-danja. Amin'ny hevitra hafa izany dia mampita famirapiratana, na fitsaràna.
  • Ohatra, ny fomba fiteny hoe "voninahitr'ireo mpiandry ondry" dia maneho ny ahitra maitso izay ahitan'ny ondrin'izy ireo ahitra maro hoanina.
  • Ny voninahitra dia ampiasaina manokana hamaritana an'Andriamanitra, izay be voninahitra kokoa noho ny hafa na izay zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao. Ny zavatra rehetra amin'ny toetrany dia maneho ny voninahiny sy ny famirapiratany.
  • Ny fomba fiteny hoe "midera-tena" dia midika hoe mirehareha amin'ny zavatra iray.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny fomba hafa andikana ny hoe "voninahitra" dia ahitana ny hoe "famirapiratana."
  • Ny teny hoe "be voninahitra" dia afaka adika hoe "feno voninahitra" na "tena sarobidy" na "mamirapiratra be."
  • Ny fomba fiteny hoe "manome voninahitra an'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "manaja ny halehiben'Andriamanitra" na "midera an'Andriamanitra nohon'ny hatsarany" na "miteny amin'ny olona ny halehiben'Andriamanitra."
  • Ny fomba fiteny hoe "midera-tena" ihany koa dia afaka adika hoe "dera" na "mirehareha amin'ny" na "mieboebo amin'ny."

Voninahitra, fanomezam-boninahitra

Famaritana

Ny teny hoe "voninahitra" na "fanomezam-boninahitra" dia maneho fanomezana haja, fanajana ho an'olona, na fanehoana fankasitrahana.

  • Ny Voninahitra dia matetika omena olona izay manana toerana ambony sy hajany, tahaka ny hoe mpanjaka na Andriamanitra.
  • Andriamanitra dia mampianatra ireo Kristiana mba hanome voninahitra ny hafa, fa tsy miezaka ny mitady voninahitra ho azy tenany.
  • Ny ankizy dia nampianarina hanome voninahitra ny ray aman-dreniny, izay miaraka amin'ny haja sy ny fankatoavana.
  • Ny teny hoe "voninahitra" sy "laza" dia matetika miaraka foana, indrindra fa rehefa miresaka momban'i Jesosy. Ireo dia mety fomba roa samy hafa hanehoana zavatra iray.
  • Ny voninahitra ho an'Andriamanitra dia miaraka amin'ny fisaorana sy fiderana Azy, ary dia mampiseho Azy haja amin'ny fankatoavana Azy sy miaina amin'ny fomba mampiseho ny alehiben'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa andikana ny hoe "voninahitra" dia hoe "haja" na "fanajana" na "manome haja lehibe."
  • Ny teny hoe "manome voninahitra" dia afaka adika hoe "mampiseho haja manokana ho any" na "maneho haja lehibe ho any" na "manome lanja be."

Yaveh

Famaritana

Ny teny hoe "Yaveh" dia anaran'Andriamanitra manokana izay nambarany rehefa niresaka tamin'i Mosesy tao amin'ilay voaroy nirehitra Izy.

  • Ny anarana hoe "Yaveh" dia avy amin'ny teny izay midika hoe "misy."
  • Ao anatin'ny mety ho dika hafan'i "Yaveh" ny hoe "Izy no Izy" na "Izaho no Izy" na "ilay iray izay nampisy."
  • Io anarana io dia manambara fa Adriamanitra dia velona mandrakariva ary ho velona mandrakizay. Izany ihany koa dia midika fa Izy dia eo mandrakariva.
  • Manaraka ny fombafomba, ireo dikan-teny maro ao amin'ny Baiboly dia mampiasa ny teny hoe "TOMPO" na "ny Tompo" mba hanehoana an' "Yaveh." Io fomban-drazana io dia vokatry ny zava-nisy ara-tantara, satria ny olona Jiosy dia lasa natahotra ny fanononana ny anaran'Yaveh ka nanomboka niantso hoe "Tompo" isaky ny miseho ao amin'ny lahatsoratra ny anarana hoe "Yaveh." Ny Baiboly amin'izao fotoana dia manoratra hoe "TOMPO" mba hanehoana fanajana ho an'ny anaran'Andriamanitra manokana ary hanavahana izany amin'ny "Tompo" izay teny Hebreo hafa.
  • Ny lahatsoratra ao amin'ny ULB sy UDB dia mandika mandrakariva izany teny izany ho "Yaveh" izay hita ara-bakiteny ao amin'ny lahatsoratra Hebreo ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Ny teny hoe "Yaveh" dia tsy hita ao amin'ny lahatsoratra niaingan'ny Testamenta Vaovao; ny fiteny Grika hoe "Tompo" ihany no miasa, eny fa na dia teny nalaina avy tao amin'ny Testamenta Taloha aza.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "Yaveh" dia afaka adika amin'ny alalan'ireo andian-teny midika hoe "Izaho no Izy" na "ilay velona" na "ilay iray izay."
  • Ny antokom-pivavahana sasany dia tsy mampiasa ny teny hoe "Yaveh" fa kosa mampiasa ilay teny taloha hoe "TOMPO."

