Toko 1

1 Gny bokiny gny razan'i Jesosy Kristy anak'i Davida anak'i Abrahama. 2 Abrahama ro baban'i Isaka, voho Isaka ro baban'i Jakoba, voho Jakoba ro Joda voho reo rahalahiny. 3 Joda ro baban'i Fareza voho Zara bakamin'ny Tamara, fareza ro baban'i Herzona, voho Herzona ro baban'i Rama. 4 Rama ro baban'i Aminadaba, voho Aminadaba ro baban'i Nasona, voho Nasona ro baban'i Salmona. Salmona ro baban'i Boaza tamin'ny 5 Rahaba, Boaza ro baban'i Jese. 6 Voho Jese ro baban'i Solomona tain'ny alalan'ny valin'ny Oria. 7 Solomona ro baban'i Rehoboama, Rehoboama ro baban'i Abia, voho Abia ro baban'i Asa. 8 Asa ro baban'i Josafata, voho Josafata ro baban'i Jorama, voho Jorama ro razan'i Ozia. 9 Ozia ro baban'i Jotama, Jotama ro baban'i Ahaza, ahaza ro baban'i Hezekia. 10 hezekia ro baban'i Manase, Manase ro baban'i Amona, voho amona ro baban'i Josia. 11 Jisia ro eazan'i Jekonia voho reo rahalahiny tamin'ny fotoan'ny fandroaha ho agny Babylona.

12 Tafaran'ny fandroaha ho agny Babylona, la Jekonia ro baban'i Sealtiela, voho Sealtiela ro razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela ro baban'i Abihoda, Abihida ro baban'i Eliakima, voho Eliakima ro baban'i Azora. 14 Azora ro baban'i Zadoka, Zadoka ro baban'i Akima, voho Akima ro baban'i Elihoda. 15 Elihoda ro baban'i Eliazara, Eliazara ro baban'i Matana, voho Matana ro baban'i Jakoba. 16 Jakoba ro baban'i Josefa zay valin'i Maria, zay niteraky gnan'i Jesosy, zay kaihy hoe Kristy.

17 Gny avorohota iaby manomboky amin'i Abrahama ka traky amin'i Davida la avorohota folo efatsamby, manomboky amin'i davida ka traky amin'ny fandroaha ho agny Babylona la avorohota folo efatsamby, voho manomboky amin'ny fandroaha ho agny Babylona ka traky amin'i Kristy la avorohota folo efatsamby.

18 Manahaky gnan'izao ro nitrangan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Gny reniny, Maria, la fa natoka hanambaly gnan'i Josefa, fa zao talohan'ny niarahan-drozy, la jery fa niamintroky bakamin'ny fagnahy masy ie. 19 Josefa, valiny, la johary marina, ro sady ta-hagnala baraka gnazyampahibemaso. Ka nanapa-kevitra ie gny hamara mangingina gny fifagnenkea taminy. 20 Sady laha mbo nieritreritra mahakasika reo raha reo ie, la niseho taminy tamin'ny nofy gny anjelin'y Tompo, manao hoe: “Josefa, anaky lahin'i Davida, ka matahotra gny hangalaky gnan'i Maria ho valinao, fotony lay raiky zay notorotoroa ao anatiny la gny Fagnahy Masy ro nampimpetraky gnazy. 21 Hiteraky aja johary ie, oho iha hikaiky gny agnarany hoe Jesosy, fa ie ro hamonjy gny olony hiaal amy gny fahotandrozy.” 22 Io iaby io la nitranga mba hahatanteraky zay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny gny mpaminany, manao hoe: 23 “Ingo, gny Virjiny ho amintroky ka hiteraky aja johary, sady rozy hikaiky gny agnarany hoe Imanoela.” Zay midika hoe hoe “Amintsika Ndranagnahary.” 24 Nitaitsy tamy gny rorony Josefa voho nanao arak'izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo gnazy sady nangalaky gnazy ho valiny. 25 fa zao tsy niaraky taminy ie mandram-piterahany zazalahy. Sady nikaihy hoe Jesosy gny agnarany.