Yaveh an'ny maro, Andriamanitry ny maro, ny maro

Famaritana

Ireo teny hoe "Yaveh an'ny maro" sy "Andriamanitry ny maro" dia fiantsoana izay maneho ny fahefan'Andriamanitra amin'ny anjely mihoatry ny arivo izay mankatoa Azy.

  • Ny teny hoe "maro" dia teny maneho isan-javatra betsaka toy ny tafik'olona na isa maron'ireo kintana. Izany ihany koa dia maneho zava-manan'aina ara-panahy maro, ao anatin'izany ireo fanahy ratsy. Ny foto-kevitra no manazava izay tiana ho resahina.
  • Ny andian-teny mitovy amin'ny "tafiky ny lanitra" dia maneho ny kintana rehetra, ny tany ary ny zavatry ny lanitra hafa.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "Andriamanitry ny maro" dia mitovy dika amin'ny hoe "Yaveh an'ny maro" fa tsy afaka adika toy izany satria ny teny Hebreo hoe "Yaveh" dia tsy ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny "Yaveh an'ny maro" ny hoe "Yaveh, ilay mpanapaka ny anjely rehetra" na "Yaveh, ilay mpanapaka eo amin'ny tafiky ny anjely rehetra" na "Yaveh, ilay mapanapaka ny zava-boahary rehetra."
  • Ny fiangonana sasany dia tsy manaiky ny hoe "Yaveh" ka mampiasa ny teny sora-baventy hoe "TOMPO," manaraka ny fomba taloha amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly maro. Ho an'ireo fiangonana ireo, ny andian-teny hoe "TOMPON'ny maro" dia mety ho ampiasaina ho "Yaveh an'ny maro" ao amin'ny Testamenta Taloha.

Zanak'Andriamanitra, Ny Zanaka, Zanaka

Famaritana

Ny teny hoe "Zanak'Andriamanitra" miatomboka amin'ny sora-baventy dia maneho an'i Jesosy, ilay Tenin'Andriamanitra izay tonga teto amin'izao tontolo izao tamin'ny endrik'olona. Izy matetika dia natao hoe "Ny Zanaka"

  • Ny Zanak'Andriamanitra dia manana ny toetran'Andriamanitra Ray, ary dia Andriamanitra feno Izy.
  • Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka ary Andriamanitra Fanahy dia iray ihany.
  • Tsy tahaka ireo zanaky ny olombelona, fa Zanak'Andriamanitra dia efa nisy foana.
  • Tamin'ny voalohany, ny Zanak'Andriamanitra dia nanampy tamin'ny famoronana izao tontolo izao, niaraka tamin'ny Ray sy ny Fanahy Masina
  • Satria Jesosy dia Zanak'Andriamanitra, Izy dia tia sy manaja an'Andriamanitra Rainy, ary ny Rainy dia tia Azy

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fa ny teny hoe "Zanak'Andriamanitra" dia tsara raha adika hoe "Ny Zanaka" toy ny fiantso ny zanaky ny olombelona ihany fa atomboka amin'ny sora-baventy fotsiny
  • Kendreo tsara mba hifanojo amin'ny hoe "ray" ny fandikana ny teny hoe "zanaka" mba hanehoana ny fifandraisana eo amin'ny ray sy ny zanaka
  • Ny fampiasana ny sora-baventy rehefa manoratra ny teny hoe "Zanaka" dia manampy amin'ny fanehoana hoe miresaka momban'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "Ny Zanaka" dia fanafohizana avy amin'ny hoe "Ny Zanak'Andriamanitra" indrindra rehefa samy voatonona ao Izy sy ny "Ray"

Zanak'Olona, zanak'olona

Famaritana

Ny fiantsoana hoe "Zanak'Olona" dia nampiasaina mba hanehoana an'i Jesosy Tenany. Izy matetika dia nampiasa io teny mba tsy hitenany hoe "Izaho" na "Aho"

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "zanak'olona" dia fomba hanehoana ny olona. Afaka atao ihany koa hoe "olombelona"
  • Ao amin'ny bokin'i Ezekiela ao Testamenta Taloha, Andriamanitra dia mantso matetika an'i Ezekiela heo "zanak'olona". Ohatra, izy niteny hoe "Ianao, zanak'olona, dia tsy mamaintsy maminany"
  • Daniela mpaminany dia nahita fahitana fa ny "Zanak'Olona" dia ho avy eny amin'ny rahona, izay manambary an'i Mesia.
  • Jesosy dia niteny ihany koa fa ny Zanak'Olona dia hiverina eny amin'ny rahona indraiy andro any.
  • Izany hoe Zanak'Olona ho avy eny amin'ny rahona izany dia mampiseho fa Jesosy ilay Mesia dia Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa nampiasa ny teny hoe "Zanak'Olona" Jesosy dia afaka adika izany hoe "ilay Iray izay natao ho tonga olombelona" na "Ny Olona avy any an-danitra"
  • Ny mpandika teny sasany dia manisy hoe "Izaho" na "Aho" miaraka amin'io fiantso io.

zanak'ondry, Zanak'Ondrin'Andriamanitra

Famaritana

Ny teny hoe "zanak'ondry" dia maneho ireo biby manana tongotra efatra izay manana volo matevina, ka atao sorona ho an'Andriamanitra. Jesosy dia nantsoina hoe "Zanak'Ondrin'Andriamanitra" satria izy dia natao sorona mba hanefa ny otan'ny olombelona.

  • Ireny biby ireny dia mora tarihina makany amin'ny lalan-diso ka mila fiarovana. Andriamanitra dia mampitahy ny olona amin'ny ondry.
  • Andriamanitra dia nampianatra ireo olony mba hanao sorona ny ondry sy zanak'ondry tsy misy kilema ho Azy.
  • Jesosy dia nantsoina hoe "Zanak'ondrin'Andriamanitra" izay natao sorona mba hanefa ny otan'ny olombelona. Izy ilay tanteraka, ilay sorona tsy misy tsiny satria izy dia tsy misy ota mihintsy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha ondry ny fampiasa amin'ilay iteny andikana azy, dia ny anaran'ilay zanaka ondry no tokony ampiasaina mba andikana ny teny hoe "zanak'ondry" na "zanak'Ondrin'Andriamanitra"
  • Ny "Zanak'ondrin'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "an'Andriamanitra"

zanaka lahy, zanaka lahin'ny

Famaritana

Ny teny hoe "zanaka lahy" dia maneho ny fifandraisana misy eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreniny.

  • "Zanaka lahy" dia nampaisana ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny taranaka lahy rehetra.
  • Ny teny hoe "zanaka lahy" dia afaka ampiasaina amin'ny fomba mihaja mba hilazana ny tanora lahy.
  • Matetika "ireo zanak'Andriamanitra" dia nampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hilazana ireo mpino Kristiana.
  • Andriamanitra dia niantso an'Israely hoe ny "lahimatoany". Izany dia maneho fa Andriamanitra dia nisafidy ny fanjakana Israely mba ho vahoakany manokana.
  • Amin'ny alalan'izy ireo no hatongavan'ny fahafahana sy famonjena, ary mahatonga ny olona maro hafa ho lasa zanany ara-panahy.
  • Ny teny hoe "zanaka lahin'ny" dia matetika manana hevitra ara-tsari-teny hoe "manana ny toetran'ny". Ohatra "zanaky ny fahazavana", "zanaky ny tsy fankatoavana", "zanaky ny fiadanana" na "zanaky ny varatra"
  • Ny hoe "zanak'i" dia milaza hoe iza no rainy.
  • Ao amin'ny Baiboly ny fanampiana ny anarany rain'izy ireo rehefa milaza hoe "zanak'i" dia manampy ny olona hanavaka ny olona manana anarana mitovy. Ohatra "Azaria, zanak'i Zadoka" , "Azaria, zanak'i Amazia" sns

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa mandika ny teny hoe "Zanak'Andriamanitra" dia tokony ampiasaina ny fomba fiteny milaza ny hoe "Zanaka"
  • Rehefa ampiasaina hanehoana taranaka fa tsy zanaka izany, dia afaka ampiasaiana ny teny hoe "taranaka" mba hanehoana an'i Jesosy ho "taranak'i Davida".
  • Indraindray "ireo zanaka lahy" dia afaka adika hoe "ireo zanaka" na lahy na vavy no resaka. Ohatra atao hoe "ireo zanak'Andriamanitra" rehefa maneho hoe na lahy na vavy ny teny hoe zanaka.
  • Ny hevitra ara-tsari-teny ny hoe "zanak'i" dia afaka adika hoe "Olona izay manana ny toetran'i" na "olona izay toy ny" na "olona izay manao tahaka ny"

Zanaka vavin'i Ziona

Famaritana

"Zanaka vavin'i Ziona" dia fomba ambadika fanehoana ny vahoaka an'Israely. Matetika dia ampiasaina ao amin'ireo faminaniana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, "Ziona" dia matetika ampiasaina ho anarana hafa ho an'ny tanànan'i Jerosalema.
  • Na ny "Ziona" na ny "Jerosalema" dia ampiasaina ihany koa ho fanehoana an'i Israely.
  • Ny teny hoe "Zanaka vavy" dia teny fangorana na fitiavana. Izany dia sari-teny ho an'ny faharetana sy fikarakarana izay ananan'Andriamanitra ho an'ireo vahoakany.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba fandikana izany dia mety miaraka amin'ny, "ry Israely zanako vavy, avy tao Ziona" na "Ny vahoaka avy tao Ziona, izay tahaka ny zanaka vavy ho Ahy" na "Ziona, ilay vahoakako mahalala"
  • Tsara ny mitazona ny teny hoe "Ziona" amin'ito fomba fiteny ito satria nampiasaina imbetsaka io tao amin'ny Baiboly. Afaka asiana fanamarihana eo amin'ny fandikana ny teny mba hanazavana ny dika ambadiny sy ny fampiasana ara-paminaniana.
  • Koa tsara ihany koa raha tazonina ny teny hoe "Zanaka vavy" eo amin'ny fandikana ity fomba fiteny ity, raha mbola azo tsara ny dikany.

zanaka, ankizy

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "ankizy" matetika dia nampiasaina amin'ny ankapobeny mba hanehoana olona izay mbola kely taona, ao anatin'izany ny zaza. Ny teny hoe "zanaka" dia manana hevitra ambadika maro.

  • Ao amin'ny Baiboly, ireo mpianatra sy mpanara-dia matetika dia nantsoina hoe "zanaka."
  • Ny teny hoe "zanaka" matetika dia nampiasaina mba hanehoana ireo taranak'olona iray.
  • Ny fehezanteny hoe "zanaky ny" dia afaka maneho fiavahana amin'ny zavatra iray. Ohatra sasany amin'izany ny hoe:
  • zanaky ny fahazavana
  • zanaky ny fankatoavana
  • zanaky ny devoly
  • Ity teny ity koa dia afaka maneho olona izay toy ny zanaka masina. Ohatra, ny "zanak'Andriamanitra" dia maneho ny olona izay an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "zanaka" dia afaka adika hoe "taranaka" rehefa maneho ny zafiafin'ny olona iray izany na zafin-doalika, sns.
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe "zanaky ny" dia afaka adika hoe "olona izay manana toetoetry ny" na "olona izay mitondra tena toy ny."
  • Raha azo atao, ny fehezanteny hoe "zanak'Andriamanitra" dia tokony adika ara-bakiteny satria ny lohahevitra manan-danja ara-baiboly dia ny hoe Andriamanitra no Raintsika any an-danitra. Ny dikan-teny hafa dia mety hoe "ny olona izay an'Andriamanitra" na "zanaka masin'Andriamanitra."
  • Rehefa miantso ny mpianany hoe "zanaka" Jesosy, dia afaka adika koa hoe "namana malala" izany na "mpianatra malalako."
  • Rehefa miantso ireo mpino an'i Jesosy hoe "zanaka" i Paoly sy Jaona, dia afaka adika koa hoe "namana mpino malala" izany.
  • Ny fehezanteny hoe "zanaky ny fampanantenana" dia afaka adika hoe "olona nandray izay nampanantenain'Andriamanitra azy ireo."

Ziona, Tendrombohitr'i Ziona

Famaritana

Tany am-piandohana, ny teny hoe "Ziona" na "Tendrombohitr'i Ziona" dia maneho fiarovana mafy izay azon'i Davida mpanjaka babo tany amin'ireo Jebosita. Ireo teny ireo dia samy lasa fomba hafa hanehoana an'i Jerosalema.

  • Ny Tendrombohitr'i Ziona sy Tendrombohitr'i Moria dia roa amin'ireo havoana izay nisy ny tanànan'i Jerosalema. Taty aoriana, ny hoe "Ziona" sy "Tendrombohitr'i Ziona" dia lasa nampiasaina ho teny an-kapobeny hanehoana ireo tendrombohitra ireo sy ny tanànan'i Jerosalema.
  • Davida dia nanome an'i Ziona, na Jerosaema, ny anarana hoe ilay "Tanànan'i Davida." Ity dia samihafa amin'ny tany niavian'i Davida, Betlehema, izay nantsoina koa hoe Tanànan'i Davida.
  • Ny teny hoe "Ziona" dia nampiasaina amin'ny fomba ambadika, mba hanehoana an'Isiraely na ny fanjakana ara-panahin'Andriamanitra na ilay Jerosalema vaovao, any an-danitra izay ho harian'Andriamanitra.

zon'ny fizokiana

Famaritana

Ny teny hoe: "fizokiana" ao amin'ny Baiboly dia maneho ny voninahitra, anaram-pianakaviana, ary harena ara-batana izay raha ny tokony ho izy dia homena ny zanaka lahimatoa ao amin'ny fianakaviana.

  • Ao anatin'ny zon'ny fizokian'ny lahimatoa ny ampaharoan'ny lovan-drainy.
  • Ny zanaka lahimatoa raha ny tokony ho izy dia mahazo ny zon'ny fizokiana hanapaka aorian'ny fahafatesan-drainy.
  • Esao dia nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba zandriny faralahy. Noho izany, dia i Jakoba no nandova ny tso-dranon'ny lahimatoa fa tsy Esao.
  • Ao anatin'ny zon'ny fizokiana ihany koa ny voninahitra amin'ny fananana taranaka nosoritana tamin'ny alalan'ny firazanan'ny lahimatoa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny fomba hafa mety handikana "ny zon'ny fizokiana" dia hoe: "zo sy haren'ny lahimatoa" na "voninahitry ny fianakaviana" na "fananana sy lovan'ny lahimatoa."

zotom-po

Famaritana

Ny teny hoe "zotom-po" dia maneho ny fanoloran-tena matanjaka hanohana olona na hevitra.

  • Ny zotom-po dia manondro faniriana mafy sy hetsika izay mampirisika antony tsara. Izany matetika dia nampiasaina hamaritana olona izay mankatoa marina an'Andriamanitra ary mampianatra ireo hafa mba hanao toa izany koa.
  • Ny fananana zotom-po dia mitaky ezaka lehibe amin'ny fanaovana zavatra sy fanohizana miharitra amin'izany ezaka izany.
  • Ny hoe "zotom-pon'ny Tompo" na "zotom-pon'Yaveh" dia maneho ny hery, asa fikirizan'Andriamanitra hitahy ny olony na hahita ny rariny mihatra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny hoe "manàna zotom-po" dia afaka adika koa hoe "miezaha mafy" na "manaova ezaka mafy."
  • Ny teny hoe "zotom-po" koa dia afaka adika hoe "fanoloran-tena mahery vaika" na "faniriana mafy" na "hafanam-po marina."
  • Ny fehezanteny hoe "zotom-po ho an'ny tranonao" dia afaka adika hoe "fanomezam-boninahitra ny tempolinao" na "faniriana mafy hikarakara ny tranonao."